FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/4 p. 25-31
  • Tezao mba ho tia an’i Jehovah ny zanakao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tezao mba ho tia an’i Jehovah ny zanakao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny herin’ny fahamarinana
  • Ny fanompoana ho an’Andriamanitra
  • Ny fankasitrahana
  • Fanaovan-javatra mahasoa
  • Fanampiana avy eny ivelany
  • Ny ohatry ny tenanao
  • Manorena Fianakaviana Matanjaka Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ry Ray Aman-dreny, Ampio ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Ny ankizy — “lova avy amin’i Jehovah”
    Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra
  • Ampianaro ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/4 p. 25-31

Tezao mba ho tia an’i Jehovah ny zanakao

“Anaka, raha hendry ny fonao, dia ho faly koa ny foko, dia ny foko.”​—Ohabolana 23:15.

1. Fifaliana manokana inona no tsapan’ny ray aman-dreny ary inona no tokony hataony ny amin’izany?

FIFALIANA aoka izany ny mandinika ny fitomboan’ny zaza madinika, mahita azy ireny tonga mpanompon’Andriamanitra matotra! Tsikelikely izy ireny dia mampitombo ny fahalianana hahafanta-javatra, mandray fahalalana, manitatra ny fahaizany, miandany amin’ny fahamarinana kristiana, mandroso ho amin’ny fahamatorana, manolo-tena ho an’Andriamanitra ary tonga mpanompony mahatoky. Raha ray ianao na reny, amin’ny fomba ahoana no azonao anampiana ny zanakao handroso amin’izany lalana izany? Mazava ho azy fa mitaky fiezahana izany. Ny apostoly Paoly dia nanontany hoe hataon’ny olona ahoana no “fino izay Olona tsy reny”, ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy olona mampianatra azy.​—Romana 10:14.

2. Ahoana no azontsika anampiana ny zanatsika ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah?

2 Ny zaza madinika dia talanjona amin’ny zavatra maro. Lolo iray, vorona, voninkazo, bozaka kely iray, ny lanitra, kintana iray, izany rehetra izany dia mahavariana azy. Fahafahana tsara toy inona moa amin’izay ny firesahana aminy an’ilay Mpamorona sy ny antony maro tokony hahavelom-pankasitrahana azy! Ny mpanao salamo iray dia manoratra izao: ”Tsara ny hidera an’i Jehovah”. (Salamo 92:1). Afaka misaotra azy isika ny amin’ny zava-mahagaga eo amin’ny natiora, noho ny nanomezany antsika ny zavatra ilaina mba hahavelona ary ny fahamarinana sy ny Teniny. Hanamarika ny zanakao fa velom-pankasitrahana azy ianao ka izany dia tsy hohadinoiny na oviana na oviana.​—Salamo 8:3, 4; 19:1; Romana 1:20; Deoteronomia 8:10; Ohabolana 22:6.

3. Inona no fomba tsara dia tsara iray hampianarana ny ankizy? Manomeza ohatra.

3 Tian’ny ankizy madinika ny tantara, fantatr’Andriamanitra izany. Nampanoratra tantara marina maro aza izy ao amin’ny Baiboly, tantara izay mampianatra ny lalany na dia ho an’ny zaza bitika aza. Ohatra, asehony fa tokony hanam-pinoana tahaka an’i Abrahama isika, hatoky an’Andriamanitra sahala amin’i Josoa sy Kaleba, hankato azy tahaka ny nataon’i Samoela sy Timoty ary hifikitra mafy hatrany amin’ny finoantsika hataka an-dry Sadraka sy Mesaka ary Abednego tanoraa.

4. Ohatra ny amin’ny ankizy iza, tamin’ny lasa sy ankehitriny, izay nianatra ny lalan’Andriamanitra, no azo tononina?

4 Mianatra haingana ny ankizy. Mora mitadidy ireo dokam-barotra sy zavatra maro hafa izay tsy ho nirinao hohenoiny indraindray izy. Zava-dehibe indrindra àry ny hanampiana azy ireny hahafantatra an’Andriamanitra sy ny lalany. Betsaka amintsika no nahamarika fa ny ankizy dia afaka manome fanazavana tsara ao amin’ny fivoriana kristiana sady mandray anjara amin’ny Sekoly teokratika raha mbola kely tokoa. Ireny tanora ireny dia vavolombelona velona ny amin’ny vidin’ireo baikon’ny Baiboly momba ny fampianarana ny ankizy. Ny ray aman-dreny isiraelita dia tsy maintsy nampianatra foana ny zanay, ary na dia ny “ankizy madinika” aza dia tokony hihaino ny famakiana ny lalàn’Andriamanitra. Ny zanaky ny Isiraelita dia tokony hihaino ka ‘hianatra hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrareo.’​—Deoteronomia 31:12, 13; 6:5-9.

5, 6. Ahoana no azonao anampiana ny zanakao hahalala ny lalan’Andrimanitra?

5 Angamba ianao manana fahalalana lehibe ny Tenin’Andriamanitra, nefa izany akory tsy midika fa manana fahalalana toy izany koa ny zanakao. Tsy mandova ny fahaizanao izy ireo; anjaranao ny mampianatra azy ny zava-mahagaga momba an’Andriamanitra ary hanao izay hahatonga izany hanintona, hahafahany haniry hianatra izany.

6 Azon’ny zanakao ve ny fampianaran’ny Baiboly? Nianarany ve ireo fotopoto-pitsipika tokony harahina amin’ny fiainana isan’andro? Mianatra ny Baiboly tsy tapaka sy miaraka amin’ny fianakaviana amin’izy ireo ve ianao? Raha mbola kely izy ireo, nodinihinao niaraka taminy ve ny boky Ecoutez le grand Enseignant ka misy toko enina amby efapolo nosoratana tamin’ny fomba mifanentana aminy? Raha nataonao izany ka efa lehibe kokoa ny zanakao izao, nianaranao niaraka taminy ve ny boky Votre jeunesse​—Comment en tirer le meilleur parti iza ahitana hevitra mendrika hodinihina mba hanampiana ny tanora hiatrika ny fiainana? Milaza ny Baiboly fa Timoty dia nampianarina tamin’ireny zavatra ireny “hatry ny fony vao zaza”. Teny am-pandehanany ho any Seïra i Jakoba dia niahy ny amin’ny “dian’ny zaza”, ka izany dia mampiseho fa zava-dehibe ny hieptrahana amin’ny laharany. Rehefa mianatra miaraka amin’ny zanakao ianao, dia tokony hataonao amin’ny fomba izay hahafahany mahazo azy izany, ary ny faharetan’izany fianarana izany dia tokony ho antonony, mifanaraka amin’ny taonan’izy ireo.​—II Timoty 3:15; Genesisy 33:14.

Ny herin’ny fahamarinana

7, 8. a) Nahoana ny fahalalana ny fahamarinana no tena lehibe? b) Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany hankamamy ny fivoriana kristiana?

7 Ny fahamarinan’Andriamanitra dia hery matanjaka iray. Afaka manova ny fihevitra sy ny toetry ny olon-dehibe izany. Milaza amintsika ny Baiboly mba ‘hialantsika ny toetrantsika taloha araka ny fitondrantenantsika fahiny ka mba hohavaozina kosa isika amin’ny fanahin’ny saintsika’. (Efesiana 4:22-24; Kolosiana 3:9, 10.) Koa satria mahery toy izany ny fahamarinana kristiana, dia afaka manome fiarovana mafy ho an’ny zanakao. Matetika tokoa ny tanora dia milaza ny fankasitrahany ny fiezahan’ireo ray aman-dreniny tsy tapaka hitondra azy any am-pivoriana izay andinihana ny Tenin’Andriamanitra, na niriny izany na tsia tamin’ny voalohany. Ny zatovo iray dia nanambara hoe: “Tamin’ny voalohany aho dia tsy naniry handeha ho any tokoa. Tsy nisy zavatra firy azoko. Taty aoriana dia nahafinaritra ahy mihitsy izany, satria hoy izaho: Tsy ratsy! mianatra ny Baiboly aho!”

8 Ray aman-dreny maro no manomana mialoha ny zanany mba hahafahan’izy ireny mahazo izay lazaina ao am-pivoriana. Ny hafa mamporisika ny zanany hitadidy hevitra sasany nambara tany ka hiresaka ny amin’izany eny an-dalam-podiana. Azontsika saintsainina ny resadresaka mafana tokoa nataon’ireo fianakaviana isiraelita rehefa avy niverina tamin’ny fanompoam-pivavahana tany Jerosalema izy ireo.​—Deoteronomia 31:10-13; Lioka 2:41, 42.

Ny fanompoana ho an’Andriamanitra

9, 10. Inona no azonao atao hanampiana ny zanakao hankamamy sy ho tia ny fanompoana kristiana.

9 Raha ny amin’ny fitoriana ampahibemaso, angamba ny zanakao mihevitra an’io fanompoana an’Andriamanitra io tahaka an’i Jeremia, izay nihiaka hoe: “Indrisy, Jehovah Tompo ô!, Indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.” Zava-dehibe àry ny fampiofanana azy tsikelikely. Arakaraka ny taonany sy ny fandrosoany, dia afaka mandondom-baravarana izy, manolotra taratasy fanasana, mamaky andalan-teny iray ao amin’ny Soratra Masina, manolotra zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly eny amin’ireo trano akaikin’ny misy azy ary angamba aza mitarika fampianarana Baiboly.​—Jeremia 1:6. 7.

10 Ny fihetsikao indrindra dia hisy vokany lehibe eo amin’ireo zanakao. Ny Vavolombelona tanora iray dia nilaza hoe: “Ny reniko dia mahatsiaro fifaliana lehibe tokoa eo amin’ny fanompoana. Isaky ny mody izy, dia manan-javatra tsara hotantaraina aminay.” Rehefa manao asa sasany fanampiny ny tanora mba hahafahan’ny reniny hanao ny asan’ny mpitory maharitra (mpitory manontolo andro) mandritra ny iray volana, dia mahatsiaro tena ho toy ny mandray anjara amin’ny asany ary miandry ny fotoana hahafahany manandrana an’io tombontsoa io ny tenany. Ny tanora roapolo taona iray dia nanambara hoe: “Nahariharin’ny ray aman-dreniko foana fa, ho azy ireo, ny asan’ny mpitory maharitra dia ny zavatra tsara indrindra tokony hatao amin’ny fiainana.” Ny tanora hafa iray dia nanazava hoe: “Tadidiko fa tsy misy mihitsy fotoana tsy nampisehoana taminay ny asan’ny mpitory maharitra ho zava-kendrena.” Ny tanora dia mety ho sambatra amin’ny fahitana fifaliana maro eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, satria izy dia ilay “Andriamanitra finaritra” ary Jesosy Kristy dia “ny Andriana finaritra sady tokana”.​—I Timoty 1:11; 6:15.

Ny fankasitrahana

11-13. Soa inona no entin’ny finoanao ho an’ny zanakao raha ny amin’ny a) fahatahorana ny ho vy sy b) ny tahotra ny fahafatesana.

11 Zava-dehibe ny hahazoanao antoka fa ankasitrahan’ny zanakao izay ananany nefa tsy ananan’ny hafa angamba.

12 Ankoatra ny zavatra hafa, dia ananany ny filaminana. Amin’izao androntsika izao, ny ankapoben’ny tanora dia miresadresaka any am-pianarana ny zava-manahirana hitan’izao tontolo izao, zava-manahirana izay fantany amin’ny alalan’ny televiziona. Resahiny ny amin’ny fandotoana, ny ady ataomika sy ny fanafoanana an’izao tontolo izao mety hisy tokoa. Mifanohitra amin’ny ankamaroan’ny tanora, ny Vavolombelona tanora kosa dia matoky sady mahatsiaro tena ho tsy manana ahiahy. Fantany fa Andriamanitra dia tsy hamela ny zavatra ho tonga hatramin’izany fa ‘hanimba izay manimba ny tany’ kosa izy.​—Apokalypsy 11:18.

13 Sakaiza maron’ny zanakao no matahotra ny fahafatesana? Ny tanora izay telo ambin’ny folo taona dia nanambara hoe: “Ny fitomboana ka tsy hanantena afa-tsy ny fahafatesana dia tsy rariny amiko.” Ny zanakao kosa dia nahafantatra fa, araka ny Baiboly, ny maty dia “tsy mba mahalala na inona na inona” ary “foana ny fikasany.’ Tsy mety ho ao anatin’ny fampijaliana àry izy ireny. Fantany koa fa ny Soratra Masina dia mampanantena ny fiainana ka maro amin’ireo izay ao am-pasana no “hivoaka” avy any, satria hisy “fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” Ireo tanoranao dia afaka mamaky ao amin’ny Baiboly ireo andalan-teny mampionona tahaka ny Mpitoriteny 9:5, 10; Salamo 146:4; Jaona 5:28, 29 sy Jaona 11:11-25.

14. Nahoana no tokony ho fantatry ny zanakao ny maha-zava-dehibe ny fahamarinana iza ananany?

14 Etsy an-kilany, moa ve fantatry ny zanakao ny vidin’ny fahamarinana izay ananany? Ny Vavolombelona tanora iray dia nanambara hoe: “Izay nanintona ahy tamin’ny fahamarinana dia ny maha-izy azy: ny fahamarinana. Nilaina foana ny hanazavana tamiko ny zavatra; manontany foana aho: Nahoana? Ny Baiboly dia mazava tahaka ny andro; azo atao marina ny mifikitra aminy.” Hoy Jesosy: “Ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” Nanafaka olona an’arivony maro izany, tsy tamin’ny fanandevozana ara-pivavahana ihany, fa tamin’ny fahazarana mihinan-javatra mahankona, ny fahalotoam-pitondrantena, ny loza avy amin’ny aretin-dratsy azo avy amin’ny fahalotoam-pitondrantena, ny finoanoampoana, ny fampianaran-diso sy ny fiahiahiana ary ny fanahiana izay mampiavaka izao tontolo izao ratsy ihany koa.​—Jaona 8:32.

15. Ahoana no tokony hahatonga ny ray aman-dreny sy ny zanaka hahazo famporisihana amin’ny fahamarinana voalaza ao amin’ny a) I Jaona 4:9, 10 sy b) II Petera 3:13?

15 Nampianarinao ny zanakao ve ny maha-zava-dehibe ny fitiavana sy ny famindrampon’Andriamanitra? Tsapany ve ny havesatry ny nandefasany ny Zanany tety ambonin’ny tany mba ho avotra (I Jaona 4:9, 10; Romana 8:38, 39)? Ankamaminy ao am-pony ve ny fahatsinjovan-javatra misokatra eo anoloany: ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany (II Petera 3:13)? Raha manome vidiny lehibe ho an’ireo fitahiana ireo ny tenanao, dia hamporisika ny zanakao mba hampitombo ny fankasitrahany ianao. Ny Soratra Masina dia manambara fa ny ray aman-dreny dia tokony hatahotra an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny, “mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay.”​—Deoteronomia 5:26.

16. Tokony hotarihina hahafantatra inona ny ankizy raha ny amin’ny vidin’ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny fianakaviany?

16 Tsapan’ny zanakao ve ny soa nentin’ny fahalalana ny Baiboly ho an’ny fianakavianao? Angamba misy mpiara-mianatra aminy, izay manana ray na reny roa na telo noho ny fisaraham-panambadiana. Raha toa tena miray ny fianakavianareo, satria ny vadinao sy ny tenanao dia nifanaiky raha mbola velona, eken’ny zanakao ve fa izany dia mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly (Hebreo 13:4)? Tsapany ve fa ireny fotopoto-pitsipika ireny dia manampy azy ireo hahita filaminana, hahazo sakaiza, hanana fahatsiarovan-tena fa an’olona iray sy hanana zava-kendrena ary fitarihana iray, hanatanteraka zavatra sy hahatongavana ho olona misy vidiny, zavatra maro izay tsy fantatry ny tanora betsaka mihitsy?

17, 18. Ahoana no azon’ny ankizy ahatakarana fa ny Tenin’Andriamanitra dia tena sarobidy raha miaina a) ao anaty tokantrano voazarazara izy? na b) ny iray amin’ireo ray aman-dreniny ihany no mitaiza azy?

17 Nefa angamba hilaza ianao hoe: “Voazarazara ny fianakaviako. Ny vadiko dia tsy mampihatra fotopoto-pitsipika toy izany.” Izany dia tsy manakana ny tenanao hanaraka azy ireny. Ny Baiboly dia milaza fa ny vady tsy mpino dia mety “ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy, na dia tsy amin’ny teny aza.” Raha mety hampieritreritra ny vadinao tsy mpino ny ohatra tsara asehonao, eritrereto ny mety ho herin’ny fanajanao fotopoto-pitsipika tsara eo amin’ny zanakao.​—I Petera 3:1, 2.

18 Nefa angamba ianao irery no mitaiza ny zanakao. Amin’izay fotoana izay, resaho miaraka amin’ny zanakao ny amin’io zava-manahirana io ary mifanohàna ianareo. Omeo azy ireo ny fahafahana hanamarika ny fahasamihafana eo amin’ny fiainany sy ny hitan’ny fianakaviana hafa ifaneraserany sy ao anatin’ny tarehin-javatra mitovy amin’izany. Fitahiana re izany miaina ao anatin’ny tokantrano iray tsy hisian’n’y fimamoana, fisotroana tafahoatra zava-pisotro misy alkaola, fijangajangana sy asan’ny nofo hafa!​—I Korintiana 6:9, 10; Galatiana 5:19-21.

Fanaovan-javatra mahasoa

19, 20. a) Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany hameno ny filany fifampiresahana sy namana? b) Inona no ho vokatr’izany?

19 Tia milalao ny ankizy. Raha niresaka ny toe-javatra tsara hanjaka rehefa ho voaorina indray ny tempolin’i Jerosalema ny Baiboly, dia lazainy ankoatra ny zavatra hafa fa ny ‘ankizilahy madinika sy ny ankizivavy madinika dia hilalao eny an-dàlambeny.’ (Zakaria 8:5). Mila hanokanana fotoana koa ny tanora. Tsy ho azo atao ny mifampiresaka aminy, mahafantatra ny zava-manahirana azy ary manampy azy raha tsy anokanana fotoana izy ireny, avela hiresaka sy henoina marina izay mba tiany holazaina. Raha tsy mankalaza fety sasany avy amin’ny fanompoan-tsampy ny ankizy kristiana, ny ray aman-dreniny dia manomana matetika fotoana mahasambatra ho azy ireo: fivoahana any ivelany, fivoriam-pianakaviana na miaraka amin’ny sakaiza ary fialam-boly mahasoa hafa koa. Indraindray, ao anatin’ny taona, dia mahazo fanomezana ny ankizy. Ny fianakaviana sasany dia mandamina fety kely rehefa tonga mitsidika azy ny raibe sy ny renibe. Ny ray aman-dreny dia mamporisika koa ny fifaneraserana mahasoa eo amin’ny zanany sy ny tanora kristiana hafa. Raha mitokana ny fianakaviana, ny ankizy dia afaka manoratra ho an’ny Vavolombelona tanora izay tafahaona aminy any amin’ny fivoriambe kristiana.

20 Manontany matetika ny zanany ny ray iray hoe:”Mahatsapa ho namoy zavatra ve ianareo noho ny finoanareo? Ny valiny dia izao: Tsy izany velively!”. Raha nanohatra ny fiainany tamin’ny an’ireo mpiara-mianatra aminy ny tanora iray, dia nanambara hoe: “Ny hany zavatra tsy ananako, dia fahasahiranana maro.”

Fanampiana avy eny ivelany

21. Sady mahafantatra fa andraikitry ny ray aman-dreny ny fampianarana ny ankizy, ahoana no azon’ny hafa anampiana azy?

21 Ianareo, ry ray aman-dreny, no manana andraikitra hampianatra ny zanakareo. Ny Baiboly dia mampiseho fa ny ray no tokony handray ny fitarihana amin’io lafiny io, ary ny reny dia hanampy azy. Izao no lazainy: “Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao”. (Ohabolana 1:8; Efesiana 6:4). Izany anefa tsy milaza fa ny hafa dia tsy afaka hanampy anareo. Ny kongregasiona dia fianakaviana iray, ary tena matetika ireo olona matotra, zokinjokiny, dia miresaka ny amin’ny fanampiana manokana nentin’ny mpikambana iray tao amin’ny kongregasiona ho azy tamin’izy ireny tanora. Misy Vavolombelona be zotom-po mahatsiaro amim-pitiavana an’ireo izay nitondra azy teny amin’ny fanompoana kristiana taloha ela. Ny zatovo dia tena mankasitraka be dia be rehefa miahy azy ireo ny kristiana zokinjokiny ka manampy azy hitoetra ao anatin’ny lala-mahitsy.​—Ohabolana 13:20.

Ny ohatry ny tenanao

22. Lehibe ve ny ohatra asehonao?

22 Zava-dehibe ny hahitan’ny zanakao fa mitodika amin’Andriamanitra ny tenanao mba hahazoana ny toroheviny sy hahatsapany fa ny Teniny dia anisan’ny tenanao, ka inoanao tokoa izany ary ampiharinao amin’ny fiainanao (Salamo 143:10). Mandinika anao izy ireo. Raha enta-mavesatra ho anao ny fivoriana, raha mimonomonona ny amin’ireo loholona ianao, manakiana ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona sy mandray anjara tsy fidiny amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia angamba ny zanakao hanahaka ny ohatrao. Raha toa kosa heverinao ho toy ny fitahiana avy amin’i Jehovah daholo ireo fandaharana teokratika rehetra, dia azo inoana fa hanao toy izany ny zanakao. Ny fanabeazana ankizy dia tsy hoe manao zavatra lehibe sasany fotsiny, fa manao zavatra madinika maro kosa. Raha ataonao tsara ny zavatra kely isan’andro, dia tsy isalasalana fa afaka hanatanteraka izay zavatra lehibe rehetra mety hiseho ianao.​—Lioka 16:10; Matio 25:21.

23. Amin’ny ahoana izay andrasanao amin’ny zanakao no hisy vokany aminy?

23 Zava-dehibe indrindra ny hahafantaran’ny zanakao fa izy ireo dia mitana toerana feno tombontsoa ao am-ponao, ka tianao marina izy ireo ary tena handiso fanantenana anao raha tsy manaraka ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra izy ireo. Solomona dia nanoratra izao: “Anaka, raha hendry ny fonao, dia ho faly koa ny foko, dia ny foko.” Ary koa: “Hifaly dia hifaly ny rain’ny marina”. (Ohabolana 23:15, 24). Nefa izao, dia nihalehibe ny zanakao ary angamba izy ireo mahatsiaro fa mila fahaleovantena, hanao ahoana ny fihetsikao raha manao zavatra noresahinao taminy ka fantany fa ratsy eo imason’Andriamanitra izy? Aza malaky mamela azy na mitsahatra manampy azy. Tadidio fa tsy tanteraka koa izy ireo ary angamba izy mandalo fe-potoana mihelina tena sarotra. Na dia diso fanantenana aza ianao, dia manohiza mampiseho amim-pahatakarana ny fiheviny, nefa koa amin’ny fomba hentitra sy mazava tsara, fa ny fankatoavana ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra dia ny tena tsara indrindra ho azy ireo.​—Jakoba 3:2.

24. Inona no fanantenana azon’ny ray aman-dreny velomina raha manabe ny zanany araka ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra izy ireo?

24 Mahafinaritra ny mahita ny zanatsika mitombo ka tonga tovovavy sy tovolahy tsara, ny mahita azy ireo mandray ny andraikiny ary mampihatra eo amin’ny fiainana izay niezahantsika nampianarina azy. Ho an’ireo tanorantsika, dia azontsika atao ny milaza izay nambaran’i Paoly ho an’i Timoty tanora toy izao: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.” (II Timoty 2:15). Amin’izany dia ho azontsika atao ny hilaza toy izao ny amin’ireo zanatsika, izay tonga zanatsika ara-panahy koa: “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.”​—III Jaona 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ireo fitantarana ireo sy maro hafa koa dia voatantara amin’ny fomba mora azon’ny ankizy ao amin’ny boky iray, Recueil d’histoires bibliques, izay azo alaina any amin’ny mpampanonta ity gazety mivoaka ara-potoana ity na amin’izay mety ho Vavolombelon’i Jehovah.

Tadidinao ve izany?

◻ Nahoana moa isika no tokony hiseho ho mahatoky amin’ny fampianarana ireo zanatsika ny amin’Andriamanitra sy ny fahamarinana?

◻ Ahoana no azonao anaovana izay hahatonga an’ireo fivoriana kristiana hahaliana an’ireo zanakao?

◻ Amin’ny maha-ray aman-dreny tia antsika, ahoana no hanazarantsika tsikelikely an’ireo zanatsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra?

◻ Irintsika ny hahazo antoka fa mankamamy fitahiana inona ireo zanatsika?

[Efajoro, pejy 27]

Ilain’ny zanaka ny hahitsy, hotoroana hevitra sy hampiharana fepetra sasany. Izao no lazain’ny Baiboly: “Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana”. (Ohabolana 22:15.) Nefa rehefa ampy fiheverana ny zanany ny ray aman-dreny mba hanome fepetra azy sy hiahy ny amin’ny hahatakarany izany, dia mahatsiaro ho tsy manana ahiahy ny tanora. Tsy mamela azy ireny hanao zavatra hanimba azy ny ray aman-dreniny.

[Sary, pejy 28, 29]

Arakaraka ny itomboan’ny zaza iray... dia afaka manampy azy handroso ara-panahy ny ray aman-dreniny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara