FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/5 p. 83-84
  • Moa va feon’Andriamanitra ny feon’ny vahoaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Moa va feon’Andriamanitra ny feon’ny vahoaka
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Mitovitovy Aminy
  • Feo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitandrema Amin’ny ‘Feon’olon-tsy Fantatra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Toetran’ny Feo
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fomba Hanatsarana ny Feo sy ny Fampiasana Mikrô
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/5 p. 83-84

Moa va feon’Andriamanitra ny feon’ny vahoaka

Fantatrao angamba ity ohabolana latina ity hoe: Vox populi vox Dei. Io ohabolana tsy ilàna porofo io, izay namboarin’ny fotoana ho tonga fanaja, dia misy heviny marina amin’ny olona marobe tokoa, ary indrindra amin’ireo olona raiki-pitia amin’ny fitondrana entim-bahoaka. Kanefa moa va tena marina tokoa fa ny feon’ny vahoaka, izany hoe ny feon’ny be sy ny maro, dia feon’Andriamanitra?

Hita amin’izany ary fa raha tahiny ny feon’ ny vahoaka, ara-bakiteny, no feon’Andriamanitra, dia azo atao ny milaza fa ny vitsy an-isa, na ireo izay manda ny hevitra aposaky ny betsaka, dia tsy manana zo mihitsy na kely aza, satria avy hatrany izy ireo dia ho hita eo anilan’ilay fahavalo, izay tsy iza fa Satana Devoly, indrindra raha tahiny arahina ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Izay tsy momba ahy dia manohitra ahy, ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.” Raha tahiny vitsy ny olona hita mba hilaza fa ny maro an-isa, dia manam-pandeferana eo anatrehan’ny vitsy an-isa, dia ho hita amin’ny fomba fiheverany sy amin’ny asa ataony fa maro amin’izy ireo no mifanohitra amin’izany, izany hoe tsy manam-pandeferana akory.—Matio 12:30.

Ao amin’ny firenena maro samy hafa eto ambonin’ny tany, dia tsy mitovy ny endriky ny fanjakana fidin’ny vahoaka, ary izany dia mampiseho fa ny feon’ny vahoaka dia tsy feon’Andriamanitra. Raha tahiny ny feon’ny vahoaka no feon’Andriamanitra, dia Andriamamanitry ny fikorontanana izany Andriamanitra. Kanefa Andriamanitra dia tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa Andriamanitry ny filaminana sy ny fiadanana.—I Korintiana 14:33.

Mbola azo atao koa ny manampy izany fa raha tahiny ny feon’ny vahoaka no feon’Andriamanitra, dia hiady amin’ny famonoana ny tenany izany Andriamanitra. Vao tsy ela akory izay no nisy fifidianana natao tany Italia, ka ny kaomonista no nahazo vato be dia be. Raha tahiny indray ary mbola tsy mitsahatra ny fitomboan-kisan’ny kaomonista, ary noho izany dia ho resiny an-isa ny katolika ka izy, izany hoe ny kaomonista, no hibaiko ny fanjakana, moa va dia mbola ho lazaina ihany fa feon’Andriamanilra izany, ka tamin’ny voalohany dia ny katolika izay nilaza azy fa manao ny fivavahana kristiana no naneho azy, ary izao indray dia ny kaomonista izay olona tsy mino ny fisian’Andriamanitra akory no nisolo azy indray? Andriamanitra va dia hizarazara-tena ohatr’izany? Na ny Devoly aza, dia tsy hanao izany na oviana na oviana!—Matio 12:26.

Raha ny hoe feon’Andriamanitra ny feon’ny vahoaka, dia matetika ny mifanohitra amin’ izany no mitranga. Raha ny feon’ny vahoaka no arahina, dia angamba hianjera mandrakariva any amin’ny lalan-dratsy ny diantsika. Sahala amin’izany no nanjo an’i Arona, izay pretra lehibe voalohany indrindra tao amin’ny Isiraely fahagola. Ny feon’ny vahoaka izay nitady ny hanaovany zanak’omby amin’ny volamena no nohenoiny, ary izany dia niteraka fahasahiranana sy fikorontanana tamin’io firenena io. Tamin’io firenena io ihany koa no nitenenan’i Mosesy, fohy talohan’ny nahafatesany, hoe: “Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin’i Jehovah hianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.” Mosesy dia nahafantatra tsara io firenena isiraelita io, izay notarihany sy notsarainy ary notandremany nandritra ny efapolo taona!—Eksodosy 32:1-4, 21-24; Deoteronomia 31:27, AC.

Mbola ambaran’ny Baiboly amintsika ihany koa ny toe-javatra hafa iray karazan’io voalaza teo aloha io, dia tamin’ny firenen’Isiraely nangataka mpanjaka olombelona, tamin’ny andron’i Samoela mpitsara. Samoela, izay mpaminanin’Andriamanitra rahateo, dia efa sahiran-tsaina aok’izany tamin’ny fanahiana fa afoin’Andriamanitra ny firenen’Isiraely, kanefa Jehovah dia nilaza taminy mba hanao izay rehetra tadiavin’ny Isiraely, hoy Izy: “Henoy ihany ny tenin’ny olona amin’izay rehetra lazainy aminao fa tsy hianao no laviny, fa izaho no laviny tsy hanjaka aminy. Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin’ny andro nitondrako azy hivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony aminao.”—I Samoela 8:7, 8.

Amin’ny fahitana izany fanandramana niseho tamin’ny andron’i Arona sy Mosesy ary Samoela izany, dia tsy sarotra akory ny mahafantatra ny feon’ny vahoaka jiosy tamin’izy nanda an’i Jesosy Kristy, ilay Mesia efa nampanantenaina hatramin’ny elabe. Tsy ny feon’Andriamanitra velively mihitsy akory izany. Lioka dia mampiseho izany toe-javatra izany amin’izao fomba manaraka izao, taorian’ny fikasana fahatelon’i Pilato handefa an’i Jesosy: “Fa niantso tamin’ny feo mafy ny olona ka nangataka ny fanohomboana an’i Jesosy amin’ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon’ny olona.”—Lioka 23:23; Jaona 1:11, 12.

Raha tahiny ny feon’ny vahoaka no feon’ Andriamanitra, dia Andriamanitra izany no ho nifidy ireo olom-boafidy ho amin’ny asan’ny fitondram-panjakana eto an-tany amin’izao fotoana ankehitriny izao. Kanefa mba firy moa ny fifidianana hampamirapiratra ny sitrapon’Andriamanitra, indrindra raha sendra ny mitranga ankehitriny no dinihina izay miankina amin’ny vola fotsiny na miankina amin’ireo olona mpifehy olona tsy manan- draharana afa-tsy ny fampijaliana sy ny fitsetsefana ny vahoaka ary mamahana azy amin’ny fampanantenana poakaty?

Ny porofo nasehon’ny kardinaly poloney Wyscynski mikasika izany tamin’ny fifamalian-dresaka natao nandritra ny Kaonsily ekomenika tao Roma, dia manamafy izany tokoa. Nambarany fa ny Eglizy katolika ao Polona, dia niahiahy fatratra ny amin’ny fifidianana tamin’ny volana Janoary 1957, noho ny fandavana tsy maintsy hataon’ny vahoaka rehetra. Noho izany, dia nandefa baiko izy ho amin’ny klerjy katolika rehetra mba hanambosy ny mpiangona tsirairay ao aminy avy mba hifidy ho an’ny kaomonista izay, tsy mino an’Andriamanitra, nilatsaka ho fidina ka ny anarany da hita ao amin’ny taratasy filazana ny anaran’ny nilatsaka ho fidina. Dia tamim-pankatoavana tanteraka tokoa no nanaovan’ny katolika poloney izany. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe: Moa va izany fankasitrahan’ny ambaratonga katolika romana sy ny vahoaka an’ireo kaomonista tsy mino an’Andriamanitra ary nilatsaka ho fidina ireo izany, dia fanehoana ny feon’Andriamanitra?—Die Weltwoche, Zurich, 1 marsa 1963.

Tsia, ny feon’ny vahoaka dia tsy feon’Andriamanitra akory. Izany indray dia mbola porofoin’ny fananan’i Jehovah Andriamanitra ny fanjakan’ny tenany, dia ny Fanjakana izay nametrahany an’i Jesosy Kristy Zanani-lahy ho Mpanjaka sy Filoha ao. Izao no teny nataon’i Jesosy momba io fanjakana io raha niseho teo anatrehan’i Pilato izy: “Tsy eto amin’ izao tontolo izao ny fanjakako.” (Jaona 18:36).

Raha tahiny ny feon’ny vahoaka no feon’ Andriamanitra, dia tsy ho nilain’ny apostoly akory ny niteny hoe: “Andriamanitra no tokony ankatoavina mihoatra ny olona.” Raha tahiny misy fifanipahan’ny zavatra tadiavin’ Andriamanitra sy ny zavatra katsahin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia izany ihany no teny havalin’ireo olona izay manaraka marina ny kristianisma nataon’ny apostoly fahiny, satria fantatr’izy ireo mazava tsara mantsy fa ny feon’ny vahoaka dia tsy feon’Andriamanitra.—Asan’ny Apostoly 5:29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara