FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/5 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-32 — Jona
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Fianaran’i Jona ny Famindram-pon’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Nandray Lesona avy Tamin’ny Fahadisoany Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Nanaiky Hahitsin’i Jehovah Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/5 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

▪ Inona moa ny “famantarana ny amin’i Jona” resahina ao amin’ny Matio 16:4?

Raha namaly ny Fariseo sy ny Sadoseo izay nangataka famantarana taminy Jesosy, dia nanambara toy izao: “Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona ihany.” — Matio 16:1-4.

Raha nanorina ny fanantenany tamin’ny tsy fahazoana tsara ny hevitry ny Daniela 7:13, 14 ireny filoha ara-pivavahana ireny dia tsy isalasalana fa naniry hahazo famantarana hita maso avy any an-danitra talohan’ny hanekena an’i Jesosy ho Mesia. Raha nanakimpy ny masony teo anoloan’ireo asa mahatalanjona sy ny fampianarana mahagagan’i Jesosy izy ireo, dia notakiny ny hifanarahan’i Kristy amin’ny hevitra efa tao an-tsainy rahateo (Jaona 4:25-29, 42; 7:31; 9:30-33). Izany no antony nilazan’i Jesosy tamin’ny Fariseo sy Sadoseo fa tsy homena afa-tsy “famantarana” amboniny iray monja izy ireo, dia “ny famantarana ny amin’i Jona”.

Jesosy dia efa niresaka ny amin’ny “famantarana ny amin’i Jona”, volana maro talohan’izay. Izay nanampiny tamin’izay dia mety hanampy antsika hahatakatra ny resahina; hoy izy: “Fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hatelon’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hatelon’alina ao anatin’ny tany.” — Matio 12:38-40.

Fony izy tao an-kibon’ny hazandrano lehibe izay nitelina azy, dia toy hoe tao amin’ny Sheola na ny fasana i Jona (Jona 2:1, 2). Avy eo dia nivoaka avy amin’izany toy ny avy amin’ny fananganana ny maty izy mba hanatanteraka ny raharahany tamin’ny naha-mpaminany tany Ninive. Ho toy izany koa ny amin’i Jesosy, nefa amin’ny fomba mahagaga kokoa ihany.

Nanambara i Jesosy fa ho faty izy ary hatsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo (Matio 16:21; 20:17-19; Jaona 2:19-21). Rehefa natsangana tamin’ny maty tokoa Jesosy tamin’ny andro fahatelo, dia tsaroan’ireo mpianany izay nolazainy tamin’izy ireo ka nanatanjaka ny finoany azy izany (Jaona 2:22; I Korintiana 15:3-8). Na dia ny mpisorona jiosy sasany aza, izay nandray fianarana avy amin’ny “famantarana ny amin’i Jona”, sy ny hafatr’i Kristy; dia “nanaiky ny finoana”. (Asa. 6:7.) Azo antoka anefa fa olom-bitsy monja izy ireny. Ny ankamaroan’ny filoha ara-pivavahana izay tsy nety nanaiky ho taitra noho ny asa nahatalanjona sy ny fampianarana nahagagan’i Jesosy fony izy teo amin’izy ireo, dia tsy niova hevitra. Nolaviny ny “famantarana ny amin’i Jona”, ny fananganana an’i Jesosy tamin’ny andro fahatelo.

▪ Nahoana moa ny mpanatrika ireo fivoriana sy fivoriambe kristiana indraindray no asaina hitsangana hanao fihirana sy vavaka?

Hatramin’ny ela be tokoa ny fanompoam-pivavahana marina dia misy hira sy vavaka (I Tantara 16:7-9; Matio 26:26-30; Jakoba 5:13, 14). Izy roa ireo àry dia mahaforona tapany tsy tapaka sy lehibe tokoa amin’ny fanompoam-pivavahana atao amin’ireo fivoriana sy fivoriambe alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Fihirana maro no miseho amin’ny endriky ny vavaka sy fiderana atao amin’Andriamanitra. Rehefa mitsangana ny mpiara-mivory maro be sy miray saina mba hihira na hivavaka, dia azo atao ny mihevitra fa izany dia mariky ny fanajana an’Andriamanitra izay anolorana fisaorana. — I Mpanjaka 8:14, 22, 23.

Mety anefa ny hahafantarana fa azo atao ny mivavaka amin’Andriamanitra na mihira fiderana azy amin’ny fitoetry ny tena rehetra (jereo Lioka 22:39-41; Asa. 16:24, 25). Tsy misy fitsipika mihitsy ny amin’izany. Raha toa, noho ny fahasalamana na noho ny antony hafa, ka aleon’ny olona iray mijanona mipetraka rehefa mihira ny kongregasiona na mivavaka, dia tsy misy maha-ratsy an’izany mihitsy. Matetika tokoa ny kristiana no mipetraka ihany mba hivavaka rehefa mivory vitsy izy ireo, ohatra, amin’ny fianarana bokin’ny kongregasiona, ny fianarana Baiboly ao an-tokantrano iray na amin’ny fisakafoana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara