FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Pola”
  • Pola

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Pola
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Tiglato-pilesera (III)
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Menahema
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tilgato-pilnesera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Asyria
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Pola”

POLA

(Pòla).

1. Anaran’ny mpanjaka iray tany Asyria, resahin’ny 2 Mpanjaka 15:19 sy 1 Tantara 5:26. Nanafika an’i Palestina i Pola tamin’ny andron’i Menahema mpanjakan’ny Israely, ka nanjary nandoa hetra taminy i Menahema. Niadian-kevitra ela be ny hoe iza marina i Pola. Mihevitra anefa ny ankamaroan’ny manam-pahaizana ankehitriny fa i Tiglato-pilesera III ihany no Pola. Ahitana ny anarana hoe Polo (Pola) mantsy ny takelaka iray antsoina hoe Lisitra A Misy ny Anaran’ireo Mpanjaka Babylonianina. Tokoltiapilesharra (Tiglato-pilesera) kosa no anarana mifanitsy amin’izy io, ao amin’ilay hoe “Tantaran’ireo Mpanjaka Niara-belona.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 272, 273) Angamba “Pola” no anarany, na anarana nahafantarana azy tany Babylona, fa novany hoe Tiglato-pilesera (Tilgato-pilnesera) rehefa lasa mpanjakan’i Asyria izy. Izany no ilazan’ny 1 Tantara 5:26 fa i “Pola mpanjakan’i Asyria, dia i Tilgato-pilnesera mpanjakan’i Asyria.”​—Jereo TIGLATO-PILESERA (III).

2. Anarana tsy hita afa-tsy ao amin’ny Isaia 66:19, ary tononina miaraka amin’i Tarsisy (mety ho ny faritra atsimon’i Espaina) sy Loda (any Afrika Avaratra). Firenena na tany izy io. Samy nanana mpandefa zana-tsipìka mahay i Pola sy Tarsisy ary Loda. Tsy fantatra anefa hoe taiza marina no nisy an’i Pola. “Foda” na “Pota”, fa tsy hoe “Pola”, no hita ao amin’ny Isaia 66:19 ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Tononina miaraka amin’i Loda i Pota (izay heverina fa ireo Libyanina any Afrika) ao amin’ny andininy hafa. (Ezk 27:10; Je 46:9; jereo POTA.) Ny soratra nataon’ny Masoreta anefa manao hoe “Pola.” Toy izany koa no hita ao amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia sy ao amin’ny Peshitta syriàka. Milaza ny manam-pahaizana sasany fa ny nosy Philae eo amin’i Nil (Neily) no “Pola.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara