KERENA-HAPOKA
(Kerèna-hapôka) [mety hidika hoe Tandroka Misy Loko Mainty (Fandokoana Maso) [izany hoe fitoerana manjamaso]].
Fahatelo sady farany tamin’ireo zanakavavy naterak’i Joba taorian’ilay fitsapana sy fijaliana mafy nanjo azy, ka nitahian’i Jehovah azy. (Jb 42:12-14) Maso mahafatifaty no nety ho tonga tao an-tsaina rehefa nandre an’ilay anarana. Angamba koa izy io nampiasaina mba hilazana ny hatsaran’ny bika aman’endrik’i Kerena-hapoka, satria “tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin’i Joba tao amin’ilay tany manontolo.” (Jb 42:15) Nampiasa ny loko mainty mangilatra azo avy tamin’ny antimoanina (metaly fotsy manopy manga) ny vehivavy tatsinanana fahiny. Nolokoan’izy ireo tamin’izany ny volomaso eo amin’ny masony, ary angamba koa ny volomaso eo ambony masony na ny sisin’ny hodi-masony. Lasa hoatran’ny hoe lehibe sy mangarangarana àry ny masony.—Jereo 2Mp 9:30; Je 4:30.