FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Seira”
  • Seira

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Seira
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Ebala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Esbana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Hemdana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Edoma
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Seira”

SEIRA

(Seìra) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mitsangam-bolo”, mety hanondro havoana feno hazo; na mety hidika hoe “Mitsangam-bolo (Mangovitra) Noho ny Tahotra”].

1. “Horita” nanana ‘taranaka’ fito lehibem-poko tao Seira, talohan’ny nakan’i Esao (Edoma) an’ilay tany. (Ge 36:20, 21, 29, 30; 1Ta 1:38; ampit. Ge 14:4-6.) Mety ho nonina tany amin’ny faritra be tendrombohitra atsimon’ny Ranomasina Maty i Seira, ary mety ho nomena ny anarany io faritra io. Tsy fantatra na zanany naterany ireo ‘taranany’ fito ireo, na taranany tatỳ aoriana kokoa.​—Jereo ANA No. 1; DISONA.

2. Ilay faritra be tendrombohitra eo anelanelan’ny Ranomasina Maty sy ny Hoalan’i ʽAkaba. (Ge 36:8, 30; De 2:1, 8) Ny Horita no nonina tany Seira tamin’ny andron’i Abrahama. (Ge 14:6) Nanan-tany tany Seira tatỳ aoriana i Esao, zafikelin’i Abrahama. I Jakoba kambana aminy kosa lasa nipetraka tany Padana-arama. (Ge 32:3) Toa tsy nifindra monina tany Seira anefa i Esao, raha tsy elaela taorian’ny niverenan’i Jakoba tany Kanana. (Ge 36:6-9) Noroahin’ny Edomita taranak’i Esao ny Horita (De 2:4, 5, 12; Js 24:4) tatỳ aoriana, ka lasa nantsoina hoe Edoma ilay tany. Mbola nantsoina hoe Seira koa anefa na ny taranak’i Esao na ilay faritra nonenan’izy ireo. (No 24:18; ampit. 2Mp 14:7; 2Ta 25:11.) Toa nisy tamin’ny fokon’i Simeona nankany amin’ny Tendrombohitra Seira, tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka. Naripak’izy ireo ny sisa tavela tamin’ny Amalekita, ary nanorim-ponenana tany izy ireo. (1Ta 4:41-43) Misy fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba ny jeografia sy ny tantaran’i Seira ao amin’ny EDOMA, EDOMITA.

3. Tendrombohitra eo anelanelan’i Bala (Kiriata-jearima) sy Kesalona, eo amin’ny sisiny avaratry ny faritanin’i Joda. (Js 15:10) Maro no mihevitra fa i Seira ilay tandavan-tendrombohitra any amin’ny 15 km eo ho eo andrefan’i Jerosalema. Eo atsimon’izy io no misy ny tanàna kelin’i Shoresh.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara