FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Andian-tafika”
  • Andian-tafika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Andian-tafika
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahavita Nifehy Demonia Maro i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Olona iray tsy nampoizina ho tonga mpianatra
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Tsy nisy na inona na inona nahitana fa ho mpianatra izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Gadareanina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Andian-tafika”

ANDIAN-TAFIKA

Anaran’ny iray tamin’ireo lehilahy roa nisy demonia ary nifanena tamin’i Kristy Jesosy, tany amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasin’i Galilia. Azo inoana anefa fa tsy tena anarany ny hoe Andian-tafika, fa midika fotsiny hoe nisy demonia maro tao aminy. Ny lehiben’ireo demonia tao aminy angamba no nampiteny an’ilay lehilahy hoe: “Andian-tafika no anarako.” Matetika no nisy miaramila 6000 tao amin’ny andian-tafika romanina iray, tamin’ny taonjato voalohany. Mety ho be dia be tokoa àry ny demonia tao amin’ilay lehilahy. Nahery setra be izy sy ilay namany ka tsy nisy sahy nandalo teny amin’izay nisy azy ireo, izany hoe teny amin’ny fasana. Nandeha tsy niakanjo izy, ary niantsoantso mafy na andro na alina, sady nodidididiany tamin’ny vato ny tenany. Tsy nahatana azy, na dia gadra vy sy rojo vy aza. Namoaka an’ireo demonia ireo i Kristy Jesosy, ka tsy teo ambany herin’izy ireo intsony io lehilahy io sy ilay namany. Niditra tao amin’ny andian-kisoa ireo demonia ireo taorian’izay, ka nataony nirifatra teny amin’ny hantsana ireo kisoa ary nivarina tao amin’ny Ranomasin’i Galilia ka maty tao.​—Mt 8:28-34; Mr 5:1-20; Lk 8:26-39; jereo GADAREANINA; KISOA.

Misy fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba ny andian-tafika romanina ao amin’ny lahatsoratra hoe TAFIKA (Romanina).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara