Ny fahalalan’Andriamanitra mialoha
Nefa hevero izay rehetra ho tafiditra ao amin’izany fampianarana izany. Raha nampiasa ny fahalalany ny ho avy Andriamanitra dia ho nahita sy nahafantatra talohan’ny namoronana ny anjely sy ny olombelona, ny haterak’izany famoronana izany rehetra, anisan’izany ny fikomian’ny anankiray tamin’ireo zanany ara-panahy sy ny an’ireo olona mpivady voalohany tany Edena (Genesisy 3:1-6; Jaona 8:44), mbamin’ny voka-dratsin’izany fikomiana izany tao anatin’ireo taonjato, hatramin’izao androntsika izao, ary ao ankoatr’izany koa aza. Izany dia toy ny filazana fa ny faharatsiana rehetra voalaza ao amin’ny Tantara (ny heloka bevava sy ny faharatsiam-pitondrantena, ny fampahoriana sy ny fahoriana aterak’izany, ny lainga sy ny fihatsarambelatsihy, ny fanompoam-pivavahan-diso sy ny fanompoan-tsampy) dia efa nisy fahiny, talohan’ny niandohan’ny famoronana, saingy tao an-tsain’Andriamanitra fotsiny, tamin’ny endriky ny fahalalany zavatra mialoha.
[Loharanon-kevitra]
Fehintsoratra 1 ao amin’ny pejy 551 ihany