Fanontanian’ny mpamaky
■ Mofo inona sy divay inona no tokony hofidina ho marika amin’ny Sakafon’ny Tompo, ary ahoana no tokony hiheverana ireny marika ireny?
Ny fahatsiarovana isan-taona ny Sakafon’ny Tompo (na Fahatsiarovana) no hany fety andidian’ny Baiboly ny kristiana mba hankalazaina. Nanorina an’io fety io Jesosy tamin’ny alin’ny 14 Nisana, taona 33, rehefa avy nankalaza ny Paska jiosy. Teo anatrehany ny sakafo isan-karazany nampiasaina ho amin’ny sakafon’ny Paska. Mitantara amintsika izao manaraka izao i Lioka:
“Ary nandray mofo Izy [Jesosy], ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.”—Lioka 22:19, 20.
Nandidy ny Jiosy Andriamanitra mba hampiasa “mofo tsy misy masirasira” nandritra ny Paska. (Eksodosy 12;8.) Ny mofo azon’i Jesosy nampiasaina àry dia tsy nisy masirasira. Izany dia natao tamin’ny kobam-barimbazaha (blé) tsy nasian-tsira na fangarony hafa satria izany nampiseho ny “mofom-pahoriana”.—Deoteronomia 16:3.
Amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampiasa izany karazana “mofo” izany ihany koa. Azo atao indraindray ny mividy mofo jiosy tsy misy masirasira raha azo antoka fa tsy misy fangarony hafa toy ny tongolo, malta na atody izany. Mety tsara tokoa ny mofo tsy misy masirasira fisaka, maina sy tsy misy fangarony. Afaka manao mofo tsy misy masirasira koa ny tena. Ampy amin’izany ny mampifangaro kobam-barimbazahaa tanteraka kely amin’ny rano kely. Fisahina rehefa avy eo ilay koba mandomando mba hanaovana azy ho mofo manify, rehefa avy eo izy dia masahina eo amin’ny takelaka (mihosotra diloilo kely) mandra-pahatongan’ilay mofo ho masina sy ho mora vakina.
Inona izao no holazaina ny amin’ny divay? Tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana ny Jiosy dia nanaraka ny fampiasana ny divay tamin’ny sakafon’ny Paska. Jesosy dia niresaka ny amin’ny “vokatry ny voaloboka” nampiasaina tamin’io andro firavoravoana io (Lioka 22:18). Ny sasany milaza fa eo Jesosy dia tsy niresaka ny amin’ny divay fa ny ranom-boaloboka tsy namorivory (non fermenté). Aoka hovalianay fotsiny fa noho ny fiotazam-boaloboka natao tamin’ny fararano, dia tsy ho afaka ny tsy hamorivory hatrany ny ranom-boaloboka hatreo amin’ny Paska izay nankalazaina tamin’ny lohataona. Tena divay tokoa àry no noresahin’i Jesosy. Ny divay mena dia ohatra tena mety ny amin’ny ran’i Jesosy. Koa satria ny “ra soan’i Kristy’ no nilaina indrindra mba hanaovana fanavotana, dia tsy hety ny hampiasana amin’ny fahatsiarovana, divay natao mahery amin’ny fanampiana alkaola toy ny xéres, porto, muscat na divay fanao tsindrin-tsakafo (I Petera 1:19). Tsy tokony hampiasaina koa ny divay misy zava-manitra, toy ny vermouth, na fanokafam-bavony hafa. Ny hampiasaina dia divay mena tsy misy siramamy, toy ny chianti, divain’i Bourgogne na Bordeaux, na divay nataon’ny tena nefa tsy nasiana siramamy, na zava-manitra na natao mahery.
Hanao fandaharana mialoha ireo loholona ao amin’ny kongregasiona mba hahazoana mofo tsy misy masirasira sy divay mena ary hofantariny tsara raha toa izay omena azy ireo ka mety tsara mba hampiasaina ho marika amin’ny fahatsiarovana. Rehefa lasa ny andron’ny Sakafon’ny Tompo, dia tsy ilaina ny hiheverana ny mofo sy ny divay ho toy ny sakafo manokana na masina. Sakafo tsotra izao ihany izany. Tsy misy antony mihitsy koa tokony hitehirizana tavoahangin-divay isan-taona isan-taona ho amin’ny Fahatsiarovana, raha tsy hoe sarotra angaha ny mahazo divay mety.
Mandritra ny Sakafon’ny Tompo, ny mofo sy ny divay dia mampiseho ny tena nofon’i Jesosy sy ny rany sarobidy (Matio 26:26-28). Rehefa ampandalovina eo amin’ny mpanatrika ireo marika ireo, ny tsirairay avy dia tokony hihevitra amim-panajana izay asehony. Ireo izay tsy mandray anjara amin’ny marika dia afaka mandefa fotsiny ny lovia sy ny vera amin’ny eo akaikiny, amin’ny fitadidiana alohan’ny zavatra rehetra ny soron’i Jesosy izay mety hanarona ny fahotantsika sy hamoha ho antsika ny fahatsinjovana ny fiainana mandrakizay.—I Jaona 2:2; I Korintiana 11:23-26.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsaratsara kokoa ny hampiasana kobam-barimbazaha, satria izany no nalain’ny Jiosy nanaovana mofo tsy misy masirasira. Nefa, raha sarotra dia sarotra ny mahita kobam-barimbazaha dia azo atao ny “mofo” tsy misy masirasira amin’ny kobam-bary, katsaka na voan-javatra hafa.