FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w75 15/2 p. 113-118
  • Ny fitiavana sy ny fankahalana, toetra araka an’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fitiavana sy ny fankahalana, toetra araka an’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fitiavana araka an’Andriamanitra
  • Ny fankahalana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra
  • “Misy Fotoana Itiavana ary Misy Fotoana Ankahalana”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Fankahalana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Vahoaka Iray Ampianarina ho Tia
    Mifohaza!—1997
  • Ny Fitiavana (Agape) — Ny Izy sy ny Tsy Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
w75 15/2 p. 113-118

Ny fitiavana sy ny fankahalana, toetra araka an’Andriamanitra

“Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara.”—Amosa 5:15.

1. Moa ve ny kristiana iray afaka ny sady ho tia no hankahala?

NY FITIAVANA sy ny fankahalana. Azo atao ve ny maneho ireo fihetseham-po roa ireo ka hahazo sitraka amin’Andriamanitra? Araka ny filazan’i Amosa mpanoratra ao amin’ny Baiboly dia azo atao ny mamaly hoe eny. Nanome tsindrimandry azy Andriamanitra mba hampitany an’io baiko io tamin’ny vahoakany taloha, dia ny firenen’Isiraely: “Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara.” (Amosa 5:15). Sahala amin’izany hevitra izany ihany koa, Solomona, mpanoratra ao amin’ny Baiboly tranainy kokoa, dia nanambara fa “ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana.’’—Mpitoriteny 3:8.

2. a) Amin’inona moa no anehoan’ny ankamaroan’olona fitiavana sy fankahalana? b) Aiza moa no ahitana ny fiheverana marina ny amin’ny fitiavana araka an’Andriamanitra?

2 Ny fitiavana sy ny fankahalana dia teny roa matetika no tsy azo tsara amin’izao androntsika izao. Moa ve misy teny nosoratana sy notononina ary nohiraina bebe kokoa noho ny teny hoe “fitiavana”? Nefa firy moa ny olona afaka milaza izay tena atao hoe fitiavana? Lazaina ny olona sasany fa tia fanatanjahan-tena, televiziona, aotomobilina ary na dia ny saka sy ny alika aza. Lazaina kosa anefa fa misy olona tia ny kapitalisma, ny kaominisma, ny fitondrana tsy refesi-mandidy na ny endri-pitondram-panjakana hafa. Ny sasany koa mankahala ny hetra sy ny manam-pahefana. Voamarika matetika ny fifankahalana lalina eo amin’ny olona samy hafa firenena na firazanana, eo amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa, eo amin’ny manan-karena sy ny mahantra. Moa ve ny amin’izany karazam-pitiavana sy fankahalana izany no resahin’ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly? Na dia kristiana aza ianao, moa ve manan-kery eo aminao izany fiheveran-diso ny amin’ny fitiavana sy ny fankahalana izany? Rehefa dinihintsika ny atao hoe fitiavana sy fankahalana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, dia ho moramora kokoa aminao ny hamaly an’ireo fanontaniana ireo. Aoka hodinihintsika amin’ny antsipiriany aloha izay atao hoe fitiavana araka an’Andriamanitra sy araka ny nilazalazan’ny apostoly Paoly nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra, azy, ao amin’ ny I Korintinna 13:4-8.

Ny fitiavana araka an’Andriamanitra

3. Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny fihetsik’izay “mahari-po sady mora fanahy’’.

3 “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy.” Izany akory tsy milaza fotsiny fiaretana ny fahasahiranana, fa fizakana koa ny toe-piainana ratsy. Ao amin’ny fianakaviany ireo kristiana maneho fitiavana araka an’Andriamanitra dia tsy mianina amin’ny fizakana ny tsy fahatanterahan’ny hafa. Amim-paharetana dia ‘mifandefitra izy, ka mifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny sasany’. (Kolosiana 3:13) Na dia eo amin’ny fifandraisana akaiky dia akaiky toy izay mampiray ny lehilahy amin’ny vadiny aza, ny fiheverana tsy mitovy dia mahatonga hila an’io fitiavana io. Ohatra, ny anankiray amin’ny mpivady dia mety ho tia ny hitsidika indraindray, sakaiza na havana, nefa izany tsy manintona ny anankiray aminy. Moa ve ity farany hanantitrantitra mba hanao araka izay tiany sa izy handeha sady hingonongonona, ka amin’izany dia hahatonga an’io fitsidihana io tsy hahafinaritra ny rehetra? Ny vady maneho fitiavana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra dia hankafy izay tian’ny iray ary hahita fahafinaretana avy amin’izany. Any ivelan’ny kongregasiona kristiana dia mety hanana fahafahana hafa hiseho ho mahari-po isika amin’ny firesahana ny vaovao tsara ao amin’ny Baiboly amin’ny mpiara-monina amintsika na ny olon-kafa. Amin’ny resaka ifanaovana mikasika an’i Jehovah sy ny fikasany, ny sasany dia mety hampiseho tsy fahalalam-pomba na hanao teny tsy mihaja mihitsy aza. Moa ve ny mpitory kristiana izay maneho fitiavana hitady hamaly ratsy amin’ny teny mafy na ny fanamarihana mahasosotra? Tsia, satria “mahari-po sady mora fanahy’’ izy.

4. Ahoana no mety hisehoana ho mialona, nefa ahoana no fijerin’ny fitiavana ny zavatra?

4 “Ny fitiavana tsy mialona.’’ Miovaova ny tarehin-javatra hitan’ireo mpanompon’i Jehovah eo amin’ny ara-bola, ka ny sasany mahantra fa ny hafa kosa manam-bola. Mitovy vidy eo imason’i Jehovah izy ireo. Moa ary ve ireo tsy manana kokoa manana antony tokony hitsiriritana ny fananana ara-nofon’ireo rahalahiny na tokony ho sarotiny amin’izany? Mety hitsofoka an-kolaka ao an-tsain’ny kristiana iray ny hevitra toy izany raha niseho ho mialona izy. Tadidio fa tsy ny vola akory no melohin’ny Baiboly, fa “ny fitiavam-bola’’. (I Timoty 6:9, 10; Hebreo 15:5.) Na koa, mba hijerena lafin-javatra hafa iray, dia mety ho nahazo andraikitra sasany ao anatin’ny kongregasiona ny anankiray amin’ireo rahalahinao kristiana. Tsy voafidy ianao na dia nety ho nieritreritra foana aza fa hafa kokoa noho io rahalahy io. Manao ahoana amin’izay ny toe-tsainao? Somary mahatsiaro fialonana ve ianao? Tsy mialona ny fitiavana araka an’Andriamanitra. Io fitiavana io dia hisakana antsika tsy hihevitra an’ireo rahalahintsika ho toy ny rafy. Ho faly kosa aza isika mahatsapa ny fandrosoan’izy ireny. Ny fananana toerana ao anatin’ny kongregasionan’i Jehovah fotsiny dia manome fahafaham-po antsika sy mahatonga antsika ho sambatra.

5. Ahoana moa no isehoana ho manetry tena?

5 Ny fitiavana “tsy mirehareha, tsy mieboebo”. Ny resaka ataontsika, izany hoe ny tenintsika sy ireo iresahantsika, dia mampiharihary izay maha-isika antsika amin’io lafiny io. Tsapanao ve fa somary miresaka be loatra ny amin’ny tenanao ianao, ka mitady an-kolaka foana izay hitarihana ny resaka, nefa miezaka koa hahatonga ny hafa hihevitra fa tsy maniry hanintona ny saina ho amin’ny tenanao ianao? Moa ve ianao mitantara foana izay nataonao teo amin’ny fanompoana kristiana na teo amin’ny fiainana amin’ny ankapobeny? Moa ve ianao mitantara izany zavatra hita izany noho ny faniriana hampahery ireo rahalahinao sa ianao mitady hanintona ny saina ho amin’ny tenanao? Tsy azo lavina fa tsara ny fitantarana zavatra hita tamin’ny fitoriana, mampahery tokoa aza izany. Nefa ny kristiana iray izay maneho fitiavana araka an’Andriamanitra dia hametra ny anjarany ho ny an’ny fiasana iray ilain’ireo rahalahiny. Jehovah foana no homeny voninahitra. Miseho ho tsara fanahy ny tena amin’ny fanasana ny hafa hilaza hevitra sy amin’ny fihainoana izay tian’izy ireny holazaina; ambonin’izany dia andraisan-tsoa izany. Porofon’ny fanetren-tena izay anankiray amin’ny toetra mampiavaka ny fitiavana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izany. — I Petera 4:11.

6, 7. Ahoana no mety hisehoan’ny fanaovana izay tsy mahamendrika?

6 Ny fitiavana “tsy manao izay tsy mahamendrika”. Ny fandikan-teny hafa dia milaza fa ny fitiavana tsy mba “ratsy”, “tsy mahadikidiky”. (Segond; Byington.) Zavatra maro no tsy mahamendrika tsotra izao; ohatra, ny fijangajangana, ny fahalotoana sy ny fiafonafonana (Romana 13:13). Nefa moa ve mba efa noeritreretinao fa ny fomba ratsy dia tsy mahamendrika na ratsy koa? Ohatra, matetika no avela hisy ankizy hitari-dresaka amin’ny olon-dehibe na avela hanakorontana ny resaka amin’ny fihazakazahana sy amin’ny fitabatabana. Indraindray izy ireny dia mametaka siligaoma eny amin’ny seza na manoratra eo amin’ny rindrina na ny fanaka ao amin’ny toerana fanaovana ireo fivoriana kristiana. Azo lazaina afa-tsy amin’ny teny hoe tsy mahamendrika ve ny fitondrantena toy izany? Ny ray aman-dreny tia ny zanany dia tsy hamela azy ireny ‘hanao izay tsy mahamendrika’, na dia amin’io lafiny io aza. — Deoteronomia 23:15.

7 Ampiarahin’ny Soratra masina akaiky ny fitiavana sy ny fampiantranoam-bahiny (Hebreo 13:1, 2; I Petera 4:8, 9). Ahoana no fiheveranao an’ireo kristiana nifindra fonenana ka tonga ao amin’ny kongregasionanao? Angamba izy ireny nivarotra ny tranony sy nandao ny asany mba hahatongavana hanampy anao. Mety hanokana ny fotoanany rehetra ho amin’ny fitoriana ampahibemaso aza izy ireny. Manao izay “tsy mahamendrika” ve isika amin’ny fitondrana azy ireny amim-pangatsiahana. Miseho ho misalasala ve isika satria angamba izy ireny manana fomba fiteny tsy mitovy amin’ny antsika na manao fitafiana hafa didy? Ny fitiavana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra dia hanosika antsika haneho amin’izy ireny fandraisana amin-kafanam-po. Hanao izay rehetra azontsika atao isika mba hanampiana azy ireny sy mba hahatsiarovany ho tsy sakodiavatra, toy ny any aminy. — Romana 12:13.

8. Mitady ny tombontsoan’iza moa ny fitiavana araka an’Andriamanitra? Manomeza ohatra.

8 Ny fitiavana “tsy mitady ny azy”. Mifanohitra amin’izany, ny mitarika azy dia ity fotopoto-pitsipika nambaran’i Paoly eo aloha kely ity: “Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.” (I Korintiana 10:24). Ao amin’ny fivoriambe kristiana, moa ve ianao manositosika ny olona mba hahalasa haingana kokoa? Mamandri-toerana tsy misy fiahiana ny amin’ny hafa ve ianao? Ao amin’ny kongregasionantsika dia misy angamba tapany amin’ny faritany niharihary manokana fa nahitam-bakotra tamin’ny fitoriana tany an-tokantranon’ny mponina, nefa kosa tany amin’ny tapany hafa dia tsy miraika amin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly ny olona amin’ny ankapobeny. Moa ve isika manantitrantitra mba hanana foana ireo faritany tsara indrindra hanaovana ny asa fitoriantsika ao? Moa ve isika miseho ho tia tena, ka tsy tiantsika hisy olon-kafa hitsidika an’ireny faritany ireny, toy ny hoe antsika izy? Afaka maka sary an-tsaina an’i Jesosy nanao toy izany ve isika? Ny fitiavana araka an’Andriamanitra dia hanosika antsika hametraka ny tombontsoantsika manokana aorian’ny an’ny hafa.

9. Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny fomba hanampian’ny fitiavana araka an’Andriamanitra antsika hanana fihetsika tsara eo anoloan’ny ataon’ny hafa.

9 Ny fitiavana “tsy mora sosotra”. Rehefa mandeha amin’ny aotomobilina ianao, ahoana no ataonao raha misy aotomobilina hafa manapaka ny lalanao ? Rehefa mijanona eo amin’ny fihaonan-dalana ianao, inona no ataonao raha toa ny mpamily ao aorianao indrindra mandefa fanairana mafy, raha vantany vao mirehitra ny jiro maitso? Miainga miadana dia miadana ve ianao mba hampisehoana amin’io mpamily fiarakodia io fa tsy misy na inona na inona azo amin’ny tsy fahandrasana? Izay maneho fitiavana araka an’Andriamanitra dia tsy ho sosotra amin’ny fomba ratsy fahita eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Nahoana moa ny kristiana no tokony ho sosotra satria mitombo ny hetra na satria miharatsy hatrany ny fandehan’ny sampan-draharaham-bahoaka? Moa ve izany tsy porofo amboniny iray koa fa manatona haingana ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny? Ao anatin’ny kongregasiona, ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa dia tsy tokony ho sosotra satria diso aoriana vao manome ny rapaorony ny olona sasany na satria ny sasany toa tsy mankamamy tanteraka ny hafatra ao amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Ny fitiavana araka an’Andriamanitra dia mihevitra ny tsy fahatanterahan’olombelona ary manaiky fa ny tsirairay avy dia manana zo hanapaka ny hoe manao ahoana ny fomba hamaliany ny fitiavan’Andriamanitra.

10. Ahoana moa no anatsaran’ny fitiavana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy amin’ireo rahalahintsika?

10 Ny fitiavana “tsy manao otri-po”. Tananao ve ny fahatsiarovana izay natao taminao efa dimy na folo taona lasa izay? Angamba nisy nanao fahadisoana taminao; mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra anefa ny hitadidiana hatrany ny zavatra toy izany sy ny hamerimberenana azy tsy an-kijanona. Izay tsy manadino ny fahadisoana tamin’ny lasa na mitahiry lolompo amin’olona dia tsy manao soa na amin’ny tenany na amin’ny hafa. Manimba ny fifaliany sy ny an’ireo namany ny fiheverany tsy mitondra na inona na inona. Na dia ny fifandraisany amin’i Jehovah aza dia simba. Ahoana tokoa moa no ahafahan’ny olona toy izany hivavaka toy izao: “Mamelà ny heloka tahaka ny namelanay izay meloka taminay.” (Matio 6:12). Izao no nambaran’i Jakoba: “Fa fitsarana tsy misy famindrampo no ho anjaran’izay tsy mamindra fo.” (Jakoba 2:13). Mahafinaritra aoka izany ny fahafahana mivavaka amin’Andriamanitra eo am-pifaranan’ny andro rehefa tsy manao otri-po isika! — Matio 18:21, 22; Efesiana 4:26.

11. Inona no mampiseho fa “miara-mifaly amin’ny fahamarinana’’ ny olona iray?

11 Ny fitiavana “tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa”. Izay mankamamy an’io endriky ny fitiavana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra io dia tsy mitady izay hialana voly amin’ny alalan’ny boky, sarimihetsika na fandaharana ao amin’ny televiziona mampisongadina ny tsy fahamarinana. Asehony kosa amin’ny teniny, amin’ny resaka ataony isan’andro na amin’ny fotoana ialany voly fa “miara-mifaly amin’ny fahamarinana’’ izy. Hoy Jesosy: “Avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.” — Matio 12:34.

12. Nahoana moa ny kristiana iray no “mandefitra ny zavatra rehetra’’? Manomeza ohatra.

12 Ny fitiavana “mandefitra ny zavatra rehetra”. Ny dikan’io fitenenana io ara-bakiteny dia hoe: “Ny zavatra rehetra saronany.” (I Korintiana 13:7, Traduction interlinéaire du Royaume [anglisy]) Sahala amin’ny tafo tsy tafiditry ny rano, dia saronany sy arovany izay ao ambany. Manosika na miaro zavatra izy io. Ny dikan’io teny io koa àry dia hoe mizaka, mitana (I Korintiana 9:12; I Tesaloniana 3:1, 5). Mihevitra ny zavatra tena misy ny fitiavana araka an’Andriamanitra; tsy manantena ny hanaovan’ny olona tsy tanteraka iray zavatra amin’ny fomba tanteraka izy. Miseho ho mandefitra tokoa izy ary tsy malaky tezitra. Raha toa ny anankiray anisan’ny fianakaviantsika na anisan’ny kongregasiona ka manao fahadisoana, dia tsy hambarantsika amin’ny maro izany, fa ny fitiavana araka an’Andriamanitra kosa dia hanosika antsika tsy hijery na hanarona an’ilay naniasia, raha tsy fahadisoana lehibe tokoa no nataony. Na dia ratsy aza ny fitondra ny kristiana any am-pitoriana na any amin’ny toeram-piasany, ny fitiavana dia “mandefitra ny zavatra rehetra’’. — Ohabolana 10:12; 17:9.

13. Inona avy moa no soa noraisin’ny kristiana tamin’ny finoany an’i Jehovah sy ny fandaminany?

13 Ny fitiavana “mino ny zavatra rehetra”. Izany akory tsy milaza hoe minomino foana ny kristiana, fa manana fahatokisana tsy misy fepetra ny Rainy any an-danitra izy ireo. Tsy misalasala izy ireo ny amin’izay lazainy aminy amin’ny alalan’ny Teniny voasoratra sy ny fandaminany. Ireo izay manaraka ny lalan’i Jehovah amim-pahatokiana dia mandray soa avy amin’izany. Ohatra, tamin’ny alalan’ny fandaminany, hatramin’ny taona maro Jehovah dia nampitandrina ny mpanompony ny amin’ny vokatra manimban’ny paraky na sigara. Ireo izay nihevitra izany fampitandremana izany dia nandray soa ara-batana sy ara-panahy avy amin’izany. Ny sasany angamba tsy nahatakatra ny antony tokony hifadiany ny fifohana sigara. Nefa, na dia tsy takany tanteraka aza ny antony araka ny Baiboly sy ara-batana, tamin’ny ‘finoana ny zavatra rehetra’ dia nitondra soa ho an’ny tenany izy. Amin’izao andro izao dia fantatsika tsara ny antony araka ny Baiboly tokony hifadiantsika ny paraky na sigara, ary miaiky ireo mpitsabo maneran-tany fa mahasoa ny tena izany. — II Korintiana 7:1.

14. Inona moa no antony tsy tokony hitsaharana hanantena mihitsy?

14 Ny fitiavana “manantena ny zavatra rehetra”. Ao anatin’ny faritry ny fitoriana kristiana ataontsika, dia nety ho nitsidika ny mponina tao amin’ny faritany iray isika, nefa tsy nahazo vokatra miharihary. Ny fitiavana araka an’Andriamanitra dia hanosika antsika hanohy hitsidika ireny olonn ireny amim-pijerena ny lafitsaran-javatra sy amim-pahalemem-panahy, amin’ny fanantenana fa hihaino ny hafatra ny sasantsasany ka hianatra ny fahamarinana. Angamba ianao miara-miaina hatramin’ny taona maro amin’ny vady tsy mpino. Ny kristiana sasany dia tsy maintsy nanome ohatra tsara tamin’ny tsy fivadihana nandritra ny folo taona, roapolo taona sy mihoatra aza, vao nanaiky ny fahamarinana ny vadiny. Aza mitsahatra ny manantena mihitsy. Izany dia famenony tsara dia tsara amin’ny fanompoana amim-pahatokiana ataontsika izay hanampy antsika ho sambatra sy hijery ny lafitsaran-javatra hatrany ao anatin’ny fahoriana. — Romana 8:24, 25.

15. Inona moa no nanampy an’ireo rahalahintsika hiorina mafy hatrany tao anatin’ny fanenjehana?

15 Ny fitiavana “maharitra ny zavatra rehetra”. Ilaina indrindra io endriky ny fitiavana io rehefa heverina izao teny izao: “Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.’’ (II Timoty 3:12). Na dia “halan’ny firenena rehetra’’ aza ny tena vavolombelona kristian’i Jehovah, dia tsy niala mihitsy tamin’ny tsy fivadihany, na tamin’ny andron’ny Colisée tany Roma fahizay na tamin’ny andron’ny toby fitanana tany Alemaina nazia (Matio 24:9). Vao haingana kokoa dia nisy fandaharana natao tany amin’ny tany kaominista sy tsy refesi-mandidy mba hanafoanana ny vavolombelon’i Jehovah. Izany fanandramana izany, mbamin’ny fiezahana tsy mampiseho halozana loatra nefa feno fankahalana koa, any amin’ny tany misy fitondrana entim-bahoaka, dia tsy nahomby satria ny fitiavana “maharitra ny zavatra rehetra”.

16. Asehoy ny lafin-javatra sasany ahitana fa ny fitiavana dia tena fanampiana tsy mety levona mandrakizay.

16 Nefa moa ve mety ho afaka hanampy antsika tokoa amin’izany lafiny rehetra izany ny fitiavana araka an’Andriamanitra? Afaka manampy mpivady hiara-mitoetra sy hanompo an’Andriamanitra amim-pifaliana ve izany? Azony atao ve ny manampy antsika hijery lafitsaran-javatra hatrany ao anatin’ny fahoriana, hanampy antsika tsy ho sosotra rehefa iharan’ny fitondrana ratsy ny tenantsika ary hiseho hamindra fo sy hahari-po? Azony atao ve izany rehetra izany? Eny, satria “ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”.

Ny fankahalana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra

17. Moa ve ny fankahalana tsy mifanaraka amin’ny toetra kristiana?

17 Afaka nahita ny soa ateraky ny fitiavana araka an’Andriamanitra ianao. Fa ahoana no ahafahana mankahala ? Nahafantatra izany ny mpanao salamo iray ao amin’ny Baiboly; hoy izy: “Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy.’’ Izao koa no nolazainy: “Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, sy ho tezitra amin’izay mitsangana hanohitra Anao? Halako dia halako marina tokoa ireny; efa fahavaloko ireny.” (Salamo 97:10; 139:21, 22). Ireo teny mahery ireo dia fisehoan’ny fankahalana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ilainao koa ny haneho an’io toetra io mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.

18. Ahoana moa no mahatonga ny fankahalana araka an’Andriamanitra ho fiarovana? Manomeza ohatra?

18 Izany fankahalana izany dia miteraka ao aminao fahatsiarovana ho maharikoriko. Halanao, tsy heverinao ho zavatra ilay ankahalainao. Ny fieritreretana azy fotsiny dia maharikoriko anao. Rehefa naka fanahy an’i Josefa ny vadin’ny tompony ka nitalaho taminy mba hanaraka fanao maloto taminy, ka vitany mihitsy aza ny nihazona azy tamin’ny akanjony, dia tsy nila ny nieritreritra i Josefa mba hahafantarnna izay tokony hataony. Ny fisalasalana kely monja dia nety ho nanimba ny fifandraisany tamin’i Jehovah. Nandositra fotsiny izy. Ny fankahalany izay ratsy dia nanapoaka tao aminy famaliana avy hatrany sy niaro ny fieritreretany teo anatrehan’Andriamanitra (Genesisy 39:7-12). Toy izany koa amin’izao andro izao, toy ny ampisarahan’ny fankahalana ny olona sasany, ny fankahalana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra dia hampanalavitra antsika amin’ny ratsy.

19. Inona moa no sasantsasany amin’ny zavatra halan’Andriamanitra, ary ahoana no fiheveranao izany?

19 Nahoana no tsy manontany tena manokana mba hahafantarana izay heverinao ny amin’ny zavatra halan’i Jehovah? “Izao enina izao no halan’i Jehovah,eny, fito no ataony ho fahavetavetana: ny maso miavonavona, ny lela fandainga, ary ny tanana mandatsa-dra marina, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, ary ny mamafy ady ao amin’ny rahalahy.” (Ohabolana 6:16-19). Ny fomba fandraisanao an’ireo zavatra ireo dia taratry ny hoe manao ahoana ny fanehoanao fankahalana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

20. Iza no tsy tokony hankahalaintsika na oviana na oviana? Nahoana?

20 Ny fankahalana araka an’Andriamanitra dia tsy ampiharina mihitsy amin’ireo rahalahintsika kristiana na toy inona na toy inona tsy fahatanterahany. Izao no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.’’ (I Jaona 3:15). Na dia manao fahadisoana lehibe aza ireo rahalahintsika dia anehoantsika fangorahana sy famindrampo. Raha avela hitoetra ao anatin’ny kongregasiona ny mpanota nibebaka, dia tokony handray azy ireny koa isika. — Matio 18:18.

21. Amin’ny fomba ahoana moa no isehoan’ny fankahalana araka an’Andriamanitra?

21 Ny fankahalana araka an’Andriamanitra dia tsy mandefitra ny ratsy. Izany anefa tsy milaza fa ny kristiana dia mampiasa hery mba hiadiana amin’ny fivavahan-diso sy ny

fitondram-panjakana ratsy. Fantany tokoa fa voatokana ho an’Andriamanitra izany. Ny kristiana iray dia hampiseho ny fankahalany zavatra toy izany amin’ny filazana amin-jotom-po amin’ny mpiara-belona aminy izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra mikasika ny fotoana hanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra dia miseho koa amin’ny tsy fitiavana ny lainga, ny halatra sy ny fahalotoam-pitondrantena. Amin’ny resaka ataony, amin’ny fomba fiainany sy amin’ny fifidianana ny fialam-boliny, ny kristiana iray dia tsy mamela hisy fisalasalana mihitsy raha ny amin’ny fihetsiny eo anoloan’ireo zavatra ireo. — Efesiana 5:3-5.

22. Nahoana moa no tena ilaina ny hanehoana ireo toetra lehibe roa dia ny fitiavana sy ny fankahalana?

22 Amin’izao fotoana izao no tokony hambolena an’ireo toetra roa ireo, dia ny fitiavana sy ny fankahalana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny fitiavana ny zavatra tian’i Jehovah sy ny fankahalana izay halany dia hiaro antsika amin’ny fanaon’izao tontolo izao ratsy. Ny fitiavana araka an’Andriamanitra dia hery lehibe ho amin’ny tsara, ary ny fankahalana araka an’Andriamanitra dia fiarovana amin’ny ratsy izay manampy antsika hanohy handeha amin’ny lalan’i Jehovah. Manao ahoana ny halalin’ny fitiavantsika sy ny fankahalantsika ? Ny valin’io fanontaniana io homentsika dia hahatonga ho afaka hanombana ny vidin’ny fiainantsika rehetra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara