FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Vodifanjaitra”
  • Vodifanjaitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vodifanjaitra
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Rameva
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mampanan-karena ny fitahian’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Vodifanjaitra”

VODIFANJAITRA

Nanao fanoharana momba ny fidirana ao amin’ilay Fanjakana i Jesosy Kristy hoe: “Mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Mt 19:24; Mr 10:25) Misy mihevitra hoe vavahady kely ilay hoe vodifanjaitra, ary sahirana ny rameva vao tafiditra teo rehefa nesorina ny entana nentiny. Matoanteny midika hoe “manjaitra” anefa no niavian’ny teny grika (rhafis) nadika hoe ‘fanjaitra’ ao amin’ny Matio 19:24 sy Marka 10:25. Ilazana fanjaitran’ny mpandidy koa ny teny grika (belône) ao amin’ny Lioka 18:25 izay mifanitsy amin’ireo. Hoy ny Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao: “Toa vao haingana no nisy nihevitra fa vavahady kely ilay hoe ‘vodifanjaitra’, fa tsy misy porofo hoe izany ilay izy taloha. Tian’ny Tompo holazaina kosa fa misy zavatra tena sarotra amin’olona ny manao azy. Tsy tokony hisy hilaza àry hoe tsy dia sarotra ilay izy ka hihevitra hoe tsy tena vodifanjaitra ilay vodifanjaitra.”​—1981, Boky Faha-3, p. 106.

Nampitombo fomba filaza i Jesosy, ka nasongadiny fa tena sarotra amin’ny mpanankarena ny hanomboka hanompo an’Andriamanitra sy hiditra ao amin’ilay Fanjakana.​—1Ti 6:17-19; Lk 13:24.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara