GIDEONA
(Gideôna) [Mpikapa; Ilay Mandringana].
Mpitsara niavaka teo amin’ny Israely. Zanakalahin’i Joasy izy, ary anisan’ny fianakaviamben’i Abi-ezera, avy amin’ny fokon’i Manase. Nipetraka tany Ofra (toa tany andrefan’ny Reniranon’i Jordana) i Gideona. Ny fizarana nisy azy no kely indrindra tao amin’ny fokon’i Manase, ary izy no ‘kely indrindra tao amin’ny ankohonan-drainy.’—Mpts 6:11, 15.
Tsy nilamina ny tany tamin’ny andron’i Gideona. Nivadika tamin’i Jehovah mantsy ny Israelita, ka na niasa mafy aza dia tsy mba nahazo valin-kasasarana. “Nanao rodobe sahala amin’ny valala” nanafika azy ireo tamin’ny fotoam-pijinjana ireo firenena mpanompo sampy nanodidina, indrindra fa ny Midianita, ary an-taonany maro no niaretan’ny Israely an’izany. Nanjakazaka be ny Midianina nandritra ny fito taona, ka voatery nanao fitehirizam-bokatra tany ambanin’ny tany ny Israelita mba hanafenana ny vokatra tsy ho hitan’ny mpanafika.—Mpts 6:1-6.
Notendrena ho mpanafaka. Tao amin’ny lavaka famiazam-boaloboka i Gideona no nively vary mba tsy ho hitan’ny Midianita. Tamin’izay no nisy anjely niseho taminy, ka nilaza hoe: “Momba anao i Jehovah, ry ilay matanjaka sady mahery fo.” Nanontany àry i Gideona hoe raha marina izany, nahoana no ampahorin’ny Midianita ny firenen’izy ireo. Rehefa nampahafantarina azy fa izy no hanafaka ny Israely, dia nilaza izy fa tsinontsinona ihany ny tenany. Nomena toky anefa izy fa hanampy azy i Jehovah. Nangataka famantarana àry izy mba hahalalany raha tena anjelin’i Jehovah tokoa ilay nitondra hafatra. Nitondra hena sy mofo tsy nisy lalivay ary ron-kena izy mba hatao fanomezana. Nasain’ilay anjely napetrany teo ambony vatolampy ireo ka ilay ron-kena no nararaka teo amboniny. Nokasihin’ilay anjely tamin’ny tehiny ilay hena sy ny mofo tsy nisy lalivay, ka nisy afo nivoaka avy tamin’ilay vatolampy nandevona an’ilay fanatitra. Nanjavona ilay anjely avy eo.—Mpts 6:11-22.
Ny alin’iny ihany i Jehovah dia nitsapa an’i Gideona: Nasainy nandrava ny alitaran’i Bala, izay an-drainy izy, hikapa ny tsato-kazo masina teo anilan’izy io, hanorina alitara ho an’i Jehovah, ary hampiasa ny hazo avy tamin’ilay tsato-kazo masina mba hatao kitay hanaovana fanatitra an’ilay vantotr’ombilahin-drainy izay fito taona (azo inoana fa noheverina ho masina ho an’i Bala). Malina i Gideona ka tamin’ny alina izy no nanao an’izany niaraka tamin’ny mpanompony folo. Rehefa nifoha maraina ny lehilahy tao an-tanàna, ka nahita izay nitranga, ary nahafantatra fa i Gideona no nanao izany, dia nikasa hamono azy izy ireo. Tsy navelan’i Joasy hovonoina ny zanany. Nilaza kosa izy fa i Bala no tokony hiaro ny tenany. Avy eo i Gideona, dia nomen’i Joasy anarana hoe Jerobala (midika hoe “Aoka i Bala Hiaro (Hiady) any Amin’ny Fitsarana”). Hoy mantsy i Joasy: “Aoka i Bala no hiaro ny tenany, satria nisy nandrodana ny alitarany.”—Mpts 6:25-32.
Nandresy an’ireo Midianina. Nivondrona ho iray ny Midianita sy ny Amalekita ary ny Tatsinanana taorian’izay, mba hanafika ny Israely indray. Nitoby teo amin’ny Lohasahan’i Jezirela izy ireo. Feno fanahin’i Jehovah i Gideona, ka novoriny ny Abi-ezerita mba hiady. Nampiantso an’ireo lehilahy tany amin’ny fokon’i Manase, Asera, Zebolona, ary Naftaly izy mba hiara-miady aminy. Mbola te hahazo toky izy hoe hanampy azy i Jehovah, ka nametraka volonondry teo amin’ny famoloana izy tamin’ny alina, ary nangatahiny mba ho lena ilay izy fa ny tany kosa ho maina. Nataon’i Jehovah tokoa ilay fahagagana. Malina tsara i Gideona, ka mbola nangataka famantarana fanindroany. Nanao fahagagana fanindroany i Jehovah ka ny tany indray no lena fa ny volonondry kosa maina.—Mpts 6:33-40.
Lehilahy mpiady 32 000 no namaly ny antson’i Gideona. Nitoby teo amin’ny loharanon’i Haroda izy ireo, teo atsimon’ny tobin’ny Midianita, izay teo amin’ny havoanan’i More, teo amin’ny lemaka iva. Tokotokony ho 135 000 ny miaramila fahavalo, izany hoe avo efatra heny raha ampitahaina amin’ireo Israelita 32 000. (Mpts 8:10) Nilaza anefa i Jehovah hoe be loatra ireo lehilahy niaraka tamin’i Gideona, ka raha homeny eo an-tanan’izy ireo ny Midianina, dia mety hihevitra izy ireo hoe ny heriny ihany no nahazoany famonjena. Nasain’Andriamanitra nalefan’i Gideona nody àry izay natahotra sy nangovitra. Nisy 22 000 ireo nody, nefa mbola be ihany ny tavela. Nasain’i Jehovah nentin’i Gideona teny amin’ny rano àry ireo 10 000 ambiny, mba handalo fitsapana. Telonjato monja no naka rano tamin’ny tanany ho eo am-bavany, ka natokana. Tsy voafidy kosa ireo nandohalika rehefa nisotro rano. Hita tamin’ny fomba fisotron’izy 300 lahy fa mailo izy ireo, sady zava-dehibe taminy ny ady atao amin’ny anaran’i Jehovah mba hiarovana ny fivavahana marina. Nampanantena i Jehovah fa hamonjy ny Israely amin’ny alalan’ireo 300 ireo.—Mpts 7:1-7.
Nitsikilo ny tobin’ny fahavalo i Gideona sy Pora mpanompony, tamin’ny alina, ka nandre lehilahy iray nitantara nofy tamin’ny namany. Nohazavain’ilay namany avy eo ny dikan’ilay nofy, ka nolazainy fa hatolotra eo an-tanan’i Gideona ny Midianina sy izay rehetra tao an-tobiny. Nampahery an’i Gideona ny nandre izany, ka niverina tany an-tobin’ny Israely izy. Nozarainy ho antokony telo ireo 300 lahy, mba ho afaka hiditra tany amin’ny lafiny telo tao amin’ny tobin’ny Midianina. Nomeny anjombona sy siny lehibe iray avy ny lehilahy tsirairay, ary nasiana fanilo tao anatin’ireo siny.—Mpts 7:9-16.
Tonga teo an-tsisin’ny tobin’ny Midianita i Gideona sy ireo 100 lahy niaraka taminy, raha vao nanomboka ny fotoam-piambenana, teo antenatenan’ny alina. Nanaraka tsara ny toromarika nomeny ny miaramilany, ka izay nataony mihitsy no notahafin’izy ireo. Nangina be ny alina. Tampoka teo anefa dia nisy feon’anjombona 300 nanakoako, feon’ireo siny lehibe 300 nopotipotehina, ary ny feon’ireo lehilahy 300 nanao hiakan’ady, sady nazava tampoka ny lanitra noho ireo fanilo 300. Nisahotaka àry ny tao an-tobin’ny fahavalo. Nikiakiaka sy nandositra izy ireo, ka “nataon’i Jehovah nifamely tamin’ny sabatra ny eran’ny toby. Koa nisy nandositra hatrany Beti-sita sy Zereraha ny tao an-toby, ka tonga hatrany amin’ny sisin’i Abela-mehola, any akaikin’i Tabata.”—Mpts 7:17-22.
Nandritra izany fotoana izany, dia nantsoina daholo ny lehilahy avy amin’ny fokon’i Naftaly sy Asera ary Manase mba hanenjika ny Midianina. Nilazana ny fokon’i Efraima mba hialoha an’ireo Midianita nandositra. Nanaiky ireo lehilahy efraimita, ka nambenan’izy ireo izay toerana fiampitana hatrany Beti-bara sy ny Reniranon’i Jordana. Azon’izy ireo i Oreba sy Zeba (samy andriana midianita), ary novonoiny. Rehefa nihaona tamin’i Gideona anefa ny Efraimita, dia “nila ady taminy ireo ka nasiaka taminy”, satria, hono, tsy niantso azy ireo hatrany am-boalohany. Nanetry tena anefa i Gideona ka nilaza fa tsinontsinona ihany ny vitany, raha oharina amin’ny nisamboran’ny Efraimita an’i Oreba sy Zeba. Tony àry ny fahatezeran’izy ireo, ka voasoroka ny ady.—Mpts 7:23–8:3.
Efa reraka i Gideona sy ireo 300 lahy, nefa niampita ny Reniranon’i Jordana ihany mba hanenjika an’i Zebaha sy Zalmona mpanjakan’ny Midianina ary ireo lehilahy niaraka taminy. Teny an-dalana, dia nangataka hanina tamin’ireo lehilahy tao Sokota ry Gideona. Tsy nety nanampy anefa ny andrianan’i Sokota fa nilaza hoe: “Efa eo am-pelatananao angaha i Zebaha sy Zalmona no omenay mofo ny miaramilanao?” Tsy nanaiky ny fiangavian’i Gideona koa ireo lehilahy tao Penoela.—Mpts 8:4-9.
Miaramila 15 000 teo ho eo sisa no tao amin’ny tafiky ny fahavalo, izay nitoby tao Karkora. Namely azy ireo tampoka i Gideona, raha iny tsy nanampo na inona na inona iny izy ireo. Nandositra i Zebaha sy Zalmona, ka nenjehin’i Gideona avy hatrany ary azony. “Nataon’i Gideona nangovitra [àry] izay rehetra tao an-toby.”—Mpts 8:10-12.
Nisambotra tovolahy iray avy tao Sokota i Gideona, rehefa niverina avy tany an’ady. Nanontaniany tsara azy io ny anaran’ireo andriana sy anti-panahy tao. Araka ny efa nolazainy teo aloha, dia tena nofaiziny tamin’ny tsilo sy voarointsilo tokoa ireo anti-panahy tao Sokota noho izy ireo tsy nety nanome sakafo azy. Araka ny efa nampitandremany koa, dia narodany ny tilikambo tao Penoela, ary naripany ny lehilahy tao an-tanàna, noho izy ireo tsy nety nanome hanina an’ireo miaramilany.—Mpts 8:13-17.
Nasain’i Gideona novonoin’i Jatera zanany lahimatoa, avy eo, i Zebaha sy Zalmona noho izy ireo namono ny rahalahin’i Gideona iray reny taminy. Mbola tovolahy i Jatera ka natahotra ny hamono an’ireo mpanjaka midianita ireo. I Gideona mihitsy àry no namono an’i Zebaha sy Zalmona, satria izay no tenin’izy ireo.—Mpts 8:18-21.
Nanao efoda. Ho fankasitrahana an’i Gideona dia niangavy azy sy ny taranany ny Israelita mba ho mpitondra teo amin’izy ireo. Tsy nety anefa izy, satria fantany fa i Jehovah no tena Mpanjakan’ny Israely. Nasainy nanao fanomezana avy tamin’ny firavaka volamena azo babo tany an’ady àry ny olona. Ny kavin’orona fotsiny dia efa sekely volamena 1700 (218 365 dolara). Nanamboatra efoda avy tamin’ireo i Gideona, ary narantirantiny tao Ofra izany avy eo. Nanjary nanana “fifandraisana mamoafady” tamin’ilay efoda anefa ny Israely rehetra, ary lasa fandrika ho an’i Gideona sy ny ankohonany ilay izy. Azo antoka fa tsy ratsy saina i Gideona tamin’izy nanao an’ilay efoda. Lasa tsy nankany amin’ilay tranolay masina, izay nofidin’i Jehovah ho toerana tena hivavahana aminy, intsony anefa ny olona noho ilay efoda. Nifanohitra tamin’izay nokasain’i Gideona no nitranga.—Mpts 8:22-27; jereo EFODA, I.
Maty ary anisan’ny Vavolombelona nankasitrahana. Tena nanafaka an’ilay firenena tamin’ny alalan’i Gideona tokoa i Jehovah, ka tsy nisy korontana intsony teo amin’ilay tany nandritra ny 40 taona naha mpitsara azy. Lasa nanana vady maro izy, izay niterahany an’ireo zanany 70 lahy. Efa tratrantitra izy vao maty. Lasa nivavaka tamin’i Bala indray ny Israely taorian’izay. Ankoatra izany, dia novonoin’i Abimeleka (zanak’i Gideona naterak’ilay vadikeliny tany Sekema) ny zanakalahin’i Gideona hafa. I Jotama faralahy ihany no afa-nandositra.—Mpts 8:28–9:5; jereo ABIMELEKA No. 4; OFRA No. 3.
Tena nanam-pinoana i Gideona, na maro aza ny olana. Rariny àry izy raha anisan’ireo “vavolombelona maro be toy ny rahona.” (He 11:32; 12:1) Nanome modely koa izy, satria sady nanetry tena no malina. Tsy hoe tsy nanam-pinoana izy rehefa nitandrintandrina be. Malina kosa izy, ary tsy nokianina mihitsy noho izany. Voalazan’ny Salamo 83 koa fa ny nandresena ny Midianina tamin’ny andron’i Gideona no mifanitsy amin’ny faminaniana momba ny handringanan’i Jehovah izay rehetra manohitra azy sy hanandratany ny anarany ary hanamarinany ny zony hitondra.—Ampit. Is 9:4; 10:26.