Ny Haramagedona voalaza ao amin’ny baiboly
AHITAN-DOZA ny fiantsoantsoana tsy misy fotony, izany hoe ny antso avo atao amin’ny olona kanefa tsy misy fototra marina iorenan’izany antso izany tsinona. Raha tahiny manao antsoantso hoe “afo ô! afo ô!” kanefa tsy misy afo tsinona, dia hivanaka no haifarana raha mahita ny olona manampin-tsofina raha sendra misy fahamaizana marina tokoa ka manao antso avo aminy mba hiaraka mamono ny afo. Raha ny fampandrenesana na ny famantarana ho fampandrenesana no maizimaizina, manjavozavo na tsy hita mazava tsara, dia matetika loza no haterany. Paoly, anankiray tamin’ny apostolin’i jesosy Kristy, dia nanambara hoe: ‘’Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?” (I Korintiana 14:8). Izany indrindra no loza miafina aorian’ny fampiasana tafahoatra ny teny hoe: Haramagedona, izay fantatra koa amin’ny endrika hafa hoe: “Hara-Magedona”.
Ireo mpitondra fanjakana eto amin’izao tontolo izao sy ny klerjy ary ny gazety samihafa, dia mampiasa ny teny hoe: “Haramagedona”, kanefa vitsy kely monja amin’izy ireo no mahalala ny heviny araka ny Baiboly. Ny hevitr’io teny io aza amin’ny olona hafa marobe, dia maro karazana tokoa ka manjary tsy hita intsony, na maizimaizina, ny tena dikany na heviny marina. Ohatra, ny gazety Beacon Journal ao Akron tamin’ny 9 Oktobra 1961, dia nanambara tamin’ny lahan-tsoratra mitondra ny lohateny hoe “Ny baomban’ny Haramagedona” hoe: “Azon’i Rosia hatao ny mamorona ‘baomban’ny Haramagedona’ na ny ‘faran’izao tontolo izao’ zato megataona, izany hoe mitovy lanja amin’ny T.N.T. zato tapitrisa taonina sy manao fanandramana amin’izany fiadiana izany.” Io fanambarana io dia hita tsotra izao fa toa milaza an’i Haramagedona fa “faran’izao tontolo izao” mitratrevatreva ataon’ny olombelona amin’ny alalan’ny fiadiana nikleera. Tsy misy antony tokony hanalavirana ny marina na kely akory aza, kanefa mahagaga ny mahita ny olona betsaka mifikitra amin’izany fiheverana izany sy ny hafa mitovitovy amin’izany. Ohatra, taorian’ny fanambarana nataon’ny marosaly rosiana atao hoe: Malinovsky momba ny fampianarana valifaty, dia nanambara ny New York Times tamin’ny 1 Jona 1960 fa ilaina maika dia maika mihitsy ny hanafaritana mazava ny anjara lanitry ny tany tsirairay avy. Hoy io gazety io: “Tsy azonay atao ny mamela anay ho entina fotsiny any Haramagedona noho ny tsy firaharahan’ny olona io zavatra saro-pantarina io izay mandoaka ny maso.” Araka ny filazan’ny New York Herald Tribune tamin’ny 30 Oktobra 1961 kosa, dia niangavy ny vahoaka ny kardinaly Francis Spellman mba “hivavaka hahavoaro an’izao tontolo izao amin’ny famelezan’i ‘Haramagedona termonokleera’ ”.
Tsy ny Haramagedona voalaza ao amin’ny Baiboly anefa io Haramagedona atahoran’ny olona io. Ny zavatra atahoran’ny olona, dia ireo olona ireo, dia ny fandringanana ain’olona tsy tambo isaina ataon’ny olombelona ihany.
Ao amin’izany fisainana izany ihany koa no ahatsinjovana ireo mpanoratra samihafa izay mampiasa matetika mihitsy ny teny hoe: Haramagedona mba hilazana ny ady goavambe izay hifanaovan’ny firenena eto ambonin’ny tany, amin’izy samy firenena. Ohatra, ny Reader’s Digest tamin’ny volana Jolay 1962, dia namoaka lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe: “Sasin’i Haramagedona”. Io dia vaovao nilaza fisehoan-javatra izay nitarika ny Ady Voalohany nifanaovan’izao tontolo izao tsy ho azo nosorohina. Ny Saturday Evening Post tamin’ny gazetiny ireo teny sasany voalaza ao amin’ny boky mitondra ny lohateny hoe: “Armageddon’’ nosoratan’i Leon Uris. Io indray kosa dia tantaran’ny fanapahan’ny tafika amerikana an’i Alemaina taorian’ny Ady Faharoa nifanaovan’izao tontolo izao.
Na dia efa mikorontana ka mahasorena toy izany aza ny fiheverana an’i Haramagedona, dia mbola misy ihany hevitra hafa betsaka tonga manatevin-draharana izany fifanjevoana izany. Ohatra, ny Daily News tao Newport tamin’ny 21 septambra 1960, dia nanao fanambarana teo ambanin’ny lohateny hoe: “Ny lalan’Haramagedona’’, hoe: “Ny fiangonan’ireo filohan’ny firenena maro eto ambonin’ny tany ho amin’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana, dia fandravahana an’i Haramagedona izay ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy.”
Ny vaovao toy izany, dia mety hampino fa ireo Firenena mpikambana dia eo an- dalan’ny fanaovana ny adin’i Haramagedona ao amin’ny efitrano fanaovana kaonferansan’ny Firenena mikambana, ka ireo firenena mpanao politika ireo amin’izao fotoana izao, dia manao ady ideolozika amin’ny herin’ny ratsy mba hisian’ny fiadanana ho an’ny olombelona rehetra. Io fiheverana io anefa, dia tsy hahomby na oviana na oviana satria ny ady natao mba handresena ny ratsy, dia tsy mitsahatra mihitsy hatramin’ny fotoana nisehoan’ny “ratsy” tao Edena. Ireo fiheverana rehetra ireo dia tokana ihany no kendreny, dia izao: hanakorontanana izaitsizy ny saim-bahoaka tsy hahafantatra ny hevitra marina sy ny fetran’i Haramagedona voalaza ao amin’ny Baiboly.
NY ZAVA-MIAFINA AO AMBADIKY NY TENY HOE “HARAMAGEDONA’’
Ny teny hoe: “Haramagedona” dia tsy teny notefen’ireo filoha sy mpanjaka politikan’ny tany akory. Na fantatr’izy ireo na tsy fantany, dia tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny Baiboly, no nanatsoahan’izy ireo io teny io. Indray mandeha monja no isehoan’io teny io ao amin’ny Baiboly, dia ao amin’ny Fanambarana 16:13, 14, 16 (MN), ary toy izao no vakiny: “Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo. (...) Fa fanahin’ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ny mpanjakan’izao tontolo izao mba hanangona azy ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha. (...) Ary nangoniny ho any amin’ny tany atao amin’ny teny hebreo hoe Hara-Magedona ireny”, na araka ny fandikan-teny sasany dia hoe “Haramagedona”.
Koa inona ary io “Hara-Magedona” na “Haramagedona” voalazan’ny andinin’ny Soratra Masina voalaza etsy aloha io? Hita tsotra izao arak’io andinin-teny ao amin’ny Baiboly io, fa ny teny hoe: “Haramagedona” dia milaza amim-panoharana toerana fiadiana anankiray izay ahitana ny fitobian’ireo filoham-pirenena eto ambonin’ny tany, eo ambany herin’ny demonia tsy hita maso, mba hiady, tsy amin’izy samy firenena akory ary amin’ny ady nokleera, fa amin’Andriamanitra Tsitoha sy ny Mesia Mpanjakany, dia i Jesosy Kristy. Ary noho io ady io tafakambana ao amin’io toerana amim-panoharana io no nahatonga azy antsoina amin’ny anarana hoe: “Hara-Magedona” na “Haramagedona”.
Ahoana ary no hahazoan’ny mpanjaka sy filoha politikan’ny tany miady amin’ Andriamanitra iray tsy hita maso? Ny fahatakarana ny hevitry ny anarana hoe: “Haramagedona” no hahamora ny valin- tenintsika. Teny hebreo no niandohan’io anarana io ary ny dikany dia toa hoe: “tendrombohitr’i Megido” ary io hoe tendrombohitr’i Megido io kosa, dia filazana ny tanàna mimandan’i Megido any Palestina. Hita mazava avy hatrany arak’izany fa misy fifandraisana tokoa amin’io anarana io sy ny tany nitoeran’ny Hebreo izay vahoakan’Andriamanitra fahiny elabe. Maro ny ady nifanaovana tao amin’io Megido io sy ny manodidina azy. Tao no nandresen’i Josoa ny mpanjakan’i Megido; tao koa no nandresen’i Baraka mpitsara ny mpanjaka kananeana atao hoe Jabina tamin’ny ady nataony mba hitondran’ny vahoakan’Andriamanitra fandresena: hoy ny voasoratra momba izany hoe: “avy tany an-danitra no nisy ady”. Mbola tao ihany koa no nahafaty an-ady ny mpanjaka Josiasa. Koa tao Megido arak’izany no niangonan’ireo mpanjakan’ny tany mba hiady amin’ny miaramilan’ny Isiraely, ary izany ady nataon’izy ireo tamin’ny miaramilan’ny Isiraely izany, dia tsinona fa fihantsiana, amin’ny fomba tsy mivantana, ny fiandrianan’i Jehovah, Andriamanitr’Isiraely.—Josoa 12:21; Mpitsara 4:12-24; 5:19-21; II Mpanjaka 23:29, 30.
FAMELEZAN’I GOGAN’I MAGOGA
Ny faminanian’i Ezekiela momba ny famelezan’i Goga avy ao amin’ny tany Magoga, dia manome antsika fanazavana hafa momba io Haramagedona io. Jehovah, raha nanao fanambarana tamin’i Satana, Devoly izy nasehon’i Goga, dia nanondro ny andro sy ny toerana hisian’ny ady, hoy Izy: “Rehefa afaka andro maro, dia ho tadiavina hianao raha mby any am-parany, dia ho tonga any amin’ny tony izay novonjena ka afaka tamin’ny sabatra hianao, dia tany novorina avy amin’ny firenena maro, any an-tendrombohitr’Isiraely, izay efa lao hatry ny ela, fa efa navoaka avy tany amin’ny firenena izy ka dia mandry fahizay izy rehetra. Eny hiakatra hianao, ary ho tahaka ny fihavin’ny rivo-doza no hihavianao, ka ho tahaka ny rahona hanarona ny tany, dia hianao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ny firenena maro izay miaraka aminao.”—Ezekiela 38: 8, 9, Li.
Hitantsika arak’izany ary fa noho ireo filoha politika’ny tany ireo mitoetra eo ambany fanapahan’i Satana na i Goga ary tsy afaka mamely ny Fanjakan’ny Mesian-Andrimanitra, izay Fanjakana tsy hita maso, mba hampihariharian’izy ireo ny fandavany hahafantatra azy sy hanaiky azy, dia omen’izy ireo vahana ny hatezerany hanao izay tiany amin’ny faritra azon’ izy ireo asiana amin’ny Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra, izany hoe ny toerana, na ny “tany’’ oharin’ny fitoetra masin’ny Isiraely ara-panahy ankehitriny, dia ny voahosotra sisa amin’ny vavolombelon’Andriamanitra eto ambonin’ny tany. Hatramin’ny andron’i Abela no efa nankahalan’ny olona sy ny firenena ny vavolombelon’i Jehovah, saingy ity famelezana farany ity, dia zava-dehibe loatra raha miohatra amin’ireo fanenjehana nahazo ny vavolombelon’i Jehovah hatramin’izao. Io no fikelezan’aina farany hataon’i Satana, Devoly na Goga, mba handevonana ireo vavolombelon’i Jehovah ireo. Tsy ho hita eo amin’ny faritra iray voatokana eto ambonin’ny tany akory amin’ny fotoana hisian’io famelezana farany hatao azy io, ireo Vavolombelona. Ny teny hoe: “Haramagedona” dia tsy hita mihitsy ao amin’ny sary ara-jeografika na iray aza. Ny Haramagedona koa dia tsy manondro ny fari-tany atao ara-bakiteny hoe: Megido akory, izay ankehitriny ao anatin’ny fari-tanin’ny repoblikan’Isiraely, fa manondro kosa ny toerana ankehitrinin’ireo vavolombelon’i Jehovah eto ambonin’ny tany, izay toerana hisian’ny ady farany, ara-panoharana.
Toy izao no filazan’ny faminanian’i Ezekiela ny fandevonana ireo fahavalo ratsy mankahala an’Andriamanitra: “Hitarika sy hitondra anao hiakatra avy any amin’ ny farany avaratra aho, dia ho entiko ho any an-tendrombohitry ny Isiraely hianao. (...) Any an-tendrombohitry ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin’ny vorona mpihaza samy hafa karazana rehetra sy ny bibi-dia hianao.”—Ezekiela 39:2-4, Li.
Io fanambarana io dia manam-pitoviana fatratra tokoa amin’ny adin’i Haramagedona izay hitan’ny apostoly Jaona tamin’ny fahitany: “Ary hitako fa indro nisy anjely anankiray koa nitsangana tao amin’ny masoandro, ary niantso tamin’ny feo mahery izy ka nanao tamin’ny voro-manidina rehetra teo afovoan’ny habakabaka hoe: ‘Avia ka miangona ho amin’ny fanasana lehiben’Andriamanitra mba hihinananareo ny nofon’ny mpanjaka sy ny nofon’ny mpifehy arivo sy ny nofon’ny mahery, (...) sy ny nofon’ny olona tsy mba mpanompo sy ny mpanompo, na kely na lehibe.’ (...) Ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony.”—Fanambarana 19:17-21, MN.
IREO VOAHITSOKA AO AMIN’NY ADY
Moa va voamarikao mba iza ireo olona nomongomongoina ho faty mba ho sakafon’ny vorona mpihaza? Tsy iza ireo fa “ny mpanjaka”, “ny mpifehy arivo”, “ny olo- mahery”, “ny olona tsy mba mpanompo sy mpanompo, na kely na lehibe”. Arak’izany, ny fandevonana sy fandravaravana hataon’ny Haramagedona, dia voafetra ho amin’ireo mpanjaka sy filoha politikan’ny tany onenana, ary ireo rehetra mpanohana azy ireo.
Koa ilain’ny olona tsirairay eto ambonin’ny tany mihitsy arak’izany ny mibanjina mandrakariva raha tahiny tsy tiany ny ho isan’ireo izay haringana amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha’’. Ny fihainoana ny fampielezan-kevitra mampianatra ny mahatsara ny hametrahana ny fitokiana ao amin’ny fanjakan’olombelona fa tsy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia fanehoana fitiavana mba ho tapahan’ny “fanahy maloton’ny demony”. Izay manongilan-tsofina amin’ny famporisihana ataon’ireo filoha politika ireo mba hananany risi-po hiray aminy amin’ny raharahan’izao tontolo izao, dia mampiseho amin’izany fa mbola ankasitrahany ny firaiketana amin’izao tontolo izao. Raha ny marina dia miodina amin’i Jesosy Kristy izy ary manjary fahavalon’Andriamanitra. Teny mazava no nanambaran’i Jesosy Kristy ny momba ny mpianany, dia ny hoe: “Tsy isan’izao tontolo izao izy ireo.” Jakoba mpianatr’i Jesosy Kristy koa, dia nanoratra ara-tsindrimandry hoe: “Fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao. Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.”—Fanambarana 16:13, 14; Jaona 17:14; Jakoba 4:4, MN.
Ireo rehetra indray miandany mba hanohitra an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakany arak’izany, dia tsy misy fanantenana ny hahavelomany na kely aza. Zavatra hain’Andriamanitra atao loatra ny manodina ny firenena eto ambonin’ny tany mba hifaraely, sahala amin’ny nataony tamin’ny tafiky Amona sy Moaba ary ny tendrombohitr’i Seira, tamin’ny fotoana niraisan’ireo firenena ireo ka namelezan’izy ireo ny vahoakany taloha fahizay; famonoana ain’olona marobe izay hahatsiravina tokoa no hitranga amin’izany fotoana izany ary ireo firenena eto ambonin’ny tany ihany no hifamely samy izy amin’ny fiadiany avy. Fa afa-tsy izany, Andriamanitra dia manana eo amim-pelatanany koa ny herin’ny zavaboahary rehetra, hery izay mbola hampiasainy koa handringanana ny fahavalony rehetra. Ambonin’izany rehetra izany, Jesosy Kristy, Mpitari-tafika lehibe arahan’ny herin’ireo anjelin’ny lanitra, dia tsy hampitsahatra mihitsy ny ady mandra-pahatongan’ny fandaminam-politika hita maso, izay eo ambany fanapahan’i Satana, Devoly “andriamanitr’izao fandehan-javatra ankehitriny izao”, sy ireo miaramilany ary ny olona mpanohana azy, ho ringana sy fongotra amin’ny tany.—II Tantara 20:1-30; Mpitsara 5:19-21; Joba 38:22, 23; II Korintiana 4:4, MN.
Fa moa va Haramagedona hanao fandravana koa ny fivavahan-diso rehetra eto ambonin’ny tany amin’izany? Tsia. Ny famakiana ny teny voasoratra ao amin’ny Fanambarana toko faha-17 ka hatramin’ny toko faha-19, dia manambara amintsika fa efa nisy sahady fiavahan-javatra eo amin’ny fotoana indrindran’ny hipoahan’ny Haramagedona. Ireo mpanjakan’ny tany, oharin’ireo “tandroka folon’ilay” bibi-dia voalazan’ny Fanambarana toko faha-17, dia hifototra ka hanorotoro an’ilay vehivavy janga na ny fandaminam-pivavahana babyloniana, ka ireo mpanjaka ireo dia “hankahala ilay vehivavy janga ka haha-tsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo”. (Fanambarana 17:16, MN). Izany dia hiseho alohan’ny adin’ny Haramagedona izay hataon’ireo mpanjakan’ny tany ireo amin’ireo solon-tenan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto ambonin’ny tany. Araka ny marina, ny fizotran’izy ireo mankao Haramagedona, dia fanoharana ny ady ataon’izy ireo, eo ambany fitarihan’ny demony, amin’ny zavatra rehetra misakantsakana ny fikasam-pitiavan-tenany tsy hitohy ao amin’ny fanjakam-pirenena avy, ao amin’ny fandaminam-politika ary ao amin’ny fifandraisam-pirenena. Rehefa avy nanapotipotika ilay mpijangajanga ara-pivavahana arak’izany ireo mpanjaka ireo, dia hitodika avy hatrany ka hiady amin’ny Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra izay lavin’izy ireo ny fijoroany ho Fanjakana ara-dalàna hanapaka ny tany. Ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra ataon’ny vavolombelon’i Jehovah no hitarika fahatezerana ho azy ireo. Ny dikan’izany fanafihana izany dia fipoahan’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, na Haramagedona.
Inona ary no hanjo an’i Satana sy ny demoniny? Ho faty va izy ireo sa ho voatsipy ao anaty lavaka tsy hita noanoa amin’ny adin’i Haramagedona? Tsia. Izany zavatra izany dia hiseho aorian’ny fahataperan’ny adin’ny Haramagedona. Fa ho avy Jesosy Kristy, ilay Anjelin’ny anjely, hidina avy any an-danitra miaraka amin’ny “fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tanany”, ka hisambotra an’i Satana sy ny demoniny ary hanipy azy ao an-davaky ny fanadinoana. Rehefa nanatrika izany fisehoan-javatra izany Satana sy ny demoniny, indrindra indrindra ny nanatrehany ny fandevonana ny fanjakam-pivavahan-diso teto amin’izao tontolo izao sy ny ady rehetra natao tao Haramagedona hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia ho sosotra tanteraka, kanefa tsy afaka manao na inona na inona, amin’ny fijerena ireo olona manompo an’i Jehovah, dia ireo olona mpanompo an’i Jehovah izay nokatsahin’ireo olona mpiandany amin’i Satana haringana, fa izy ireo sisa no olona tsy ho faty eto ambonin’ ny tany.—Fanambarana 20:1-3, MN.
Ny sakaizan’ny fahamarinana rehetra dia ho tia tokoa ny ho isan’ny mpanompon’i Jehovah; izany indrindra no maha-zava- dehibe ny fahafantarantsika izay tena dika marin’ny hoe: Haramagedona, ka hahazoantsika mandositra “ireo fanahy maloto” izay mikely aina fatratra hametraka ny olona ao andamosin’ny fahavalon’Andriamanitra mandritra io ady manerana izao rehetra izao io.
Ny fiheveran-diso momba ny fahatomoran’ny ho avin’ny olombelona, dia hitondra ho amin’ny fahalevonana tsotra izao. Aoka ary ho banjinintsika lalandava ny hafainganan’ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Masina momba ny Haramagedona voalaza ao amin’ny Baiboly, ary aoka isika hanompo an’Andriamanitra mifanaraka amin’ny sitrapony koa mba hahavelomantsika ka hidirantsika ao amin’ ny filaminan-javatra vaovao izay “honenan’ny fahamarinana”.—II Petera 3:13, MN.