FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w65 1/7 p. 152
  • Tsy natoritory intsony ireo mpiangona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy natoritory intsony ireo mpiangona
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Eglizy — Fiovana sy Fisafotofotoana
    Mifohaza!—1994
  • Ny tena Fiangonana na Eglizy sy ny fanorenany
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Nahoana no Mamoy ny Heriny ny Fiangonana?
    Mifohaza!—1996
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
w65 1/7 p. 152

Tsy natoritory intsony ireo mpiangona

Vavolombelona iray izay monina amin’izao fotoana izao any Missouri no mitantara ny zavatra niseho indray andro raha sendra nitory tao amin’ny faritany indiana iray any Dakota atsimo izy: “Nihaona tamin’ny lehilahy iray aho, laika ao amin’ny Eglizy katolika izy io. Tao amin’io toerana io, dia misy eglizy iray isaky ny tanàna kely iray nefa kosa tsy misy pretra; noho izany isan-kerinandro dia mifandimby mitsidika ireo tanàna kely ireo ny pretra. Rehefa tsy afaka mandeha any amin’ny Eglizy ny pretra, dia laika Indiana iray no manao ny famakiana ny toriteny izay alefan’ny pretra ho azy. Io lehilahy io dia nandray Ny Tilikambo Fiambenana ary Réveillez-vous! raha sendra nasehoko azy ireo; ary dia nangataka taminy ny hahazoako miverina mba hahafantarako ny heviny momba ireo gazety ireo aho. Herinandro roa tatỳ aoriana, dia niverina aho ary nahita azy mivikiviky erỳ: “Tamin’ny Alahady lasa teo, hoy izy, dia tsy tonga ny pretra, ary noho izy nanadino nandefa ny toriteny, dia novakiako tamin’ny mpiangona izay nivory tao amin’ny eglizy Ny Tilikambo Fiambenana, ary izy rehetra dia samy faly tamin’ny fihainoana io famakian-teny io. Mandrakariva, dia matoritory izy ireo, nefa nony novakiako tamin’izy ireo Ny Tilikambo Fiambenena, dia tsy nisy natory izy ireo na dia iray aza.’’ Tao aorianan’ny nandaozako azy dia nitsidika ny mponina tao an-tanàna izahay, afaka nametraka gazety eo amin’ny sivy folo eo ho eo izahay ary maro ny olona nanao famandrihana tamin’ny gazety. Ny famakiana Ny Tilikambo Fiambenana tany amin’ny eglizy dia nanaitra ny fisainan’ny olona maro dia maro.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara