FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w81 1/3 p. 30-31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1981
  • Mitovitovy Aminy
  • Natao ho An’ny Kristiana ve ny Filokana?
    Mifohaza!—1995
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Loka
    Mifohaza!—2015
  • Nahoana no Ratsy ny Miloka?
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1981
w81 1/3 p. 30-31

Fanontanian’ny Mpamaky

● Inona no lazain’ny Baiboly mikasika ny filokana vola? Ohatra, ho ratsy amin’ny Kristianina ve ny mametraka vola kely amin’ny fanaovana karatra, noho ny fikendrena fotsiny ny hiala voly?

Ny Soratra Masina dia tsy milaza na inona na inona mahatonga ho afaka handrara amin’ny fomba hentitra ny “fanamby”, na inona na inona loka. Asehony amintsika anefa fa ny filokana dia fahadisoana lehibe mety hahatonga ny olona iray ho voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana kristianina sy ny Fanjakan’Andriamanitra.

Indraindray ny teny hoe “filokana” sy “fametraham-bola” dia ampiasaina mba hilazana fanaovan-javatra misy fisetrana na fanantenana ny hahazo. Holazaina, ohatra, fa ny olona iray dia “mametraka” raha ny amin’ny tombony ho azony amin’ny raharaha iray vao natsangany na nampiasany vola. Nefa eto isika dia tsy hiresaka afa-tsy ny karazana “filalaovana” misy loka. Milaza tokoa ny Encyclopédie Américaine fa ny hoe “miloka” dia mandrakariva milaza finiavana manao kinanga amin’ny vola antsoina hoe ny apetraka na ny loka rehefa manao fanamby ny amin’ny ho fiafaran’ny lalao iray na ny fisehoan-javatra hafa iray.” Mazava ho azy fa tsy miresaka amin’ny fomba hentitra ny amin’io karazam-pilokana io ny Baiboly.

Ny Mpitsara 14:11-19 dia miresaka tsara ny amin’ny fitsapana nataon’i Samsona tamin’ny Filistinina izay nasiany loka niaraka taminy, nefa tsy karazam-pilokana akory izany. Izany kosa dia hafetsena mba hahitana “izay hiadiany tamin’ny Filistinina.” Ny fampiasana “fitsapana anjara” (sorts) teo amin’ny Israely dia tsy filokana vola koa. Izany dia fomba fandraisana ny fitarihan’Andriamanitra sy fandaminana tsy fifanarahana. (Ohab. 16:33; 18:18; 1 Sam 14:41, 42) Nahafantatra ny filokana sy ny fifaninanana hazakazaka ny Hebreo, nefa tsy na inona na inona mampiseho fa niloka izy ireo tamin’izany. (Jer. 12:5) Ny Encyclopédie de la religion et de l’éthique (anglisy), nataon’i Hastings dia milaza toy izao: “Raha mbola nijanona ho mpamboly koa izy ireo [ny Israelita] dia toa afaka tsara tokoa tamin’ny demonian’ny filokana. Nefa tany Babylona izy ireo dia lasa mpivarotra ka nifangaro tamin’olona mpanao filokana.”—Boky VI, p. 164.

Mikasika izany, ny Isaia 65:11, 12 dia miresaka ny amin’ny “andriamanitry ny Vintana” nitodihan’ireo mpiloka babylonianina. Ny Israelita rehetra izay, araka ireo andininy ireo, dia namelatra latabatra sy nanomana sakafo ho an’ny andriamanitra sandoky ny Vintana, dia nivadi-pinoana.

Raha ny marina, ny hany toe-javatra voalaza ao amin’ny Baiboly mety hahitana filokana vola dia ny an’ireo miaramila romanina izay nanao filokana mba hamantarana izay hahazo ny akanjon’i Jesosy.—Matio 27:35; Jaona 19:23.

Na dia tsy manitatra ny raharaha ny amin’ny filokana aza ny Baiboly, dia mirakitra toro lalana izay mety hanampy antsika hahazo an-tsaina ny amin’io foto-kevitra io. Miharihary mazava amin’ireo toro lalana ireo fa ny Kristianina dia tokony handinika ny antony manosika azy hiloka sy ny vokatra ateraky ny filokana matetika.

Fantatra fa ny filokana dia matetika no mitarika na manosika ho amin’ny fitiavan-karena fatratra. Anton-javatra tena lehibe ho an’ny Kristianina izany satria ny Baiboly dia manameloka amin’ny fomba hentitra ny “faniriana tsy mety afa-po.” Ampahafantarin’Andriamanitra antsika fa ny “olona manana faniriana tsy mety afa-po” dia tsy handova ny Fanjakany ary ny fitsiriritana dia fanompoan-tsampy. Ho tian’ny Kristianina tso-po àry ny handositra an’ireo fanao izay mety hahatonga azy ho fatra-pitia harena ka hisakana azy tsy hahatratra ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.—Kol. 3:5; 1 Kor 6:9, 10; Rom. 3:23.

Mazava ho azy fa mety hiseho amin’ny fomba isan-karazany ny faniriana tsy mety afa-po. Eo amin’ny olona toy izao, izany dia hiseho amin’ny fihinanana, ka hanjary ho tendan-kanina izy. Eo amin’ny hafa izany dia hiseho amin’ny tsy fahalalana onony amin’ny fisotroana, ka hanjary mpimamo izy. (Tit. 1:12, 13: Ohab. 23:20; 1 Tim 3:3) Ny fihinanana anefa dia lafiny iray ara-dalàna sy tena ilaina eo amin’ny fiainana. Na dia ny fahafinaretana raisin’ny sasany amin’ny fisotroana zavatra misy alkaola amim-pahalalana onony aza dia arahin’ny fihodinkodinan-javatra araka ny natiora, satria ampidirin’ireny olona ireny ao amin’ny ranon-javatra sotroiny isan’andro ny fisotro iray izay hiasa ho toy ny zavatra fampirehitra ho an’ny tena. Tsy ampiarahina mora foana amin’ireo zavatra ireo àry ny “faniriana tsy mety afa-po” na matetika toy ny atao amin’ny filokana.

Ny faniriana tsy mety afa-po amin’ny filokana dia mahatonga ny ankamaroan’ny heloka bevava sy ny herisetra izay tsy misaraka amin’ny fanaovana filokana lehibe. Na dia eo amin’ny mpiloka mitokana aza, dia matetika ny faniriana tsy mety afa-po no antony manosika lalina. Moa ve tsy be dia be no miloka noho ny fanantenana ny hahazo izay afoin’ny hafa? Miaiky izany koa aza ny olona sasany tsy dia mampiorina indrindra ny heviny amin’ny Baiboly. Araka izany, ny profesora D. Smyth dia nilaza toy izao: “Amin’ny fampirisihana ny hanaovana loteria, ny fitondram-panjakana dia manararaotra ny anankiray amin’ny lafiny ratsy indrindra amin’ny toetran’olombelona, dia ny faniriana tsy mety afa-po. Izany dia tsy manatsara fa manimba ny fiainana. ... Ireo mpandamina loteria dia mampirisika ny olona hieritreritra fa tsara raha manararaotra ny fatiantoka hitan’ny maro ny olona iray monja.”—Star any Toronto.

Nefa hilaza angamba ny sasany hoe: “Ary raha milalao karatra na manao lalaon’ny mpinamana miaraka amin’ny havana aho? Mety hametraka vola kely izahay mba tsy hisy ho afaka hahazo na ho fatiantoka be. Moa ve tsy fialam-boly tsy mampaninona izany ka tsy misy ifandraisana mihitsy amin’ny faniriana tsy mety afa-po?”

Mety hisy hilaza izany. Nefa raha vao misy fampiasana vola, na ohatrinona izany na ohatrinona, dia manjary miharihary ny loza. Mety ho zavatra mahasolafaka izany, indrindra fa raha misy ankizy, satria mety hampitombo fitiavana filokana ao aminy izany. Nahoana raha manamarika isa eo amin’ny taratasy na milalao ho fahafinaretana fotsiny? Tsy tian’ireo anti-panahy ao amin’ny fiangonana ny hitsabaka amin’ny fomba arahinao amin’io lafiny io. Izy ireo dia tsy manandrana manao lalàna ny amin’izany toy ny nataon’ireo filoha ara-pivavahana resahina ao amin’ny Lioka 6:1-5. Raha voamariny anefa fa tandindomin-doza ny fiainanao ara-panahy, dia mety hanome torohevitra anao amim-pahalemem-panahy izy, satria ‘miambina hatrany ny fanahin’ny ondry Izy.”—Heb. 13:17.

Ahariharin’ny zava-mitranga fa maro amin’ny mpiloka mitsiriritra no tonga toy izany rehefa avy nanomboka nametra-bola kely ‘mba hilalaovana.’ Noho ny fahitana fa tamin’izany izy dia afaka nahazo vola kely, dia tiany ny hanandrana hahazo bebe kokoa. Ny faniriana tsy mety afa-po dia mety hahatonga ny olona iray handevozina sy hahatonga azy hanana fiainana tsy ho noeritreretiny mihitsy aza. Izao no nambaran’ny mpiloka kanadianina taloha iray: “Manana zanaky ny iray tam-po vavy iray izay very 100 dolara isan-kerinandro aho. Voatery manana asa roa ny vadiny. Maty noana ireo zanany. Mba hilokana dia vonona izy ny hangataka, hisambo-bola sy hangalatra.”

Matetika dia noho ny fieboeboana koa no hilokana. Rehefa mety hahazo ny tena, dia mahazo toerana ny fieboeboana. Izao anefa no nolazain’Andriamanitra: “ny fiavonavonana sy ny fireharehana ... dia samy halako avokoa.” Jehovah àry dia mampirisika ny tena mpivavaka aminy hamboly fahamaotinana sy fanetren-tena. Ohab. 8:13; 11:2; 22:4; Mika 6:8; Jak. 4:16.

Matetika ny mpiloka no manandratra ny “Vintana.” Amin’izy ireny, ny “vintana” dia tsy teny ampiasaina anondroana vokatra tsara fotsiny, fa hery lehibe noho ny olombelona sahala amin’ny andriamanitra. Ny faniriana tsy mety afa-po sy ny fiavonavonana dia manosika azy ireny hametraka ny fitokisana amin’ny “vintana.”

Ambonin’izany, ny filokana dia mandrakariva mitarika ho kamo. Izany dia mitarika ny olona hanonofy ny hahazo zavatra maimaim-poana ka manosika azy handainga sy hanambaka mihitsy aza mba hahazoana, fa tsy hiasa. Melohin’ny Tenin’Andriamanitra anefa ny hakamoana, manoro hevitra izy mba hahay hitsitsy sy hazoto ary hiasa mafy. “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.”

Fanta-bahoaka loatra ny voka-dratsin’ny filokana, hany ka any amin’ny toerana maro, dia hamavoina izay manaram-po amin’izany, raha sendra ka ara-dalàna izy io. Ny fanirian’ny Kristianina rehetra ‘ho tsara laza amin’izay eny ivelany’ sy hanao izay tsy hanimbana ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” dia antony iray hafa koa manosika azy handa amin’ny fomba hentitra ny karazam-pilokana rehetra.—1 Tim. 3:7, 10; Matio 24:14, 1 Kor. 9:11-23; 2 Kor. 6:3.

Ireo ‘mpiandry ny ondry’ dia manana faniriana ara-dalàna ny hanampy ny namany kristianina hanary izay rehetra mety hanimba ny fahasalamany ara-panahy. Raha toa àry ny olona iray ka manomboka manaram-po amin’ny filokana sy mampiseho tena fironana ho amin’ny faniriana tsy mety afa-po ary mamoa voka-dratsin’ny filokana hafa koa, dia ho tian’ireo anti-panahy ny hanampy azy. Hanoro hevitra azy manokana na ampahibemaso izy raha hitany fa misy fironana mafy ho amin’ny faniriana tsy mety afa-po. (1 Pet. 5:2, 3; Gal. 6:1) Raha toa ny kristianina iray ka maharitra, tsy mibebaka, amin’ny fitondran-tenany feno fitsiriritana, dia hilaina angamba aza ny handroahana azy tsy ho ao amin’ny fiangonana, mifanaraka amin’ny toromariky ny Tenin’Andriamanitra manao hoe: “Esory aminareo ilay mpanao ratsy.” Ary nanampy teny toy izao i Paoly: “Tsy fantatrareo angaha fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, na mpangalatra, na olona manana faniriana tsy mety afa-po, na mpimamo, na mpanevateva, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.”— 1 Kor. 5:11-13; 6:9, 10.

Raha ny marina, dia mahalana no lasa lavitra izany ny zavatra, satria ny kristianina marina dia manary tanteraka izay rehetra mety ho karazam-pilokana. Tiany ny hamoa ny vokatry ny fanahy ka noho izany dia tsy handray anjara mihitsy amin’ny asa izay fantatra fa miteraka faniriana tsy mety afa-po sy miteraka asan’ny nofo izy. (Gal. 5:19-23) Ankasitrahany ny vidin’ny karama azo amim-pahamarinana. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Mampirisika anareo ihany anefa izahay, ry rahalahy, mba hanohizanareo hanao izany bebe kokoa, ary mba hataonareo tanjona ny hiaina amim-pilaminana, sy ny tsy hitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa, ary ny hiasa amin’ny tananareo, araka ny nandidianay anareo. Amin’izay dia hitondra tena tsara eo anatrehan’ny olona eny ivelany ianareo, ary tsy hisy hahory anareo.”— 1 Tes. 4:10-12.

Heverin’ny Kristianina fa ny fananany, anisan’izany ny ainy, ny volany sy ny harenany ara-nofo dia voatokana ho an’Andriamanitra, ka hampamoahin’Andriamanitra izy ny amin’ny fomba ampiasainy izany. Tsy mandanilany ny fotoanany sy ny volany amin’ny filokana mety hahatonga azy ireny hanana faniriana tsy mety afa-po sy hahatonga fahavoazana ho an’ny hafa izy, fa mampiasa izany amin’ny fomba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah. (Ohab. 3:9) ‘Manao soa izy ireny, manankarena amin’ny asa tsara, mazoto manome.’ Araka ny nolazain’i Paoly, amin’izany izy ireo dia hanana ‘fototra tsara ho amin’ny hoavy. Amin’izay izy dia hifikitra mafy amin’ny tena fiainana.”—1Tim. 6:17-19.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara