HAZO MITERA-MENAKA
[Heb.: ʽets shemen].
Tsy tena fantatra hoe inona izy io. Hazo be menaka na be zavatra mitovitovy amin’izany ilay hoe ʽets shemen (heb.). Efa hatry ny ela izy io no noheverina fa oliva rosianina (Elaeagnus angustifolia), izay hazo madinika fahita any Palestina. Volondavenona maitso toy ny an’ny hazo oliva ny raviny, ary fakana menaka koa ny voany, saingy ratsy noho ny menaka oliva. Azo atao sokitra ny hazony mafy sy malamalama, nefa toa tsy io ilay “hazo mitera-menaka” resahin’ny 1 Mpanjaka 6:23, 31-33 hoe nanaovana ny kerobima roa (4,5 m avy ny haavony), ny varavaran’ny Masina Indrindra, ary ny tolàna “efamira” tamin’ny fidirana tao amin’ny tempoly. Toa kely loatra mantsy ny oliva rosianina.
Hazo oliva ny ao amin’ny 1 Mpanjaka 6:23, araka ny Fandikan-teny Protestanta sy Fandikan-teny Katolika. Mety ho maromaro, hono, no natambatambatra hanaovana an’ireo kerobima, satria tsy dia lava ny vatan’ny hazo oliva. Toa tsy mitombina anefa izany satria samy hafa ny hazo oliva sy ny hazo mitera-menaka, araka ny Nehemia 8:15.
Hazo kesika (Pinus halepensis) àry ilay hazo mitera-menaka, hoy ny manam-pahaizana sasany, satria ahazoana ranoka mainty madity sy menaka terebinta izy io. Anisan’ny hazo maitsoririnina mijoalajoala fahita any Palestina izy io. Voaporofo koa fa nisy alana hazo kesika midadasika nanodidina an’i Jerosalema taloha. Mahatratra 20 m ilay hazo, malamalama ny hodiny volondavenona, maitso tanora ny raviny toy ny fanjaitra, ary volontsôkôlà somary mena ny voany mafy. Efa hitovy amin’ny hatsaran’ny sedera, hono, ny an’ilay hazo, ka azo nampiasaina tsara tao amin’ny tempoly. Tsy azo antoka anefa izany, ka “hazo mitera-menaka” fotsiny no nandikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny hoe ʽets shemen (heb.).
Rantsan’ny hazo mitera-menaka, oliva, mirta, ary palmie no nampiasaina tao Jerosalema, tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. (Ne 8:15) Anisan’ny handravaka ny tany efitra ny hazo mitera-menaka, hoy ny faminaniana, rehefa mody any amin’ny taniny ny Israelita.—Is 41:19.