FARAINGO
Vy na zavatra mifaingoka izay misy tendrony maranitra, toy ny an’ny lefona indraindray.
Volamena ny faraingo nanakambana an’ireo fitambaran-damba rongony roa nisy peta-kofehy nanaovana ny tranolay masina, ary varahina ny an’ireo fitambaran-damba roa volon’osy natao fandrakofana. (Ek 26:1, 5-7, 10, 11; 36:13, 18; 39:33) Toa faraingo volamena koa no nihantonan’ny ridao nanasaraka ny Masina sy Masina Indrindra (Ek 26:31-33), ary nihantonan’ny lamba fanakonana ho an’ny fidirana amin’ilay tranolay.—Ek 26:36, 37.
Nampiasa lelam-pintana miendrika faraingo ny mpanjono fahiny. (Ha 1:14, 15; Is 19:1, 6-8; Mt 17:24-27) Nisy koa ny faraingon’ny mpivaro-kena. (Am 4:2) Nitarihana biby, indrindra fa bibidia, koa ny faraingo.—Ezk 19:3, 4, 6, 9.
Notarihina tamin’ny faraingo natao teo amin’ny molony na orony na lelany indraindray ny olona azo babo. Asehon’ny sary asyrianina ny mpanjaka iray mitarika babo telo amin’ny tady misy faraingo natao teo amin’ny molotr’izy ireo, sady manapotsitra ny mason’ny iray amin’ny lefona. Azon’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria àry ny tian’i Jehovah holazaina, rehefa nasaina nilaza taminy i Isaia mpaminany hoe: “Hasiako faraingo ny oronao, ary hasiako lamboridy eo amin’ny vavanao, ka hotaritiko hiverina any amin’ny lalana niavianao ianao.”—2Mp 19:20, 21, 28; Is 37:29.
Hoy i Jehovah tamin’i Faraon’i Ejipta, izay nantenain’ny Israely fa hanampy azy hiady amin’i Babylona: “Hasiako faraingo anefa ny valanoranonao ... Dia hampiakariko avy ao amin’ny lakandranon’i Neily ianao ... Hariako any an-tany efitra ianao ... Dia tsy maintsy ho fantatry ny mponina rehetra any Ejipta fa izaho no Jehovah, satria efa tehina bararata ho an’ny taranak’Israely izy ireo.” (Ezk 29:1-7) Mety tsara ilay sarin-teny. Faraingo mantsy no nisamboran’ny Ejipsianina voay sy nitarihany azy hivoaka ny rano, hoy i Hérodote (II, 70) mpahay tantara. Hasian’i Jehovah faraingo koa ny valanoranon’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga”, ka hoentiny hanafika farany ny vahoakany izy alohan’ny hampiharana didim-pitsarana aminy.—Ezk 38:1-4; 39:1-4.