Rehefa mila ho tapaka ny fatoran’ny fanambadiana
RAHA nanakambana ny mpivady voalohany tamin’ny fanambadiana Andriamanitra, ny fikasany dia ny haharetan’izany firaisana izany mandrakizay. Izao tokoa mantsy no voalaza ao amin’ny Genesisy (2:24): “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny, ka hikambana amin’ny vadiny, ary dia ho nofo iray ireo”.
Natao hampifanatona ny lehilahy amin’ny vehivavy ny fanambadiana, hahatonga firaisana tsy mety levona najoro hitondra soa sy fahasambarana ary ho amin’ny fiterahana zaza marina, ary izany dia ho voninahitr’Andriamanitra.
Kanefa rava izany toe-javatra lavorary tao amin’ny paradisa voalohany izany. Niditra tao am-pon’ireo mpivady voalohany ny fikomiana, ka voaroaka avy tao amin’ny paradisa izy ireo. Nanjary tsy lavorary intsony ny lehilahy sy ny vehivavy. Nanomboka niharatsy ny sainy sy ny fo ary nifindra tamin’ny taranak’izy ireo izany tsy fahalavorariana, na fahotana izany.
Noho ny lehilahy sy ny vehivavy tsy nandeha tamin’ny lalan’Andriamanitra intsony, dia tsy ela akory ny fiatombohan’ny fahatapahan’ny fatoran’ny fanambadiana. Hita miharihary izany zavatra izany nandritry ny taon-jato maro ary indrindra fa amin’izao androntsika izao! Ny fisaraham-panambadiana sy ny fisarahan-toerana, dia tonga zava-mahazatra ary maro dia maro ny antony mahatonga izany. Nefa araka ny lalàn’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao, dia Jehovah izay mijery ny tsy fahalavorarin’olombelona, dia vitsy ny antony azo anapahana ny fatoran’ny fanambadiana. Izao no nolazain’i Jesosy ilay Zanak’Andriamanitra: “Lazaiko aminareo fa izay misaraka amin’ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany ka manambady olon-kafa dia mijangajanga.” (Matio. 19:9, MN). Voafetra ary, araka ny Soratra Masina, ny antony hahazoana misaraka. Fa ahoana kosa ny amin’ny fisarahan-toerana raha tsy azo atao ny fisaraham-panambadiana satria tsy nisy fijangajangana? Ahoana no hevitry ny Baiboly ny amin’izany?
HEVITRA TSARA MIKASIKA NY FISARAHAN-TOERANA
Tao amin’ny tanànan’i Korinto fahiny, izay nilomano tao amin’ny fivavahan-diso sy ny faharatsiana, dia nipetraka io fanontaniana momba ny fisarahan-toerana io, tao amin’ny fikambanana kristiana, tamin’ny taon-jato voalohany. Ary dia nanontany ny apostoly Paoly io fikambanana io ny amin’ny antony hahazoana misara-toerana. Voatahiry ho mandrakizay ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny valin-tenin’ny apostoly avy tamin’ny tsindrimandry. Manampy antsika hahafantatra ny fisainan’Andriamanitra momba ny fisarahan-toerana izany, raha samy kristiana daholo ralehilahy sy ny vadiny na koa raha kristiana ny iray amin’ny mpivady, fa tsy mpino kosa ny iray.
Izao no nosoratan’i Paoly: “Izao no anatra omeko ho an’ny manam-bady, tsy izaho anefa fa ny Tompo, aoka ny vehivavy tsy hisaraka amin’ny vadiny; (...) ary ny lehilahy tsy tokony hiala amin’ny vadiny.” (I Korintiana. 7:10,11, MN). Nosoritan’i Paoly aloha ny tokony hataon’ny mpivady kristiana arak’izay azony hatao, mba handaminana ny tsi-fifanarahana mety hitranga ka tsy hisaraka. Miharihary fa izany no fitondrantena mendrika, satria raha milaza fa kristiana nanolo-tena ny mpivady, dia tokony hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy, ary ny sitrapon’Andriamanitra momba ny mpivady kristiana, dia ny hikambanan’izy ireo fa tsy ny hanapahany ny fatoran’ny fanambadiana.
Mety hilaza ny mpivady fa kristiana samy efa nanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra nefa maniry ny hisaraka noho ny tsi-fifanarahan-toetra. Inona no nahatonga izany? Ny iray amin’ny mpivady, izay milaza fa kristiana na izy roa angamba, dia tsy mampihatra ny fitsipika araka ny Baiboly. Satria eo amin’ny fiainana, ny fototry ny fitsipika ny Baiboly, dia tsy raharahaina, tsy fantatra, na soloana ny hevitry ny tena ihany. Tsy azo lavina ny voka-tsoa azo rehefa ampiharina ny anatr’Andriamanitra. “Anaka, aza manadino ny fampianarako, ary aoka ny fonao hitandrina ny didiko; satria hanalava ny andro sy ny taona iainanao izany ary hampitombo ny fiadananao (...) Maneke azy amin’ny alehanao rehetra; fa izy handamina ny lalanao. (Ohabolana 3:1-6) Tsy misy fifanarahana tsy ho tapaka eo amin’ny mpivady kristiana raha mampihatra ny fahendren’Andriamanitra izy ireo, ary maneho ny tena fitiavana toy izay tokony hataon’ny kristiana mandrakariva (Jaona 13:34, 35; I Korintiana 13:4-7). Amin’ny maha-kristiana azy ireo, moa ve maneho ny fitiavany izy amin’ny fijerena tsy izay hahasoa ny tenany, amin’izay mikasika azy ihany, fa amin’izay mikasika ny hafa koa? (Filipiana 2:1-4, MN) Amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra nanolo-tena azy dia tokony hipetraka izy ka hiara-miresaka ny amin’ny tsy fifanarahana mampisaraka azy ireo, amin’ny fifampilazana araka ny mety fa avy amin’ny tsy fahalavorarian’olombelona izany. Tena ilaina mihitsy koa ny hivavahany amin’i Jehovah mandrakariva mba handraisany fanampiana avy aminy; tokony hiara-mivavaka tsy tapaka izy.
Nanao fandaharana tsara dia tsara ilaina anampiana ny kristiana nanolo-tena Jehovah, rehefa toa tsy misy fanafodiny intsony ny tsy fifanarahana mampisaraka azy, ary izany dia ao anatin’ny fikambanana kristiana. Ao izy ireo dia mahazo manatona ny mpitandrina sy ny olona efa matotra izay mahalala ny hevitr’Andriamanitra mikasika ny fanambadiana, mba handray anatra avy amin’ny Soratra masina, dia anatra tokony harahin’ny mpivady mpino voazaran’ny tsy fifanarahana. Satria Jehovah no Mpanao izany fandaharana izany, dia handray soa avy amin’izany izay mila azy, fa izay tsy mitady anatra avy amin’ny mpitandrina matotra kosa, raha ny tena marina, dia tsy miraharaha ny fomba nomanin’i Jehovah hanampiana azy. Izany no maha-samihafa ny mandresy ny sarotra sy ny tsy mandresy izany.
Marina fa amin’ny mpivady kristiana dia tsy misy tokony ilàna ny fisarahana. Noho izy ireo nanolo-tena ho an’i Jehovah hanao ny sitrapony, dia tokony hanao izay hihavanana miaraka amin’izay izy, ary hanome voninahitra an’Andriamanitra Mpanao ny fanambadiana amin’ny ataony.
Fantatr’i Paoly anefa fa hisy hisaraka. Izao no nambarany: “Nefa raha efa niala izy aoka izy hitoetra tsy manambady, na aoka hody amin’ny lahy”. (I Korintiana 7:11, MN). Satria tsy ny fijangajangana no anton’ny nisarahana ka tsy azo atao ny fisaraham-panambadiana ara-dalàna araka ny Soratra masina, ny kristiana izay misara-toerana dia tsy afaka hanambady. Miharihary fa tsy mahazo miray amin’olon-kafa izy. Nefa noho ny habetsahan’ny fakam-panahy sy ny fielezan’ny haratsiam-pitondrantena, dia tsara kokoa raha “mifampody izy”.
Inona no hataon’ny kristiana nanolo-tena manambady tsy mpino ? Izao no nambaran’i Paoly: “Raha misy rahalahy manambady tsy mpino ary mety miara-mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy; ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mpino, ka mety hitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hialany izy. Fa ny lahy tsy mpino dia efa masina ao amin’ny vavy, ary ny vavy tsy mpino dia efa masina ao amin’ny rahalahy; raha tsy izany kosa dia tsy madio ny zanakareo, fa raha izany dia masina izy. Fa raha ny tsy mpino no miala, aoka hiala izy, na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin’izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika ho amin’ny filaminana. Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy na hahavonjy ny vadinao hianao na tsia?”—I Korintiana 7:12-16, MN
Alohan’ny zavatra rehetra dia amafisin’ny Soratra Masina ny tsy tokony hanapahana ny fatoran’ny fanambadiana. Raha tsy maintsy ho tapaka izany dia tokony ataon’ny kristiana izay tsy haha-tompon’andraikitra azy amin’ny fahatapaham-pihavanana. Nefa raha miala ilay tsy mpino, aoka ilay kristiana hamela azy handeha.
Maromaro ny tombon-tsoa azo avy amin’ ny fiaraha-mitoetra, na dia voatery hiaina ao anatin’ny fianakaviana voazara amin’ny lafiny ara-pinoana aza. Mety hahataona ny vadiny ho amin’ny fivavahana kristiana ilay kristiana. Tena tsara toerana tokoa ilay tsy mpino noho izy mifampikasoka amin’ny fivavahana kristiana marina arahin’ny vadiny. Eonika, renin’i Timoty dia nanambady tsy kristiana. Tsy misy filazana ao amin’ny Baiboly fa nandao ny vadiny izy, nefa voaporofo aza ny nijanonany teo aminy; nandritr’izany fotoana izany dia nampianatra an’i Timoty zatovo izy ary nanampy azy ho tonga tena kristiana (II Timoty 1:5): Tsy voalazan’ny Baiboly fa niova ho amin’ny fivavahana kristiana ny rain’i Timoty, nefa toa tsy notapahin’ny fisarahana mihitsy ny fanambadian’ny ray aman-drenin’ity zazalahy.
ANTONY HISARAHANA
Ny tenin’i Paoly ao amin’ny I Korintiana 7:10-16 MN, dia mampiseho fa raha azo atao ny fisarahana araka ny Baiboly, dia tokony ho ilay tsy mpino anefa no hangataka izany. Mety hahatonga ny toe-piainan’ilay kristiana ho sarotra na tsy ho zaka mihitsy aza anefa ilay tsy mpino amin’izay ataony. Noho ny fampijaliana na antony manokana, dia mety ho tsapan’ilay mpino fa mety kokoa ny miala, rehefa tsy misy azo atao intsony.
Ny fandavana tsy hamelona ny fianakaviana dia antony iray azo isarahana. Manana andraikitra amin’ny vadiny sy ny zanany izay ho azony amim-pahasambarana ny lehilahy sady loha, rehefa manambady. Manana izany andraikitra izany eo anatrehan’Andriamanitra izy na tsy milaza azy ho kristiana aza. Ny marina, raha izany izy, dia ho noheverina fa ratsy noho ny tsy mpino raha tsy nikarakara ny fianakaviany tamin’ny fanaovany tsirambina. Izao no voasoratra ao amin’ny I Timoty 5:8 (MN): “Marina fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza”. Arak’izany fanambarana ao amin’ny Soratra Masina izany, dia mahazo misaraka ny vehivavy kristiana rehefa voatery ho amin’izany, noho ny tsy fidiny ary tsy mety hamelona azy ny vadiny; nefa ny fisarahan-toerana tsy manome alalana azy hanambady hafa.
Ny vono sy ny ratra dia antony azon’ny vady ialàna. Avy amin’ny fimamoana fototry ny tsy fifanarahana, no mahatonga izany mandrakariva (Ohabolana 23:29-35). Mety hisafoaka sy hamono ny vadiny mpino ny tsy mba manana ny fitsipiky ny Soratra Masina ho mpitarika azy. Mety hampidi-doza amin’ny fahasalamana sy ny fiainan’ny vehivavy kristiana ny fiverimberenan’izany matetika. Rehefa avy mieritreritra tsara ny toe-javatra sy nandinika tsara izany tamin’ny fivavahana ilay vehivavy, dia hitany angamba fa ny hany azony atao sisa dia ny miala amin’ilay vadiny misetrasetra. Amin’ny lafiny iray dia mety hahita fomba hisakanana ny hatezeran’ny lahy izy, ka hahatonga ny toe-piainana ho zaka ihany.
Ny loza mananontanona ny fiainana ara- panahin’ny kristiana koa, dia antony iray ahazoana misara-toerana. Zava-tsaro-bidy tokony ho lalainy sy ho tandremany ny fifandraisany amin’i Jehovah Andriamanitra. Raha toa voasakana tsy hanaraka ny fivavahana marina sy hanompo an’i Jehovah Andriamanitra araka ny Teniny sy araka ny fieritreretany nohazavain’ny Baiboly ilay mpino, noho ny antony lehibe toy ny tsy famelàna hivoaka na fampijaliana hafa toy izany, dia ho heveriny angamba fa mety ny miala. Na dia namantsika akaiky indrindra tokony hanehoantsika fitiavana aza ny vadintsika, dia nampahafantarin’i Jesosy mazava fa ny fitiavana an’Andriamanitra no voalohany (Matio 22:37-39). Tsy misy olombelona na iza na iza mahazo manakana antsika tsy hanompo an’Andriamanitra. “Andriamanitra no tsy maintsy hekenay ho filoha noho ny olona.”—Asan’ny Apostoly 5:29, MN.
Rehefa tsy zaka intsony ny toe-javatra, dia tsy tokony ho maimaika hanapaka ny fanambadiana amin’ny fisarahan-toerana ilay kristiana. Tokony havadibadiny tsara sy amin’ny fivavahana kosa ny toe-javatra (I Petera 4:7). Alohan’ny hitarihany ny fisarahana, dia tokony hanontany tena izy: Izay heveriny fa tsy fahavitana ny adidy famelomana ny fianakaviana ve mety ho vokatry ny fitakian’ny tenany zavatra be loatra? Fanahy iniana ve izany tsy fahavitana izany, sa misy antony tokony hodinihina, toy ny tsy fahasalamana, ny tsy fahampiam-bola na zavatra hafa toy izany? Ary ahoana no holazaina momba ny fampijaliana? Nisy ompa na vono ve, ary tamin’izany, moa ve tena niteraka fanaintainana tokoa ny vono sa nandona ny hambom-po fotsiny? Ary koa, manao ahoana ny toe-piainana ara-panahin’ilay kristiana? Tena tandindomin-doza tokoa ve sa toa ohatr’izany fotsiny, satria ilay kristiana tsy manararaotra tsara ny fotoana ahafahany mijoro ho mahery ara-panahy? Tena ratsy tokoa ve ny toe-javatra sady tena mampamoy fo ka tsy maintsy mieritreritra ny fisarahana? Tsy mety ahitana fanafodiny ve ny zava-tsarotra, amin’ny fampiharana tsaratsara kokoa ny fitsipika araka ny Baiboly?
Hevero koa izay mety ho vokatr’izany. Hanova ny fandehan’ny fiainanao rehetra ny fisarahana. Eritrereto ny zava-tsarotra. Inona no hitranga raha lavo amin’ny fitondrantena maloto hianao, noho hianao nisaraka tamin’ny vadinao? Mahatsiravina ny vokany! Ary inona no hiafaran’ny ankizy raha misy izany? Ho ampy ve ny fikolokoloina sy ny fitiavan’ny iray fotsiny amin’ny ray aman-dreny? Hahalamina ny zava-manahirana rehetra ve hianao na eo amin’ny ara-bola na ny hafa?
Hita fa rehefa dia tena tsy zaka mihitsy intsony ny toe-piainana, dia azo atao ny mihevitra ny fisarahan-toerana, kanefa tsy tokony hatao izany raha tsy efa tsy fidiny mihitsy ka tapitra nampiasaina daholo ny fomba hafa fampihavanana, ary efa avy nandinika ny zava-manahirana tamin’ny fivavahana.
FANDAMINANA NY ZAVA-MANAHIRANA
Mandrakariva ny dinidinika atao amim- pitiavana sy eritreritra tsara, dia miteraka vokatra tsara, rehefa mitranga ny tsy fifanarahana eo amin’ny mpivady izay mpino ny iray. Ohatra, azon’ny vehivavy kristiana hatao ny manamarika amim-pandanjalanjana amin’ny vadiny, fa mamela azy malalaka hanaraka ny fivavahany izy. Koa rariny raha mba ataon’ny lahy toy izany koa izy, amin’ny maha-kristiana maniry hifikitra amin’ny fanompoam-pivavahany. Tsy manakatsakana azy amin’ny asany ara-pivavahana izy; nahoana no tsy mba toy izany koa ny ataony aminy (Matio 7:12)? Na dia tokony hanaiky ny vadiny aza ny vehivavy tena kristiana (Kolosiana 3:18; Efesiana 5:22-24), dia fantany fa mbola alohan’ny zava-drehetra Andriamanitra, ary “Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra no lohan’i Kristy”. (I Korintiana 11:3, MN). Voafetra ary ny fanekeny ka rehefa mifanohitra amin’ny an’Andriamanitra ny sitrapon’ny lahy, dia ny an’Andriamanitra no tokony hankatoaviny.
Ahoana no tokony ho fihevitry ny vehivavy kristiana manam-bady tsy mpino, ny andraikitra momba ny asa fitorian’ny kristiana? In-telo isan-kerinandro ny fivorian’ny vavolombelon’i Jehovah. Tsy tafahoatra loatra izany, satria maro ny vehivavy mivoaka im-betsaka ao anatin’ny herinandro mba hanatrika fombafombam-pivavahana sy fivoriana miaraka amin’ny namana akaiky. Kanefa raha mivoaka koa ny vehivavy amin’ny andro hariva hafa, dia mety ho velona ny tabataba eo amin’ny fotoana andehanany ho any amin’ny fivorian’ny fikambanana indrindra. Ary ny amin’ny fitoriana any ivelany, dia tsy tokony hanao izany izy amin’ny ora maha-ao an-trano ny lahy ka ilany ny fiaraha-mipetraka aminy. Mety ho ekeny tsara ny fivoahany ao anatin’ny ora vitsivitsy hanatrika fivoriana, amin’ny faran’ny herinadro, kanefa mety ho laviny ny tsy haha-ao an-trano azy mandritry ny andro, noho ny asa aloha ary noho ny fivoriana avy eo. Maro ny vehivavy nanolo-tena mandamina ny raharahany ka mandray anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana mandritry ny ora iasan’ny lahy sy maha-any am-pianarana ny ankizy. Ny vehivavy kristiana miaina ao anatin’ny tokantrano voazara eo amin’ny lafiny ara-pivavahana ary, dia mety hahatsapa fa ilainy ny hampihenana kely ny asany, kanefa tsy hahafoy ny fivoriana sy ny asa akory na izany aza. (Matio 18:20; Hebreo 10:24, 25). Ho salama ara-panahy hatrany ny kristiana, ao anatin’ny fianakaviana voazara, raha mahay mandamina ny fiainany ka tsy manda ny “hanao izay tsara”.—Galatiana 6:9, MN.
Manana zo hanaraka izay fivavahana tiany ka hanana Baiboly sy boky fianarana ny Baiboly ampiasain’ny tenany, ny olon- drehetra. Izany anefa tsy milaza fa voatery hametraka ireny boky ireny ho hitan’ny mason’ny olona, eo amin’ny toerana tsy tian’ny lahy hahitana azy, ny vehivavy kristiana. Tokony hotehiriziny miaraka amin’ny zavany manokana ireny. Amin’ny fotoana maha-irery azy no tokony hianarany ny Baiboly sy ny boky momba ny Baiboly. Ho alaviriny amin’izany ny fifandirana sy fifandonana. Mazava ho azy fa rehefa voakasika ny fitsipika, dia tsy tokony hanaiky lembenana izy, kanefa tsy tokony hanao izay hahatongavan’ny ady tsy misy antony izy, noho ny tsy fahampiam-pahendrena.—Matio 10:16.
Mandrakariva ao amin’ny tokantrano misy ray aman-dreny tsy mitovy finoana, dia velona ny fifandonana mikasika ny fampianarana ny ankizy ara-pivavahana. Raha ny reny no mpino, dia mety ho azony atao amim-pandanjalanjana ny hitondra ny zanany hiaraka aminy any amin’ny fivoriana na ny raharaham-pitoriana. Kanefa raha tsy tian’ny lahy izany, ka raràny tsy hiaraka amin-dreniny ny ankizy, dia tokony hankatoavina izy satria izy no lohan’ny fianakaviana. Noho izy tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra, dia tsy fahendrena raha mitady hampanaiky azy ny sitrapony ny vehivavy mpino. Hampianatra amim-paharetana ny ankizy ny amin’ny fitsipika araka ny Baiboly izy ao an-tranony ary rehefa lehibe ireo, ka mandao ny tranony, dia ho afaka hifikitra amin’ny fivavahana marina.
Ahoana kosa ny amin’ny fampianarana ny ankizy raha mpino ny lahy ary tsy mpino ny vavy? Manana zo sy andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra, hitaiza ny zanany ho tena kristiana ny lahy, amin’ny maha-lohan’ny fianakaviana azy. Hitarika azy ireo any amin’ny fivoriana kristiana izy, hampianatra azy any amin’ny raharaham- pitoriana ary hianatra ny Baiboly miaraka aminy ao an-trano.
Mety hahamafy ny fatoran’ny fanambadiana koa ny fahendrena aseho eo amin’ny zavatra miseho ivelany. Mety hisy fanaka sasany tian’ny vehivavy atao ao an-trano, kanefa hafa no izany no tian’ny lahy ka izay tiany no andidiany amin’ny maha-loham-pianakaviana azy. Tokony hitahiry lolom-po aminy ve ny vehivavy, satria tsy azoazony ny zavatra sasantsasany? Raha miteraka fifandirana izany tsy fitovian’ny fitiavana izany, aoka ny vehivavy kristiana tsy hihevitra fa mijaly noho ny fahamarinana izy! Raha ny marina dia mahatanteraka ny adidy kristiana izy, dia adidy mibaiko azy mba hanaiky. Na mety hitady hifindra fonenana koa ny lahy. Tsapan’ny vehivavy ny fahasahiranana ho vokatr’izany fifindran-trano izany; kanefa tokony hanaiky izay tian’ny vadiny izy, satria manana zo hifidy ny toerana honenan’ny fianakaviana ny lahy. Mety ho sarotra ny tsy fifanarahana nateraky ny tsy fahafaliana vokatry ny fifidianana fonenana, ka mety hanapa-kevitra handamina ny fifandirana ny vehivavy, amin’ny fisarahany amin’ny vadiny. Amin’ny toy izany, dia tsy ny fahasamihafam-pinoana no antony. Raha ny marina, ny fampiharana ny fitsipika araka ny Baiboly dia mety ho ampy handaminana ny zava-manahirana.
Mora ny mahita ny ratsy ataon’ny hafa. Kanefa tokony hanontany tena ny vehivavy kristiana: Inona no azoko atao hahatomombana ny fanambadianay? Raha tsy mody ny vadiko ny hariva fa mankany amin’ny trano fisotroana, sao dia noho ny tsy fisian’ny zavatra manintona azy ao an-trano? Manome tsiny azy ve aho? Mananatra azy lava ve aho? Tsy tan-dalàna ve ny ankizy? Hahasoa sy tena ho saro-bidy tokoa ny fandinihan-tena amim-pahamarinana toy izany. Adidin’ny vehivavy ny manao izay hahafinaritra ny tokantrano mba hahatonga ny lahy ho maika hody ao, amin’ny hariva.
Tsy tokony hodian’ny mpino tsy hita koa ny zavatra tian’ny vadiny tsy mpino. Moa ve tsy nihevitra izay tian’ny iray, ny tsirairay avy tamin’ireo tanora roa, tamin’ny andron’ny fifamofoana? Tokony hanohy izany fiheverana izany ny lehilahy mpino, aorian’ny fampakaram-bady. Na dia tsy tian’ny vehivavy mpino aza ny zavatra fanaon’ny lahy sasantsasany, dia tsara raha mianatra ho tia izany izy, mba hahatsara ny fanambadiany. Raha tsy miara-manao ny zavatra ny mpivady, ahoana moa no hitomboan’ny fitiavany? Raha toa zavatra tsy handikana ny fitsipika na izay zavatra araka ny Baiboly, dia tokony hampandefitra ny zava-tiany eo anoloan’ny an’ny vadiny, ny mpino, amin’ny fanokanany ny fotoanany sasany hanaovany izay tian’ilay tsy mpino ka haneho fahendrena kristiana izy amin’izany. Izany no lalan’ny fitiavana, dia lalana mety hitarika ilay tsy mpino handinika ilay fivavahana mamporisika ny vadiny hihevitra azy toy izany.
Tsy tokony hivatravatra na ho sarotsarotiny ny lehilahy kristiana, raha tsy izany dia hahatonga alahelo ho an’ny vadiny izy ka hitarika azy hisaraka aminy. Eritrereto ny fifaliana nameno ny fonareo tamin’ny andron’ny fampakaram-bady. Nahoana no tsy atao izay haharetan’izany fihetseham-po izany? Nahoana ny lehilahy matahotra an’Andriamanitra no haka tahaka ny fanaon’ny lehilahin’izao tontolo izao izay manapaka ny vadiny ary miseho ho mivatravatra sy mangatsiaka amin’ny fihetsika sy ny fiteny, noho ny tsy fahampian’ny fandinihana? Marina fa noho ny fanotana, dia tonga niharan’izao didim-pitsaran’Andriamanitra izao ny vehivavy: “Amin’ny fanaintainana no hiterahanao, ary ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.” (Genesisy 3:16). Kanefa tsy tokony ho tsi-refesi-mandidy ny lehilahy matotra (Kolosiana 3:19). Tokony hijery ny fihetseham-pon’ny vadiny izy. Ary na dia izy aza no tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitra farany, dia tokony hanontany ny heviny izy, tsy hoe mba handraisany toro-lalana avy aminy, fa mba hahalalany ny zava-manahirana azy kosa ka hijereny izany amin’ny fanapahany hevitra. Tokony hampihatra ny fahefana maha-lehilahy azy amim-pahamarinana sy fitiavana izy. Tokony hanaraka amim-pahendrena ny toro-hevitr’i Paoly izy, manao hoe: “Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Fa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany ihany, satria tsy misy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mikarakara azy izy toy ny ataon’i Kristy amin’ny fikambanana.” (Efesiana 5:28, 29, MN). Anehoy fitiavana ny vehivavy nangatahinao hiara-miaina aminao. Na dia tsy manaraka ny fivavahana kristiana marina aza izy, dia manokàna kely amin’ny fotoananao ho azy, manàna fiheverana azy, omeo teny mamy izy. Asehoy fa mihevitra azy hianao. Aoka hianao tsy ho variana loatra amin’ny raharahanao hafa mba hahafahanao manokana kely amin’ny fotoananao ho azy sy hilazanao aminy indray ny fitiavanao azy. Ny toetra mendrika amin’izany, dia tsy isalasalana fa hahatonga anao hiaina sambatra ary angamba mety hahatarika ny vadinao hanaiky ny fivavahana kristiana. Mety hitondra ho amin’ny loza ny tsy fanarahana izany torohevitra izany.
Tena manana tombon-tsoa tokoa ny lehilahy sy ny vehivavy samy kristiana. Manana ny fanahy masin’Andriamanitra izy ireo. Noho Izy, dia mampiasa ny vokatry ny fanahy izy ireo toy ny fahononam-po, ny fitiavana, ny fahalemem-panahy, ny fahatsoram-po ary ny toetra tsara hafa toy izany (Galatiana 5:22, 23). Voka-tsoa manao ahoana moa no ho azo avy amin’ny fampiharana ireo toetra tsara ireo eo amin’ny fanambadiana! Hita avy hatrany fa tsy tokony ho diso hevitra ny kristiana manambady tsy mpino: mety tsy hahalala ny sitrapon’Andriamanitra ilay tsy mpino ka tsy afaka hampihatra ny fitsipika araka ny Baiboly. Ary izany no mampitranga ny zava-manahirana, kanefa tsy tokony hitsahatra hampiasa ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ilay kristiana. Raha manao toy izany izy ka mitàna ny herim-pony ary mametraka ny fanantenany amin’i Jehovah Andriamanitra, dia azo antoka fa hahazo vokany tsara, arak’izay nolazain’i Petera tamin’ny vehivavy kristiana, hoe: “Ary toy izany koa, hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza raha tahiny misy tsy manaiky ny teny, rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondrantenanareo amin’ny fanajana feno.”—I Petera 3:1, 2, MN.
Zavatra fahita matetika ny fisarahan- toerana sy ny fisaraham-panambadiana amin’ity izao tontolo izao mikorontana ity, toy ny fitomboan’ny zava-manahirana sy ny fijaliana miaraka amin’izany. Ny tena kristiana dia hiandry amim-pifaliana ny fahatongavan’izao tontolo izao vaovaon’ny fahamarinana izay tsy hisian’ny fisarahana mampalahelo na ny fanaintainana, na ny fitsapana mafy mampahory ny olombelona intsony. Kanefa ankehitriny, amin’izao andro faran’ity izao tontolo izao konka ity sy eo anivon’ny fikorontanany, dia mety ho tonga amin’ny toerana izay hitarika anao hanontany tena hianao, na tokony hisaraka amin’ny vadinao na tsia. Tompon’ny fanapahan-kevitra farany hianao. Kanefa alohan’ny zavatra rehetra, diniho ny antony ahazoana misaraka eken’ny Soratra Masina. Hevero koa izay mety ho vokatry ny fanapahan-kevitrao. Mandiniha tena tsara. Manatòna ny mpikarakara mato-tsaina mba handray torohevitra mahasoa avy aminy. Eritrereto ny voka-tsoa mety ho azonao raha manohy ny fiara-miaina amin’ny vadinao tsy mpino hianao, na dia hizaka fitsapana mahamay aza. Hevero ny fifaliana hahita azy tonga mpanompon’i Jehovah indray andro any, ohatra. Vinanio amin’izany ny ho fahasambaranao, fahasambarana izay ho gohinao noho ny nanapahanao hevitra hijanona! Na inona hihatra na inona hidona, mihezaha arak’izay tratry ny herinao mba ho hita tsy manan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra hianao ka hahazo fitahiana sy valisoa avy aminy.—I Kor. 13:4, 5, 8, MN.