FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Zeosy”
  • Zeosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zeosy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Zeosy, Zanakalahin’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Hermesy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • ‘Tena Sahy Nitory Noho ny Fahefana Nomen’i Jehovah’
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Zeosy”

ZEOSY

(Zeòsy).

Andriamanitra fara tampony tamin’ny andriamanitra maro be nivavahan’ny Grika. Nantsoin’ny Romanina hoe Jopitera izy io. Andriamanitry ny lanitra izy, ary noheverina fa nifehy sy nibaiko ny rivotra sy rahona sy orana ary kotroka mba hamonoana na hanasoavana. Mahery noho ny andriamani-kafa rehetra mitambatra i Zeosy, hoy i Homère poety fahiny (Iliade, VIII, 1-25). Tsy tena andriamanitra fara tampony anefa izy, matoa voafitaka indraindray na voatery nilefitra nanoloana ny Anjara sy Vintana.

Tantarain’ny angano ny nahaterahany, ny fahazazany, ny naha lasa mpanjaka azy, ary indrindra ny hoe tia andriamanibavy sy vehivavy maro izy. Nanangoly azy ireny, hono, izy, ary niteraka zazasary maro be. Mahagaga anefa fa novonoin’i Zeosy i Iasion (olombelona), fa nijangajanga tamin’i Demetera andriamanibavy. Nikorontana ny tokantranon’i Zeosy sy Hera vadiny satria nanitsakitsa-bady foana i Zeosy. Leo be, hono, i Zeosy fa niteniteny azy foana i Hera, ka nitaraina tamin’ireo andriamanitra tafavory mihitsy izy, indray mandeha.

Nisy fotoana notoherin’ny mpivavaka tamin’i Zeosy ny fivavahana amin’i Jehovah. Nitady hanafoana ny fivavahana jiosy, ohatra, i Antiokosa Faha-4 (Épiphane), mpanjaka syrianina, ka nasainy nozimbazimbaina ny tempolin’i Jerosalema ary natokany ho an’i Zeosy (nifehy ny Tendrombohitra Olympe).​—Jereo 2 Makabeo 6:1, 2 (boky tsy anisan’ny Baiboly).

Noheverin’ny mponin’i Lystra tamin’ny taonjato voalohany fa andriamanitra i Paoly sy Barnabasy, rehefa hitany nanasitrana lehilahy nalemy i Paoly. I Paoly, hono, no Hermesy, ary i Barnabasy no Zeosy. Nitondra omby sy fehiloha voninkazo ny mpisoron’i Zeosy, mba hanao fanatitra niaraka tamin’ny vahoaka. (As 14:8-13) Tena nivavaka tamin’i Hermesy sy Zeosy ny mponina tao Lystra, araka ny soratra roa fahiny hita teny akaikin’izy io tamin’ny 1909. Miresaka momba ny “mpisoron’i Zeosy” ny soratra iray, ary ny iray momba an’i “Hermesy Lehibe Indrindra” sy “Zeosy andriamanitra masoandro.”​—Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena, nataon’i J. Orr, 1960, Boky III, p. 1944.

Nisy marika hoe “Zanakalahin’i Zeosy”, dia i Castor sy Pollux kambana mirahalahy, teo amin’ny lohan’ilay sambo nitondra an’i Paoly gadra avy tany Malta.​—As 28:11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara