Ny Tenin’Andriamanitra, mpitarika azo antoka ho an’ny olona
“Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao.’’—Salamo 119:105.
1, 2. Ahoana no tokony hiheverana ny siansa araka ny rariny?
BETSAKA ny olona mihevitra fa hahita fanafodin’ny zava-manahirana eo amin’ny fiainana, ny sampana maro samihafa amin’ny siansa: Ohatra, izay mikasika ny sakafo, ny fitafiana, ny fonenana, ny fahasalamana ary na dia ny zava-manahirana eo amin’ny ara-tsosialy sy ara-pitondrantena koa aza.
2 Tsy isalasalana fa nitondra soa ny siansa teo amin’ireo lafiny ireo. Nanatsara fiainan’olona betsaka izy ary nanome azy zavatra maro nampahamora ny fiainana. Namorona milina mampitolagaga toy ny fiaramanidina izy ho amin’ny fandehanana haingana, toy ny telefaonina mba hifampiresahana malaky ary koa zavatra maro hafa manamora ny fiainana ankehitriny. Nahavita be tamin’ny fampihenana ny fanaintainan’ny olombelona ny siansa ara-pitsaboana. Tsy hoe atao tsinontsinona ary ireny fandrosoana ireny. Nefa tsy maintsy lazaina koa fa ny siansa dia nahatonga ny fotoanan’ny fampiasana milina, izay niteraka tebiteby, ahiahy, fikorontanan-tsaina, faniavana, fisaraham-panambadiana, heloka bevava, setrasetra. Arakaraky ny “fandrosoan’ny” firenena iray ara-tsiansa, no mampitombo koa ny zavatra manahirana azy. Voalaza fa any Etazonia heverina ho iray amin’ireo tany mandroso indrindra, dia olona eo amin’ny 18 tapitrisa no marary saina! Ao amin’io tany io, ny antsasaky ny fandrianan’ny hopitaly rehetra, dia misy olona marary saina!
3. Inona no zavatra tsy nampiasain’ny siansa ho amin’ny tsara ary inona no vokatr’izany?
3 Afa-tsy izany, dia ny siansa no namorona fiadiana nahafaty olona nihoatra noho ny maty tamin’ny ady rehetra teo aloha, tamin’ny ady lehibe roa. Ny siansa no nanao fiadiana fandringanana mety haharingana saiky ny manan’aina etỳ an-tany rehetra, ao anatin’ny minitra vitsy! Miaina ao anatin’ny ahiahy ny olona noho ny fitaovam-piadiana mampivarahontsana ananan’ny firenena Tandrefana toy ny Tantsinana koa. Nahariharin’ny New York Times, tao amin’ny fanontàna tamin’ny 13 marsa 1962, “fa olona maherin’ny 50 000 000, izany hoe mihoatra noho ny mponin’i Frantsa, no manao fanamiana miasa mba hanome izay ilain’ireo manao izany.” Nanambara koa io gazety io fa ny fandaniana ara-tafika eran’izao tontolo izao, dia “mahatratra 120 000 000 000 dolara, vola mihoatra noho ny an’ny fitambaran’ny tany tsy mandroso.” Inona no tsy ho vita raha nampiasaina nanasoavana ny olombelona izany vola izany! Araka ny fiheverana dia ho azo nanorenana fonenan’olona 240 000 000 izany, namahanana ny mati-noana tamin’ireo olona telo arivo tapitrisa ary nitsaboana ireo marary eran’izao tontolo izao!
4. Milazà fanambarana mampiseho fa tsy nahafoana ny zava-manahirana lehibe tamin’ny fiainan’ny olom-belona ny siansa.
4 Maro no miaiky fa tsy nahita fanafodin’ny zavatra manahirana lehibe eo amin’ny olona, ny siansa. Izao no nambaran’ny boky alemaina iray momba ny fitsaboana: “Tandindomin-doza mihoatra lavitra noho ny teo aloha ny fahasalaman-tsain’ny olo-mandroso, amin’izao fotoana izao. (...) Izay azon’ny olona tamin’ny alalan’ny siansa, ny fahalalana ara-teknika, ny taozavatra sy ny fandaminana (...) dia mety ho veriny noho ny loza mananontanona ny fahasalaman’ny tena aman-tsainy.”a Eo an-danin’izany dia nanambara toy izao koa ny boky amerikana mivoaka isam-potoana atao hoe Saturday Evening Post (15 Jona 1963): “Mirimorimo manalavitra hatrany ny fandrosoana ara-tsosialy, ara-politika sy ara-pilozofia, ny siansa sy ny teknolojia.” Ny toe-javatra manjaka ao amin’ny tanàna mandroso eo amin’ny taozavatra, saiky hatraiza hatraiza eran’izao tontolo izao, dia mampiharihary fa manasarotra ny ratra ara-tsosialy sy ara-toe-piainana, ny siansa. Arak’izany dia izao no azo novakina tao amin’ny Manchester Guardian Lamin’ny 16 may 1963: “Mitondra henatra ho an’izay fitambaran’olona rehetra milaza fa mandroso, ny tanàn-dehibentsika (...) Ny fanarahana firindran-javatra, ny fahamaikana, ny fifanjevoana, ny fahasorisorenana dia tsy hita holazaina intsony, hany ka voatery hanao izay tsy mora handrenesany ny mpamily fiarakodia. Na dia ny mpamily tsara fanahy aza dia voatery (...) hampiseho halozàna. Miasa amintsika tsikelikely sy tsy hitahita akory izany teo-javatra izany. Mila hanadonto antsika ny milina; tsy ho voasakana tsy hitatra amin’ny lafiny maro amin’ny fiainana ny vokany eo amin’ny toetra.”
5. Azavao ny tsy maha-mpitarika azo antoka ny siansa ho an’ny olona.
5 Tena marina fa tsy nahita fanafodin’ny zava-manahirana ara-tsosialy, ara-pitondrantena sy ara-tsaina teto amin’izao tontolo izao ny siansa. Vao maika aza nanasarotra izany izy. Na tamin’ny lasa na ankehitriny, dia tsy hita ho mpitarika azo antoka ny olona, ny siansa, ary mbola tsy ho toy izany koa izy amin’ny ho avy. Izao no nosoratan’ny mpivaofy teny malaza iray momba izany: “Toa tsy misy fetrany vita nanahary ny fotoanan’ny siansa ankehitriny, ka manomboka mahatsapa isika fa tsy mpamefy mihitsy izany. Tsy fantatry ny siansa akory izay ataony sy izay alehany eo amin’izao rehetra izao, ary raha lehibe ny zava-tsara vitany, dia tsy azo onerana kosa ny fahasimban-javatra aterany.”b Ny Dr Harold Ureyc, nahazo ny “prix Nobel” koa, dia niampanga ny siansa ho tompon’andraikitra amin’ny loza maro. Araky ny heviny, dia manimba ny fitondrantena sy ny fivavahana ny hevitra entin’ny fanaovan-javatra ara-tsiansa. Nolazainy fa efa nahazo ny sarambabem-bahoaka ny fisalasalana eo amin’ny toerana ara-tsiansa, ary nolazainy mialoha ny hitaran’izany toe-javatra izany sady nampiany koa fa izany fisalasalana izany, dia mety ho tompon’andraikitra amin’ny fomba miolaka, amin’ny fitomboan’ny loza ara-tsosialy, toy ny faniavana. Arak’izany dia tsy mahagaga ny mamaky ity fanambarana mamelively amin’ny fomba somary miolaka nataon’ny mpanoratra hafa iray ity: “Raha ny fifankahalana eo amin’ny firenen-tsamihafa, ny vonoan-olona maro, ny fivadihana amin’ny fifanekena, ny voninahitra adino ary ny fandringanana ny vahoaka amin’ny anarana masina dia masin’ny ady, no toe-javatra tsaratsara kokoa azon’ny fivoarana tsikelikely (évolution) nentina, dia tokony haverintsika any amin’ny rajako izany fakofakon-javatra rehetra izany ary dia hasaintsika mamerina indray izy!”d
MAHALALA NY MPITARIKA AZO ANTOKA NY MPANOMPON’ANDRIAMANITRA
6. Taitra ve nv mpanompon’Andriamanitra raha nahatsapa izany tsi-fahombiazan’ny siansa izany?
6 Ny tsi-fahombiazan’ny siansa amin’ireo lafiny ireo dia nanaitra ireo izay niantehitra taminy mba hanesorany fa tsy hanasarotany ny zava-manahirana, nefa tsy mba nanaitra ny mpanompon’Andriamanitra izany. Tsy mba nitodika ho amin’ny mpitarika diso izy ireo. Nametraka ny fitokisany tamin’ilay hany mpitarika azo antoka ho an’ny olona, dia ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, izy. Izany no antony tsy mba mampanahy azy ny amin’ny fikorontanana manjaka eto amin’izao tontolo izao, satria fantany fa ny Baiboly efa nilaza mialoha hatramin’ny elabe, ny amin’ny fahoriana amin’izao fotoana izao. Izao tokoa mantsy no voasoratra: “Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory sy sarotra. Fa ny olona ho tia tena, tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, mpamitaka, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra.” Hihatsara ve izany toe-javatra izany? Ny kristiana izay nahazo hery avy amin’ny fahamarinana notovoziny avy tao amin’ilay mpitarika azo antoka nomen’Andriamanitra ny olona, dia mahafantatra fa amin’izao andro farany misy antsika izao, “ny olona ratsy fanahy sy ny mpanoloky, dia handroso hiharatsiratsy kokoa, sady mamitaka no fitahina.” Fantatry ny kristiana fa mpaminany marina tokoa Jesosy raha nilaza mialoha toy izao, ny amin’ny tebiteby mahazo ny firenena ankehitriny: “Fa ho reraka ny fon’ny olona, noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany onenana.” — II Timoty 3:1-4,13; Lioka 21:26, MN.
7, 8. Nahoana no nandray ny tenin’Andriamanitra ho mpitarika azy ny mpanompon’Andriamanitra?
7 Ny olona tia an’Andriamanitra sy manaja ny teniny, dia tsy mba manaiky ho fitahina amin’ny fampanantenana ihamboan’ireo izay manome toky ny olona fa hihatsara ny toe-javatra ary ho afaka ny zava-manahirana azy noho ny fandrosoana ara-tsiansa indrindra. Manaja ny siansa sy ny zava-bitany, ny mpanompon’Andriamanitra, nefa laviny kosa ny fanindrahindrana sy ny fiheverana azy ho mpitarika amin’ny fiainana. Fantany fa ilay Mpamorona ihany no afaka manome ho an’ny olona izay ilainy mba handehanany araka ny mety. Nataon’Andriamanitra izany tamin’ny alalan’ny Teniny, ny Baiboly, izay manome ho an’ny olona ny fahalalana rehetra ilainy mba hitarika azy eo amin’ny lafiny momba ny fiadanana, ny fitondrantena, ny fiainana, ny fanompoam-pivavahana. Io Teny io dia manazava tsy misy diso ny anton’izao toe-javatra ankehitriny izao, sy izay havoaky ny ampitso. Mahalala izany rehetra izany tokoa mantsy ilay Mpanao io Boky io, satria izao no nambarany: “Tsarovy ny zavatra taloha, izay efa lasa ela; fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa, Izaho no Andriamanitra ka tsy misy tahaka Ahy. Izaho izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory; hoy Izaho: ho tò ny fikasako, ary hefiako ny sitrapoko rehetra. (...) Sady efa niteny izany aho no hahatanteraka koa sady nikasa Aho no hahefa azy.” (Isaia 46:9-11). Fitokisana manao ahoana moa no azon’ny mpanompon’i Jehovah apetraka amin’ny Teniny! Fantany fa Izy no ilay Andriamanitra tsitoha sy mahalala ny zavatra rehetra, Ilay nampanoratra ny Teniny, tamin’ny alalan’ny fanahiny, mba hanomezany mpitarika azo antoka sy tanteraka, ho an’ny mpanompony.
8 Toy ny fahazavana lehibe ao amin’ny toerana maizina ny Tenin’Andriamanitra. Iza no olona afaka handeha tsy amin-tahotra ao anatin’ny aizim-pito? Nefa ao anatin’ny aizina izao tontolo izao ratsy ankehitriny, arak’ity faminanian’i Isaia ity: “Indro ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena.” (Isaia 60:2). Nefa tokony hampiharina amin’ny olon’i Jehovah ve io faminaniana io? Tsia, satria ny lalan’ny mpanompon’Andriamanitra dia azavain’ny Teniny! “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao.” (Salamo 119:105). Izao no nambaran’i Jesosy, momba ny olon’i Jehovah: “Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny aizina mihitsy, fa hanana ny fahazavan’aina.” (Jaona 8:12, MN). Toy ny nanajan’i Jesosy ny Tenin’Andriamanitra sy nandraisany azy ho mpitarika tamin’ny fiainany, no andraisan’ny mpianany azy koa amin’izao fotoana izao, ho mpitarika tsy mety diso, hahazoany mandeha ao amin’ny aizin’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, sy ho tafita velona amin’ny farandrony mahatsiravina ary hiditra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao, dia ny “tany vaovao’’ tonga lafatra hanjakan’ny fahamarinana. — II Petera 3:13, MN.
LOHARANON-TSAKAFO ARA-PANAHY
9, 10. Nahoana no tsy ampy ho mpitarika, ny fahendren’olombelona?
9 Manome ny sakafo ilaintsika mba hahasalama ny saintsika, ny Baiboly. Rehefa avelan’ny olona ilay hany mpitarika sy loharanom-pahendrena, dia fikorontanana no vokatr’izany, toy izay amarinin’ny toe-javatra misy ankehitriny. Na inona na inona fahaizana, dia tsy afaka hitoky ny fahendren’ny tenany ihany ny olona, mba hahombiazany eo amin’ny raharahany. Tsy ilay Mpahary ny olona; voahary fotsiny izy. Hendry noho ny Mpahary azy ve ilay noharina? Naleon’ny olo-kendrin’izao tontolo izao nanaraka ny hevitry ny tenany ihany, toy izay hitoky amin’ny hevitr’Andriamanitra. Izany no antony ahitana fitomboan’ny faharatsiam-pitondrantena eo amin’ny fandaharan-javatra noforonin’ny olombelona. Mety hahazoana vokany tsara ve ny fiarakodia matanjaka iray, raha fenoina rano maloto ny fitoeran-dasantsiny? Hiasa tsara ve ny tenan’ny olombelona raha tsy mihinana afa-tsy fakofakon-javatra izy? Toy izany koa ny saina. Tsy hiasa tsara izy raha tsy mahazo ny sakafo tsara omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny naharihary, dia ny Baiboly.
10 Toy ny zaza ny olona eo imason’Andriamanitra. Ny toetra adala asehon’ny olombelona eo amin’ny fitarihany ny raharahany, dia manaporofo fa tsy tompon’ny fiainany toy ny zaza vao teraka izy. Tsy ho ao an-tsain’ny olona handeha lavitra, na oviana na oviana, ny haka taratasy feno sarisary nataon-janany, mba ho mpitarika azy. Toy izany anefa raha ny marina, no ataon’ireo mitoky amin’ny fahaizan’ olombelona, ka mandà ny Tenin’Andriamanitra. Toy ny zaza mirenireny ao amin’ny tany, eo ambany fanapahan’ny demonia, ny olombelona. Tsy maintsy misetra hery ara-panahy, mahery noho ny tenany izy. Izany no ilàna ny fahendrena sy ny toro-hevitra avy any ambony. — Efesiana 6:10-18.
11. Inona no ilain’ny sain’olombelona ary ahoana no fomba nanomezan’i Jehovah izany?
11 Mba hahasalama azy mandrakariva, dia mila sakafo ara-panahy omen’Andriamanitra azy ao amin’ny Teniny, ny sain’olombelona. Nosoritan’ny apostoly toy izao izany fahamarinana izany: “Tano mandrakariva amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema izay efa renao tamiko.” (II Timoty 1:13, MN). Ny amin’ny hoe hisian’ny teny tsy misy kilema betsaka, amin’izao androntsika izao, dia namarinin’ny mpaminany Mika, raha nilaza toy izao izy: “Ary izao no ho tonga any am-parany: ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny olona hitanjozotra hankany. Firenena maro no hiainga ka hanao hoe: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba; hampianatra antsika ny didiny izy, ka handeha amin’ny lalany isika.” — Mika 4:1, 2, AC.
12, 13. Inona no soa nentin’ny ohatr’izany teny fampianarana tsy misy kilema izany ho an’ny mpanompon’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao?
12 Soa inona moa no nentin’ny ohatr’izany teny fampianarana tsy misy kilema izany, ho an’ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro farany izao? Tamin’ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra, dia nahavita izay tsy vitan’ny fikambanan’ olombelona na iza na iza manerana ny tany amin’izao fotoana izao izy! Noho io fampianarana tsy misy kilema io, dia olona avy amin’ny firenena sy foko sy fiteny samihafa, ary avy amin’ny finoana maro sy toerana ara-tsosialy samihafa, no afaka miaina sy miasa miaraka, amin’ny firaisana sy ny filaminana! Izany fifanarahana kanto izany, dia tena ilay voalazan’ny Baiboly, ho an’ny olona manetry tena izay hanaiky ny fampianarana tsy misy kilema avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka hanaraka izany. Izao tokoa mantsy, no nanampin’ilay faminaniana voalaza erỳ aloha: “Hitsara ny adin’ny firenena maro Izy [Andriamanitra] ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin’ny lavitra. Hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely, na hianatra ady intsony.” (Mika 4:3, AC). Misy dieny izao izany toe-javatra izany eo anivon’ny fikambanana milamin’ny vavolombelon’i Jehovah. Nefa tsy midera tena ho maha-foana ny zava-manahirana momba ny fampiraisana olona samihafa firenena ho ao anatin’ny fandriam-pahalemana, izy. Fa fantatr’izy ireo kosa fa tsy tanteraka izany zavatra izany, raha tsy nohon’ny herin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny.
13 Tsy takona amin’ny vavolombelon’i Jehovah ny hery ananan’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fanovàna fihevitr’olona sy fitarihana azy ho amin’ny lalana tsara. Mikely aina mba hiova toy izany izy ireo, ka nahomby izy tamin’izay tsy hain’ny olonkendrin’izao tontolo izao. Ny fahalalana marina avy amin’Andriamanitra no fototry ny fahombiazany, satria nankatò ny toro-hevitra nomen’io mpitarika azo antoka io izy, indrindra fa ity: “Ario ny toetra taloha mbamin’ny fanaony, ka tafio ny toetra vaovao izay havaozina, amin’ny fahalalana marina, araka ny endrik’Ilay nahary azy.”—Kolosiana 3:9,10, MN.
14. a) Azavao ny asan’ny fitiavana eo amin’ny olon’ Andriamanitra? b) Fantatry ny siansa ve ny maha-zava-dehibe ny fitiavana?
14 Ilay mpitarika nomen’Andriamanitra ho an’ny olona, dia nampitodika ny sainy ho amin’ity toetra tsara antoky ny aina ity: dia ny fitiavana. Tena ilaina io toetra tsara io mba hampisy firaisana sy filaminana, satria “kofehy tanteraka mampiray” ny fitiavana. (Kolosiana 3:14, MN). Nianaran’ny vavolombelon’i Jehovah, izay tian’ny Baiboly holazaina rehefa milaza ny amin’ny fitiavana izy. Mamboly io toetra tsara io dieny izao izy ka hanao toy izany hatrany, mandra-pahazony azy tanteraka. Mampahamora ny fifandraisany ny fitiavana ary mahatonga azy ireo ho afaka hivory sy hiara-miasa tsy misy fifandonana toy ny hita eo amin’izao fandehan-javatra ankehitriny izao. Na ny siansa aza amin’izao fotoana izao, dia mahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fitiavana, eo amin’ny fifandraisan’ny olombelona. Izao no nambaran’ny filohan’ny Fanorenana momba ny fandinihana ny fahasalaman-tsaina, tany Londres: “Ny hery ananan’ny fitiavana eo amin’ny fiarovana sy ny fanavaozana ny saina, no zava-baovao lehibe indrindra hitan’ny siansa momba ny fahasalaman-tsaina.”e Nasehon’ny Baiboly hatramin’ny ela ny maha-zava-dehibe indrindra ny fitiavana. Izany no mahatonga ny fikambanan’olona miaina araka ny Tenin’Andriamanitra sy mankatò ny lalanan’ny fitiavana, ho afaka hiara-miasa ao amin’ny filaminana sy ny fahasambarana ka ho salama saina na dia mifampiandany sy voan’ny aretin-tsaina aza ny olon-kafa.
ILAY MPITARIKA AZO ANTOKA HO AMIN’NY HO AVY
15. a) Inona koa ny Baiboly, tsy mba toy ny siansa? b) Ahoana ny hahazoan’ny mpandefitra mandeha amin’ny lalan’Andriamanitra?
15 Tsy mpitarika azo antoka eo amin’ny fiainana andavanandro fotsiny ny Baiboly, fa mpitarika ho amin’ny ho avy koa izy, tsy mba toy ny siansa. Tsy afaka manalava afa-tsy kely foana ny fiainan’ny olona iray tokoa mantsy ny siansa ary mbola mahatonga loza mananontanona ny ho aviny koa izy. Fa ny Tenin’Andriamanitra tsy mety diso kosa, dia mampanantena ho avy sambatra ho an’ny olona mpankatò. Voalazany ny amin’ny fandaharan-javatra vaovao sy kanto izay hanjakan’ny filaminana, fiadanana, fahasalamana, fifaliana sy fiainana mandrakizay, eran’ny tany rehetra tonga paradisa. Nefa alohan’ny hanombohan’izany fotoana manan-daza izany, dia tsy maintsy foanana etỳ an-tany ny faharatsiana. Ilay mpitarika azo antoka nomen’Andriamanitra ho an’ ny olona, dia milaza fa efa hifarana ny tsi-fahamarinana ary vetivety foana dia hampitsahatra ny faharatsiana rehetra Andriamanitra Tsitoha ary handringana izay manao izany. Izao tokoa no ambaran’ny Baiboly: “Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy; handinika ny fitoerany hianao, fa tsy ho hita izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:10,11, Sy). Tsy zava-dehibe voalohany indrindra ary ve ny fianarana hahafantatra ny lalàn’Andriamanitra, mba handehanana amin’ny lalana ety mitondra ho amin’ny fiainana? Antoky ny fiainantsika ny fihainoana ity toro-hevitra nomena ao amin’ilay mpitarika azo antoka ity: “Matokia an’i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahaizanao. Maneke azy amin’ny alehanao rehetra, fa izy handamina ny lalanao.” (Ohabolana 3:5, 6, AC). Eny! ilay mpitarika nomen’Andriamanitra hitondra antsika ho amin’ny fiainana, dia hanome antsika ny fanazavana rehetra ilaina mba handehanantsika amin’ny lalany satria “ny Soratra rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana zavatra, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba hahay ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” — II Timoty 3:16,17, MN.
16. Inona no toro-hevitra maika tokony alatsatsika ao am-po? Inona no maha-maika ny hanaovantsika izany indrindra amin’izao fotoana izao?
16 Ilaina maika dia maika ny anekentsika ny Tenin’Andriamanitra ho mpitarika antsika dieny izao, satria izao androntsika izao no hahita ny fifaranan’izao fandehan-javatra ankehitriny izao tanteraka. Milaza izany fa mahazo manantena ho tafita velona amin’ny fifaranany isika ary tsy ho faty mandrakizay! “Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (I Jaona 2:17, MN). Izao androntsika izao dia sahala amin’ny fotoana nahatongavan’ny olon’i Jehovah Fahiny teo akaikin’ny Tany nampanantenaina. Mariho ny toro-hevitra tsara dia tsara nomen’i Mosesy, dia toro-hevitra tena ilaina tokoa amin’izao androntsika izao, satria tsy ho vetivety ihany ny fanafahana antsika fa hitondra antsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay: “Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ity lalàn’[Andriamanitra] ity. Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin’ny tany izay efa hidiranareo holovàna, rehefa tafita an’i Jordana hianareo.” (Deotoronomia 32:46, 47). Zaro ny fonao hanaraka ilay mpitarika nomen’Andriamanitra ho an’ny olona; raha izany dia mety ho anisan’ireo izay nolazain’ny mpanao salamo hianao, raha nanambara toy izao izy: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Salamo 37:29, Sy.
17. Ahoana no tokony hiheverantsika ny Tenin’Andriamanitra?
17 Hevero ary ny maha-sarobidy ny Baiboly ary ekeo fa izy no lalana mahagaga mampitohy nomen’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Raiso ho mpitarika anao izy. Raha manankina ny fanantenanao amin’ny fikasana ara-tsiansa na hafa ataon’ny olona hianao, na dia aseho amin’ny hakingana aza izany, dia mihazakazaka ho amin’ny fahadisoam-panantenana sy ny loza amin’atambo hianao. Ny Baiboly, amarinin’ny fahitan-java-baovao marina rehetra avy amin’ny siansa ankehitriny, dia hita fa marina hatramin’ny antsipiriany. Noho izany dia toy ny saritany ahafantarana ny lalana izy, izay mitarika anao eo amin’izao fandehan-javatra maizina ankehitriny izao. Tsia, tsy lany andro ny Baiboly. Izy no mpitarika ny olona azo antoka. Marina fa nisy hatramin’ny elabe izy. Efa elabe koa izay ny olona no nihinan-kanina nefa tsy navelany io fahazarana io na dia izany aza! Ary ny olona izay mitady ny fiainana koa dia tsy hitsahatra handray ny hevitra mahavelona nampanoratin’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, ny Baiboly. Hita miharihary, hatramin’izay fa antoky ny aina izany sakafo ara-panahy izany. Ny olona mpandefitra dia tsy mba te-hitovy amin’ny ireo mpanao gazety efatra nandray anjara tamin’ny fandaharam- potoanan’ny televiziona natokana ho an’ny adi-hevitra momba ny kristianisma.f Rehefa nanontaniana izy ireo raha mba nandany dimy minitra nitohy nianarana ny momba ny kristianisma, dia samy voatery niaiky fa tsy nanao izany, nefa olona noheverina fa mba manam-pahaizana ihany! Izany tsifahampiam-pahalalana izany dia hita eo amin’ny olona maro eto amin’izao tontolo izao, izay mitady fanafodin’ny zava-manahirana azy sy te-hanana ho avy tsaratsara kokoa, nefa tsy mety mijery ilay hany Boky afaka hanome fahafaham-po azy!
18. Nahoana no tsy tokony ho kivy isika na dia mandà ny Baiboly aza ny olona sasantsasany?
18 Aza kivy raha esoina hianao rehefa manolotra ilay mpitarika avy amin’Andriamanitra ho an’ny mpiara-belona aminao. Na dia ao aza ny porofo marobe mampiseho ny maha-marina sy tsy misy tsiny ny Baiboly, dia maro ny olona tsy mety manaiky. Aza adinoina ireto tenin’i Jesosy ireto: “Raha tsy nihaino an’i Mosesy sy ny Mpaminany izy, dia tsy hety hino koa izy, na dia misy mitsangana amin’ny maty aza.” (Lioka 16:31, MN). Toa sarotra inoana izany, nefa niharihary ny fahamarinan’io teny io, rehefa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty Jesosy, satria fotoana fohy taorian’izay, dia “niara-nioko ny lohan’ny mpisorona (...) mba hamono an’i Lazarosy koa.” — Jaona 12:10, MN.
19. Inona no hataon’ny “ondry’’ rehetra?
19 Ny ondry dia hino. Ireny olona mora entina ireny dia hanaiky fa tena marina ny tantaran’ny Baiboly. Ho tsapany fa raha dinihina sy tarafina amin’ny siansa marina ny Baiboly, dia mamirapiratra aoka izany amin’ny maha-fanilon’ny tongotra sy mpitarika azy eo amin’ny fiainantsika. Hisotro ny rano mahavelon’ny fahamarinana ireny olona ireny ary hifaly miaraka amin’ny olon’i Jehovah izay nampitodika ny sainy ho amin’izany fahamarinana izany. Hikambana amin’ireo olona ireo izy ary tsy ho andriny izay hahatongavan’ilay ora hanamarinan’Andriamanitra tanteraka ny Anarany, ny Teniny ary ny olony. Haniry ny hahatongavan’ilay andro lehibe hampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra sy hanadiovan’i Jehovah ny tany amin’ny faharatsiana rehetra izy. Mibanjina ny any ambadik’io fotoana io koa aza izy, ka hahita ny fandaharana vaovao hampidinan’i Jehovah ny fitahiany amin’ny olombelona ka hampiasana ny siansa marina ho voafehy sy ho tarihin’ilay Mpahary, mba hifalian’izay rehetra tia ny Tenin’Andriamanitra sy nampifanaraka ny fiainany tamin’izany ary ho tafita velona amin’ny fiafaran’ny fikambanan’olombelona tsy mpino ankehitriny. Aoka izay rehetra nanaja ny Tenin’Andriamanitra sy nandray izany ho mpitarika azy hanao antso avo miaraka amin’ny mpanao salamo hoe: “Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, ary Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra. Eny an-tanany ny fanorenan’ny tany ary azy ny tendrombohitra avo. Azy ny ranomasina fa Izy no nanao azy; ary ny tany koa dia noforonin’ny tanany. Avia aoka hiondrika sy hiankohoka isika. Aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah Mpahary antsika.” — Salamo 95:3-6, AC.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Fitantarana ara-pitsaboana’’, p. 431 (lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe: “Ambangovangon’ny zava-manahirana eo amin’ny fahasalaman-tsaina’’, nataon’ny profesora Werner Villinger, dokotera amin’ny fitsaboana.)
b “Peninsula Herald” any Monterey, Califomie, p. 14 (lahatsoratra nataon’i Krie Sevareid, mitondra ny lohateny hoe: “Mivoha ny vatakelin’i Pandore’’)
c “Times” any Los Angeles, 14 jona 1963.
d “Dead Men Tell Tales” nataon’i H. Rimmer, p. 31.
e “New York Times” tamin’ny l6 aogositra 1954.
f “Christian Heritage” tamin’ny desambra 1960, p. 4.