FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Filemona”
  • Filemona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Filemona
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Apia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Filemona, Taratasy ho An’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-57 — Filemona
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Miasa ny fifankatiavan’ny mpirahalahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Filemona”

FILEMONA

(Filemôna) [Be fitiavana].

Kristianina nanana andevo. Nonina tao Kolosia (tany amin’ny faritra atsimoandrefan’i Azia Minora) izy, ary anisan’ilay fiangonana nivory tao an-tranony. Namelombelona an’ireo Kristianina hafa izy, ary fakan-tahaka ny finoany sy fitiavany. Tian’ny apostoly Paoly io mpiara-miasa taminy io. (Flm 1, 2, 5-7; ampitahao Kl 4:9 sy Flm 10-12.) Tia nandray vahiny koa izy, matoa te hatory tany aminy i Paoly.​—Flm 22; ampit. As 16:14, 15.

Toa fianakavian’i Filemona i Apia sy Arkipo, matoa noresahin’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’i Filemona. Mety ho vadiny àry i Apia, ary mety ho zanany lahy i Arkipo.​—Flm 2.

Toa noho ny fitorian’i Paoly no naha lasa Kristianina an’i Filemona. (Flm 19) Tsy nitory tao Kolosia akory i Paoly (Kl 2:1), fa nitory tany Efesosy kosa nandritra ny roa taona, ka “nandre ny tenin’ny Tompo daholo ny mponina tany amin’ny faritr’i Azia [anisan’izany i Kolosia].” (As 19:10) Mety ho izany àry no nahalalan’i Filemona ny Fivavahana Kristianina.

Mbola tsy nanoratra ho an’i Filemona i Paoly no nitsoaka i Onesimosy andevony. Mety ho nangalatra ny volan’ny tompony mihitsy aza izy io, mba hankanesany tany Roma. Tany izy no nihaona tamin’i Paoly ka lasa Kristianina.​—Flm 10, 11, 18, 19; jereo MPANOMPO, ANDEVO.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara