FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Hymeneo”
  • Hymeneo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hymeneo
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fileto
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fantatra ny Antikristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Mahakasika Anao ny Fampianarana Momba ny Fitsanganana Amin’ny Maty
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Fery Mandoaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Hymeneo”

HYMENEO

(Hymenèo) [avy amin’ny hoe Hymen, andriamanitry ny fanambadiana teo amin’ny Grika].

Kristianina nivadi-pinoana tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza i Paoly fa nanevateva an’Andriamanitra sy nanao “resaka tsy misy fotony izay manazimbazimba zava-masina” izy. Niala tamin’ny fahamarinana i Hymeneo sy Fileto, ka nampiala ny sasany tamin’ny finoana noho ny fampianaran-dison’izy ireo, ohatra hoe “efa nitranga sahady, hono, ny fitsanganana amin’ny maty.” Azo inoana fa nampianatra izy ireo hoe fitsanganana amin’ny maty an’ohatra ilay izy, ka efa natsangana tamin’ny maty ny Kristianina nanokan-tena ho an’Andriamanitra, ary izay ihany fa tsy misy fitsanganana hafa amin’ny hoavy, rehefa tonga ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’ny Mesia.​—2Ti 2:16-18; ampit. 1Ko 15:12-23.

Notononin’i Paoly tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’i Timoty i Hymeneo sy Aleksandra, izay nivadi-pinoana koa. Nilaza ilay apostoly fa efa natolony “ho an’i Satana” i Hymeneo sy Aleksandra, izany hoe noroahiny tsy ho anisan’ilay fiangonana izy ireo.​—1Ti 1:18-20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara