FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Hasabia”
  • Hasabia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hasabia
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Bany
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mesolama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Netanela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Semaia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Hasabia”

HASABIA

(Hasabìa) [Nanisy Vidiny (Nanisy Fiheverana) i Jehovah].

1. Levita taranak’i Merary. Razamben’i Etana mpihira tao amin’ny tempoly izy. (1Ta 6:31, 44-47) Mety ho izy ihany ilay Hasabia No. 6.

2. Lehiben’ny mpitendry zavamaneno andiany faha-12, rehefa nozarain’i Davida ho 24 ireo mpitendry zavamaneno tao amin’ny tempoly. Iray tamin’ireo enina mirahalahy zanak’i Jedotona izy, ary mety ho taranak’i Hasabia No. 1.​—1Ta 25:1, 3, 19.

3. Mpitantan-draharaha nisahana “ny asa rehetra ho an’i Jehovah sy ny mpanjaka.” Notendren’i Davida hiandraikitra ny faritra andrefan’i Jordana izy sy ny rahalahiny. Levita izy ary taranak’i Hebrona zanak’i Kehata. (1Ta 26:30; 23:12) Mety ho izy ihany ilay Hasabia No. 4.

4. Andriana sady mpitarika teo amin’ny fokon’i Levy tamin’ny fotoana nanjakan’i Davida. (1Ta 27:16, 17, 22) Mety ho izy ihany ilay Hasabia No. 3.

5. Anisan’ny “mpiadidy teo amin’ny Levita.” Nanome biby be dia be izy, tamin’ny fankalazana an’ilay Paska nanetriketrika tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka.​—2Ta 35:1, 9.

6. Levita izy, ary nanana taranaka nonina tao Jerosalema, taorian’ny sesitany tany Babylona. (1Ta 9:2, 3, 14; Ne 11:1, 4, 15, 20) Mety ho izy ihany ilay Hasabia No. 1.

7. Iray tamin’ireo lehiben’ny mpisorona, izay nasain’i Ezra nitondra an’ireo fitaovana sarobidy avy tany Babylona nankany Jerosalema, tamin’ny 468 T.K. (Ezr 8:24-30) Mety ho izy ihany ilay resahin’ny andininy faha-19, sy ilay Hasabia No. 9.

8. Levita anisan’ireo nanisy tombo-kase an’ilay fifanekena tamin’ny andron’i Nehemia. Nanao fifanekena ny tsy hivadika amin’i Jehovah mantsy ny Jiosy. Mety ho taranak’i Hasabia No. 1 ity Hasabia ity. (Ne 9:38; 10:1, 9, 11) Mety ho izy ihany ilay Hasabia No. 10 na ilay No. 11.

9. Mpisorona lohan’ny fianakaviamben-dry Hilkia, nandritra ny fotoana naha mpisoronabe an’i Joiakima, ilay nandimby an’i Jesoa. (Ne 12:10, 12, 21) Mety ho izy ihany ilay Hasabia No. 7.

10. Iray tamin’ireo filohan’ny Levita nanompo tamin’ny fotoana naha mpisoronabe an’i Joiakima.​—Ne 12:23, 24, 26; jereo No. 8.

11. Levita andrianan’ny antsasaky ny faritanin’i Keila. Nisolo tena ny faritaniny izy, ka nanamboatra ny ampahany tamin’ny mandan’i Jerosalema.​—Ne 3:17; jereo No. 8.

12. Levita avy tamin’ny “taranak’i Asafa.” Mpiandraikitra an’ireo Levita tao Jerosalema taorian’ny sesitany ny lehilahy iray taranany.​—Ne 11:22.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara