FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Narda”
  • Narda

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Narda
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Vatosanga
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Menaka Fanosorana sy Zava-manitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nisakafo tao An-tranon’i Simona tao Betania
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Narda”

NARDA

[Heb.: nerd; gr.: nardôs].

Zavamaniry kely manitra (Nardostachys jatamansi) fahita any an-tendrombohitra Himalaya. Avy amin’ny taho sy fakan’izy io, hono, ilay narda resahin’ny Baiboly. (To 1:12; 4:13, 14; Mr 14:3) Mampiavaka azy io ny tahony (5 sm eo ho eo) voloina somary mainty misandrahaka avy eo am-pototry ny fakany. Ny tapany ambony amin’ny narda no misy ravina, ary misy voninkazo mavokely ny tendrony.

Notehirizina tao anaty tavoahangy vatosanga nisarona ny ranona narda somary mena, mba tsy ho lefy ny fofony manitra malefaka. Malama sy somary fotsy toy ny marbra ny fitaovana vatosanga (na “alabastara”, Prot.), izay natao tany Alabastron any Ejipta. Nahazoam-bola be ny menaka sarobidy notehirizina tao anaty tavoahangy kely vatosanga nisarona, raha namidy. (Jn 12:5) Notombanana ho 300 denaria (karama herintaona teo ho eo), ohatra, ny menaka manitra na “narda tena izy” iray livatra tao anaty tavoahangy toy izany, nataon’i Maria tamin’ny loha sy tongotr’i Jesosy Kristy ‘hanomanana ny fandevenana azy.’ (Mr 14:3-9; Jn 12:3-8; Mt 20:2) Lafo be izy io satria mety ho avy tany Inde, izay lavitra an’i Israely. Lafo vidy ny narda ka nitampoka izy io matetika na tsy tena izy. “Narda tena izy” kosa ilay noresahin’i Marka sy Jaona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara