FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mpitsikilo”
  • Mpitsikilo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpitsikilo
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo Mpitsikilo 12
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Nafenin-dRahaba Ireo Mpisafo Tany
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Ny Mpisafo Tany 12
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Nafenin’i Rahaba Ireo Mpitsikilo
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mpitsikilo”

MPITSIKILO

Olona miafina ka manara-maso olon-kafa mba hahalalana izay ataony. Naniraka mpiadidy 12 (solontenan’ny foko rehetra afa-tsy ny an’i Levy) hijery taratra ny tany Kanana i Mosesy, rehefa nitoby tany an-tany efitr’i Parana ny Israely (1512 T.K.). Neken’i Jehovah mantsy ny fangatahan’ny Israelita hoe: “Aoka isika haniraka olona hialoha antsika, hijery taratra an’ilay tany ka hanao tatitra atỳ amintsika momba izay lalana tokony hiakarantsika sy izay tanàna hidirantsika.” (De 1:22, 23) Toa nandeha tsiroaroa ireo mpitsikilo namakivaky an’ilay tany, hatrany “amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata” tany avaratra ka hatrany an-dranomasina tany andrefana. (No 13:21; jereo HAMATA, HAMATITA.) Samy niaiky izy ireo hoe “tondra-dronono sy tantely” ilay tany. I Josoa sy Kaleba irery anefa no nampirisika ny Israely hiditra sy haka azy io. Tsy nanam-pinoana kosa ny folo, ka nanao tatitra nampahatahotra an’ireo Israelita izay lasa tsy ampy finoana. Nilaza àry Andriamanitra fa hirenireny 40 taona tany an-tany efitra izy ireo ka ho faty daholo izay lehilahy 20 taona no ho miakatra, afa-tsy i Josoa sy Kaleba ary ny fokon’i Levy.​—No 13:1-33; 14:6-38; De 1:24-40.

Naniraka mpitsikilo roa tany ampitan’i Jordana i Josoa mba hijery taratra an’i Jeriko (1473 T.K.). Nanampy azy ireo i Rahaba mpivaro-tena, ka voavonjy izy sy ny ankohonany rehefa rava i Jeriko. (Js 2:1-24; 6:1, 22-25; He 11:31) Miresaka momba ny mpitsikilo koa ny Mpitsara 1:22-26; 18:1-10, 14, 17 sy 1 Samoela 26:4. Nalam-baraka ny olona nirahin’i Davida ho any amin’i Hanona mpanjakan’i Amona satria mpitsikilo, hono. (2Sa 10:1-7) Nandefa mpitsikilo nanerana an’i Israely i Absaloma, izay nikomy tamin’i Davida, mba handrisihana olona hiandany aminy fa tsy hoe mba hahalalana izay nitranga.​—2Sa 15:10-12.

Hoy ny apostoly Paoly momba ny dian’izy sy Barnabasy ary Titosy tany Jerosalema: “[Nisy] rahalahy sandoka ... nampidirina mangingina teo anivontsika, sady nisoko niditra mba hitsikilo ilay fahafahana ananantsika amin’ny maha mpianatr’i Kristy Jesosy antsika.”​—Ga 2:1-5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara