HELEZA
(Helèza) [Namonjy Izy].
1. Anisan’ireo lehilahy maherin’i Davida, ary Paltita izy na Pelonita. (2Sa 23:8, 26; 1Ta 11:26, 27) Rehefa nandamina ireo antoko-miaramila nifandimby isam-bolana i Davida, dia nasainy niandraikitra ny fizarana fahafito i Heleza.—1Ta 27:1, 10.
2. Taranak’i Joda. Zanaky ny lehilahy iray atao hoe Azaria izy, sady rain’i Elasa.—1Ta 2:3, 39.