FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fireharehana”
  • Fireharehana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fireharehana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Ratsy ve ny Mirehareha?
    Mifohaza!—1999
  • Ny Vidin’ny Avonavona — Tonga Hatraiza?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Ho Vitanao ny Hanohitra An’i Satana sy Handresy Azy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Ahoana ny Amin’ny Fireharehana Ara-pirazanana?
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fireharehana”

FIREHAREHANA

Ilazana olona be hambo; mihevi-tena ho ambony satria manan-talenta, tsara tarehy, manankarena, ambony saranga, sy ny toy izany; manivaiva na manambany olona; mizahozaho; manambony tena. Misy heviny tsara koa indraindray ny hoe mirehareha, satria mety hidika hoe faly sy afa-po noho ny zava-bita na fananan-javatra. Mitovy hevitra amin’ny fireharehana ny hoe fieboeboana, fizahozahoana, fanambonian-tena.

Midika ara-bakiteny hoe “mihalava” (“haniry tsara”, Jb 8:11) na “lasa avo” (“lalina”, Ezk 47:5) ilay matoanteny hebreo hoe gaʼah, izay fototeny niavian’ny teny hebreo maro midika hoe fireharehana, anisan’izany ny teny nadika hoe “fanambonian-tena” sy “ambony dia ambony” ary ‘fahamboniana.’​—Is 9:9; Oh 8:13; Sl 68:34; Am 8:7.

Midika hoe “mirehareha, manao ho rehareha, mifaly” ilay teny grika hoe kaokaômai. Ampiasaina amin’ny heviny tsara sy ratsy izy io, ka ny teny manodidina no ahafantarana izany.​—1Ko 1:29; Ro 2:17; 5:2.

Mamitaka sy tsy mahasoa. Mety tsy hiaiky ny mpirehareha hoe mirehareha tokoa izy, ka antony hafa no mety holazainy ho nahatonga ny fihetsiny, fa tsy hoe fireharehana. Tsy te hiaiky mantsy izy hoe mirehareha. Mila mandini-tena tsara sy mamakafaka ny antony anaovany zavatra àry ny tsirairay, mba hahalalany raha manana an’io toetra ratsy io izy, na tsia. Milaza ny apostoly Paoly fa tokony ho antony tsara no mahatonga antsika hanao zavatra, ary mila mandini-tena isika. Hoy izy: “Raha manome ny fananako rehetra aho mba hahazoan’ny hafa sakafo, ary manolotra ny tenako ho sorona mba hisy hireharehako [kaokesômai], nefa tsy manam-pitiavana, dia tsy hisy tombony ho ahy velively izany.”​—1Ko 13:3.

Tokony hiezaka mafy àry isika mba hamongotra an’io toetra io ao am-pontsika, fa mahasoa antsika izany. Tena mila manao izany isika raha te hampifaly an’Andriamanitra. Tokony ho halantsika mihitsy aza ny fireharehana, satria hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Midika ho fankahalana ny ratsy ny fahatahorana an’i Jehovah. Halako ny fanambonian-tena sy ny fireharehana sy ny fanao ratsy ary ny vava fandainga.”​—Oh 8:13.

Hahita loza izay tsy miezaka hiala amin’io toetra ratsy io. Ny fireharehana mantsy “mialoha ny fahalavoana, ary ny fieboeboana mialoha ny fianjerana.” (Oh 16:18) “Horavan’i Jehovah [koa] ny tranon’izay manandra-tena.” (Oh 15:25) Misy tantara maro mampiseho fa lavo tokoa ireo olona sy mpanjaka ary firenena nirehareha.​—Le 26:18, 19; 2Ta 26:16; Is 13:19; Je 13:9; Ezk 30:6, 18; 32:12; Da 5:22, 23, 30.

Mamitaka ny fireharehana. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha misy mihevi-tena ho zavatra nefa tsinontsinona, dia mamita-tena izy.” (Ga 6:3) Toa nifidy ny fomba fiaina mety indrindra sy tena ahazoan-tombony ny mpirehareha, nefa tsy mieritreritra an’Andriamanitra mihitsy. (Ampit. Je 49:16; Ap 3:17.) Hoy ny Baiboly: “Aleo manetry tena miaraka amin’ny mpandefitra, toy izay mifampizara babo amin’izay manandra-tena.”​—Oh 16:19.

Fireharehana karazany hafa. Ampiasaina matetika hilazana fireharehana noho ny fitiavan-tena koa ilay matoanteny grika hoe kaokaômai. Milaza ny Baiboly fa tsy misy olona tokony hirehareha amin’ny tenany na amin’ny zava-bitany. Nirehareha tamin’ny tenany sy tamin’olon-kafa anefa ny Kristianina sasany teo anivon’ny fiangonana tany Korinto, ka nampisara-bazana an’ilay fiangonana. Nanana toe-tsaina araka ny nofo izy ireo, ka niantehitra tamin’olona fa tsy tamin’i Kristy. (1Ko 1:10-13; 3:3, 4) Tsy ny hahatonga ny fiangonana hifandray tsara amin’Andriamanitra no zava-dehibe taminy. Te hirehareha ny amin’izay hitan’ny olona izy ireo, fa tsy hoe te hanampy ny Kristianina hanana toetra tsara ankasitrahan’Andriamanitra. (2Ko 5:12) Nananatra mafy an’ilay fiangonana àry i Paoly mba tsy hirehareha amin’olona, fa amin’i Jehovah Andriamanitra sy izay nataony ho azy ireo. (1Ko 1:28, 29; 4:6, 7) “Izay mirehareha, dia aoka ho i Jehovah no ho reharehany.”​—1Ko 1:31; 2Ko 10:17.

Nomelohin’i Jakoba rahalahin’i Jesosy mihitsy aza ireo nirehareha noho izay nokasain’izy ireo hatao. Hoy i Jakoba tamin’izy ireo: ‘Mirehareha ny amin’izay zavatra ieboeboanareo ianareo. Ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.’​—Jk 4:13-16; ampit. Oh 27:1.

Heviny tsara. Misy heviny tsara koa ilay teny hebreo hoe gaʼah sy ilay teny grika hoe kaokaômai ary ny teny mifandray aminy. Fireharehana na fifaliana noho ny zava-bita na fananan-javatra no dikany amin’izay. Nolazain’ny mpanao salamo hoe “reharehan’i Jakoba” sady tian’i Jehovah ny Israely. (Sl 47:4) Nilaza mialoha i Isaia fa ho “zavatra mampirehareha” an’ireo Israelita ny vokatry ny tany, rehefa ho tafaverina ao amin’ny taniny izy ireo. (Is 4:2) Nilaza tamin’ny fiangonan’i Tesalonika koa i Paoly fa ‘reharehany eo amin’ireo fiangonan’Andriamanitra’ izy ireo, noho ny finoany sy ny fitiavany ary ny fiaretany. (2Te 1:3, 4) Mirehareha ny Kristianina satria manana an’i Jehovah ho Andriamaniny, sy mahalala azy, ary ekeny hanompo azy. Ity fitsipika ity no arahin’izy ireo: “Izay mirehareha kosa dia aoka hirehareha amin’izao zavatra izao: Ny fahafantarany tsara ahy sy ny fahalalany hoe izaho no Jehovah, dia Ilay maneho hatsaram-panahy feno fitiavana, sy manao ny rariny sy ny hitsiny eny ambonin’ny tany.”​—Je 9:24; ampit. Lk 10:20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara