FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fitondrana, Fitondram-panjakana”
  • Fitondrana, Fitondram-panjakana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitondrana, Fitondram-panjakana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Andriamanitra sy Kaisara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Eo Amin’izao Tontolo Izao Kanefa Tsy Namany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Mpitondra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Foto-dresaka Ara-baiboly
    Foto-dresaka Ara-baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fitondrana, Fitondram-panjakana”

FITONDRANA, FITONDRAM-PANJAKANA

Fahefana manome lalàna sy mifehy izay ataon’ny olona eo anivon’ny fiaraha-monina na firenena iray; olona, na antokon’olona na fikambanana manana fahefana hitondra.

Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, dia nadika hoe “fanapahana”, “fitondrana”, “fanjakana”, ary “fitondram-panjakana” (Prot.; Kat.; DIEM; TV) ny teny grika iray tarika amin’ny hoe arke (fiandohana). Samy nadika hoe “fitondram-panjakana” ny teny grika hoe kybernesis sy ilay hoe kyriôtes, ao amin’ny Baiboly sasany. “Mamily [mitarika na mitondra]” anefa no tena dikan’ny hoe kybernesis, fa “manana fahefana” kosa no dikan’ny hoe kyriôtes. Ao amin’ny Soratra Hebreo kosa dia “fitondram-panjakana” no teny ampiasaina indraindray mba handikana ny hoe memshalah, ‘fahefana’ (Is 22:21), sy ny hoe misrah, ‘fahefana’ na “fahefan’andriana.”​—Is 9:6.

Lazain’ny Baiboly fa misy fanjakana na fitondram-panjakana maro tsy hita maso. Naorin’Andriamanitra ireo fanjakana tsara (Ef 3:10), fa ireo ratsy kosa naorin’i Satana sy ireo demonia. (Ef 6:12) I Jesosy Kristy no nampiasain’Andriamanitra tany am-piandohana mba hananganana an’ireo fanjakana sy fahefana rehetra manao ny marina, na hita maso izany na tsia. (Kl 1:15, 16) I Jehovah Rainy no nanao azy ho lohan’ny fanjakana rehetra (Kl 2:8-10), ary tsy maintsy manjaka i Jesosy mandra-pahatongan’ny fotoana hanafoanana tanteraka ny fitondrana rehetra manohitra an’Andriamanitra, na ny hita maso na ny tsy hita maso. (1Ko 15:24) Nilaza ny apostoly Paoly fa hisy fanjakana iray eo ambany fahefan’i Kristy ao amin’ny tontolo iray ho avy.​—Ef 1:19-21.

Fitondrana eo amin’izao tontolo izao. Ampitovin’ny Baiboly amin’ny “bibidia” ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao, ary lazainy fa avy amin’ilay Dragona, izany hoe Satana Devoly, ny fahefana ananan’izy ireny. Navelan’Andriamanitra hisy ireny fitondrana ireny, ary noferany ny toerana sy ny fotoana anjakany. Nataon’Andriamanitra nifanaraka tamin’ny fikasany foana izany.​—Da toko 7, 8; Ap toko 13, 17; Da 4:25, 35; Jn 19:11; As 17:26; 2Ko 4:3, 4; jereo BIBY AN’OHATRA.

Ny Kristianina sy ny fitondram-panjakana. Tsy nanohintohina ny fitondram-panjakana nisy tamin’ny androny i Jesosy Kristy sy ny Kristianina voalohany. (Jn 6:15; 17:16; 18:36; Jk 1:27; 4:4) Niaiky izy ireo fa ilain’ny fiaraha-monina ny fisian’ny fitondrana, ka tsy nikotrika fihetsiketseham-bahoaka na nitarika ny olona tsy hankatò lalàna mihitsy izy ireo. (Ro 13:1-7; Tit 3:1) Nanome toro lalana toy izao ho an’ireo tena mpivavaka amin’Andriamanitra i Jesosy: “Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.” (Mt 22:21) Nanampy an’ireo Kristianina voalohany (sy ny Kristianina hatramin’izao) io toro lalana io mba hahay handanjalanja, satria sady tokony hanaja ny fahefan’ny fitondram-panjakan’olombelona izy ireo no tokony hanaiky ny fahefan’Andriamanitra. Nasehon’i Jesosy tamin’izy teto an-tany fa tsy nanohitra ny fitondran’i “Kaisara” izy, fa nanaiky kosa an’ireo fitsipika tsy nifanipaka tamin’ny lalàn’Andriamanitra. Tokony hanao toy izany koa ny mpianany. Na i Pilato aza niaiky fa nanao toy izany i Jesosy, satria hoy izy: “Tsy hitako izay fahadisoany.” (Jn 18:38) Nanahaka an’i Jesosy ny apostoly.​—As 4:19, 20; 5:29; 24:16; 25:10, 11, 18, 19, 25; 26:31, 32; jereo FANJAKANA; MANAM-PAHEFANA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara