Ny Toriteny teo An-tendrombohitra—‘Henoy Izany Teny Izany, ka Ampiharo Izany’
Ny fombam-pitenenana hoe “izany teniko izany” dia nalaina avy tamin’ireo fampianarana tao anatin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra. Raha ny amin’ny teny hoe: “Na zovy na zovy no mandre” ..., izany dia tsy natao fotsiny ho an’ireo mpihaino an’i Jesosy. Ampidiriny ao anatin’izany koa izay rehetra mety hihaino ny famakiana io Toriteny malaza io sy hamaky izany aty aoriana. Kanefa, ireo izay hihaino izany ihany ka hampiasa izany no hahazo tombontsoa maharitra.
Izany akory tsy ny fanatontosana fanompoam-pivavahana sasantsasany, fanehoana fandavan-tena sy fiantrana, izay zavatra rehetra mety mahafaly ny hafa fotsiny. Raha ny amin’io lafiny io, dia tsy nisy tahaka ireo Fariseo. Kanefa, ny asany voamariky ny fihatsarambelatsihy dia tsy nisy vidiny mihitsy teo imason’Andriamanitra (Jereo Matio 6:1, 2, 5, 16). Jesosy dia nampirisika ireo mpihaino azy mba hiova toetra ao anaty, mba hanana toe-tsaina sy fo tena ankasitrahan’Andriamanitra fa tsy nanisy fitenenana ny amin’ireo asa tena miharihary. Ohatra, ny Zanak’Andriamanitra dia nampirisika ireo nihaino azy mba hiaiky fa mahantra ara-panahy izy ireo ary mila an’Andriamanitra (Matio 5:3), mba hampitombo fahalemem-panahy amin’Andriamanitra sy ny namany (Matio 5:5), ho tia ny fahamarinana, ny famindrampo, ny fahadiovam-po sy ny fiadanana (Matio 5:6-9). Tena manome taratry ny toetr’Andriamanitra izay manaraka ireo torohevitra ireo. Manatontosa “asa soa” izay mamirapiratra ho voninahitr’Andriamanitra izy. Izany koa dia milaza ankoatry ny zavatra hafa ny fananana faniriana hanambara ny “vaovao tsara”, sahala amin’ny nataon’ireo mpihaino marobe an’i Jesosy tamin’ny androny.—Matio 5:14-16; ampitahao amin’ny Kolosianina 3:10, 16.