FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Hanana”
  • Hanana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hanana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Zakora
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Bany
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Jigdalia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hatosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Hanana”

HANANA

(Hanàna) [Miantra; Tsara Fanahy].

1. Benjamita “zanakalahin’i Sasaka.”​—1Ta 8:1, 23-25.

2. Zanakalahin’i Maka, ary lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida.​—1Ta 11:26, 43.

3. Taranak’i Saoly Mpanjaka, ary anisan’izy enina mirahalahy zanak’i Azela.​—1Ta 8:33-38; 9:44.

4. Zanakalahin’i Jigdalia, ary “lehilahin’Andriamanitra.” Tao amin’ny efitra fisakafoan’ny taranak’i Hanana i Jeremia mpaminany no nitsapa ny Rekabita, ka nahita fa nankatò ny didin’i Jonadaba razambeny tsy hisotro divay izy ireo.​—Je 35:3-6.

5. Lohan’ny fianakaviambe iray anisan’ny Netinima (mpanompo tao amin’ny tempoly). Niara-niverina tamin’i Zerobabela avy tany Babylona (537 T.K.) ny taranany.​—Ezr 2:1, 2, 43, 46; Ne 7:46, 49.

6. Anisan’ny Levita nanampy an’i Ezra hanazava ny Lalàna tamin’ny fiangonan’Israely tafavory teo an-tany malalaka, tandrifin’ny Vavahadin-drano tao Jerosalema. (Ne 8:1, 7) Mety ho izy ihany ilay No. 7 na No. 10.

7. Levita iray, na ny taranany, nanisy tombo-kase ny “fianianana” natao tamin’ny andron’i Nehemia Governora. (Ne 9:38; 10:1, 9, 10) Raha i Hanana ilay nanisy tombo-kase, dia mety ho izy ihany ilay No. 6 na No. 10.

8, 9. “Lohandohany [roa] teo amin’ny vahoaka.” Nanisy tombo-kase an’ilay fieken-keloka tamin’ny andron’i Nehemia Governora izy ireo, na ny taranany.​—Ne 9:38; 10:1, 14, 22, 26.

10. Zanakalahin’i Zakora. Levita mendri-pitokisana izy, ka nasain’i Nehemia nizara ny anjaran’ny Levita. Teo ambany fiadidian’i Selemia, Zadoka, ary Pedaia izy. (Ne 13:13) Mety ho izy ihany ilay No. 6 na No. 7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara