Ahoana no hahazoantsika fahafahampo amin’izay ilaintsika?
“TAORIAN’NY telopolo taona nisian’ny fiaraha-miasa niraisam-pirenena dia tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo mosarena.” Izany no nambaran’ny tale jeneralin’ny Fandaminana momba ny sakafo sy ny fambolena (O.A.A.): Niaiky koa izy fa “ny politika natao hatramin’izao dia tsy nahomby”.
Rehefa jerena ny fihetsika tsy mihevitra afa-tsy ny tena asehon’ireo firenena dia tsy misy mihitsy ezaka iraisam-pirenena ho tonga tanteraka amin’ny fandaminana ireo zava-manahirana manakana ny hahafahan’ny olombelona rehetra mahazo ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana. Misy zavatra ilaina ambonin’izany. Inona anefa? Ho valin’io fanontaniana io dia olona manan-tsaina maro no mamaly ankehitriny hoe:
Fitondram-panjakana iray manerana izao rehetra izao
Ilaina ny fitondram-panjakana iray maneran-tany manana ny hery sy ny fahefana takina mba hiandraiketana ireo haren’ny tany sy handaminana fizarana tsy miangatra ireo fananana, mba hahazoana antoka fa tsy misy na dia iray aza sahirana. Azo vinanina ve ny fitondram-panjakana iray manerana izao rehetra izao toy izany? Tsimoka fitondram-panjakana maneran-tany roa, dia ny Fikambanam-pirenena sy ny Fandaminan’ny Firenena mikambana no efa tsy nahomby tamin’alahelo raha ny amin’ny fandaminana ireo zava-manahirana nateraky ny tsy fiheverana afa-tsy ny firenen’ny tena feno fitiavan-tena.
Raha ilaina àry izany ny fitondram-panjakana manerana izao rehetra izao mahomby, avy aiza no mety hiaviany? Tsy maintsy manam-piandohana “ivelan’izao” fandehan-javatra izao izy io. Nefa misy ve any ho any fahefana afaka mahaforona fitondram-panjakana iray maneran-tany? Eny tokoa, misy anankiray izay naneho ny fiahiany lalina ny amin’izay fahafinaretan’ny olombelona. Ny amin’Andriamanitra no tianay horesahina.
Ao anatin’izao taonjato faha-20 fatra-pitia ny zavatra hita maso izao dia toa hafahafa izany hevitra izany. Mijery ny zavatra amin’ny tena izy ve ny hoe manantena fa hitarika izao tontolo izao Andriamanitra? Misy ve famantarana iray mampiseho fa maniry fotsiny hitazona ny lamboridy Andriamanitra? Amin’izany tarehin-javatra izany, ho tsara kokoa noho ny fahefan’ny olombelona ve ny fanapahany, fahefana izay nazakaintsika efa hatramin’ny ela tokoa?
Fanantenana araka ny tena izy
Ao an-tsainy dia olona maro, ary na dia mpino maro aza, no manavaka be na kely ireo zavatra dinihina ara-pivavahana sy “izao tontolo izao tena misy”. Araka izany dia mety hiteny angamba izy ireny fa ho any an-danitra rehefa maty, nefa amin’izy ireo dia tsy fijerena zavatra araka ny tena izy ny manantena ny hanaovan’Andriamanitra zavatra ety an-tany, ohatra, ny handraisany an-tanana ny fanapahana ny tany. Izany ve no hevitrao?
Efa voamarikao ve hoe hatraiza no hiankinantsika amin’ireo lalàn’Andriamanitra, amin’izao fotoana izao aza? Ny rivotra fohintsika, ny ranonorana, ny masoandro, raha fintinina, izay rehetra mahatonga ny fiainana hety, dia tapahin’izay antsoina hoe ireo lalàn’ny natiora, lalàna izay raha ny tena izy dia ny an’Andriamanitra. Eny, na manaiky na tsia ny finoana an’Andriamanitra ny olona dia tsy maintsy manaiky izay tiany. (Matio 5:45; Asa. 14:17). Hahagaga loatra àry ve raha toa Andriamanitra izay ny lalàny dia mifehy ny rivotra, ny ranonorana sy ny masoandro, ka mamoaka koa lalàna hafa mba hitarihana ireo raharahan’ny olombelona?
Ankoatr’izany moa ve fantatrao fa teo amin’ny 3500 taona teo izay, Jehovah Andriamanitra dia nifidy vahoaka ho azy, nanokana izany ho firenena ary nanome azy fitondram-panjakana anankiray izay ny tenany mihitsy no mpanjaka? Io firenena io dia ny Isiraely, ary ny iray amin’ireo mpaminany avy tao aminy dia nanoratra taty aoriana be hoe: “Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no Mpanome lalàna antsika; Jehovah no Mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.”—Isaia 33:22.
Ny fanapahan’Andriamanitra sy ireo vokany
Nanao ahoana ny vokatr’izany teo amin’ny Isiraelita? Raha mbola nankato koa ny lalàn’Andriamanitra izy ireo dia nahazo fanambinana tamin’ny lafiny rehetra. Taorian’ireo dimy amby efapolo taona voalohan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, dia nampiseho izao filazana manaraka izao ny anankiray tamin’ireo filohany: “Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’i Jehovah tamin’ny taranak’Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany”.—Josoa 21:45.
Ny fanandraman-javatra hitan’ny Isiraelita dia mampiseho fa ara-drariny tanteraka ny hiresahana ny amin’ny fanapahan’Andriamanitra. Toy ny nitondrany nivantana io firenena kely tany Atsinanana Afovoany io, dia afaka mitantana ny tany manontolo izy. Nefa hanao izany ve izy?
Efa ho roa arivo taona izao, ny apostoly Jaona dia nandre teny izay manome antony tsara antsika tokony hinoana fa hanao izay hahasoa ny olombelona Andriamanitra. Nahazo fahitana ireo zavatra ho avy tokoa i Jaona. Kanefa, tao anatin’io fahitana io tsara no nanakoako izao antsoantsom-pandresena izao: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.:” Avy eo dia nanamarika izao fihetsika tonga ho azy izao i Jaona: “Misaotra Anao izahay, Tompo [Jehovah, MN] ô, Andriamanitra Tsitoha (...) satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao.”—Apokalypsy 11:15, 17.
Io fahitana io, avy amin’ny tsindrimandrin’ny tenan’Andriamanitra dia nanambara fa handray an-tanana “ny fanjakana amin’izao tontolo izao” izy. Eny, ho lasa filohan’izao tontolo izao izy ary hanendry “ny Kristiny”, Jesosy, mba hitondra izany. Manana antoka mafy orina àry isika fa Jehovah Andriamanitra no ho tompon’ny fitondram-panjakana maneran-tany.
Ambonin’izany, dia io fitondram-panjakana manerana izao rehetra izao io no foto-kevitry ny Baiboly mihitsy. Nampianatra antsika hivavaka ny amin’io fitondram-panjakana io Jesosy ao amin’ny Rainay izay any an-danitra, tamin’ny filazana hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10). Tamin’ny alalan’ny mpaminany maro, Jehovah dia nampiharihary fa io Fanjakana io ihany no afaka hamongotra ireo zava-manahirana lalina an’izao tontolo izao. Hahomby kokoa noho ireo fitondram-panjakan’olombelona ve izy? Eritrereto ange.
RANO: Jehovah Andriamanitra no Mpamorona ny tany. Araka izany, dia fantany tsara ny fandinihana ny manodidina. Nambarany tamin’i Amosa mpaminany fa “miantso ny rano eny an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny amin’ny tany” izy. (Amosa 9:60 Fantany tsara ny fitsingerenan’ny rano eto amin’ny planetantsika ary afaka mifehy izany tanteraka izy.
Tamin’ny fotoana nitondrany nivantana ireo Isiraelita fahizay, dia nanome izao fampanantenana manaraka izao Andriamanitra: “Hovohan’i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizantsoa, handatsahany ranonorana amin’ny taninao amin’ny fotoany.” (Deoteronomia 28:12). Raha mbola tsy nivadika taminy ny vahoakany dia nitana ny fampanantenany izy. Ary dia afaka ihany koa izy hiantoka ny famatsiana rano betsaka ampy ho an’ny vahoakany rehetra ao amin’ny fitondram-panjakany manerana izao rehetra izao.
SAKAFO: Raha inoana ireo manam-pahaizana sasantsasany dia ny tsy fiheverana afa-tsy ny firenen’ny tena no toa mahaforona ny iray amin’ireo vato misakana lehibe indrindra amin’ny hahazoan’ireo noana sakafo. Nefa ny fitondram-panjakan’Andriamanitra manerana izao rehetra izao dia manana ny fahefana tadiavina mba handrodanana io fefy io. Ilay mpanoratra nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra dia nanoratra hoe: “[Andriamanitra] hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin’ny lavitra; dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka, ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.”—Mika 4:3.
Hety ve izany? Izany tokoa. Efa mitranga “dieny ankehitriny” koa izany. Manerana ny tany manontolo dia misy fikambanana manangona olona antapitrisany maro izay efa manaiky sahady ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy ireo dia tsy mamelona intsony fahateren-tsaina, tsy fiheverana afa-tsy ny firenen’ny tena na fanavakavaham-pirazanana, fa mifampihevitra toy ny mpirahalahy ka miara-miasa amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Ny fisian’io fitambarana lehilahy sy vehivavy io dia mampiseho miharihary ny fisian’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra manerana izao rehetra izao. Iza moa izy ireo? Izany dia ireo Vavolombelon’i Jehovah.
Nampanantena Jehovah Andriamanitra fa hitahy ny tany izay hamokatra sakafo tondraka. Tamin’ny alalan’ny mpanao salamo dia nanoratra izy hoe: “Ny tany efa hahavokatra”, ary: “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.” (Salamo 67:6, MN; 72:16). Eny, eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra manerana izao rehetra izao,dia tsy hisy na inona na inona hanakana ny hanomezana io zava-tsoa tena ilaina voalohany io amim-pahalalahan-tanana.
FITAFIANA SY FIALOFANA: Nasehon’i Jesosy hoe hatraiza Andriamanitra no miahy ny amin’ny hahafinaritra ara-batana ny mpanompony tamin’izao teny izao: “Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny. Ary raha ny ahitra any an-tsaha (...), no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va hianareo?”—Matio 6:28-30.
Eny, Andriamanitra dia mikarakara ny mpanompony dieny ankehitriny. Ary tsy ireo Vavolombelon’i Jehovah no hilaza ny mifanohitra amin’izany! Koa noho izany, rehefa hitantana ny tany manontolo ny fitondram-panjakana maneran-tany, dia tsy hanan-java-mahory izay tsy maintsy ilaina mba hahazoana fahasambarana isika.
Handray soa amin’izany ve ianao?
Toa mahafinaritra anao ve io fitondram-panjakana manerana izao rehetra izao io? Ny olona manan-tsaina rehetra dia haniry marina hiaina eo ambanin’ny fandaharan-javatra toy izany. Kanefa mba hahafahana manao izany, dia ilaintsika aloha ny mianatra ny lalàm-panorenan’io fitondram-panjakana io, lalàna izay efa navoaka tao amin’ireo pejin’ny Baiboly Masina. Tokony hianatra hahafantatra ireo lalàna tsy maintsy ankatoavintsika isika raha maniry hiaina eo ambanin’io fitondram-panjakan’Andriamanitra io.
Noho izany dia tokony hanova lafiny sasany amin’ny fiainantsika angamba isika. Ny tsy fiheverana afa-tsy ny tena izay mamolavola ity fandehan-javatra ity dia tsy manan-toerana ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra. Ireo vahoakan’ilay Fanjakana dia tokony ho tia an’Andriamanitra amin’ny fanahiny rehetra, sy ireo namany tahaka ny tenany. Ankoatr’izany, raha manohy manarampo amin’ny lainga, ny halatra, ny faharatsiam-pitondrantena, ny fitaka, ny fimamoana sy ny fampiasana zavatra mahadomelina isika dia tsy afaka ny ho velona eo ambanin’io fitondram-panjakana io.—Matio 22:37-39; I Korintiana 6:9, 10.
Mendrika ny hanaovana fiezahana be ve izany? Eny tokoa. Jehovah Andriamanitra irery ihany no mahafantatra hoe hatraiza no mety hahatsara ny fiainana eto amin’ity planeta ity noho ny fitondram-panjakana iray. Ao amin’ny Baiboly, dia manome sary an-tsaina antsika izy. Ireo izay manompo an’Andriamanitra amim-pahatsorana ankehitriny dia efa mahatsapa sahady amin’ny ampahany, ny fahasambarana sy ny fiadanan-tsaina izay hanjaka amin’izany.
Ny zavatra rehetra dia mikendry ny hanaporofoana fa ireo lasa vahoakan’ilay Fanjakana dia hahita sy hankamamy tsy ho ela amin’ny fomba feno izany fiainana mahafinaritra izany. Eny, ireo zava-miseho izay manatanteraka ankehitriny ireo faminanian’ny Baiboly dia manondro fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia madiva hanala ny fahefana amin’ireo fitondram-panjakana mizarazara sy tsy manan-kery eo amin’izao tontolo izao (Lioka 21:25-28, 31; Daniela 2:44). Ho tianao ve ny ho eo mba hahita ireo zava-miseho ireo? Nahoana raha dinihina lalina kokoa ny fanontaniana? Mianara mametraka ny fitokisanao amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny fitondram-panjakana manerana izao rehetra izao, izay hany fanafodin’ireo zava-manahirana amin’ny androntsika.
[Efajoro, pejy 7]
Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka hanome ho an’ny taranak’olombelona rehetra . . .
□ Sakafo tsara tondraka
◻ Rano madio be dia be
◻ Fitafiana sahaza
◻ Trano ary fomba