Ilay Fanjakana sy “fitoerana masina” iray
“Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny [vaovao tsaran’ny, MN] fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ‘ny fahavetavetan’ny fandravana,’ izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra.” — Matio 24:14-16.
1. Inona no manintona ny sain’ireo kristiana izay mitory amin-jotom-po ny Fanjakan’Andriamanitra tafaorina?
MOA ve ianao anisan’ireo izay mitory amin-jotom-po “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity”? Raha izany no izy dia irinao fatratra ny ‘hahatongavan’ny farany’. Nefa irinao koa ny hahafantatra izay antsoina amin’izao androntsika izao hoe “fahavetavetan’ny fandravana” sy ny dikan’ny ‘fitsanganany ao amin’izay fitoerana masina’. Ho tianao ny hahafantatra hoe mifanitsy amin’inona amin’izao andro izao ny tenin’i Daniela momba ireo zavatra ireo ary ahoana no mety hahatongavana ho anisan’ireo izay mahita ny famonjena ‘amin’ny fandosirana ho any an-tendrombohitra’. — Matio 24:3-16.
2. Inona moa no sasantsasany amin’ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly manampy antsika hamantatra ny “olo-masina” voalaza ao amin’ny faminanian’i Daniela? Antokon’olona hafa iza no niseho vao haingana? Inona no manintona ny sain’ireo antokon’olona roa ireo?
2 Ny faminanian’i Daniela dia miresaka be dia be ny amin’ny ‘olo-masina’ izay mandova ny Fanjakana (Daniela 7:27). Izy ireo dia mahaforona antokon’olom-bitsy kristiana ‘ateraka indray’, dia ny Isiraelita ara-panahy, izay tsy mivadika hatrany na dia ao aza ny fanafihan’i Satana, ka manaporofo amin’izany fa mendrika ny hanana toerana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra izy ireny (Jaona 3:3; Lioka 12:32). Tao anatin’izao taona faramparany izao, dia nisy “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra” niaraka tamin’ny sisa amin’ireny vavolombelon’Andriamanitra mitafy hosotra ireny. Ireo anisan’izany “olona betsaka” izany kosa dia manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Anisan’ny anankiray amin’ireo antokony roa ireo ve ianao? Raha izany no izy, amin’izao andro izao ianao dia manana tombontsoa hanompo an’Andriamanitra amin’ny “fanompoana masina” ao amin’ny fitoerana masin’ny tempoliny ara-panahy eto an-tany. Izany dia asa masina atao ao amin’ny “toerana masina iray”, izay mifanitsy amin’ny fitoerana masin’ny tempolin’i Jehovah tao amin’ilay Jerosalema fahiny. — Apokalypsy 7:4, 9, 15; Romana 12:1, 2.
3, 4. a) Iza avy moa ireo “Jerosalema” telo anintonana ny saintsika. b) Ahoana no ilazalazan’ny Tenin’Andriamanitra ny tsirairay avy aminy?
3 Noho ny fivadiham-pinoan’ny Jiosy izay tonga hatramin’ny famonoana ny Zanak’Andriamanitra, dia nolavina sy nafoin’Andriamanitra ilay Jerosalema teto an-tany (Matio 23:37, 38). Mbola nahazo ny fankasitrahan’i Jehovah ihany anefa ny Jerosalema iray lehibe lavitra. Ao amin’ny Galatiana 4:26 izy io dia antsoina hoe “Jerosalema any ambony”. Izany dia ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, ny ‘vadiny’, araka ny fampitahana ataon’ny Baiboly. Io Jerosalema io no niteraka an’i Jesosy Kristy, Zanaka ara-panahin’Andriamanitra, izay, tamin’ny taona 33, dia nanolotra ny “ainy [ain’olombelona nananany] ho avotra” ho an’ny olombelona. — Matio 20:28.
4 Taorian’ny nitsanganany tao amin’ny fanahy, dia nasandratra ho eo ankavanan’ny Rainy any an-danitra Jesosy. Tamin’ny fotoana voatendry, tamin’ny 1914, dia notendren’i Jehovah izy ho ao amin’ny Fanjakany izay omen’ny Hebreo 12:22 koa ny anarana hoe Jerosalema, “Jerosalema any an-danitra”. Amin’ny fotoana voatendry, io Fanjakana io dia handringana ny fandehan-javatra ratsin’i Satana ka hanorina indray ny paradisa eto an-tany. — Matio 6:9, 10.
Ny fahafoanan’ny “fitoerana masina” iray
5. Inona moa no nolazain’i Jesosy ny amin’i Jerosalema eto an-tany? b) Niteraka fanontaniana inona sy faminaniana inona izany?
5 Raha mamoha ny Baiboly ianao ao amin’ny Matio toko faha-23, dia hanamarika fa eo amin’ny andininy faha-38 Jesosy dia milaza ny amin’i Jerosalema fa ‘avela ho lao ho avy ny tranony’. Avy eo, ireo mpianany gaga aoka izany dia nilazany izao teny izao (voasoratra ao amin’ny Matio 24:2) ny amin’ny tempolin’i Jerosalema eto an-tany: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.” Ny efatra tamin’ny mpianany àry dia nametraka taminy ny fanontaniana voalaza eo amin’ny andininy faha-3, manao hoe: “Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao [fifaranan’ny fandehan-javatra, MN].” Ho valiny, dia nomen’i Jesosy ny faminaniany fantatra tsara izay mitohy hatreo amin’ny faran’ny toko faha-25 amin’ny Filazantsara araka an’i Matio.
6, 7. a) Mifanaraka amin’ilay faminaniana, inona no norahonana? b) Ahoana tamin’izany no nahafahana nahita ny ‘fahavetavetana nitsangana tao amin’izay fitoerana masina’?
6 Tamin’ny taona 33 io, ny nanintona ny sain’ireo mpianatr’i Jesosy dia ny fahataperan’ny fandehan-javatra jiosy izay ny foibeny dia Jerosalema sy ny tempoliny; nanjary nivadi-pinoana io fandehan-javatra ara-pivavahana io. Nefa, na dia nivadi-pinoana aza Jerosalema dia mbola fantatra ihany ho ny “Tanàna Masina” na dia taorian’ny nahafatesan’i Jesosy aza (Matio 27:53). Araka ny faminanian’i Jesosy, dia tsy nitsahatra ny namely an’i Jerosalema sy Jodia ary ireo firenena teny amin’ny manodidina ny loza. Avy eo, tamin’ny 66, ny miaramila romana notarihin’ny jeneraly Gallus dia nanao fahirano an’i Jerosalema. Araka ny nolazain’i Jesosy mialoha (ao amin’ny Lioka 21:20), ilay tanàna dia “voahodidin’ny miaramila” nasaina nitoby. Notantarain’i Josèphe mpanao tantara fa ireo miaramila aza dia niditra tao Jerosalema nitondra fanevan’ny fanompoan-tsampy ka nanomboka nandrava ny mandan’ny tempoly.
7 Ny tafika romana dia tsy azo lavina fa nitsangana tao amin’ny “fitoerana masina” iray. Vonona aza izy ny handrava an’ilay ‘tanànan’i Jehovah’, dia ilay tanàna nampiarahina nandritra ny taonjato maro tamin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra marina (Salamo 101:8). Tena ‘fahavetavetana’ tokoa izany, araka ny fiheveran’ny Jiosy tsy nanaraka ny fivavahana marina intsony sy ny an’ny kristiana Jiosy. Ny kristiana ihany anefa no nahay nanavaka fa izany tarehin-javatra izany dia ny nambaran’i Jesosy. Tsy ny “tanàna masina” sy ny tempoliny, dia ny toerana fanaovana fanompoam-pivavahana ihany no nahita fandrahonana, fa notandindomin-doza koa ny kristiana tsy nivadika tamin’i Jehovah izay tao anatin’ilay tanàna. Ahoana àry no hahafahan’izy ireo handositra ny fahafatesana?
8. Ahoana no nitarihan’i Jehovah ny zava-niseho, ary niteraka inona izany?
8 Nitarika ny zava-niseho tamin’ny fomba mahagaga Jehovah. Nihataka tampoka ny tafika romana ka nanome tamin’izany ho an’ny kristiana, fahafahana hanaraka ny teny ara-paminanian’i Jesosy. Tena nankato tokoa izy ireo ka ‘nandositra nankany an-tendrombohitr’i Gileada. Avy eo, tamin’ny 70, dia niverina ilay “fahavetavetana”. Tsy nila afa-tsy efa-bolana ny tafika romana notarihin’ny jeneraly Titus tamin’io indray mandeha io, mba handravana an’i Jerosalema sy hanaovana an’ilay lazaina fa ‘fitoerany masina’, ho antontan-javatra rava. Jiosy iray tapitrisa mahery no ringana tamin’ny fandripahana lehibe izay tsy namela afa-tsy sisa velona vitsy monja (Daniela 9:26). Tsy naninon-tsy naninona anefa ireo Jiosy tonga kristiana. Nahoana? Satria izy ireo no nanaraka ny tenin’i Jesosy Kristy, Mpampianatra lehibe, ara-paminaniana sy marina. — Marka 13:1, 2, 14.
Ny mitovy aminy amin’ny andro ankehitriny
9. Nahoana isika no mihevitra ireny zava-niseho tamin’ny taonjato voalohany ireny?
9 Ireny zava-niseho tamin’ny taonjato voalohany ireny dia misy heviny lehibe dia lehibe ho antsika amin’izao andro izao. Nahoana? Satria, amin’izao taonjato faharoapolo izao izy ireny dia manana ny mitovy aminy manaitra. Amin’izao androntsika izao tokoa ilay faminaniana lehibe nomen’i Jesosy no mahita ny fahatanterahany farany izay mampihozongozona izao tontolo izao manontolo. Amin’izao andro indray mitoraka izao, dia tsy ny tanànan’i Jerosalema sy Jodia ihany intsony no voakasika, fa ny tany onenana manontolo. Izany fahatanterahana izany dia mahakasika ireo tanàna an’aliny maro maneran-tany, ny fireneny sy fokony an-jatony maro ary koa ireo mponina ao aminy efajato sy efatra arivo tapitrisa raha fintinina, dia ny fandehan-javatra maneran-tany manontolo.
10. a) Vanim-potoana inona no nifarana tamin’ny 1914, ary tamin’ny fomba ahoana? b) Nahoana moa ny “loza” no namely ny tany tsy mbola nisy toy izany mihitsy?
10 Na dia ireo mpanoratra tantara aza dia nanamarika fa fiolahana ny taona 1914, fa nitokana fotoana vaovao. Raha ny marina dia tamin’io taona io no nifarana ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”. (Lioka 21:24-28.) Tsy havelan’i Jehovah hanapaka araka izay tiany intsony ireo herim-panjakana jentilisa. Izao faminaniana manaraka izao dia tanteraka tamin’i Jesosy Tompo: “Ny tehin’ny herinao havoak’i Jehovah avy ao Ziona [ilay “Jerosalema any an-danitra”, ny Fanjakana mesianika]; manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao.’ (Salamo 110:2). Nanaraka ny baikon’Andriamanitra ilay mpanjaka nandray fiandrianana tamin’izay ka nandroaka avy any an-danitra an’i Satana sy ny demonia tafiny izay nazerany ho ety akaikin’ny tany. Noho izany antony izany, ao anatin’ny ‘andro kely sisa’, dia “loza ho an’ny tany”! (Apokalypsy 12:7-12.) Araka izany, nanomboka tamin’ny 1914, dia mahita fahatanterahany amin’ny ambaratonga maneran-tany ilay faminaniana lehibe nomen’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25.
11. Zava-mitranga inona, fahatanterahan’ny faminaniana lehibe nomen’i Jesosy, moa no voadiniky ny tenanao?
11 Moa ve tsy hitantsika ny “famantarana (...) ny fifaranan’ny fandehan-javatra”? Moa ve isika tsy vavolombelona nahafantatra ny ady lehibe, ny tsy fahampian-kanina, ny horohorontany mbamin’ny “zava-mahatahotra” hafa koa nambaran’i Jesosy? Moa ve tsy niainantsika ny fanenjehana ny kristiana ary moa ve isika tsy nitory “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity (...) amin’ny tany onenana manontolo, ho vavolombelona any amin’ny firenena rehetra”? Marina tokoa fa be dia be amintsika no afaka mamaly ho eny (Matio 24:3-14; Lioka 21:10-12). Fa inona izao no holazaina ny amin’ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 24:15, 16, momba ny “fahavetavetan’ny fandravana”?
Fahatanterahana amin’ny ambaratonga manerana-tany
12. Amin’ny ahoana moa ny “fahoriana lehibe” no tsy hitovy amin’ny fandravana an’i Jerosalema?
12 Ny fahatanterahan’io faminaniana io tamin’ny taonjato voalohany dia manome antsika ohatra ny amin’izay azontsika ampoizina amin’izao andro izao. Tsy azo atao anefa ny manorina fifanitsiana raha ny amin’ny antsipiriany sasany. Ohatra, araka ny andininy faha-21 sy 22, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.” Ny “fahoriana lehibe”, ny fara herin’ny faminaniana, dia tsy ho voafetra ho amin’i Jerosalema na tanàna vitsivitsy hafa ihany. Tsia, izany dia ho ny loza lehibe indrindra tamin’izay rehetra namely ny tany, ary hamely ny tany manontolo. — Jeremia 25:30-33; Matio 24:30.
13. “Nofo” inona, hafa noho ny sisa tsy maty tamin’ny fandravana an’i Jerosalema, no hovonjena amin’ny “fahoriana lehibe”?
13 Etsy andaniny koa, ny “nofo” hovonjena dia tsy ho ny an’ny Jiosy niala tamin’ny finoana marina vitsivitsy monja, voatokana ho tonga andevo, araka ny hita tamin’ny fandravana an’i Jerosalema. Izany kosa dia ho ny ‘nofo’ny’ “olom-boafidy” izay mampiseho an’i “Jerosalema any an-danitra” eto an-tany, mbain’ny ‘nofo’ireo’ namany, dia ireo anisan’ny “olona betsaka” avy amin’ny firenena rehetra. Izao no vakintsika momba azy ireny ao amin’ny Apokalypsy 7:14: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.” Ahoana àry no tokony handraisana ny Matio 24:15, 16 amin’ny fahatanterahany amin’ny andro ankehitriny?
“Aoka hisaina izay mamaky izany”
14, 15. Inona moa no sasantsasany amin’ny zavatra ‘mety ho hain’ny mpamaky avahana’ amin’ny fandinihana ny Daniela toko faha-7 sy 8?
14 Eto Jesosy dia maka tenin’i Daniela mpaminany” ary manampy teny hoe: “Aoka hisaina izay mamaky izany.” “Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara, mpanjakan’i Babylona”, Daniela dia nahazo fahitana ny amin’ny Fahagola, Jehovah Andriamanitra, sy ny amin’ny hitsarana an’ireo firenena amin’ny alalan’ny Fanjakana mesianika. Tsy tokony hitranga izany raha tsy amin’ny ‘fotoana hahazoan’ny olo-masina ny fanjakana’. — Daniela 7:1, 9-14, 21, 22, 27.
15 Nahazo fahitana hafa iray Daniela tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Belsazara. Izany dia voatantara ao amin’ny Daniela 8:3-9, izay ampiasan’ilay mpaminany fitenenana ara-panoharana mba hilazalazana ny fifandimbiasan’ny “bibidia” sy ny “tandroka” mahery nitombo teo amin’ny lohan’izy ireo. Daniela 8:20-25 dia manampy antsika hamantatra fa ireo “biby” ireo sy ireo “tandroka” ireo dia ireo herim-panjakana nifandimby tao anatin’ny 2 500 taona lasa, izany hoe ny Herim-panjakana mediana sy persiana, Grisia, Roma ary farany dia ny Empira britanika (ny ‘tandroka kely izay nihalehibe mandra-pitombon’ny heriny’) izay nikambanan’ny repoblikan’i Amerika taty aoriana, ka izany dia niafara tamin’ny fiforonan’ny herim-panjakana roa sosona.
16. a) Inona no ‘fotoana voafetra tonga’, ary inona no nihatra tamin’ireo “olo-masina” taty aoriana? b) Nahoana moa no zava-dehibe ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ny fanontana tamin’ny 1 sy 15 aogositra 1938 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana?
16 Tamin’ny 1918, dia “tonga ny fotoana nahazoan’ny olo-masina ny fanjakana”. Avy eo, nanomboka tamin’ny 1919, dia nanao fandaminana ireo “olo-masina” mbola teto an-tany mba hitory maneran-tany ny Fanjakan’ny Mesia tafaorina tamin’izay (Matio 24:14). Tsy ela izy ireo dia fantatra teto an-tany tamin’ny anarana hoe “vavolombelon’i Jehovah”, ary niaraka tamin’izy ireo ny “olona betsaka” mpiara-miasa (Isaia 43:10, 12; Apokalypsy 7:9). Nandritra ireo taona 1930 anefa dia nanomboka niavovona ny rahona mainty nanambara fanenjehana. Koa nanomboka nanatanjaka ny vahoakany Jehovah mba hahatoherana izany fandrahonana izany tamin’ny fandaminana azy indray tamin’ny fomba teokratika. Ireo lahatsoratra natao hianarana momba ny “Fandaminana” izay niseho tao amin’ireo fanontana tamin’ny 1 sy 15 aogositra 1938 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay), dia nanome ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, rafitra teokratika ho azony iankinana mba hanaovana ny asany mandritra ny Ady Lehibe Faharoa. — Isaia 60:17.
17. Tamin’iza moa tamin’izay no tanteraka ny Daniela 8:10, 11?
17 Nandritra ny ady faharoa no tanteraka ny Daniela 8;10, 11. Nihaika ny “Komandin’ireo maro be”, izany hoe Jehovah, ny “tandroka kely”. “Maro be” inona anefa no resahina? Izay voaforon’ny mpiangona ao amin’ny finoana tsy tambo isain’ny fivavahana lazaina fa kristiana ve? Tsia, ireo akory tsy ‘ankahalaina’ satria nanao ny tenany ho anisan’izao tontolo izaon’i Satana (Matio 24:9; Jaona 15:18-20). Eo Daniela dia miresaka ny amin’ny tafika kely kokoa, toy ny andia-mpiady nanaraka an’i Gideona izay vitsy tokoa raha oharina amin’ny tafiky ny Midiana (Mpitsara 7:8, 12). Resahina ny amin’ny sisa mbola eto an-tany amin’ny ‘tafiky’ ny “olo-masina” 144 000 izay hiara-hanjaka amin’i Jesosy Kristy Zanak’ondry eo an-tendrombohitra Ziona, izany hoe “Jerosalema any an-danitra”. — Apokalypsy 14:1-5.
Mipetraka ao amin’ny “fitoerana masina” izy ireo
18. a) Araka ny filazan’ny Soratra Masina, aiza no tokony hisy “fitoerana masina”? b) Araka ny filazan’i Daniela 8:12, inona no nitranga tamin’io “fitoerana” io?
18 Amin’izao andro izao, ny sisa amin’ny “olo-masina” dia mitoetra ao amin’ny “fitoerana masina” ary mampiseho eto an-tany an’i “Jerosalema any an-danitra” sy ny tempoliny. Milazalaza izany Daniela (ao amin’ny andininy 11, MN) ho “ny toerana tsy miovaovan’ny fitoerany masina [ny an’i Jehovah]”, dia toerana eto an-tany ‘fitoeran-tongony’. (Isaia 66:1.) Izao no nosoratan’i Daniela: “Ary nesorina taminy [Jehovah] ny fanatitra isan-andro, ary ny fitoerana masina noravana. Ary nisy maro be mbamin’ny fanatitra isan-andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany [ny tandroka kely] ho amin’ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.” (Daniela 8:11, 12). Ahoana no nahatanterahan’izany?
19. a) Ahoana moa no andraisantsika eto ny hoe ‘fahadisoan’ny tandroka kely’? b) Ahoana no ‘nanohizany nanjera ny fahamarinana ho amin’ny tany’?
19 Inona no nitranga tamin’ireo mpianatra ny Baiboly nahatoky — ny Vavolombelon’i Jehovah — nandritra ny Ady Lehibe Faharoa? Nenjehina mafy izy ireny. Raha ny marina, ireo mpanenjika azy dia nanao “fahadisoana”, satria izy ireo niezaka mba hanimba ny kilasin’ny ‘fitoerana masin’Andriamanitra’, noho izany dia nanaisotra tamin’i Jehovah ny “fanatitra isan-andro”, izany hoe ny fanompoam-pivavahana ampahibemaso isan’andro. Izany dia nanomboka tany amin’ireo tany teo ambany fitondran’ny nazisma na ny fasisma. Tsy ela anefa dia “nazera ho amin’ny tany ny fahamarinana” tao amin’ny faritany midadasika aoka izany manontolo an’ny “tandroka kely nihalehibe” ny heriny. Saika tao amin’ny firenena rehetra amin’ny Commonwealth britanika dia nampiharana fandrarana ny “maro be” mpitory ilay Fanjakana sy ny fitorian’izy ireo. Rehefa nandidy ny hakana miaramila ireny firenena ireny, dia tsy nety nanafaka ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny raharaha miaramila, satria tsy nanaiky azy ho minisitr’Andriamanitra voatendry tamin’ny fomba teokratika. Tany Etazonia, ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah dia tsy maintsy niharan’ny famelezan’ny vahoaka mbamin’ny fanevatevana hafa koa.
20. a) Manome toky antsika ny amin’inona moa ny Daniela 8:14? b) Ahoana no ‘nivoahan’ny fitoerana masina nandresy’? d) Rehefa nadiva hifarana ny Ady Lehibe Faharoa, inona no nitranga tao amin’ny fandaminan’i Jehovah?
20 Nefa, araka ny Daniela 8:13, 14, rehefa afaka ny “telon-jato sy roa arivo andro” (enin-taona sy efa-bolana ary roapolo andro), ny “fitoerana masina” dia “hodiovina” na “hivoaka handresy”. (New English Bible.) Raha ny marina, dia nenjehina ny Vavolombelon’i Jehovah satria tiany tanteraka ny ‘hanaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona’ (Asa. 5:29.) Nefa tao anatin’ireo volana faramparany tamin’ilay ady niraisam-pirenena, dia nohamafisiny indray ny fahavononany hanome voninahitra ny fanapahan’i Jehovah sy ny fifikirana hatrany amin’izany eo anivon’ny fandaminan’izy ireo. Noho ny fikendrena izany no nanombohan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1944, nandamina indray ny asa sy nijery indray ny fomba fandaminany. Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny teny anglisy tamin’ny 15 oktobra 1944 (fanontana amin’ny teny frantsay tamin’ny novambra 1945) dia nitondra ny foto-kevitra hoe “Voalamina ho amin’ny asa farany”. Io fanontana io, mbamin’ny lahatsoratra hafa koa mivaofy ny amin’ny fanompoana kristiana, niara-nivoaka taminy, dia nampiseho fa ‘voadio’ indray ny “fitoerana masina” araka ny fiheveran’i Jehovaha.
21 Tsy nahomby àry ny fahavalo tamin’ny fanandramany ratsy handrava tanteraka ny “fitoerana masina”. Ny sisa amin’ny olona masina mbola eto an-tany mbamin’ireo olona betsaka namany dia tafavoaka nandresy. Nandresy ny Fanjakan’i Jehovah, ilay Andriamanitra tampony sy ny an’ny Kristiny. Nefa, araka ny teny ara-paminanian’i Jehovah, inona no hitranga hanaraka izany? Izany no ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana amin’ny antsipiriany kokoa momba ny Daniela toko faha-7 sy 8, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 1 aprily 1972, pejy faha-199-216, na ny Bulletin tamin’ny may 1972, pejy faha-2-34.
INONA NO ‘FANTATRAO’ AO AMIN’NY ...
Daniela 7:22: ‘Tonga ny fotoana noferana’
Daniela 7:27: ‘Ny olo-masina’, “ny fanjakana”.
Daniela 8:9: ny “tandroka kely”.
Daniela 8:10: “Ireo maro be eny amin’ny lanitra.”
Daniela 8:11: ‘Ny Komandin’ireo maro be.’
Daniela 8:12: ‘Nianjera ny fahamarinana ho amin’ny tany’
Daniela 8:14: NEB: “Hivoaka handresy ny fitoerana masina.”
21. Hatreo, ahoana no nandresen’ilay Fanjakana?
[Efajoro, pejy 14]
Tamin’ny 1965, Konrad Adenauer, mpitahiry ny fanombohan-kasem-panjakana alemana, dia nanambara toy izao: “Tonga ao an-tsaiko ny fahatsiarovana sy ny sary, (...) fahatsiarovana ny talohan’ny 1914, fony nisy ny tena fandriampahalemana sy filaminana ary tsy fananana ahiahy teto amin’ity tany ity — dia fotoana tsy nahalalantsika tahotra (...). Nanomboka tamin’ny 1914, dia tsy hita intsony teo amin’ny fiainan’ny olona ny tsy fananana ahiahy sy ny filaminana.
[Efajoro, pejy 15]
Tonga tamin’ny 198, Harold Macmillan, praiminisitra anglisy taloha, dia nanambara toy izao: “Nihatsara foana ny zavatra. Tao amin’izany izao tontolo izany no nahaterahako. (...) Tsitapitapitr’izay, indray marainan’ny 1914, dia nirodana daholo ny zavatra rehetra.”