Tsy maintsy hamoaka ny maty ny fahafatesana sy ny Hadesy
“Fa ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon’Andriamanitra taminareo?” —Matio 22:31, MN
1. Inona no hany bokim-pivavahana tranainy mampianatra ny amin’ny fitsanganan’ny maty?
AMIN’IREO boky masina rehetra eo amin’ny fifavahana tranainy, dia ny Baiboly no hany milaza ny amin’ny fitsanganan’ny maty izay hisy amin’ny hanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Saiky voasoratra tamin’ny teny hebreo avokoa ny fizarana voalohany amin’io boky masina io, ary diman-jato sy arivo taona lasa izay dia voasoratra tamin’ny teny grika nitenenana tamin’izany fotoana izany, ny fizarana faharoa. Nefa talohan’ny nanoratana io fizarana faharoa amin’ny Baiboly masina io, dia nadika ho teny grika ny fizarana voalohany tamin’ny teny hebreo. Natao hoe fandikan-tenin’ny Septante io fandikan-teny io ary fantatra amin’ny fanafohezan-teny hoe LXX (ny “fito-polo”). Sivin-jato sy arivo taona lasa izay, dia ny teny grika no fiteny niraisam-pirenena. Noho izany, izay nahay io teny io, dia afaka namaky ny Baiboly manontolo. Amin’izao androntsika izao dia voadika manontolo na tapatapany amin’ny fiteny 1202 ny Baiboly masina. Azo inoana fa misy amin’ny fiteninao izy. Naely be dia be sy amin’ny fiteny maro mihaotra noho ny boky hafa rehetra io boky masina io. Miavaka amin’ny boky hafa izy amin’ny fampianarany fa ho velona indray ny maty, ao amin’ny fandaminan-javatra vaovao sy marina, amin’ny hanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra Tsitoha.
2. Nahoana no mety hihomehy ny hevitra momba ny fitsanganan’ny maty, ny mpamaky sasany?
2 Raha mampianatra anao ny momba ny “tsy-fahafatesan’ny fanahy” ny antokom- pinoanao, dia mety tsy ho hitanao izay ilana ny fitsanganan’ny maty. Raha maty ara-batana fotsiny ireo efa nodimandry ary velona ho fanahy any amin’ny toerana tsy hita maso na ao anatin’ny vatana hafa iray, amin’ny fifindran-toerana, dia tsy ho azonao ny antony hitsanganany. Arak’izany dia maro amin’ny mpamaky anay angamba no hihomehy ny hevitra mikasika ny fitsanganan’ny maty. Tsy mahagaga izany. Tena mafy orina anefa ny fampianazana araka ny Baiboly momba ny fitsanganan’ny maty ka mety kokoa raha mandinika azy amin’ny saina tsy miangatra hianao, toy izay hihomehy. Aoka isika tsy hanahaka ireo filozofa grika izay nino ny tsi-fahafatesan’ny fanahin’olombelona ka nitorian’i Paoly, apostoly kristiana ny amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ ny maty. — Asan’ny Apostoly 2:31, 32; Matio 26:38; Isaia 53:12, AC; Ezekiela 18:4, 20.
3. Nahoana no tokony tsy hanahaka ireny filozofa grika ireny isika?
3 Izao no ambaran’ny tantara araka ny Baiboly momba ireo Grika ireo: “Hoy ny sasany: ‘Inona no tian’io mpibedibedy io holazaina?’ Ary hoy kosa ny sasany: ‘Toa mitory andriamani-baovao izy.’ Satria nanambara ny vaovao tsara momba an’i Jesosy sy ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty izy.” Rehefa avy nanambara teo anatrehan’ny Fitsarana ambony tao Atena ny apostoly Paoly, fa Andriamanitra dia nanangana an’i Jesosy Kristy Zanany tamin’ny maty mba hahazoany hitsara ny tany onena rehetra, “ary raha nahare azy niteny ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty izy, dia nihomehy ny sasany.” (Asan’ny Apostoly 17:18, 31, 32, MN). Nino ny tsi-fahafatesan’ny fanahy ireo Grika ireo, ary noho izany dia nino fa tsy nisy olona maty. Izany no antony tsy nahafahany nanaiky ny fampianarana milaza fa maty ny fanahin’olombelona efa nodimandry, ka tsy ho velona izany raha tsy amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty.
4. Ahoana no nanahafan’ny Grika ny Babyloniana, teo amin’ny finoany momba ny maty?
4 Ireo Grika fahiny dia nino fa ny maty dia miaina toy ny avelo any amin’ny toerana ambanin’ny tany sy tsy hita maso nanjakan’i Hadesy andriamanitra. Nanjary nitondra ny anaran’ny mpanjakany hoe Hadesy, io fitoeran’ny fanahin’ny maty any ambanin’ny tany io. Taty aoriana dia nampiharina tamin’ny fasana koa io anarana ioa. Tamin’izany ireo Grika fahizay ireo, dia naka tahaka ny Babyloniana izay nanome anarana hoe: Nergal ny andriamanitra nanjaka tao amin’ny toerana ambanin’ny tany nisy ny fanahin’ny maty, ka nilaza ny fanjakana tsy hita maso nisy ny maty hoe: “ny tany tsy misy fiverenana”. Tsy isalasalana ary fa tsy nino ny fitsanganan’ny maty ireo Babyloniana fahizayb.
5. Ahoana no nanamarihan’ny Jodaisma mpanova fampianarana ny fifanoheran’ny fampianarana momba ny tsi-fahafatesan’ny fanahy sy ny fitsanganan’ny maty?
5 Mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fitsanganan’ny maty izany finoana babyloniana momba ny tsi- fahafatesan’ny fanahy izany. Voamarika amin’ny zavatra nataon’ny Jiosy mpanova fampianarana izany, amin’izao taon-jato faha-roapolo iainantsika izao. Izao no azo vakina momba izany ao amin’ny Encyclopedic jiosy (anglisy), amin’ny lohateny hoe: “Fitsanganan’ny maty”: “Amin’izao andro ankehitriny izao dia voahozongozon’ ny filozofia efa misy ny finoana ny amin’ ny fitsanganan’ny maty, ka napetrak’ireo mpampianatra jiosy mpanova fampianarana ny fanontaniana ny amin’izany ary niadian-kevitra tao amin’ny fivorian’izy ireo (...) mba hahitana raha tokony hovàna ireo teny fanao amin’ny fandaharam-pivavahana, manambara finoana ny fitsangananan’ny maty, hahazoana manambara mazava ny fanantenana ny amin’ny tsi-fahafatesan’ny fanahy. Natao tamin’ny bokim- pivavahan’ny jodaisma amerikana mpanova fampianarana rehetra, izany fanovàna izany. Nanambara niharihary ny fivorian’ ny mpampianatra jiosy tao Filadelfia fa tsy misy fototra mihitsy ny finoana ny fitsanganan’ny maty, eo amin’ny jodaisma, ka ny finoana ny tsi-fahafatesan’ny fanahy no tokony hisolo toerana izany ao amin’ny fandaharam-pivavahana [ fandaharana ny fombam-pivavahana, amin’ny fanompoam- pivavahana ataon’ny be sy ny maro].” — Boky faha-X, pejy faha-385, fehin-tsoratra faha-2 (1905).
6. Inona no fanambaran’ny Baiboly lavin’ny Jiosy mpanova fampianarana?
6 Mazava ary fa ireo Jiosy ao amin’ny jodaisma mpanova fampianarana, dia tsy manaiky izay lazain’ny Baiboly toy izao: “Ny fanahy mpanota ihany no ho faty.” — Ezekiela 18:4, 20, Baibolin’ny Fitambaran’ny mpampianatra jiosy any Frantsa, nadika teo ambany fitarihan’i Zadoc Kahn.
7. Inona no nambaran’i Paoly izay Fariseo koa teo aloha, momba ny fitsanganan’ny maty, teo anatrehan’i Feliksa?
7 Ny apostoly Paolv izay efa niaina tamin’ny andro naha-tety ambonin’ny tany an’i Jesosy Kristy, dia nahita azy tamim- pahagagana, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Jiosy io apostoly kristiana io. Anisan’ireo Fariseo nino ny fitsanganan’ ny maty izy. Teo anatrehan’i Feliksa mpitsara romana izay nino marina an’i Pluton, andriamanitry ny afobe sy ny fahafatesana teo amin’ny romana, dia izao no nambaran’i Paoly momba ny Fariseo jiosy: “Mino ny zavatra rehetra voalaza ao amin’ny Lalànan’i Mosesy sy voasoratra ao amin’ny Mpaminany aho; ary manana fanantenana amin’Andriamanitra, fanantenana ananan’ izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka (...) Izao teny iray loha izao ihany dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: ‘Ny amin’ny fitsanganan’ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio!”’ — Asan’ny Apostoly 24:14-21, MN.
8. a) Firy no vavolombelon’ny fitsanganan’i Kristy? b) Inona no lalana novohan’ny fitsanganan’i Jesosy, ho an’ny maty?
8 Raha nanoratra momba ny fitsanganan’ny maty ny apostoly Paoly, dia nilaza ny amin’ny vavolombelona nahita maso maherin’ny diman-jato, anisan’izany ny tenany, izay nahita an’i Jesosy Kristy tafatsangana, taorian’ny namonoana azy am-pahibemaso teo amin’ny hazo fijaliana sy ny nandevanana azy tao amin’ny fasana nasiana tombo-kase sy nambenan’ny miaramila mba tsy hangalarana ny fatiny. (I Korintiana 15:3-9: Matio 27:57 ka hatramin’ny 28:4, MN). Nanaporofo Paoly fa izy sy ireo rahalahiny ao amin’ny finoana dia tsy vavolombelona nandainga akory ny amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy, no sady nampiseho koa izay nasehon’ny fitsanganan’i Kristy, ho an’ireo efa maty. Izao no nosoratany: “Fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodimandry. Ary satria olona iray [Adama, olona voalohany] no nisehoan’ny fahafatesana, dia olona iray koa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty.” (I Korintiana 15:20, 21, MN). Ny fitsanganan’i Jesosy Kristy no namoha ny lalana hahazoan’ny hafa, izany hoe ny maty, hitsangana.
9, 10. a) Inona no nahatonga an’i Jesosy hanaiky tamin- kerimpo ny hijaly maritiora? b) Ahoana no teny nanomezan’i Jesosy toky antsika fa hisy ny fitsanganan’ny maty?
9 Nanaiky ho faty maritiora tamin-kerimpo Jesosy Kristy tamin’ny taona faha-33 amin’izao fanisan-taona arahintsika izao, satria natoky izy fa ny Rainy any an-danitra, ilay Andriamanitra Tsitoha, dia hanangana azy amin’ny maty amin’ny andro fahatelo. Amin’ny fanaovany izany dia hamela azy hiverina any an-danitra. Andriamanitra, hitondran’ny tenany mihitsy eo amin’Andriamanitra, ny vidin’ny sorona nataony tamin’izy olombelona. Niresaka lava ny amin’ny fitsanganan’ny maty Jesosy Kristy, fony izy tety an-tany. Indray mandeha, raha nilaza izy fa hisy ny fitsarana farany ireo maty, amin’ny alalan’ny fitsanganana, dia izao no nambarany: “Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho azy. Ary nomeny fahefana hitsara izy, satria Zanak’olona. Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’izay rehetra any amin’ny fasana fahatsiarovana ny feony, ka hivoaka ireo, izay nanao zavatra tsara dia ho amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao zavatra ratsy kosa dia ho amin’ ny fitsanganana ho fitsarana. Raha izaho dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako satria tsy mitady ny sitra-poko aho, fa ny sitrapon’Ilay naniraka ahy.’’ — Jaona 5:26-30, MNc.
10 Mahazo matoky isika, noho izany, fa hisy fitsanganan’ny maty.
FANONTANIANA MANOKANA
11. Inona no fanontaniana tena manokana mipetraka amin’ny tsirairay avy amintsika?
11 Misy fanontaniana tena manokana mipetraka amin’ny tsirairay avy amintsika. Izao izany: Raha toa maty isika ka halevina any am-pasana, moa havelan’Andriamanitra hitsangana na ho velona indray ve, araka ny sitrapony? Ahoana no hahitantsika valin’izany fanontaniana izany azo antoka? Ankoatr’izany, isika ihany ve no hitsangana? Hisy maty sasantsasany tsy hitsangana ve? Fanontaniana nanintona ny sain’ny Jiosy maro izany, na dia tsy nekeny aza ny Soratra hebreo, fizarana voalohany amin’izay antsointsika hoe: Baiboly masina.
12. Sary manao ahoana no aseho ao amin’ny Baiboly, momba ny andro fitsanganana?
12 Ny mpitondra fivavahana sasantsasany ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana dia nanandrana naminavina izay hiseho amin’ny andron’ny fitsanganana. Nasehony tamin’ny sarin-taolam-paty, ny fifanatonan’ny tenan’olombelona nisaratsaraka, ny tongotra aman-tanana misidina mifampitady. Kanefa ny Baiboly dia tsy mampiseho sary mahatsiravina toy izany, momba ny fitsanganana, na dia tamin’ ny fahitan’ny mpaminany Ezekiela ilay lohasaha feno taola-maina izay natambatr’ Andriamanitra Tsitoha sy notafiany nofo velona aza (Ezekiela 37:1-10). Fa amin’ ny fitenenana an-ohatra mifanaraka tsara kosa, no ampisehoan’ny boky farany ao amin’ny Baiboly, sary kanton’ny fitsanganana ety an-tany izay hisy aorian’ny hialan’ireo hery ratsy eo amin’ny lanitra sy ny tany. Manome fanantenana ho antsika io fahitana io ary hahazoantsika mahafantatra izay hanana anjara amin’ny fitsanganana ety an-tany.
13. Inona no fahitan’i Jaona voalaza ao amin’ny Fanambarana 20:11-15?
13 Voasoratra ao amin’ny Fanambarana 20:11-15 (MN) io fahitana voalaza nomena ny apostoly Jaona io, arak’izao: “Ary hitako fa indro nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy toerana ho azy ireo intsony. Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana; ary novelarina ny horonam-boky. Nefa nisy horonam-boky iray novelarina, dia ny horonam-bokin’ny fiainana izany. Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra tao anatin’ ny horonam-boky, araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny, ary ny fahafatesana sy ny Hadesy namoaka ny maty tao aminy, dia samy notsaraina araka ny asany izy. Ary ny fahafatesana sy ny Hadesy dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Fahafatesana faharoa no hevitry ny hoe farihy afo. Ary na iza na iza tsy hita voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ ny farihy afo.” — Jereo koa ny Fanambarana 21:8, MN.
14. Nahoana ny. filazalazana momba ny fitsanganana, omena ao amin’ny Fanambarana 20:13 no amin’ny an-tsipiriany kokoa noho ilay omen’i Jesosy ao amin’ny Jaona 5:28, 29?
14 Tsy nalevina tany am-pasana, tany ambanin’ny tany daholo akory ny maty rehetra (Genesisy 1:9, 10). Olombelona tsy hita isa no maty tany afovoan’ny ranomasina, na tamin’ny faharendrehana, na tamin’ny ady an-tsambo. Ny fatiny voatelin’ny onja, dia tsy hita mihitsy ka tsy voalevina tany anaty tany (I Mpanjaka 22:48, 49; II Tantara 20:36, 37; Salamo 48:7; Daniela 11:40). Izany no nahatonga ny Fanambarana (20:13, MN) hanambara amin’ny filazalazany momba ny andro fitsanganan’ny olombelona maty, fa tsy “ny fahafatesana sy ny Hadesy ihany no namoaka ny maty tao aminy”, fa “ny ranomasina koa dia namoaka ny maty tao aminy”. Hita ary fa io andininy io (Fanambarana 20:13, MN) dia manome filazalazana amin’ny an-tsipiriany kokoa ny amin’ ny fitsanganan’ny maty, noho ilay voalazan’i Jesosy hoe: “Handre ny feony izay rehetra any amin’ny fasana fahatsiarovana, ka hivoaka (...) ho amin’ny fitsanganana.” — Jaona 5:28, 29, MN.
15. Nahoana no tsy natsipy tao anaty “farihy afo” koa ny “ranomasina”?
15 Mety koa ny hanamarihana izao: Na inona na inona hevitry ny teny hoe Hadesy, dia tsy toerana iray no misy ny maty ao sy ny maty milevina any an-dranomasina. Hisy ety an-tany foana ny ranomasina ara-bakiteny. Izany no nahatonga ny Fanambarana 20:14 (MN) tsy hilaza afa-tsy izao: “Ny fahafatesana sy ny Hadesy dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Fahafatesana faharoa no hevitry ny hoe farihy afo.” Raha natsipy tao anaty “farihy afo” ny ranomasina ara-bakiteny, dia ho namono io farihy afo io, ka io no tsy hisy intsony fa tsy ny ranomasina. Ny Baiboly anefa milaza mazava fa ny “fahafatesana faharoa” asehon’ny “farihy afo”, dia hisy hatrany. Ara-panoharana dia hirehitra mandrakizay io “farihy afo” io.
16. Iray ihany ve ny Hadesy araka ny Baiboly sy ilay saintsainin’ny Grika? Azavao.
16 Inona ary ity Hadesy natsipy tao anaty “farihy afo” an-ohatra ity? Manao ahoana izay ao amin’ny Hadesy? Zavatra iray no azo antoka: ny Hadesy araka ny Baiboly masina dia tsy ilay nosaintsainin’ ny Grika tsy kristiana fahizay ka hita ao amin’ny anganon’ny ntaolony. Tsy nisy fitsanganan’ny maro mihitsy nahafahana nivoaka ny Hadesy araka ny anganon’ny ntaolo teo amin’ireo Grika mpanompo sampy.
17. Inona ireo heviny roa nomen’ny Grika ny teny hoe fitsanganan’ny maty?
17 Ao amin’ny lohateny hoe “B. Ny fitsanganana eo amin’ny Grika”, dia izao no voalazan’ny Diksionary ara-teolojian’ny Testamenta Vaovao (anglisy), boky I, pejy faha-396: “Ankoatry ny fifindran-toeran’ny fanahy, (...) dia nomen’ny Grika heviny roa ny teny hoe fitsanganana: a) Tsy azo atao ny fitsanganan’ny maty. (...) b) Mety hitranga toy ny fahagagana manokana ny fitsanganan’ny maty. (...) Notantarainy ny amin’ny nananganan’i Apollonios avy tany Tyane, zazavavy toa maty, tany Roma, (...) rehefa nomena denaria 150000 ho fanomezana fanampiny. (...) Tsy heverin’ny Grika ny amin’ny hisian’ny fitsanganan’ny maro amin’ny farany. Mety no ihomehezana aza izany fiheverana izany, arak’izao soratra frijiana izao: [ Tena miandry fitsanganana avokoa ve ireo olo-mahantra ireo?]. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:18, ny teny hoe anastasis [ fitsanganan’ny maty] dia toa tsy azon’ny mpihaino ka noheveriny ho anarana an’ny irery (jereo 17:31 sy ny manaraka)d.” Azo lazaina fa ilay “zazavavy toa maty”, natsangan’i Apollonios dia maty indray.
18. Inona no fanantenan’ny olon’Andriamanitra, naha-samihafa azy tamin’ny mpanompo sampy?
18 Ao amin’ny lohateny hoe “Hadesy”, dia niaiky toy izao ny Cyclopaedia nataon’i M’Clintock sy Strong (fanontàna tamin’ ny taona 1891, boky faha-IV, pejy faha-9, fehin-tsoratra farany): “Ny mpino hebreo ihany no nanaiky fa ny fijanonana ao amin’ny sheola. dia toa fiainana vonjimaika sy anelanelany ihany. Tsy nanantena ny hivoaka avy ao amin’ny lavaka maizina, ny mpanompo sampy; aminy, ny fefin’ny sheola dia ho mandrakizay, ary tsy nisy tamin’ny fivavahany na tamin’ny filozofiany ny fiheverana ny amin’ny fitsanganan’ny maty. Nefa ny fahatsinjovana ny fitsanganana amin’ny maty no nahavelona ny fanantenana tao am-pon’ny tena olon’ Andriamanitra. Koa satria izany zavatra tsinjo mialoha izany, no hany hahafoana ny ratsy vokatry ny fahotana sy handringana tokoa ilay mpandringana, dia tsy inona no nambaran’ilay fampanantenana nanome toky ny amin’ny hanorotoroana ilay mpaka fanahy, fa ny amin’ny fitsanganan’ny maty.” — Jereo Genesisy 3:15; Romana 16:20.
19.Inona no maha-samihafa ny Hadesy araka ny Baiboly, amin’ny an’ny Grika?
19 Arak’izany dia hafa noho ny an’ny Grika mpanompo sampy ny Hadesy araka ny Baiboly, satria milaza im-betsaka ny Baiboly fa hisy fitsanganan’ny maty izay ao amin’ny Hadesy. Tsy misy ifandraisana na kely akory aza amin’ny “tany tsy misy fiverenana” teo amin’ny Babyloniana fahizay izany. Fa aiza ary no misy ny Hadesy araka ny Baiboly ary manao ahoana izay ao aminy? “Fiainana (...) anelanelany” ho an’ny maty ve izany? Ny Baiboly ihany no hany afaka hanome valiny marina hahazoantsika finoana mafy orina. Ahoana no ambaran’ny Baiboly momba izany ?
HADESY
20. Ahoana no tokony ho toetr’ireo ao amin’ny Hadesy?
20 Miverina im-polo ny teny hoe Hadesy, ao amin’ny sora-tanana tranainy indrindra amin’ny Soratra grika kristianae. Nefa velona ve ny olombelona ao amin’ny Hadesy araka ny Baiboly? Ny mpamaky tsara, dia hiaiky fa tsy velona izy ireny, satria voalaza ao amin’ny Fanambarana 20:13 (MN), fa ny fahafatesana sy ny Hadesy dia namoka “ny maty izay tao aminy”. Izay maty dia tsy isalasalana fa tsy velona. Toy izany koa ny maty ao amin’ny Hadesy. Nefa ny mpitondra fivavahana ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana, efa vonton’ny anganon’ny ntaolo grika mpanompo sampy, dia hamaly anay hoe: “Diso izany. Ny maty ao amin’ny Hadesy dia tsy tena maty. Ny tenany no maty fa ny fanahiny dia velona, satria tsy mety maty izany. Maty izy amin’ny heviny hoe tafasaraka amin’Andriamanitra. Amin’ny lafiny hafa, ny fanahy tsy mety maty ao amin’ny Hadesy, dia tena velona tokoa.” Marim-pototra ve izany fanazavana omen’ny fivavahana ao amin’ny fitambaramben’ny kristiana anarana izany? Mifanaraka amin’izay ampianarin’ny Baiboly momba ny toetry ny maty ao amin’ny Hadesy izay hivoaka ho amin’ny fitsanganana ve izany? Andeha hodinihitsika ny Baibolintsika momba izany.
21. a) Any an-danitra ve ny Hadesy? b) Mankany amin’ny Hadesy ve ny fikambanana kristiana?
21 Ny andalana voalohany ao amin’ny Soratra grika kristiana misy ny teny hoe Hadesy, dia ao amin’ny Matio 11:23 (MN) izay manambara izao tenin’i Jesosy Kristy Tompontsika izao: “Ary hianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va hianao? Hietry hatrany amin’ny Hadesy hianao.” (Jereo koa Lioka 10:15, MN). Miharihary ary fa tsy any an-danitra ny Hadesy. Rehefa izany, dia ampiasaina ao amin’ny Matio 16:18 (MN), ny teny hoe Hadesy, raha nanambara tamin’ny apostoly Petera, Jesosy hoe: “Hianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fikambanako, ka ny varavaran’ny Hadesy tsy haharesy azy.” Ireo tenin’i Jesosy ireo dia mampiseho fa ireo anisan’ny fikambanan’ny mpianany, dia ho faty ka ho any amin’ny Hadesy ary hadalo eo amin’ny varavarany. Arak’izany dia ho tonga anisan’ny maty ao amin’ny Hadesy izy ireny.
22. Nahoana no tsy haharesy ny fikambanan’i Jesosy ny varavavan’ny Hadesy?
22 Nahoana no tsy haharesy ny fikambanan’i Jesosy ny “varavaran’ny Hadesy”? Nahoana ireo “varavarana” ireo no tsy hikatona mandrakizay ho an’ny mpianatr’i Jesosy, ka hahatonga ny Hadesy ho “tany tsy misy fiverenana” ? Tsy hisy izany, noho izay nambaran’i Jesosy taty aoriana tamin’ny apostoly Jaona efa zoki-olona, izay nitahiry an-tsoratra ny teniny, ao amin’ ny boky farany amin’ny Baiboly masina (Fanambarana 1:17, 18, MN). Niakatra ho any an-danitra Kristy tafatsangana, ka nanambara tamin’i Jaona hoe: “Aza matahotra. Izaho no Voalohany sy Farany, dia ilay velona; efa maty aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Hadesy.” Koa satria manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Hadesy Jesosy Kristy, any an-danitra, dia afaka hamoha ny “varavaran’ny Hadesy” ka hanafaka ireo anisan’ny fikambanany efa maty, amin’ny famelomany azy indray.
23. Araka ny fampanantenany, rahoviana no handresy ny Hadesy, Jesosy?
23 Tao an-tsain’i Jesosy izany hevitra izany raha nanambara izy fa tsy haharesy ny fikambanany ny varavaran’ny Hadesy. Handresy ny Hadesy kosa aza Jesosy, ka hanafaka ireo anisan’ny fikambanany. Izany no nampanantenainy raha nanambara toy izao izy ao amin’ny Jaona 6:39, 40 (MN): “Ary izao no sitrapon’izay naniraka ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay nomeny ahy fa ny hananganako azy amin’ny andro farany. Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino azy fiainana mandrakizay, ary izaho hanangana azy amin’ny andro farany.”
24. a) Inona no teny miaraka amin’ny hoe Hadesy ao amin’ny Baiboly? b) Araka ny Salamo 10:10, 11, nankaiza Jesosy rehefa maty?
24 Ilaina ny manamarika fa ao amin’ireo toerana folo ampiasan’ny Soratra grika kristiana ny teny hoe Hadesy, dia miaraka amin’ny teny hoe “fahafatesana” hatrany, io teny io (Fanambarana 1:18; 6:8; 20:13, 14, MN). Miaraka amin’ny fahafatesana ary ny Hadesy fa tsy amin’ny fiainana. Ny fahitana izany dia mahatonga antsika hametraka izao fanontaniana izao: Fony maty Jesosy Kristy ary nalevina ny androtr’iny ihany tao amin’ny fasana fahatsiarovana, an’i Josefa avy any Arimatia namany, nankaiza izy (Matio 27:57-61)? Ho afaka hanome fanazavana azo itokiana ho antsika momba izany, ny apostoly tian’i Jesosy iray, dia Simona Petera. Tamin’ny andro firavoravoana tamin’ ny Pentekosta nankalazaina tao Jerosalema, iraika amby dimam-polo andro taorian’ny nahafatesana sy ny nandevenana an’i Jesosy, dia nilatsaka tamin’i Petera sy ny mpianatr’i Jesosy hafa, ny fanahy masina. Tamin’ny tolotsain’ ny fanahin’Andriamanitra ary, no nitenenan’i Petera sy nanononany ny Salamo 16:10, 11, arak’izao: “Fa tsy ho foinao ho any amin’ny Hadesy ny fanahiko, ary tsy hamela ny mahatokinao ho tratry ny lo hianao. Nampahafantatra ahy ny lalan’aina hianao, hahafeno haravoana ahy amin’ny endrikao hianao.” Nosoratan’ny mpanjaka Davida mpaminany nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra, ireo teny notononin’i Petera ireo.
25, 26. Inona no nolazain’i Petera momba an’i Davida sy Jesosy, tamin’ny Pentekosta?
25 Teo anatrehan’ny Jiosy an-arivony tafavory mba hankalaza ny Pentekosta, no nanohizan’ny apostoly Petera mbola feno ny fanahin’Andriamanitra, ny teniny, toy izao:
26 “Ry rahalahy, azo atao ny milaza aminareo amim-pahatsorana ny amin’i Davida loham-pianakaviana, fa efa maty izy ka nalevina ary ny fasany mbola eto amintsika. Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hapetrany eo ambonin’ny seza fiandrianany, dia hitany mialoha ny fitsanganan’i Kristy ka noteneniny raha nilaza izy fa tsy nafoy tany amin’ny Hadesy izy ary tsy tratry ny lo koa ny nofony. Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra ary vavolombelon’izany izahay rehetra. Ary satria nasandratra ho eo an-kavanan’Andriamanitra izy ka nandray tamin’ny Ray ny fanahy masina nampanantenaina, dia nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao izy. Raha ny marina dia tsy niakatra ho any an-danitra Davida, fa hoy izy: ‘Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: “Mipetraha eo an-kavanako ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’” Koa aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely rehetra marimarina fa efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy ho Kristy iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazo iny.” — Asan’ny Apostoly 2:27-36, MN.
27. Ahoana no ahafahan’i Jesosy Kristy manangana ny fikambanany na mamoaka azy avy ao amin’ny Hadesy?
27 Nahariharin’i Petera nahazo tsindri-mandry avy tamin’Andriamanitra, tamin’ io lahateny io, fa “tsy nafoy tany amin’ny Hadesy” Jesosy Kristy Tompo ary araka ny Salamo 16:10, dia tsy navela tany amin’ ny Hadesy ny fanahiny. Arak’izany, fony nalevina tany amin’ny fasana fahatsiarovana Jesosy, dia nankany amin’ny Hadesy ny fanahiny. Tamin’ny andro fahatelo dia natsangan’Andriamanitra Tsitoha avy tamin’ny Hadesy izy ka nomeny ny “fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Hadesy”, izany no nahazoan’i Jesosy tafatsangana nilaza toy izao, araka ny Fanambarana 1:18 (MN): “Efa maty aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Hadesy.” Noho izy manana ireo fanalahidy ireo, dia afaka hanagana ny maty rehetra ao amin’ny Hadesy, ao anatin’izany ireo anisan’ny fikambanany, Izyf.
28. a) Tamin’ny fiteny inona no nanononan’i Petera ny Salamo 16:10, tamin’ny andro Pentekosta? b) Inona no hanampy antsika hahalala ny amin’ny atao hoe Hadesy araka ny Baiboly sy ny toerana misy azy?
28 Hebreo na Jiosy ny apostoly Petera, noho izany dia tena niteny tamin’ny fiteny hebreo tamin’ny androny izy, raha nanao io lahateny tamin’ny andro Pentekosta io. Noho izany, rehefa naka ny Salamo faha-enina ambin’ny folo izy, dia nanonona mivantana ny tena teny hebreo fa tsy ny Septante na fandikana amin’ny teny grika ny Soratra hebreo. Tamin’izany dia tsy nampiasa ny teny grika hoe Hadesy Petera; nanonona ny teny tany am-piandohana tao amin’ny tena teny hebreo izy, dia ny hoe Sheola. Raha ny marina, dia ny teny Hadesy no teny grika nampiasaina ao amin’ny fandikan-tenin’ny Septante, mba handikana ny teny hebreo hoe Sheolag. Ao amin’ny Soratra hebreo nomena tamin’ ny tsindrimandry dia miverina in-dimy amby enim-polo ny teny hoe Sheola, ao amin’ ny andininy telo amby enim-polo samihafa, anisan’izany ny Salamo 16:10, notononin’i Petera. Araka ny teny hebreo, dia toy izao io andininy io: “Fa tsy hahafoy ny fanahiko any amin’ny Sheola hianao, ary tsy hamela ny olonao tia vavaka hahita ny lavakah. Noho izany, dia ampy ny mahalala mazava ny amin’izay atao hoe Sheola, ny toerana misy azy ary ny toetr’izay ao aminy, mba hahafantarana izay atao hoe Hadesy araka ny Baiboly, ny toerana misy azy ary ny toetr’izay ao aminy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hadesy dia mitovy amin’i Pluton, na ny andriamanitry ny afobe teo amin’ny Romana.Raha hampiharina amin’io andriamanitry ny maty io ny anarana hoe Hadesy. dia enti-milaza “andriamanitra mampanjary tsy hita maso”, filazana ny fahefana heverina fa hananany amin’ny fanovana ny olona mety maty ho tonga tsy hita maso, aorian’ny ahafatesany.
b Jereo ny “Cycloptodia” nataon’i M’ Clintock sy Strong, boky faha-IV, pejy faha-9 eo amin’ny lohateny hoe: “Hadesy”; jereo koa ny “A Greek-Eglish Lexicon” nataon’i Liddel sy Scott, tamin’ny taona 1948, boky voalohany. pejy faha-21, tsanganan-tsoratra faharoa eo amin’ny lohateny hoe: Ἅιδης na ᾅδης.
Jereo ny boky “Babylon the Great Has Fallen!” God’s Kingdom Rules.”, pejy faha-43, fehin-tsoratra faha-2 sy faha-3.
c Mba hahazoana fanazavana tsara ny amin’ireo tenin’i JesosyKristy ireo, dia jereo ny “Tilikambo Fiambenana” tamin’ny 15 Marsa 1965, amin’ny teny frantsay, mitondra ny lohateny hoe : “Hivoaka avy ao amin’ny fasana izy ireo ho amin’ny ‘fitsanganana ho fiainana’” sy “Hivoaka avy ao amin’ny fasana izy ireo ho amin’ny ‘fitsanganana ho fitsarana’”.
d Navoakan’i Gerhard Kittel tamin’ny teny alemaina ary nadikan’i Geoffrey W. Bromley tamin’ny teny anglisy. Fanotàna tamin’ny taona 1964, tany Pays-Bas.
e Ao amin’ny sora-tanana grika tranainy indrindra, dia tsy hita ny teny hoe Hadesy, ao amin’ny I Korintiana 15:55; ny teny hoe “Thanatos”, “fahafatesana” no hita ao.
f Mba hahazoana fanazavana momba ny Hadesy voalaza no amin’ny Lioka 16:23 (MN), dia jereo “Ny Tilikambo Fiambenana” 1 Desambra 1965, fizarana voalohany fehin-tsoratra faha-llss.
g Miverina in-telo amby fito-polo ny teny hoe Hadesy ao amin’ny fandikan-teny grikan’ny “Septante’’.
h Dhorme: Jereo Da; Jé; NC; Li; NW; ny fandikan-teny anglisy nataon’i Rotherham dia milaza ny “hadesy” fa tsy “sheola”.
[Fanazavana sary, pejy 250]
JESOSY NITSANGANA NISEHO TAMIN’I PAOLY