Inona no misakana anao tsy hanaraka ny fivavahana marina amin’Andriamanitra ?
TIA an’Andriamanitra ve hianao? “Eny, hoy angamba hianao. Te-hahazo sitraka aminy aho.” Marina fa toe-tsaina tsara izany. Nefa azo lazaina ve fa tena tia an’Andriamanitra tokoa rehefa manaraka fivavahana amin’ny molotra fotsiny?
Fantatrao tsara fa tsia. Na dia Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra aza, dia nilaza fa ny olona dia ‘manatona an’Andriamanitra amin’ny molotra, nefa ny fony kosa dia tena lavitra azy’. Tsy amin’ny teny fotsiny no isehoan’ny fitiavana, fa amin’ny asa mifanaraka amin’ny teny. Izao no hevitra mazava nambaran’ny iray tamin’ny apostoly roa ambin’ny folo: “Izao, hoy izy, no fitiavana an’Andriamanitra: dia ny hitandremantsika ny didiny.” — Matio 15:8; I Jaona 5:3, MN.
Ny hoe manaraka ny fivavahana marina ary, dia ny manompo an’Andriamanitra araka ny fepetra omeny voatahiry ao amin’ny teniny voasoratra, ny Baiboly. Marina fa tsy mora akory ny manompo an’Andriamanitra toy izany eto amin’izao tontolo izao ratsy ankehitriny, izay ahitana ny ankamaroan’olona mifidy hanao izay danin’ny kibony fa tsy ny hanao izay ankasitrahan’Andriamanitra. Antony maro mandrakariva no misakana olona betsaka tsy hanaraka ny fivavahana marina amin’ Andriamanitra, na dia fantany aza ny tokony hatao. Iray amin’izy ireny ve hianao? Raha izany dia fahendrena ny mandini-tena, raha milaza fa tia an’Andriamanitra hianao. Tsy ho tena ankasitrahan’Andriamanitra hianao raha manompo azy amin’ny molotra fotsiny. Tsy isalasalana fa maharay ity gazety mivoaka isam-potoana ity efa hatramin’ny fotoana elaela hianao. Mety koa ho efa nisy mpitory, vavolombelon’i Jehovah nanaiky hanampy anao hianatra ny Baiboly ao an-tokatranonao, tamin’ny famangiana anao. Fantatrao tsara fa mampianatra ny Tenin’Andriamanitra izy ireny. Ny tahotra ve no misakana anao tsy hianatra tsy tapaka ny Baiboly sy handray azy ireny ao an-tokatranao? Matahotra ny vavan’ny hafa ve hianao?
Tamin’ny taon-jato voalohany dia nisy nandà tsy hanaraka ny fivavahana marina noho izy matahotra ny vavan’ny olona. Ny sasantsasany tamin’izy ireo dia nino fa Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina. “Tena nino azy tokoa izy ireo, hoy ny Baiboly, nefa noho ny Fariseo dia tsy nilaza ny aminy izy”. Eny, natahotra ny tsy hahazo sitraka tamin’ny Fariseo, mpitondra fivavahana to-teny izy, “satria tia ny voninahitr’olombelona nihoatra noho ny voninahitr’Andriamanitra”. Tena tsy fahendrena ny manao toy ireny ka mamela ny tahotra hisakana anao tsy hanaraka ny fivavahana marina! — Jaona 12:42, 43, MN.
Rehefa tonga ny fanoherana dia tratry ny fitsapana ny fitiavanao. Hita amin’ny ataonao na tena tia an’Andriamanitra tokoa hianao na manaiky lembenana mba hialana amin’ny esoeso. Nasehon’i Jesosy tamin’ny fanoharana ny fihetsiky ny olona sasantsasany eo anoloan’ny fanoherana. Nolazainy fa ny fahamarinana araka ny Baiboly afafy ao am-pon’izy ireny, dia toy ny voa nafafy teny amin’ny vatolampy; malaky mitrebona nefa main’ny hainandro. “Mino (...) izy ao anatin’ny fotoana fohy, nefa miala rehefa tratry ny fitsapana”, hoy ny fanazavany. — Lioka 8:13, MN; Matio 13:5, 6, 20, 21.
Mety hiseho amin’ny endrika samihafa sy ho avy amin’ny olona maro izany fitsapana izany. Handre angamba ny mpitondra fivavahana, ny mpiara-monina na ny mpiray raharaha aminao fa misy vavolombelon’i Jehovah tonga miara-mianatra ny Baiboly aminao, ao an-tokatranonao. Hanao ahoana moa ny fanaratsiany izany fampianarana izany! Noho ny tsy fahafahany manome porofo avy amin’ny Baiboly fa diso ny fampianarana raisinao, dia ny esoeso no ampiasainy. Tokony hahagaga anao ve izany? Tsia, satria mampahafantatra antsika ny Baiboly fa rehefa niverina tany amin’ny mpisorona ny iraka ka nilaza tamin’izy ireo fa tsy mbola nandre olona nampianatra toa an’i Jesosy izy, dia toy izao no navalin’ny mpisorona: “Voafitaka koa va hianareo? Moa misy, na dia iray akory amin’ny mpitarika na ny Fariseo va mino azy?” Nataony izay ampitahorana ireo olona ireo mba hisakanana azy tsy handinika amim-pitandremana kokoa ny fampianaran’i Jesosy. “Ireo olona marobe tsy mahalala ny Lalàna ireo dia olom-boahozona, hoy izy.” (Jaona 7:45-49, MN.) Ho resin-tahotra ve hianao ka handà tsy hanohy ny fianaranao ny fahamarinana araka ny Baiboly, miaraka amin’ny vavolombelon’i Jehovah?
Ny marina dia tsy azoazon’ny olona ny fahamarinana avy amin’ny Baiboly. Tsy tian’ny olona noho ny lovan-tsofiny izany ary tsy vonona handinika izany amin’ny alalan’ny Soratra Masina izy. Izany no antony nanambaran’i Jesosy fa ho toy ny sabatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ka hahatonga “fisarahana eo amin’ny lehilahy sy ny rainy, eo amin’ny zanaka vavy sy ny reniny, eo amin’ny vinantovavy sy ny rafozam-baviny.” — Matio 10:35, MN.
Fa rehefa raran’ny ray aman-dreny tsy hianatra ny Baiboly kosa ny zanany, na tsy tian’ny lahy hanatrika ny fivoriana ny vehivavy, inona no tokony hatao? Tsy nomena baiko hankatò ny ray aman-dreniny va ny zanaka ary ny vehivavy hanaiky ny vadiny? Eny, nefa tokony homarihina fa nomena baiko ny zanaka “hankatò ny ray aman-dreniny ao amin’ny Tompo”. Noho izany, raha toa tsy mifanaraka amin’ny zavatra tadiavin’ny Tompo ny tadiavin’ny ray aman-dreny, dia voatery ny zanaka amin’izany hankatò an’Andriamanitra, fa tsy ny olona. Tsy misy hafa amin’izany koa ny amin’ny vehivavy. Milaza ny Baiboly fa “Andriamanitra no tokony ho ekena ho filoha fa tsy ny olona”, ary mbola marina koa izany na dia amin’ny lehilahy aza. — Efesiana 6:1; Asan’ny Apostoly 5:29, MN.
Nambaran’i Jesosy fa izany no mety hatao. Hoy Izy: “Izay tia ny rainy na ny reniny noho izaho dia tsy mendrika ahy.” Iza no tianao kokoa? Iza no tianao ekena? Izany no fanontaniana apetrak’i Jesosy? Ny tahotra sao tsy hahafaly ray na reny na vady va no tsy hianaranao ny Baiboly? Raha izany, dia mbola maivana dia maivana ny fitiavanao an’Andriamanitra ka izany no nilazan’i Jesosy fa tsy mbola mendrika azy hianao.—Matio 10:37, MN.
Raha mino marina tokoa hianao fa tia ny fianakavianao, nefa manakana anao tsy hanaraka ny fivavahana marina ny tahotra sao tsy hahafaly azy, dia tena ilaina ny handinihanao tena tsara. Raha manimba ny fahasalamany amin’ny fisotro ny lehilahy, moa haneho ny fitiavany va ny vavy amin’ny fandokafany ny fahalemeny, amin’ny fanekeny hiara-mimamo aminy satria hoe nasainy hiara-“mifalifaly” aminy? Tsia dia tsia! Koa raha fantatrao fa miankina amin’ny fahalalany an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fivavahany aminy ny famonjena ny ankohonanao, moa ve amin’ny fialan’ny tenanao koa amin’ny fivavahana marina no anehoanao aminy ny fitiavanao? Hita marina fa tsia! satria na dia samy manana ny fanapahan-keviny aza ny tsirairay avy ao anatin’ny fianakaviana ny amin’ny hanompoana na tsy hanompoana an’ilay Andriamanitra marina, dia ho moramora kokoa ny fifidianany raha toa efa mpanompo mahatokin’Andriamanitra ny iray aminy. Amin’ny fahavononana hizaka ny fanoherana na ny teny ratsy azo, no anehoana ny tena fitiavana ny fianakavian’ny tena, mba hahazoan’ny tsirairay avy aminy tsy mino, hahafantatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ka ho tonga anisan’ireo izay handray ny fitahiana mandrakizay omen’Andriamanitra ho an’izay manompo azy.—I Petera 3:1-6.
Raha tena tia an’Andriamanitra tokoa hianao, dia tsy ho menatra ny hianatra ny Teniny sy hiresaka ny amin’izany amim- pahatsorana. Raha tia ny ankohonanao hianao dia tsy handà tsy hanome ohatra tsara noho ny tahotra izay mety holazainy. Ataovy ao an-tsaina ity fanambarana manaraka nataon’ny apostoly Jaona ity: “Tsy misy tahotra ao amin’ny fitiavana, fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana tanteraka, satria mahatonga fanerena ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola notanterahina tao amin’ny fitiavana”. Raha mihasarotra ny toe-javatra, dia tsarovy ity fanambarana nataon’ny apostoly Petera sy Jaona ity raha notarihina hiala tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy: “Tsaroanareo, raha marina eo imason’Andriamanitra ny hihaino anareo noho Andriamanitra. Fa izahay kosa tsy afaka hitsahatra tsy hilaza ny amin’ny zavatra hitanay sy renay.”—I Jaona 4:18; Asan’ny Apostoly 4:19, 20, MN.
RESEO AMIN’NY FITIAVANA NY TAHOTRA
Amin’ny fiezahana hanana fitiavana marina an’Andriamanitra dia mety ho afaka amin’ny tahotra izay misakana olona maro tsy hanaraka ny fivavahana marina koa hianao. Nasehon’ny apostoly Jaona tamin’ny teny mafonja ny maha-zava-dehibe ny fitiavana an’Andriamanitra: “Izay manao hoe: ‘Fantatro izy’, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga ary ny marina tsy ao aminy. Fa izay mitandrina ny teniny; dia tanteraka ao aminy ny fitiavana an’Andriamanitra”. — I Jaona 2:4, 5, MN.
Mahalala an’Andriamanitra aho ary tia azy, hoy hianao. Amin’izany dia zava-dehibe tokoa ny hitandremanao ny didiny. Raha tsy izany dia lazain’ny Baiboly fa mpandainga hianao, ary tsy ao aminao ny marina. Ny Soratra Masina dia tsy milaza fampihenana adidy izay hanafahana ny olona amin’ny andraikitra momba ny fanarahana ny didin’Andriamanitra. Ny hoe manaraka ny fivavahana marina, dia ny mankatò ny Tenin’Andriamanitra; ny finiavana tsy hankatò izany Teny izany, dia fihantsiana ny fahatezeran’Andriamanitra. Raha tena tia an’Andriamanitra tokoa hianao dia hiezaka hanaraka ny didiny na inona na inona ho vokatr’izany aminao. Ny tena fitiavana an’Andriamanitra vao noresahintsika teo, dia tsy tao amintsika hatry ny fony vao teraka isika, na mihalehibe ho azy arakaraky ny hitomboana. Tokony hokolokoloina izany amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy izay nataony noho ny fitiavany ny olombelona. Tena ilaina amin’izany ny fianarana ny Baiboly amin’ny zotom-po. Hita ary fa tena marina tokoa ireto tenin’ny apostoly Jaona ireto: “Naseho antsika ny fitiavan’Andriamanitra satria naniraka ny Zanani-lahy tokana ho an’izao tontolo izao Andriamanitra mba hahazoantsika ny fiainana avy aminy.” Inoanao marina tokoa ve fa Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy hany tiany tetỳ an-tany ho olombelona mba ho fanati-panavotana ho antsika ? Raha eny, dia tsy isalasalana fa efa “mahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra antsika” hianao. — I Jaona 4:7-10, 14-16, MN; Jaona 3:16.
Rehefa fantatrao izany fanehoam-pitiavana lehibe, namohan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Zanany, ny lalan’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina, ho an’ny olombelona mpankatò izany, dia hihamafy ny fitiavanao azy ka handrodana ny vato rehetra misakana ny fanarahana ny fivavahana marina. Izany fitiavana izany dia afaka tokoa hanampy anao hisetra ny tahotra ny pretra, ny ray aman-dreny, ny vady, ny namana, ny mpiara-monina ary na iza na iza mitady hisakana anao tsy hikatsaka ny fahalalana an’i Jehovah Andriamanitra sy hanompo azy.
RESEO NY FAHALEMENA
Izany fitiavana an’Andriamanitra izany koa dia handresy ny fahalemen’ny nofonao izay mety hisakana anao tsy hanaraka ny fivavahana marina. Hisokatra ny masonao noho izany; ho hitanao ny maha-zava-dehibe sy tsara ny fahalalana ny amin’ny fandaharan’i Jehovah mba hahazoantsika ny fiainana mifanaraka amin’izany fandaharan’Andriamanitra izany. Eritrereto kely ny amin’ny namohan’Andriamanitra ny lalan’ny fiainana mandrakizay ho an’izay mankatò azy. Tsy etsehin’ny faniriana te-haneho ny fankasitrahanao azy amin’ny fanaovana izay tiany ve hianao?
Hita fa tsy amin’ny tsi-firaharahàna ny Tenin’Andriamanitra sy ny toro-heviny no hanehoanao ny fankasitrahanao. Raha miteny aminao ny lehibenao na manam-pahefana hafa, moa ve tsy mihaino tsara hianao mba hahafantatra ny toro-heviny hahazoanao manaraka tsara izany? Tsy mihoatra noho izany va no tokony hitadiavanao sitraka amin’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao, dia Jehovah Andriamanitra? Heverinao ve fa ho faly izy raha tsy miraika hianao ka mangataka andro amin’ny fianarana ny Teniny?
Nisy nanao fampianarana ny Baiboly isan-kerinandro angamba tao aminao. Nahoana no notapahinao izany? Vizana loatra ve hianao amin’ny hariva ka tsy afaka hiaino ny Tenin’Andriamanitra? Zava-dehibe kokoa aminao ve ny fijerena sary mihetsika na ny fanaovana zavatra mahafinaritra anao? Nihevitra ve hianao fa ilàna fikelezan’aina be loatra ny fanompoana an’Andriamanitra, ary ny fialàna amin’ny fahazarana sy ny lalan’izao tontolo izao melohin’ny Tenin’Andriamanitra. dia ilàna fahafoizan-tena mavesa-danja loatra?
Raha dinihina amim-pahatsorana, moa ve tsy azo resena ireo vato misakana ireo raha te-hahazo sitraha amin’ny olona tena tianao hianao? Azo toky tokoa. Raha tsy hoe efa tena torovana mihitsy angamba ny zazalahy iray, tsy ho voatana tsy ho any amin’ilay zazavavy tiany! Matokia fa tsy hahasakana azy tsy hiaraka aminy fotoana fohy, ny fanampin’asa, na ny fandaharam-potoana tiany ao amin’ny sary mihetsika.
Ahoana ary! Raha tena tia an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany hianao aoka ireo raharaha sy fandanian’andro voalaza etsy aloha tsy hahasakana anao amin’ny fianarana ny Baiboly sy ny fankatoavana ny toro-heviny. “Raha tia ahy hianareo, hoy Jesosy dia hitandrina ny didiko.” — Jaona 14:15, MN.
RAISO NY ANDRAIKITSIKA
Ny hoe manaraka ny didin’i Jesosy sy Jehovah Rainy, aminao, dia ny manatontosa ny andraikitra amin’ny maha-kristiana matotra. “Tsy tokony hianina amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra fotsiny hianao, izany hoe hanaraka fianarana ny Baiboly tsy tapaka ao an-tokatrano, fa tokony ho “mpankatò ny teny”. (Jakoba 1:22-25. MN.) Hanatsara ny fiainanao ny fahamarinana izay ianaranao; hitarika anao ho amin’ny asa tsara sy ny fankalazana an’Andriamanitra Tsitoha izany.
Mbola misalasala anefa ny sasany. Nahoana? Te-handositra ny andraikitra izy ireny. Toy izany koa ve hianao? Mianatra ny Baiboly miaraka amin’ny vavolombelon’i Jehovah ao an-tokatranonao ve hianao, nefa tsy mampihatra izay renao? Raha marina izany, dia mifohaza ho amin’ny asa. Aza mijanona ho zaza-bodo ny amin’ny ara-panahy, dia zaza-bodo izay “mila ronono fa tsy ventin-kanina” araka ny nolazain’i Paoly. Fa manana kosa saina zatra manavaka ny tsara sy ny ratsy’. Eny araho ny anatry ny apostoly ary miezaha ho amin’ny “fahamatorana ara-panahy ka tsy hanao fanorenana indray.” — Hebreo 5:12-6:3, MN.
Hita mibarihary ary, fa mba hanarahana ny fivavahana marina, dia tokony hiasa. Tsy azo lavina arak’izany fa tsy fanaperana ny fianarana ny Baiboly isan-kerinandro, ao an-tranonao. Izany dia fanomanana anao ho amin’ny asan’Andriamanitra, hahatonga anao ho afaka hanompo azy amin’ny fomba ankasitrahany. Ny hoe manaraka izany fivavahana izany dia tsy ny manana fitondrantena mendrika fotsiny ihany, fa ny mandray anjara koa amin’ny asa fizarana amin’ny hafa ny fahalalana mahavelona noraisinao. Amin’izany dia tokony hikely aina ary indrindra, tokony haneho fitiavana. Tsarovy fa voasoratra hoe: “Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra; ny hitandremantsika ny didiny.” — I Jaona 5:3, MN.