FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Ziona”
  • Ziona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ziona
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • “Anaram-baovao”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
  • Fitomaniana: Topy Maso
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Ny Fifalian’i Ziona
    Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
  • Fenoin’i Jehovah Voninahitra sy Fahazavana ny Vahoakany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Ziona”

ZIONA

(Zìona).

Tanàna voaro mafin’ny Jebosita izy io tany am-boalohany, ary lasa nantsoina hoe “Tanànan’i Davida.” (1Mp 8:1; 1Ta 11:5) Rehefa azon’i Davida Mpanjaka ny Tendrombohitra Ziona, dia nanorim-ponenana tao izy. (2Sa 5:6, 7, 9; jereo DAVIDA, TANÀNAN’I.) Voahosotr’Andriamanitra i Davida tamin’izy nanjaka tao Ziona, matoa i Jehovah nilaza hoe: “Izaho efa nametraka ny mpanjakako ao Ziona, tendrombohitro masina.” (Sl 2:6) Nanjary masina teo imason’i Jehovah ny Tendrombohitra Ziona rehefa nafindran’i Davida tany ny Vata Masina. (2Sa 6:17) Tatỳ aoriana dia lasa anisan’i “Ziona” koa ny faritra nisy ny tempoly teo amin’ny Tendrombohitra Moria (nafindra tany ilay Vata Masina tamin’ny andron’i Solomona). Nanjary niantsoana ny tanànan’i Jerosalema manontolo mihitsy aza ny hoe “Ziona.” (Ampit. Is 1:8; 8:18; jereo TENDROMBOHITRA FIVORIANA.) Ilay Vata Masina no porofo fa manatrika eo i Jehovah (Ek 25:22; Le 16:2), ary i Ziona dia sary an’ohatra ilazana an’ireo zavatra any an-danitra. Izany no antony ilazana hoe monina ao Ziona i Jehovah (Sl 9:11; 74:2; 76:2; 78:68; 132:13, 14; 135:21), sy hoe avy ao Ziona no iavian’ny fanampiana sy ny fitahiana ary ny famonjena.​—Sl 14:7; 20:2; 50:2; 53:6; 134:3.

Nivadika tamin’i Jehovah ny mponin’i Ziona ka navelan’i Jehovah ny Babylonianina hanao izay hahalao an’ilay tanàna. (Ft 2:1, 4, 6, 8, 10, 13) Nisy sisa tamin’ny mponin’i Ziona (Jerosalema) anefa nibebaka tatỳ aoriana, ka nampodin’i Jehovah izy ireo, mba hahatanteraka ny faminaniana. (Is 35:10; 51:3; 52:1-8; Je 50:4, 5, 28; 51:10, 24, 35) Izany no nahafahan’i Jesosy Kristy nankany Jerosalema nitaingina zanak’ampondra ka tonga tao Ziona toy ny mpanjaka. Tanteraka tamin’izay ny faminanian’i Zakaria. (Za 9:9; Mt 21:5; Jn 12:15) Vitsy kely anefa no nanaiky an’i Jesosy ho mpanjaka, fa nanda azy sy nitady hamono azy kosa ireo mpitondra fivavahana. Izany no nitondra loza ho an’ilay Jerosalema teto an-tany, na Ziona, sy nahatonga azy holavin’Andriamanitra.​—Mt 21:33-46.

Nolavina i Jesosy tao amin’ilay Jerosalema teto an-tany, ka tsy tao mihitsy i Jehovah no nametraka ny Zanany ho toy ny “vato voasedra, eny, ilay vato fehizoro sarobidy izay fototra azo antoka.” (Is 28:16; Ro 9:32, 33; 1Pe 2:6) Tsy maintsy ho tao amin’ilay Ziona noresahina tamin’ny Kristianina hebreo toy izao kosa izany: “Fa ny hatoninareo kosa dia Tendrombohitra Ziona, sy tanànan’ilay Andriamanitra velona, izany hoe i Jerosalema any an-danitra; sy anjely an’alinalina tafavory; sy ny fiangonan’ny lahimatoa voasoratra any an-danitra; sy Andriamanitra, ilay Mpitsara ny olona rehetra; sy ny fiainana ara-panahin’ny olo-marina efa natao lavorary; sy Jesosy ilay mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao.” (He 12:22-24) Azo inoana fa eo amin’io Tendrombohitra Ziona any an-danitra io no mijoro ilay Zanak’ondry, izany hoe i Jesosy Kristy, sy ireo 144 000 izay novidina avy teto an-tany.​—Ap 14:1-3; jereo JEROSALEMA; JEROSALEMA VAOVAO.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara