FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Penina, II”
  • Penina, II

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Penina, II
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mandehana amin’ny maha-mpiara-miasa ao amin’ny fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Vala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Bararata
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Penina, II”

PENINA, II

Fitaovam-panoratana ampiasana ranomainty na ny toy izany. Hodi-biby malefaka na taratasy papyrus no nasiana soratra, rehefa penina sy ranomainty no nampiasaina. (3Jn 13; 2Jn 12) Ilazana bararata na fantàkamanitra ny hoe kalamôs (gr.; “penina”), ary azo adika ara-bakiteny hoe “bararata fanoratana.” Bararata misy tendrony nofisahina mba ho toy ny an’ny fandraka no natao penina tany Ejipta fahiny. Mety ho nohamainina sy nototofana taim-biby nandritra ny volana maro ilay bararata mba hihamafy, toy ny mbola fanao tato ho ato. Bararata marani-doha nisy tataka kely ny penin’ny Grika sy Romanina fahiny, toy ireo penina vita amin’ny volom-borona na ireo misy lohany metaly tatỳ aoriana.

Fitaovana fanoratana eo amin’ny tanimanga na savoka koa, ohatra, ny penina. (Sl 45:1; Is 8:1; Je 8:8) Bararata na hazo ny penina fanoratana soratra miendri-pantsika, ary efajoro na nisy sisiny ambony nivelatra kokoa ny tendrony.

Nila penina na fandraka metaly na fitaovana mafy hafa ireo nanao sokitra litera teo amin’ny vato na metaly. Hoy i Joba: “Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Eny, enga anie ka ho voasoratra ao anaty boky izany! Enga anie izany ka ho voasokitra amin’ny alalan’ny penina vy sady rarahana firamainty, eny, ho voasokitra mandrakizay eo amin’ny vatolampy!” (Jb 19:23, 24) Tiany ho voasokitra teo amin’ny vatolampy ny teniny, ary horarahana firamainty ireo soratra mba hateza. Nilaza i Jehovah, tatỳ aoriana, fa toy ny voasoratra amin’ny penina vy ny fahotan’ny Joda, izany hoe tsy ho voafafa mihitsy.​—Je 17:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara