JERIOTA
(Jeriòta) [avy amin’ny matoanteny fototeny midika hoe “mangovitra”].
Mety ho vadikelin’i Kaleba na mpanompovaviny i Jeriota ary niterahany zanakalahy. Nisaina ho zanak’i “Azoba” vadin’i Kaleba anefa ireo zanany ireo. Hoy ny 1 Tantara 2:18: “Niteraka zanakalahy tamin’i Azoba vadiny sy tamin’i Jeriota, i Kaleba ... ka ireto avy ny zanany.”