AMPONGATAPAKA
Zavamaneno velezina nampiasaina efa hatramin’ny andron’ny loham-pianakaviana fahiny, ary nadika avy amin’ny hoe tôf (heb.). (Ge 31:27) Amponga kely nentin-tanana izy io, ary ny ilany iray na roa no nasiana hodi-biby malefaka na tsia, izay nohenjanina tamin’ny hazo na metaly boribory (toa 25 sm teo ho eo ny savaivony). Nampiasaina rehefa fety izy io, ka toa nasiana vy boribory ny sisin’ny ampongatapaka sasany, izay novelezina hoatran’ny ampongatapaka maoderina. Toa nitovitovy tamin’ny amponga velezina amin’ny tanan-droa ny ampongatapaka hafa.
Tsy nampiasaina tao amin’ny tempoly ny ampongatapaka, fa nampiasaina rehefa nisy lehilahy sy vehivavy nidera an’i Jehovah na rehefa fety sy fampakaram-bady, ohatra. (1Sa 10:5; 2Sa 6:5; Sl 150:4; Is 5:12) Ny vehivavy no tena nively azy io rehefa nihira sy nandihy. (Ek 15:20; Mpts 11:34; 1Sa 18:6) Voalaza fa hitondra azy io ny Israelita falifaly rehefa mody any an-tanindrazany.—Je 31:4.