FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Voninahitra”
  • Voninahitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voninahitra
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Aza Avela Hisy Hisakana Anao Tsy Hahazo Voninahitra Amin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Manome Taratra ny Voninahitr’i Jehovah ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Tongava Hihaino Ilay Lahateny ho An’ny Besinimaro hoe: “Iza Ankehitriny no Manom
    Mifohaza!—2003
  • Hanome Taratry ny Voninahitr’Andriamanitra ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Voninahitra”

VONINAHITRA

Ny teny hoe kavôhd no nadika matetika hoe “voninahitra” ao amin’ny Soratra Hebreo, ary midika hoe “havesarana” izy io. (Ampit. 1Sa 4:18. Nadika hoe “navesatra” ilay mpamari-toetra hoe kaved ao.) Azo antsoina hoe voninahitra àry izay rehetra mety hahatonga ny zavatra iray havesatra na ny olona iray hanan-danja, toy ny harena (Sl 49:16), toerana ambony, na laza. (Ge 45:13) Ny teny grika hoe dôksa izay nidika hoe “hevitra; laza” no mifanitsy amin’ilay teny hebreo hoe kavôhd. Lasa nanana heviny hoe “voninahitra” anefa ny hoe dôksa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Anisan’ny dikany koa ny hoe laza tsara (Lk 14:10), hatsarana (Lk 2:9; 1Ko 15:40), ary izay mitondra dera ho an’ny tompony na ho an’ilay nanao azy (1Ko 11:7).

Ny voninahitr’i Jehovah Andriamanitra no tena resahin’ny Baiboly. Hoy ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao nataon’i G. Kittel: “Raha ampiharina amin’ny olona [ny hoe kavôhd], dia ilazana an’izay mahatonga azy hanan-danja sy hohajaina, toy ny harena na [fahamendrehana na toerana ambony]. Raha ampiharina amin’Andriamanitra kosa izy io, dia ilazana an’izay mahatonga ny olona hiaiky ny fahalehibeazany.” (Nadikan’i G. Bromiley, 1971, Boky II, p. 238) Azo antsoina hoe voninahitra àry ireo porofo maro mampiseho fa mahery indrindra Andriamanitra. “Manambara ny voninahitr’Andriamanitra”, ohatra, ny zavatra eny amin’ny lanitra. (Sl 19:1) Fisehoan’ny “voninahitr’i Jehovah” koa ny “afo mandevona” sy ny zavatra hafa nampahatahotra teo an-tendrombohitra Sinay.​—Ek 24:16-18, ampit. 16:7, 10; 40:34.

‘Nasehon’i Jesosy ny voninahiny’ rehefa nanao fahagagana voalohany izy. (Jn 2:11) Ny fahaizany manao fahagagana ho porofon’ny maha Mesia azy ilay voninahitra resahina eo. (Ampit. Jn 11:40-44.) Nivavaka i Jesosy, indray mandeha, hoe: “Ray ô, omeo voninahitra eo anilanao aho, dia ilay voninahitra nananako teo anilanao fony mbola tsy nisy izao tontolo izao.” (Jn 17:5) Ny toerana ambony notanany tany an-danitra talohan’ny nidinany tetỳ an-tany ilay voninahitra voalaza eo. “Nanome voninahitra an’i Jesosy Mpanompony” tokoa i Jehovah ho valin’ilay vavaka nataony, ka nanangana azy tamin’ny maty sy namerina azy tany an-danitra. (As 3:13-15) ‘Nahita ny voninahitr’i Jesosy’ ireo apostoly nahita azy niova tarehy (Lk 9:29-32), izany hoe nahita ny “fahamboniany” rehefa ‘manatrika’ ao amin’ny Fanjakany izy.​—2Pe 1:16.

Hoy ny Baiboly: “Ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.” (1Ko 10:31) Mahazo voninahitra Andriamanitra rehefa omena haja sy dera. Mety ‘hanome voninahitra Azy’ ny olona rehefa mahita ny fitondran-tenantsika. (Mt 5:16; 1Pe 2:12) ‘Ovana avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra bebe kokoa’ ny Kristianina mankatò an’i Jehovah, satria manome taratra bebe kokoa ny voninahiny izy ireo. (2Ko 3:18) Tsy tokony hitady voninahitra avy amin’olona toy ny nataon’ny sasany tamin’ny taonjato voalohany anefa isika. (Jn 12:42, 43) Modely ho antsika i Jesosy sy ny apostoly Paoly, izay tsy nitady na nandray voninahitra nomen’olona.​—Jn 5:41; 8:50; 1Te 2:5, 6.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara