FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Hazo Fanindronana”
  • Hazo Fanindronana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hazo Fanindronana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Samgara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Filistia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Saoly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Hazo Fanindronana”

HAZO FANINDRONANA

Hazo fibaikoan’ny tantsaha ny omby nitarika angadinomby. Tokotokony ho 2,5 m ny halavany, ary misy vy maranitra fanindronana ny tendrony iray. Misy mitovitovy amin’ny fandraka mitapelaka kosa ny tendrony ilany. Natao hanesorana fotaka sy tanimanga, na izay fakan-javamaniry sy tsilo miraikitra amin’ilay angadinomby izy io.

Nahafaty Filistinina 600 tamin’ny “fanindronan’omby” i Samgara. (Mpts 3:31) Avy amin’ny fototeny hoe lamad (mianatra; mampianatra) ny hoe malmad (heb.) nadika hoe ‘fanindronana’ eo.

Resin’ny Filistinina ny Israelita tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka, ka tsy navelany hisy hanao ny asan’ny mpanefy. Voatery nidina tany amin’ny Filistinina àry izy ireo mba handranitra ny fitaovam-pamboleny, sy hametaka ny lohan’ny fanindronany omby toa vita tamin’ny metaly.​—1Sa 13:19-21.

Toy ny hazo fanindronana ny tenin’ny hendry, satria mandrisika ny mpihaino hanao zavatra amim-pahendrena. (Mpto 12:11) Ilay hoe ‘mitsipaka ny hazo fanindronana’ kosa mampahatsiahy ny fanaon’ny omby mafy loha, izay tsy mety manitsy ny lalany na dia efa tsindronina amin’ny hazo aza, ka mandratra tena. Ilazana olona mikomy amin’ny manam-pahefana na manohitra toe-javatra tsy azo ovana ka manimba tena, àry io fitenenana io. Izany no nataon’i Saoly talohan’ny niovany ho Kristianina. Niady tamin’ny mpianatr’i Jesosy Kristy izy, nefa i Jehovah Andriamanitra nomba azy ireo.​—As 26:14; ampit. As 5:38, 39.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara