Ny fahaterahan’ny firenena iray sy ny heviny ho an’ny olombelona
1, 2. a) Moa ve Jehovah mamaly mivantana an’ireo fanontaniana napetraky ny tenany ao amin’ny Isaia 66:19? b) Inona moa no antso alefany ao amin’ny Isaia 66:10-14?
TSY namaly hoe tsia tamin’ny fomba hentitra an’ireo fanontaniana napetraky ny tenany ao amin’ny Isaia 66:9 Andriamanitra ka nanosika an’Isaia handefa izao antsoantsom-pandresena izao:
2 “Miaraha mifaly amin’i Jerosalema, ary miravoravoa aminy hianareo rehetra izay tia azy; aoka hiara-mifaly aminy tokoa hianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy, mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin’ny nonony mahafaly, eny, mba higoka hianareo ka hiravoraro amin’ny haben’ny voninahiny. Fa izao no lazain’i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, ka hinono hianareo; ary hosakalehina hianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika. Tahaka ny olona ampiononin-dreniny no nampiononako anareo; eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo. Dia hahita izany hianareo, ka ho faly ny fonareo, ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-maitso; ary ny tànan’i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, fa ho tezitra amin’ny fahavalony kosa Izy.” — Isaia 66:10-14.
3. Ampitahaina amin’inona moa ireo babo jiosy tafaverina ao amin’ny taniny? Hifaly ny amin’inona izy ireny? Ny tanan’iza no ho hitany?
3 Ireo izay ho tafaverina avy any amin’ny fahababoana dia noharina tamin’ny zaza vao teraka eo am-pinonoana. Amin’ny babo jiosy izay teo anilan’ny onin’i Babylona, ny fanantenana ny hinono sy hivoky amin’ny nono dia milaza fa ny Jerosalema hafa iray dia haorina eo amin’ny toeran’ilay renivohitra taloha ka io tanàna vaovao io dia hamelona mponina maro sy ny olom-pirenena hafa rehetra ao amin’ny faritaniny (jereo Lioka 12:34). Sahala amin’ny reny tany Atsinanana Afovoany tamin’izany fotoana izany, ilay Jerosalema naorina indray dia hisakelika an’ireo zanany eo ankavia na eo ankavanana ary hanafosafo azy amim-pitiavana eo am-pofoany. Ireny Jiosy tamin’ny taonjato faha-4 talohan’ny fanisan-taona iraisana ireny izay tia ny fandaminana hita mason’i Jehovah dia hifaly amin’izany tarehin-javatra izany ka hitsahatra tsy hitoloko ny amin’ny hoe, nandritra ny fitopolo taona nahababoany teo amin’ny tanin’ny mpanompo sampy,dia tsy nisy Jerosalema mihitsy hatao renivohitry ny vahoaka voafidin’i Jehovah. Ny fifalian’izy ireo dia ho sahala amin’ny voalazalaza ao amin’ny Salamo 126, mifanohitra amin’ny fahoriana voalaza ao amin’ny Salamo 137. Ho hitan’ny mpanompon’i Jehovah fa ny tanany no nanafaka azy ireo.
4, 5. a) Ahoana no nataon’ny sisa rehefa nahita ny ‘tanan’Andriamanitra’ niasa ho azy? Inona no tsapany tsy mbola nisy toy izany? b) Tonga ny fotoana ho an’ny asa hafa inona? d) Ahoana no nilazalazan’Isaia izany fanaovan-javatra izany?
4 Fihetsika tsy misy hafa amin’izany indrindra no hita teo amin’ireo anisan’ny “firenena” ara-panahy izay “teraka” tamin’ny 1919. Rehefa nafahana tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny sazy nampiharina taminy nandritra ny Ady Lehibe Voalohany sy ny fandrahonan’ny fanafoanana tanteraka izy ireo, dia tsy nanam-petra ny fifaliany. Afa-tsaona izy ireo ary nahatsapa mafy kokoa tsy mbola nisy toy izany fa Jehovah no Andriamaniny ary nanana fandaminana hita maso izy, toy ny nananany tany an-danitra koa, fandaminana tsy hita maso izay toy ny vadiny. Ho an’ny sisa, io fandaminana tsy hita maso io dia sahala amin’ny “reny”, dia “Jerosalema any ambony”. (Isaia 54:1-6; Galatiana 4:26.) Rehefa nivory indray izy ireo taorian’ny vanim-potoana tsy nisian’ny fandaminana nodiavin’izy ireo nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, dia faly satria nomena sakafo sy nentina ary nosafosafoin’ny ‘reniny’ ara-panahy, dia ny ‘vadin’Andriamanitra’ Rainy any an-danitra. Ho an’ireny “mpanompo” ireny izay nanolo-tena ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zokiny lahy, dia fiononana ny nahafantarana fa nomba azy ireo ny ‘tanan’i Jehovah’. Mifamadika amin’izany, dia tonga ny fotoana ‘hahatezitra amin’ny fahavalony’ an’Andriamanitra, izany hoe amin’ireo izay nankahala ny mpitory ilay Fanjakana vao teraka, satria ireo fahavalon’ny vahoaka nanolo-tena ho an’Andriamanitra dia fahavalon’ny tenan’Andriamanitra koa. Ahariharin’i Jehovah ny fomba heveriny handrarahana ny fahatezerany amin’ny filazana hoe:
5 “Fa, indro, Jehovah ho avy amin’ny afo, ary tahaka ny tadio ny kalesiny mba hanao famaliana amin’ny fahatezerany mirehitra sy ny fitenenany mafy amin’ny lelafo. Fa ny afo sy ny sabany no ho entin’i Jehovah hifandahatra amin’ny nofo rehetra; ary ho maro ny voaringan’i Jehovah. Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly ka manaraka ny iray ao afovoany ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah. Fa Izaho dia hamaly ny asany sy ny heviny, ho avy ny hamoriana ny jentilisa rehetra sy ny samy hafa fiteny; dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.” — Isaia 66:15-18.
6. Tamin’ny fomba ahoana moa ireo Isiraelita tamin’ny andron’Isaia no nandika ny faneken’izy ireo sy nandoto ny tenany?
6 Tamin’ny fotoana nanoratan’Isaia an’ireo teny ireo, taonjato iray mahery talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana, ny Isiraelita dia nandika mafy ny fanekem-pirenena nifanaovany tamin’i Jehovah, dia ny faneken’ny Lalàna izay Mosesy mpaminany no mpanalalana taminy. Nanamasin-tena sy nanadio tena izy ireo mba hanarahana fanompoam-pivavahana misy fanompoan-tsampy tao amin’ny zaridaina voatokana ho amin’izany ary nandika ireo lalàn’Andriamanitra nandrara tsy hihinana zavatra sasany. Nanjary naloto teo imason’ilay Andriamanitra nifanaovany fanekena izy ireo ary tsy nanao na inona na inona mba hanomezam-boninahitra azy.
7. a) Mifanaraka amin’ny fanekena nataony, inona moa no nataon’i Jehovah mba hanapahana ny fiadian-kevitra? b) Amin’iza moa Andriamanitra no manana ady sahala amin’izany amin’izao andro izao?
7 Mifanaraka amin’ny voalazan’ny fanekena mihitsy, Jehovah àry dia mampahatonga teo amin’ireo izay nandika azy, fitsarana sahala amin’ny afo sy ny tafio-drivotra mafy dia mafy. Tapa-kevitra izy ny hanapaka ny fiadian-kevitra nampifanohitra azy tamin’ny nofo jiosy rehetra tamin’ny fandraisana ny ‘sabatra’ famonoana. Tsy mahagaga àry ny mandre fa Jiosy an’arivony vitsivitsy monja no tafita velona tamin’ny fandravana tsy nisy indrafo nahazo an’i Jerosalema, ary izany tsy nahafatesana izany aza dia tsy niafara afa-tsy tamin’ny fahababoana naharitra tany Babylona jentilisa sy mpanompo sampy. Ny firenena rehetra sy ny samy hafa fiteny rehetra teny amin’ny manodidina dia tsy afaka afa-tsy ny ho vavolombelon’izany fisehoan’ny voninahitr’i Jehovah, Andriamanitra manaja ny fanekeny sy tsy mandainga izany. Eo io zava-niseho io mba hampahatsiahy antsika fa amin’izao andro izao io Andriamanitra io ihany dia manana ady mbola lehibe kokoa ihany amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny andro ankehitriny izay mihambo ho nisolo toerana ny Isiraely taloha amin’ny maha-vahoaka voafidy. Mba hanomezam-boninahitra ny tenany, Jehovah dia hamely an’izany fandehan-javatra ara-pivavahana manontolo izany amin’ny ‘sabatry’ ny famaliany.
“Famantarana” eo amin’ireo firenena
8, 9. a) Mba hampisehoana ny voninahiny, zavatra malaza inona no nataon’i Jehovah ary inona no fitsapana navelany hisy talohan’ny hanatanterahana ny fikasany? b) Ahoana moa no teny namelabelarany izany fikasana izany ao amin’ny Isaia 66:19, 20?
8 Mba hampisehoana ny voninahiny an’ireo firenena, ilay Andriamanitra Tsitoha dia nampihatra ny fikasany tsy miova ny amin’izay ho avy rehefa ‘nateraka indray andro’ ny “tany” iray ary ho ‘natao indray miteraka’ ny “firenena” iray. Rehefa mamaky ny teny nampanoratiny ao amin’ny Isaia 66:19, 20 isika, dia ho afaka hahatsiaro ny zavatra malaza notanterahiny hatramin’ny fahaterahana, tamin’ny 1919, nitranga tamin’io “firenena” voaforon’ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy io izay nitsahatra tsy ho anisan’ny vahoaka voalamina nandritra ny Ady Lehibe Voalohany ary tsy nanana fanantenana lehibe intsony ny ho tafita velona amin’ny ady lehibe. Izao no vakintsika:
9 “Ary hasiako famantarana [oth, amin’ny teny hebreo; signum, ao amin’ny Vulgate latina] eo aminy, ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin’ny jentilisa, dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia, izay manenjana tsipika, ary ho any Tobala sy Javana, dia ho any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako na nahita ny voninahitro, ary hitory ny voninahitro any amin’ny jentilisa izy. Ary hitondra ny rahalahinareo izy avy any amin’ny jentilisa rehetra ho fanatitra ho an’i Jehovah, mitaingin-tsoavaly sy ao anaty kalesy sy filanjana ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha — ho any Jerosalema tendrombohitra masina, hoy Jehovah,--dia tahaka ny fitondran’ny Zanak’Isiraely ny fanatitra hohanina ao anatin’ny vilia madio ho any an-tranon’i Jehovah”.
10. Karazana “famantarana” inona moa no nataon’Andriamanitra teo amin’ireo firenena?
10 Inona no “famantarana” nataon’i Jehovah teo amin’ireo firenena nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany? Izany dia “famantarana” velona. Eo am-panombohan’ny faminanian’Isaia, dia izao no ambaran’ilay mpitondra tenin’i Jehovah: “Indreto, izaho sy ireo zaza nomen’i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin’ny Isiraely avy amin’i Jehovah, Tompon’ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.” (Isaia 8:18). Ao amin’ny Hebreo 2:11-13, ny apostoly Paoly dia nanonona an’ireo teny ara-paminaniana ireo ary nampihatra azy amin’i Jesosy Kristy sy ireo mpianany nateraky ny fanahy, tamin’ny filazana hoe: “Fa iray no nihavian’izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe ‘rahalahy’ ka manao hoe: (...) ‘Indreto Izaho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra [Jehovah, MN] Ahy’.”
11. Nitory inona moa, nanomboka tamin’ny 1914, ireo izay mahaforona ny “famantarana”? Nahoana moa izy ireo no nila ny hangonina?
11 Mifanaraka amin’ireo fanambarana ireo, ny “famantarana” nomen’i Jehovah teo amin’ireo firenena izay tonga tamin’ny fahataperan’ny “andron’ny Jentilisa” tamin’ny 1914, dia ny “firenena” ara-panahy izay ny mpikambana ao aminy dia mitory maneran-tany fa teraka tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny fahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” tamin’ny 1914 (Lioka 21:24, Baibolin’i Crampon, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao; Matio 24:14). Noho ny fikendrena izany no nanangonan’i Jehovah ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy naelin’ny fanenjehana mafy tamin’ny Ady Lehibe Voalohany.
12. a) Iza koa moa no tokony hiaraka tamin’ny sisa tafita velona tamin’ny Ady Lehibe Voalohany? b) Oviana indrindra moa Andriamanitra no nanomboka naniraka an’ireo ‘afaka nandositra’?
12 Nefa ny olon-kafa koa dia tokony ho tonga hiaraka amin’ny Isiraelita ara-panahy sisa velona tamin’ny Ady Lehibe Voalohany. Ireny olona ireny dia tokony hameno isa tamin’izany fotoana izany ny sisa amin’ireo “rahalahy” ara-panahin’i Kristy (Matio 25:40). Nanomboka indrindra tamin’ny fivoriambe lehibe nataon’ny Mpianatra ny Baiboly tany Cedar Point, any Etazonia, tamin’ny lohataonan’ny 1919, Jehovah dia nanomboka nandefa ny ‘afaka nandositra’ sasany tamin’ny sisa voalohany “ho any amin’ny jentilisa”. Mbola tamin’ny fomba manaitra kokoa ihany no nanaovany izany tao amin’ilay fivoriambe natao tamin’ny 1922 tao amin’io toerana io ihany. Tamin’io fotoana io, ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower dia namarana ny lahateniny nanaitaitra tamin’izao teny izao: “Ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany!” Taorian’io lahateny io, ireo anisan’ny kongregasionan’ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy dia nandray fitaovana mba hanambara ny Fanjakan’Andriamanitra tafaorina “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”. Nandeha nitory ny rehetra, ampahibemaso sy “isan-trano”. Ambasadaoron’ilay Fanjakana daholo izy rehetra. — Asa. 20:20.
13. Iza moa ireo olona izay, ho fahatanterahan’ny faminanian’Isaia, dia angonina avy any amin’ny firenena rehetra toy ny amin’ny fomba haingana?
13 Araka ny nanambaran’ny faminanian’Isaia azy, izany rehetra izany dia tokony hamela fisian’ny fanangonana lehibe ny sisa amin’ny fianakaviana ara-panahy. Izany dia toy ny fanombohana mampiasa fomba fitaterana haingana, haingana lavitra noho ny dia an-tongotra. Nilaza Jehovah fa haniraka ny ‘afaka nandositra’ sasany ho any amin’ireo firenena na dia lavitra tokoa aza izy. Izany no nataony rehefa naniraka an’ireo ‘afaka nandositra’ tamin’ny Ady Lehibe Voalohany izy. Afa-nandositra izy ireo tamin’ny mosary, ny areti-mandringana sy ny horohorontany nanamarika ny vanim-potoana nahitan-doza aman’antambo tamin’ny 1914-1918, ary indrindra fa ny fanenjehana mahery vaika nihatra tamin’ny Mpianatra ny Baiboly izay nanohana tamin-jotom-po ny Fikambanana Watch Tower. Izany fanenjehana izany indrindra no niteraka ny fahafatesana ara-panahin’ny kristiana sasany izay tsy niara-nivory tamin’ny sisa amin’ny afaka nandositra tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, indrindra fa, rehefa nanomboka nasaina hiara-miezaka ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny bokin’ny Fikambanana sy ireo solontenany mpitety faritany izay nitsidika an’ireo kongregasiona.
14. Ny amin’inona moa no noresahin’ireo ‘afaka nandositra’ izay nirahin’Andriamanitra? Inona moa indraindray no tsy fantatr’ireo olona natoniny?
14 Nanao araka ny nanambaran’i Jehovah azy anefa ireo nahatoky: ‘nitory ny voninahiny tany amin’ny jentilisa’ izy ireo. (Isaia 66:19.) Ireny ‘afaka nandositra’ nankato ireny dia nankany amin’ny tany rehetra sy ny “firenena” rehetra azony nidirana, ary hatrany amin’ny “nosy lavitra”, mba hanambara ny voninahitry ny Fanjakan’i Jehovah izay tafaorina tany an-danitra izao ary nankinina tamin’ilay Mpanjakany voatendry, dia Jesosy Kristy. Tany amin’ireny firenena sy nosy lavitra ireny, dia olona maro no tsy mbola nandre mihitsy firesahana ny amin’ilay Andriamanitra marina, dia Jehovah, ary tsy nahatsapa mihitsy fa ny Fanjakany be voninahitra dia teraka tany an-danitra, araka ny noporofoin’ireo famantarana ny fotoana. — Apokalypsy 12:1-5, 10.
15. Tokony hitoetra tao anatin’ny toe-piainana ara-panahy manao ahoana moa ireo “rahalahy” izay natolotra ho “fanatitra ho an’i Jehovah”? Nahoana?
15 Avy tamin’ireny firenena irany, ireo ‘afaka nandositra’ dia nitondra “rahalahy” ara-panahy maro be izay natolony “ho fanatitra ho an’i Jehovah”, fa tsy ho an’ny filohan’ny antokom-pivavahana iray na ny herim-panjakana ara-politika iray mitady mpanohana. Mba hahafahan’i Jehovah manaiky izany “fanatitra” izany, dia tokony hadio izy io. Noho izany antony izany no nilazan’ilay faminaniana fa izany dia nentina “tahaka ny fitondran’ny Zanak’Isiraely ny fanatitra hohanina ao anatin’ny vilia madio ho any an-tranon’i Jehovah”. (Isaia 66:20.) Amin’izany, ireo “rahalahy” ara-panahy mahaforona an’io “fanatitra” io dia tokony hihataka hatrany amin’izao tontolo izao ka hitandrin-tena “tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao’. (Jakoba 1:27.) Tokony hialanalana hatrany izy eo anoloan’ny politika manimban’ny fandehan-javatra maloto ankehitriny. (Jakoba 1:27.) Araka ny filazan’i Jehovah, dia ilaina ny hitarihana ireny olona ireny “ho any Jerosalema tendrombohitro masina”. Io Jerosalema io dia tsy ny renivohitry ny fanjakan’ny Isiraely amin’ny andro ankehitriny, dia fanjakana voaforon’ny Jiosy dimy amby valopolo isan-jato izay anisan’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana heverina ho mitandro ny fandriampahalemana sy ny filaminana maneran-tany.
16. Nahoana moa Jehovah no tsy manana tendrombohitra any Atsinanana Afovoany azony antsoina intsony hoe ‘tendrombohiny masina’?
16 Ao amin’ilay Jerosalema amin’ny andro ankehitriny, any Atsinanana Afovoany, dia tsy misy “tendrombohitra masina mihitsy azon’i Jehovah lazaina fa azy araka ny fiheverana ara-pivavahana. Nahoana? Satria eo amin’izay ‘tendrombohitra masina’ fahiny no mitsangana amin’izao andro izao ny “Coupole du Rocher”, fasana miozilimana izany ny mankamasina azy dia tsy ireo mpivavaka amin’i Jehovah, fa ny an’i Allah, andriamanitra tsy manana anarana manokana.
17. Iza moa no ‘Jerosalema, tendrombohitra masina’ itodihan’ireo ‘rahalahy’ ara-panahy nanomboka tamin’ny nahaterahan’ilay firenena tamin’ny 1919?
17 Aorian’ny fandinihana amin’ny fomba marina ny zava-nisy rehetra, dia mipetraka izao fanatsoahan-kevitra lehibe izao: Amin’ny fahatanterahan’ny Isaia 66:20 amin’ny andro ankehitriny, ny fitenenana hoe “tendrombohitro masina” dia manondro ny fandaminana renin’ny Isiraelita ara-panahy, izany hoe “Jerosalema any ambony” voatonona ao amin’ny Galatiana 4:26. Izy io no Ziona izay, araka ny Isaia 66:8, dia “velon-jazalahy”, dia ireo anisan’ny “firenena” ‘natao indray niteraka’ tamin’ny 1919. Noho izany, ireo “rahalahy ara-panahy nentin’ny ‘afaka nandositra’ hatramin’ny nahaterahan’ilay “firenena” dia natolotra “ho fanatitra ho an’i Jehovah” ary niditra nifandray tamin’ny fandaminany ara-piandrianana, dia ilay “Jerosalema any ambony” nasehon’ilay Jerosalema naorina indray fahizay. Noho ireny olona ireny tonga ‘zanak’i’ Jerosalema, Jehovah dia nandray azy ireny ho ao anatin’ny faritra eto an-tany sy hita maso amin’ny fandaminany eo amin’izao rehetra izao ka nanao azy ho mponin’i Jerosalema amin’ny heviny ara-panahy..
Ny fanorenana indray ny fanompoam-pivavahana madio
18. Koa satria Jehovah nampanantena fa haka mpikambana sasany amin’ilay “firenena” izy mba “ho mpisorona sy Levita”, inona no tokony ho nataon’io “firenena” io tamin’ny sahan’asany?
18 Ilay “firenena” vao teraka sy nahazo ny sahan’asany ara-panahy taorian’ny ady, moa ve io firenena io nanokana fanompoam-pivavahana feno ho an’ilay hany Andriamanitra marina, dia Jehovah? Rehefa afaka tamin’ny fanapahan’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso izao ireny olona ireny, dia nety ny hanarahany an’io fanompoam-pivavahana io. Ary izany no nataony, mifanaraka amin’ny teny ao amin’ny Isaia 66:21, izay nanomezan’i Jehovah izao fampanantenana izao: “Ary avy amin’ireo aza no hakako ho mpisorona sy Levita, hoy Jehovah.” Aoka hotsaroantsika fa nandritra ny fitopolo taona nahababoany tany Babylona, tamin’ny 607 ka hatramin’ny 537 talohan’ny fanisan-taona iraisana, ny Isiraelita dia tsy nanana ny fanampian’ny mpisoronabe taranak’i Arona, ny mpisorona lefitra sy ny mpanampy azy ireo, dia ny Levita, satria rava ny tempoly nanatontosan’ireny olona ireny ny asany. Araka ny Hosea 3:4, 5 dia araka ny marina ny nilazan’i Jehovah mialoha hoe:
19. Ao amin’ny Hosea 3:4, 5, ahoana moa no teny nanambaran’i Jehovah ny fampiverenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana taminy?
19 “Fa andro maro no hitoeran’ny Zanak’Isiraely tsy hanana (...) fanatitra, na tsangam-bato, na efoda, na terafima. Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak’Isiraely ka hitady an’i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany [ny Mesia]; ary handeha amin-kovitra hanatona an’i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any am-parany.”
20. Nilaza fanorenana indray ny trano inona moa ny fampiverenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah? Tao amin’ny toerana taiza? Mba hanomezana fahafahampo tamin’ny zavatra tena ilaina inona?
20 Araka izany, ankoatra ny hiasany amin’ny maha-Mpanafaka amin’ny fanafahana ny Jiosy avy any Babylona, Jehovah dia hanome ny tena ilainy, izany hoe izay ilainy ara-panahy. Hotendreny indray ny mpisoronabe ara-dalàna miaraka amin’ny mpisoronabe lefitra sy Levita mba hanampy azy ireny. Ho vokany, ny ho dikany dia fanorenana indray, any Jerosalema, ny tempoly izay hahafahan’ireny olona ireny hanatontosa asa lehibe ho an’ilay “firenena” izay ‘hatao indray miteraka’. Na dia toa mety tsy ho azo inoana aza izany zavatra hiseho izany dia hitranga ao amin’ny tany malalan’izy ireo, ao amin’ny “tany” izay “hateraka indray andro”. — Isaia 66:8.
21. Inona no zavatra sahala amin’izany nitranga teo amin’ny lafiny ara-panahy nanomboka tamin’ny 1919?
21 Raha lazaina amin’ny heviny ara-panahy, dia zavatra toy izany no nitranga tamin’ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy taorian’ny nanafahan’i Jehovah Andriamanitra azy ireo avy any Babylona Lehibe (empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso) tamin’ny 1919. Nikarakara izay nilainy ara-panahy aloha izy. Nomeny azy ireo ny fahalalana mazava kokoa ny raharahan’ilay Mpanjaka mesianika, dia Jesosy Kristy, amin’ny maha-mpisoronaben’Andriamanitra azy. Nodioviny izy ireo tamin’ny fahalotoana ara-pivavahana rehetra navelan’ny fanandevozan’i Babylona Lehibe sy ny fifandraisan’izy ireo taminy. Noho izy “taranaka voafidy , ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany”, dia takany tsaratsara kokoa tsy mbola nisy toy izany ny hoe tamin’ny fomba ahoana ary nahoana izy ireo no tokony hitandrina fialanalanana tanteraka amin’ny raharaha ara-politika eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Tsapan’izy ireo fa tonga ny fotoana ho an’ilay hany Andriamanitra velona sady marina ‘hanaovany anarana ho Azy’. Nifoha izy ireo raha ny amin’ny andraikiny hanandratra ny anarana manokan’Andriamanitra hoe Jehovah, ho ambonin’ny anarana hafa rehetra. Noho ny fahitana fa nanana adidy izy ireo ny ho vavolombelon’io Andriamanitra io izay takona ny anarany nandritra ny taonjato maro, dia noraisiny, tamin’ny taona 1931 nanan-tantara, ny anarana hoe “vavolombelon’i Jehovah”. — I Petera 2:9; Isaia 43:12; 63:12.
22. Na dia voakasika aza ny famonjena ny olombelona, inona moa, ao amin’ny Baiboly, no raharaha na fampianarana lehibe indrindra? Nahoana?
22 Na dia manana ny toerany ao amin’ny Baiboly Masina aza ny raharaha ny amin’ny fanafahana ny taranak’olombelona izay andevon’ny fahotana, ny fahafatesana ary Satana Devoly sy ny fandaminany amin’izao fotoana izao, dia tsy ny zavatra lehibe indrindra na ny foto-pampianarana ao amin’ny Soratra Masina izany. Ny lahatsoratra fototra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 aogositra 1941, lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Tsy fivadihana”, dia nilaza toy izao: “Matetika ny Soratra Masina no manipika ny fikasan’i Jehovah izay tia ny hahita ny fitondram-panjakan’ny tenany araka ny rariny, hanapaka an’izao tontolo izao. Io fitondram-panjakana io no fandaharana teokratika izay eo amboniny no nanendreny an’i Jesosy Kristy Mpanjaka. (...) Ny raharaha lehibe napetraky ny fihaikan’i Satana dia ny amin’ny FANAPAHANA EO AMIN’IZAO REHETRA IZAO, ary mbola izany ihany.” (Fehintsoratra 1 sy 19). Ny fikasan’Andriamanitra Avo Indrindra lehibe indrindra àry dia ny hanamarina an’io fiandrianana eo amin’izao rehetra izao io izay izy no hany hampihatra azy, ary tsy ho ela dia hanao izany amin’ny fomba malaza izy amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” eo amin’ny saha fiadiana ao Hara-Magedona (Apokalypsy 16:14-16). Ny ‘firenena masin’ny’ Isiraely ara-panahy àry dia manana adidy, tombontsoa sy voninahitra eo anoloan’ny fanapahana na fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao ka hanaporofo amin’izany fa mpandainga ny Devoly.
23. Tsy fahombiazan’ireo firenena fahavalo inona no fahatanterahan’ny teny voasoratra ao amin’ny Isaia 66:22?
23 Efa lasa dia lasa ny fotoana. Hatramin’izao anefa dia tsy nahomby ny fiezahana rehetra nataon’ireo firenena mahaforona ny fandaminana hita mason’i Satana mba hanafoanana an’ilay ‘firenen’i Jehovah’ teraka tamin’ny 1919 tao amin’ny ‘taniny’ vaovao. Izany dia fahatanterahana tsy misy dison’ilay fampanantenana nomen’ny Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao ao amin’ny Isaia 66:22, rehefa nilaza toy izao izy: “Fa tahaka ny lanitra vaovao tsy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, dia toy izany no haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo.”
24. a) Manome toky inona ho an’ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy moa ny faharetan’ny “lanitra vaovao” sy ny “tany vaovao”? b) Ho tonga anisan’ny inona moa ny sisa rehefa tonga ny fotoana?
24 Tsia, Satana Devoly, ireo demoniany tsy hita maso sy ny fandaminany hita maso eto an-tany dia tsy ho afaka hanafoana ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy na ny anarany na inona na inona mety handramany ho amin’izany amin’ny ho avy tsy ho ela. Tsy haharitra ela loatra intsony ny anaran’ireo izay mahaforona ny taranaka eto an-tany hita mason’ny fandaminan’i Satana. Nefa kosa, mifanohitra mazava amin’izany, ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy izay mahaforona ny taranaky ny fandaminan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao, dia mbola ho velona ihany; ny anarany dia tsy hohadinoina na hokosehin’ireo fahavalony. Ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy sy ny anarana entiny amim-pahamendrehana dia hitoetra amin’ny fomba azo antoka toy ny faharetan’ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao foronin’i Jehovah, Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Tsy milaza akory izany hoe ireny Isiraelita ireny dia hiaina mandrakizay eto an-tany. Tsia, amin’ny fotoana mety, izy ireny dia hanaraka an’i Jesosy Kristy mpisoronabeny, ary amin’ny “lanitra vaovao” ary any izy ireny dia hiasa amin’ny maha-mpisorona lefitra ao amin’ny tempoly ara-panahy.
25. a) Oviana moa Jehovah no nanomboka ‘nanao’ ny “lanitra vaovao”? b) Tamin’ny taona firy indrindra moa ireo ho tonga anisan’ny “tany vaovao” no niseho?
25 Jehovah Andriamanitra dia nanomboka namorona ny “lanitra vaovao” tamin’ny fahataperan’ny “andro voafetra ho an’ireo firenena”, tamin’ny 1914, rehefa nametraka an’i Jesosy Kristy Zanany nomem-boninahitra, ho eo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra izy mba hanjakany amin’ny maha-Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Io Mpanjaka io dia ny “Zanak’i Davida” ary, fony teto an-tany tamin’ny naha-olona tanteraka izy, Jehovah, Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, dia nanao fanekena taminy ho amin’ny Fanjakana mandrakizay (Matio 21:15). Avy eo ambonin’ny seza fiandrianany any an-danitra, Jesosy Kristy dia manjaka eo amin’ny gilaobintsika. Ny famoronana “tany vaovao” dia tsy mitaky fanafoanana ny planetantsika akory; “maharitra mandrakizay” izy io. (Mpitoriteny 1:4.) Ny Fanjakan’i Kristy ihany no hanova mandrakizay ny tany ho paradisa. Tsy mifanohitra amin’izany fahatsinjovan-javatra mahatalanjona izany akory ny filazana fa ny famoronana ny “tany vaovao” dia milaza koa famoronan’i Jehovah fitambaran’olona vaovao izay hiaina mifanaraka aminy sy amin’ny ‘lanitra vaovaony’ marina (II Petera 3:13). Nanomboka tamin’ny 1935 indrindra, dia azo atao ny mahita eto an-tany, an-tapitrisany maro amin’ireo ho tonga anisan’izany fitambaran’olona vaovao izany.
26. a) Ahoana moa no teny nanambaran’ny Isaia 66:12 ny fahatongavan’ny “olona betsaka” eo anilan’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy? b) Aiza moa izany “olona betsaka” izany izao no manompo an’i Jehovah?
26 Ireny olona ireny dia avy any amin’ny firenena, ny firazanana, ny vahoaka sy ny fiteny rehetra, nanolo-tena ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpisoronabe sy nanamarika ny fanaovana izany tamin’ny filatsahana hatao batisa tao amin’ny rano toy ny nataon’io Jesosy Kristy Mpiandry tsarany io ihany koa (Jaona 10:14, 16). Ao amin’ny Isaia 66:12, Jehovah dia nilaza fa hanitatra amin’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy (ireo solontenan’ilay “Jerosalema any ambony”) izay nantsoiny hoe “ny voninahitry ny firenena” izy, ary hanao izany “tahaka ny renirano tondraka” . Nanomboka tamin’ny 1935, ny “voninahitry ny firenena” dia tena nitatra tokoa tamin’ny fomba miandalana ho amin’ny sisa ara-panahy, tamin’ny fahatongavan’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” an’ilay Mpiandry Tsarakd dia Jesosy Kristy nandray fiandrianana (Apokalypsy 7:9-17). Rehefa heverina amin’ny tsy fivadihan’ireny “ondry hafa” ireny amin’ny fitondram-panjakana teokratikan’i Jehovah sy ny Kristiny, ny Mpiandry Tsara dia nanakambana azy ireny tamin’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy ho “andiany iray”. Izy ireny koa dia nentiny ho ao amin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah izay antsoina hoe “trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra”. (Isaia 56:7; Marka 11:17.) Any, ao amin’ny tempoly ara-panahin’Andriamanitra azon’ny firenena rehetra ivavahana aminy, ireo anisan’ny “olona betsaka” be voninahitra dia “manompo amin’ny fanompoana masina, andro aman’alina”. — Apokalypsy 7:15, “MN”.
27, 28. Moa ve ny “olona betsaka” amin’ny “nofo rehetra” miara-mivory matetika amin’ny sisa? Inona no vokatry ny fanambarana iarahany manome?
27 Ireny zava-niseho mahafaly amin’ny andro ankehitriny ireny dia mifandrindra tanteraka amin’izay nambaran’i Jehovah ao amin’ny Isaia 66:23, manao hoe: “Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.” — Hagay 2:7-9.
28 Manamarina ireo rapaoro fa ny “olona betsaka” amin’ny “nofo rehetra” dia mivory tsy tapaka miaraka amin’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy “isaky ny voaloham-bolana [isam-bolana] sy isan-tsabata [isan-kerinandro]”. Ireny olona ireny dia miaraka amim-pahatokiana koa amin’ny sisa voahosotra mba hanao fanambarana ampahibemaso sy isan-trano, mba ho tanteraka izao faminanian’i Jesosy ny amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” izao: “Ary hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:3, 14, MN). Ny olona avy amin’ny “nofo rehetra” izay mandray tsara an’io fitoriana io dia tonga ‘miankohoka’ eo anatrehan’i Jehovah.
29, 30. a) Ahoana moa no teny ampisehoan’ny Isaia 66:24 fa ireo mpivavaka marina dia ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” izay hanamarika ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny? b) Ho fanorenan’ny inona izy ireo? Iza no hasain’izy ireo hivavaka amin’ilay Mpamorona ny zavatra any an-danitra sy eto an-tany?
29 Ireo izay ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” efa antomotra dia ho vavolombelona hahita maso koa ny fomba hanamarinan’i Jehovah ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao amin’ny fandringanana, amin’io “fahoriana” haneran-tany io, ireo izay sady manohitra Azy no manohitra ny olony. Izany no antony namaranan’Isaia ny faminaniany tamin’izao teny izao: “Ary hivoaka izy ireny [ireo ho tafita velona amin’ny fahoriana] ka hijery ny fatin’ny olona izay efa niodina tamiko; fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, ary hataon’ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.” — Isaia 66:24.
30 Sahala amin’ny “osy” voaozona ao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy, dia fanoharana tanteraka mandritra ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, ireo izay manota manohitra an’i Jehovah Mpanjaka Tompo dia “ho any amin’ny fanafoanana mandrakizay”. (Matio 24:3; 25:31-46, “MN”). Manaraka izany, ireo izay hahaforona ny fanorenan’ny “tany vaovao”, izany hoe ny “ondry” izay handova ny paradisa an-tany, dia handray ho eo amin’izy ireo izay hatsangana amin’ny maty mba ho velona amin’ny maha-olona nofo eto an-tany. Hasain’izy ireo amin’izay izany nofo ho tafatsangana amin’ny maty izany mba hiaraka amin’izy ireo hanompo amim-piraisan-tsaina ny Mpamorona ny “lanitra vaovao” sy ny “tany vaovao”. — Isaia 65:17; II Petera 3:13.
Mifandray amin’ny Isaia 66:8-20 ireto fanontaniana manaraka ireto. Ho hainao ve ny hamaly izany?
Andininy faha-8: Amin’ny heviny ahoana moa no azo atao ny milaza fa ny “firenena” ara-panahin’i Jehovah dia ‘teraka’ tao amin’ny ‘taniny’ tamin’ny 1919?
Andininy faha-9-14: Tamin’ny heviny ahoana moa Jerosalema no nanome hanina an’ireo ‘zanany lahy’ sy nanolokolo azy? Ahoana no iharan’izany amin’ireo zanaka ara-panahy amin’izao androntsika izao?
Andininy faha-15-18: Fanao inona avy no nahatonga an’i Jerosalema horavana tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana? Milaza inona izany ho an’izao androntsika izao?
Andininy faha-19, 20: Inona no “famantarana” nataon’i Jehovah “teo amin’ireo firenena”? Noho ny fikendrena inona?
Ahoana no hamalianao an’ireo fanontaniana ny amin’ny Isaia 66:19-24 ireto?
Andininy faha-19: Amin’ny heviny ahoana moa Andriamanitra no hoe naniraka ny ‘afaka nandositra’ sasany ho any amin’ireo “firenena”? Inona no vokany?
Andininy faha-20: Tamin’ny heviny ahoana moa ny sasany no nalaina mba hanompo tamin’ny naha-“mpisorona”?
Andininy faha-22: Inona moa no toky tian’i Jehovah homena ny vahoakany tafaverina rehefa nanisy fitenenana ny amin’ny “lanitra vaovao” sy ny “tany vaovao” izy?
Andininy faha-23: Amin’ny heviny ahoana moa no ahitantsika ny “nofo rehetra” miankohoka eo anatrehan’i Jehovah “isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata”?
Andininy faha-24: Inona no hitranga amin’ireo izay manota manohitra an’i Jehovah?
[Sary, pejy 18]
Sahala amin’ny reny, Jerosalema dia manolokolo amim-pitiavana an’ireo ‘zanany’.
[Sary, pejy 24]
Ireo ‘afaka nandositra’ avy ao Babylona Lehibe, ny Vavolombelon’i Jehovah, dia manambara ny hafatra ny amin’ilay Fanjakana.