FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Lohalika, Mandohalika”
  • Lohalika, Mandohalika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lohalika, Mandohalika
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fihetsika sy Fanao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fiankohofana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Vavaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Lohalika, Mandohalika”

LOHALIKA, MANDOHALIKA

Vanin-taolana mampitohy ny fe amin’ny ranjo, ary tena ilaina mba hijoroana. Ilazana fahosana àry ny hoe lohalika mangozohozo na malemy, fa ilazana tahotra kosa ny hoe lohalika mifampikatrokatroka.​—Jb 4:4; Sl 109:24; Is 35:3; Da 5:6; He 12:12.

Telonjato monja tamin’ireo miaramilan’i Gideona 10 000 no tsy nandohalika rehefa nisotro rano. Ny 9700 lahy kosa nandohalika ka toa nitohoka tamin’ny rano mihitsy ny tarehin’izy ireo. Tsy mailo izy ireo ka tsy vonona raha nisy nanafika tampoka. Ny hiala hetaheta no masaka tao an-tsainy, fa tsy ny fahavalo hanafika. Nijoro kosa ireo 300 lahy ka naka rano tamin’ny tanany mba hosotroina, sady mailo sy niambina ary vonon-kiady. Nasaina nody àry ireo 9700 lahy tsy malina ireo.​—Mpts 7:3, 5-8.

An’ohatra no ilazana fa ‘teraka teo ambony lohalika’ ny zazakely. (Ge 30:3, f.a.p.) Tsy ny lohalik’ilay niteraka azy akory izany, fa lohalik’olon-kafa. Eken’io olon-kafa io fa taranany ilay zaza, ary ankasitrahany sy karakarainy. Nolazaina hoe zanak’i Rahely àry ny zanaka naterak’i Bilaha.​—Ge 30:3-6; ampit. Ge 50:23.

Nampanantena i Jehovah fa haverina ao amin’ny taniny ny vahoakany, izay nampitoviny tamin’ny zanak’i Ziona na Jerosalema. “Hosafosafoina eo am-pofoana [a.b.t.: eo ambony lohalika]” izy ireo, izany hoe hokarakaraina sy hankasitrahana indray.​—Is 66:12, 13.

Mandohalika. Barak no teny hebreo nadika hoe “mandohalika.” Mety ho iray ny fototeny niavian’io teny hebreo io sy ny teny hebreo nadika hoe “tsodrano.” Mety hidika izany fa indraindray dia nandohalika ny olona nandray tsodrano.

Rehefa miangavy. Mety handohalika ny olona mba hanajana olona na hiangaviana azy. Nandohalika teo anatrehan’i Elia, ohatra, ny lehilahy iray lehiben’ny dimampolo ary solontenan’i Ahazia Mpanjaka. Niangavy mafy izy mba hotsimbinina ny ainy sy ny ain’ireo lehilahy niaraka taminy. (2Mp 1:13, 14) Nandohalika ny boka iray sady niangavy an’i Jesosy mba hanadio azy.​—Mr 1:40-42; jereo koa Mr 10:17-22.

Rehefa mivavaka. Matetika ny tena mpanompon’Andriamanitra no mandohalika rehefa mivavaka. Mety tsara izany mba hampisehoana fanetren-tena. (Ezr 9:5; As 9:36, 40; 21:3-6) Nandohalika i Solomona ka nivavaka teo anatrehan’ny fiangonan’Israely, tamin’izy nitokana ny tempoly. (2Ta 6:13) Nandohalika sy nivavaka intelo isan’andro tamin’i Jehovah koa i Daniela, tao amin’ny efitranony tany an-tampon-trano, ary nisokatra nanandrify an’i Jerosalema ny varavarankeliny. Nanao izany izy na dia nisy didim-panjakana aza nilaza fa tamin’i Dariosy Mpanjaka ihany no tokony hanaovana fangatahana tao anatin’ny 30 andro. (Da 6:6-11) Modely i Jesosy Kristy, satria “nandohalika” izy “ka nivavaka” tamin’i Jehovah tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, ny alina namadihana azy.​—Lk 22:41.

Nandohalika teo anoloan’ny sarin’ny andriamaniny ireo mpanaraka fivavahan-diso. Tamin’ny andron’i Elia, dia mbola nisy 7000 ny Israelita tsy nivadika. Izy ireo no nolazaina hoe “ny lohalika rehetra tsy nandohalika tamin’i Bala.”​—1Mp 19:18; Ro 11:4.

Rehefa manaja olona na manaiky azy hoe ambony. Ny hoe mandohalika eo anoloan’ny olona iray dia mety hidika hoe manaja azy na manaiky hoe ambony izy. Nisy miaramila nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’i Jesosy, saingy tsy ho fanajana fa ho fanesoana azy.​—Mt 27:27-31; Mr 15:16-20.

Nasandratr’i Jehovah ho amin’ny toerana ambony kokoa i Jesosy Kristy rehefa nitsangana tamin’ny maty, ary nomeny anarana ambony noho ny hafa rehetra “mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalik’izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany.” Tsy maintsy mandohalika eo anatrehan’i Jehovah, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, ny olona rehetra hahazo ny fiainana, ary manaiky fa i Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra. Azo inoana fa tsy maintsy manao izany koa ireo “any ambanin’ny tany”, izany hoe ny olona hatsangana amin’ny maty.​—Fi 2:9-11; Jn 5:28, 29; Ef 1:9, 10.

Izay te hahazo sitraka amin’i Jehovah dia tsy maintsy manaiky fa faran’izay ambony izy sady manana ny zo hitondra an’izao rehetra izao. Hoy i Jehovah: “Nianiana tamin’ny tenako aho ... fa izaho no handohalehan’ny lohalika rehetra.” (Is 45:23; Ro 14:10-12) Rariny àry raha niangavy mafy an’ireo Israelita ny mpanao salamo hoe: “Midira ka aoka isika hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany. Aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah Mpanao antsika.”​—Sl 95:6; jereo FIHETSIKA SY FANAO.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara