FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/7 p. 18-22
  • Aoka isika hanala sarona ireo fikasana feno hafetsen’ny Devoly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka isika hanala sarona ireo fikasana feno hafetsen’ny Devoly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fomba fiasan’i Satana
  • Karazam-pitiavan-javatra ara-nofo ankolaka
  • Endriky ny spiritisma iray feno hafetsena
  • Aza manana fomba fihevitra tsy tia ny miankina
  • Mitandrema tena amin’ny Devoly fahavalonareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Miambena Satria Te Handrapaka Anao i Satana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Ilay fahavalon’ny fiainana mandrakizay
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Mifahara tsara amin’ny fanangolen’i Satana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/7 p. 18-22

Aoka isika hanala sarona ireo fikasana feno hafetsen’ny Devoly

“Ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.”​—I Petera 5:8.

1, 2. a) Inona no mety ho tarehin-javatra mahatahotra izay natrehin’ny tenan’i Jesosy? b) Nahoana no nitady hamono an’i Jesosy ny olona?

AOKA hataontsika hoe fantatrao fa nisy olona nokaramaina mba hamono anao. Ary raha fantatrao izao fa amin’izao fotoana izao indrindra izy dia manaraka anao moramora, vonona ny hanafika amin’ny fotoana mety indrindra? Mety hatahotra tokoa izany! Efa noeritreretinao ve fa Jesosy Kristy dia nifanandrina tamin’ny tarehin-javatra toy izany?

2 Hoy ny Baiboly: “Nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.” Kanefa, na dia nisy loza nananontanona ny fiainany aza, tamin’ny 32 tamin’ny fanisan-taona iraisana dia niakatra ho any Jerosalema Jesosy hankalaza ny andro firavoravoana ny amin’ny Tabernakely. Tamin’izany fotoana izany, “ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina?” (Jaona 7:1, 25) Nahoana no nitady hamono an’i Jesosy ny olona? Satria nasain’ny Devoly nanao izany izy! Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza izao, araka ny voarakitra ao amin’ny Jaona 8:44: “[Ny Devoly] dia mpamono olona hatramin’ny taloha.”

3. Nahoana ny fampitandreman’ny apostoly Petera momba ny Devoly no tena mety amin’izao fotoana izao?

3 “Noho izany àry, dia tsy tokony ho gaga isika raha mivoaka mba haka olona tia an’Andriamanitra ankehitriny ny Devoly, indrindra hatramin’ny nandroahana azy avy tany an-danitra. Manazava toy izao ny Baiboly: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny. (Apokalypsy 12:7-12) Midika izany fa Satana sy ireo demoniany dia miady amintsika amin’ny fomba rehetra! Noho izany dia tena mety indrindra amin’izao fotoana izao ilay fampitandremana hoe: “Ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.” Ilay tadiaviny harapaka dia mahafaoka anao, raha ohatra ianao ka iray amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Izany no nitenenan’i Petera toy izao koa: ”Mahonona tena, miambena.”​—I Petera 5:8.

4. a) Inona no zava-kendren’ny Devoly amin’ny fanatonana antsika amin-kafetsena? b) Ahoana ihany no mety hahombiazan’ny Devoly eo amin’ny fomba hanatonany antsika?

4 Kanefa inona no zava-kendren’ny Devoly amin’ny fanatonana antsika amin-kafetsena? Izany dia tsy hoe mba hamonoana antsika avy hatrany. Tamin’ny nanatonany an’i Jesosy tamim-pitaka, ny zava-nokendren’i Satana dia ny hampilefitra azy teo amin’ny fanompoany an’i Jehovah. (Matio 4:3-10) Rehefa tsy nahomby ny fiezahany mba haka fanahy an’i Jesosy mba tsy hankato an’Andriamanitra, ny fikasan’i Satana dia ny hanaovana izay hitadiavana fanamaivanana teo anoloan’ny fandrahonan’ny fahafatesana tamin’ny fileferana teo amin’ny fahatokiany teo anatrehan’Andriamanitra. Tahaka izany koa amin’izao andro izao,ny tena zava-kendren’i Satana amin’ny fanatonana antsika dia ny hanimbana ny fifandraisantsika tsara amin’Andriamanitra. Hahomby ve izy? Fomba tokana ihany no mety hahombiazany. Asehon’ny Baiboly izany fomba izany raha nilaza toy izao izy: “Jehovah momba anareo raha hianareo momba Azy; (...) fa raha mahafoy Azy hianareo dia hahafoy anareo Izy.”​—II Tantara 15:2.

5. a) Inona no azo lazaina ny amin’ny fahombiazan’ny fomba ampiasain’i Satana? b) Raha tiantsika ny hijoro ho mahatoky, dia inona no tsy maintsy tandremantsika mandrakariva?

5 Mampalahelo fa isan-taona dia misy resin’ny fomba ampiasain’i Satana. Mahafoy an’i Jehovah izy ireo. Raha ny tena izy, maro be amin’izay ireo no voatery noroahina tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana noho ny fitondrantenany tsy mendrika an’Andriamanitra. (I Korintiana 5:13) Ny hafa dia tonga toy ny ‘babo an’ady’, araka ny fomba fiteny, ka tratra tao amin’ny fandehan-javatr’i Satana. Moa ve ianao hijoro ho mahatoky eo anoloan’ny fiezahan’i Satana rehetra mba hahatonga anao hahafoy an’i Jehovah? Amin’izany dia mila ny mahafantatra mandrakariva ireo fikasana feno fitak’i Satana ianao.

Ny fomba fiasan’i Satana

6. Nahoana isika no tsy voatery ho ao anatin’ny maizina raha ny amin’ny fikasan’i Satana?

6 Tsy avela ao amin’ny maizina raha ny amin’ny fomba iasan’i Satana isika. “Fantatsika ny hafetseny”, hoy ny fanazavan’ny apostoly Paoly. (II Korintiana 2:11) Midika izany fa eo amintsika ny mason’i Satana—mieritreritra antsika izy, ary mampiasa ny fomba fisainany feno fahaiza-manavaka mba hitarihana antsika tsy hanompo an’Andriamanitra. Moa ve izany tsy hevitra mampieritreritra? Kanefa ao amin’ny Baiboly isika dia mahita fitantarana amin’ny antsipiriany ny amin’ireo fikasan’i Satana, izany hoe ireo volavolan-kevitra tsy tetika ary fahaizana ampiasainy, hany ka tsy misy mihitsy olona voatery tsy hahafantatra izany. Ny miaramila mahay iray dia mandinika ireo ady ara-tantara tamin’ny lasa ary mampihatra izay nianarany mba handraisana tombontsoa. Tahaka izany koa, “tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy”, isika dia afaka mandinika ireo tetika isan-karazan’i Satana ka hisoroka amin’izany ny hanatrarany antsika tsy mitandrina amin’ny alalan’ny iray amin’ireo fomba fiasany.​—II Timoty 2:3.

7. a) Inona no fomba mivantana izay ampiasain’i Satana indraindray? b) Fomba hafa inona no ampiasainy, ary nahoana?

7 Tamin’ny farany dia nentin’ireo mpiasan’i Satana tamin-kerisetra i Jesosy ary novonoiny. (Jaona 19:1; Matio 27:49, 50) Ary naminany toy izao momba ireo mpanaraka azy i Jesosy: “Hatolony ho amin’ny fahoriana hianareo ka hovonoiny.” (Matio 24:9) Kanefa, matetika izany fomba fiasa mivantana izany dia misy vokany mifanohitra amin’ny nokendren’ilay nampiasa azy ka miafara amin’ny fananan’ireo mpanompon’Andriamanitra enjehina, zotom-po lehibe kokoa eo amin’ny fanompoana azy. (Asa 5:41, 42) noho izany no anandraman’i Satana matetika kokoa fomba hafa​—fikasana feno hafetsena​—mba hanimbana ny tsy fivadihan’ny mpanompon’Andriamanitra.

8. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa hampiasa fikasana feno hafetsena i Satana?

8 Manondro izany fikasana feno hefetsena izany ny Baiboly rehefa mamporisika hoe: ‘Mijoro mba hanohitra ny fanangolen’ny Devoly.’ (Efesiana 6:11) Ny teny grika nadika hoe “fanangolena” eto dia midika hoe “asa feno fitaka”. (“Kingdom Interlinear Translation of the Greek Scriptures”) Asehon’ny Baiboly amin’izao teny izao koa ny manam-pahaizana indrindra an’i Satana eo amin’ny famitahana, satria mpamitaka sy mpifetsy aoka izany izy: “Satana aza mampiova ny endriny ho taka ny anjelin’ny mazava.”​—II Korintiana 11:14.

9, 10. a) Inona no azontsika ianarana amin’ny fandinihana ny fahombiazan’ny teti-dratsin’i Satana voalohany? b) Inona no mampiseho fa mbola manohy mampiasa hafetsena sy fitaka izy?

9 Diniho ilay teti-dratsin’i Satana voalohany nahomby. Rehefa nanatona an’i Eva izy dia tsy nanandrana ny hiady hevitra ny amin’ny hankasitrahan’Andriamanitra ny hihinanany ilay voankazo voarara. Mahay kokoa noho izany i Eva. Nataon’i Satana àry izay hisehoan’ilay voankazo ho faniry aoka izany ho an’i Eva. Nilazany izy fa ny fihinanana azy dia hanatsara tokoa ny toerana misy azy, ary notolorany fisehoan-javatra mampitsiriritra izy. “Ho tahaka an’Andriamanitra hianareo”, hoy izy. (Genesisy 3:5) Tsy nahatohitra ny fandrik’i Satana i Eva. Namboly fanirian-dratsy izy ka nitarika azy hanota izany.​—Jakoba 1:14, 15.

10 Manohy mampiasa hafetsena sy fitaka i Satana, araka ny nosoratan’i Paoly hoe: “Matahotra aho fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny. (II Korintiana 11:3) Raha toa ny fanafihan’i Satana ka tsy feno hafetsena aoka izany dia tsy ho nampoizina ny hisian’ny olona maro be aoka izany voa. Manolotra fanarian-dia mampaka fanahy antsika tsy ankijanona izy, amin’ny fanandramana amin-kafetsena ny hampahaliana antsika amin-javatra izay hanakantsakana ny fiainantsika ara-panahy amin’ny farany. Ny zava-kendrena dia ny hampahalemy antsika mba hamoizantsika an’i Jehovah tsikelikely, na mba hahafahan’ny famelezana mivantana hahomby amin’ny fanapahana ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra.

11. a) Amin’ny ahoana no azo ampitahaina ny fomba ampiasain’i Satana amin’ny an’ny mpanjono iray? b) Inona no tsy tokony hohadinointsika mihitsy?

11 Ny fomba ampiasain’i Satana dia azo ampitahaina amin’ny an’ny mpanjono iray izay mampiasa hanin-jono isan-karazany mba hahazoana trondro. Manao fanandramana ilay mpanjono mba hahitana izay hanin-jono mety hanintona ilay trondro. Marina fa rehefa mihinana ilay trondro dia tsy fantany fa misy fintana ao ambadik’ilay hanin-jono. Ahoana ny amintsika? Fantatsika ve ireo hanin-jono ampiasain’i Satana? Azontsika an-tsaina tsara ve ireo vokatra raha “voafintana” isika? Aza mety hofitahina! Fahavalo tena misy izay mitady ny hahazo antsika Satana sy ireo demoniany! Aza hadinoina mihitsy àry fa “izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” Nohajambainy ny sain’ny ankamaroan’ny olona raha ny amin’io zava-misy io. Aza avela hohajambainy ny anao.​—I Jaona 5:19; II Korintiana 4:4.

Karazam-pitiavan-javatra ara-nofo ankolaka

12. a) Inona no hanin-jono lehibe indrindra ampiasain’i Satana? b) Zavatra inona avy no mety hirin’ny maso?

12 Ny hanin-jono iray lehibe indrindra ampiasain’i Satana dia ny fitiavana zavatra ara-nofo sy fahafinaretana. (I Timoty 6:10) Miresaka ny amin’ny “filan’ny maso” ny Baiboly ka mampitandrina fa izany filana izany “dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany.” (I Jaona 2:16) Eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia misy zavatra betsaka kokoa noho izay mety hirin’ny maso aza. Misy vaovao foana raha ny amin’ny trano, ny fiarakodia, ny fiarabe, ny sambo, ny akanjo, ny televiziona, ny “hifi”, ny famantaranandro, ny “ordinateur”, ny kilalao amin’ny “vidéo”, ary ny fitaovana “électroniques” isan-karazany. Misy koa ireo fahafinaretana maro be azo ankafizina eo amin’ny mozika, ny dihy, ny sarimihetsika, ny teatira, ny televiziona, ny karazam-panatanjahan-tena tsy manam-petra, sy ny sisa.

13. a) Ahoana no ampiasain’i Satana zavatra izay mety hahitana tombontsoa mba hamandrihana ny kristiana tsy hanompo an’Andriamanitra? b) Nahoana no tsy tokony hodiantsika tsy fantatra ny maha-fahavalontsika an’i Satana?

13 Marina fa tsy voatery ho ratsy ao aminy ihany akory ny zavatra ara-nofo sy ny fahafinaretana. Namorona izao rehetra izao hita maso mahafinaritra Jehovah, anisan’izany ny tanintsika sy ny hatsarany rehetra, ho fahafinaretan’ny masontsika sy ireo vavahadin-tsaina hafa. Mazava ho azy fa mety hahasoa ny karazana fanarian-dia sy fialam-boly sasany raha apetraka eo amin’ny toerana tokony ho azy. (I Timoty 4:8) Kanefa koa, mila ny mahafantatra isika fa i Satana dia mampiasa ireo zavatra ireo indrindra mba hamandrihana ny kristiana tsy hanompoany an’Andriamanitra. Tsy misy isalasalana fa ny tenan’i Satana mihitsy dia nandray anjara lehibe tamin’ny fanamboarana sy ny fampiasana ireo zavatra hita maso sy fahafinaretana amin’ny andro ankehitriny mba hitarihana olona maro be tahaka izao tsy hanompo an’i Jehovah Andriamanitra. Aza odian-tsy fantatra ny Devoly fahavalontsika. Tonga voalohany izy raha ny amin’ny fahaiza-manafika amin-kafetsena.

14. a) Inona avy ireo famantarana hampiseho fa eo ambany fifehezan’ny karazam-pitiavan-javatra hita maso feno hafetsena ny olona iray? b) Nahoana no saika tsy tsikaritra ny fihatahana amin’Andriamanitra?

14 Ahoana no mety hahafantaranareo raha voaray ao anatin’ny fandrika feno hafetsen’ny fitiavan-javatra hita maso ampiasain’i Satana ianao? Ho fantatrao izany raha ohatra ny karazam-pialam-boly iray na ny fikatsahana fananana ara-nofo ka nanomboka nanembantsembana ny fianaranao ny Baiboly, ny fanatrehanao tsy tapaka ireo fivoriana kristiana na ny asa fitorianao isan-kerinandro. Marina tokoa fa tena mila ny miambina ianao. Mety hindaosin’ny fandriky ny zavatra hita maso iray hiala ianao raha mihamaka ny fotoananao, ny fahaliananao sy ny herinao izany. (Hebreo 2:1) Rehefa mihamiala ny sambao iray, dia mety tsy ho tsapanao fa mihetsika izy. Mety hilaza ianao fa tsy mihetsika mihitsy iza. Kanefa ny porofon’ny fihatahany dia hita amin’ny fiovany toerana miandalana. Mitovy amin’izany ny olona iray izay mihamiala amin’Andriamanitra sy ny fandaminany.

15, 16. a) Fandinihana inona no fahendrena raha ataon’ny tenantsika manokana? b) Tarehin-javatra inona no mampiseho fa fahendrena ny handinihana ny tenantsika manokana?

15 Amim-pahendrena àry no tokony handinihantsika matetika ny asantsika kristiana manokana sy hanontaniantsika tena hoe: “Moa ve aho mianatra ny Baiboly tsy tapaka toy ny fanaoko taloha? Moa ve tsy tapaka toy ny taloha ny fanatrehako fivoriana? Moa ve aho mandany fotoana eo amin’ny asa fitoriana betsaka toy ny tany am-boalohany?” Mety hilaza angamba ianao hoe: “Ka sahirana kokoa anie aho izao e.” Kanefa inona no maha-sahirana anao? Moa ve izany mety ho avy amin’ny fandanianao fotoana be kokoa hikatsahana fahafinaretana, angamba eo anoloan’ny televiziona? Moa ve izany avy amin’ny fanangonana zavatra ara-nofo sy ny fikarakarana azy, izay manakana fa tsy manampy anao eo amin’ny fanompoanao an’Andriamanitra? Moa ve ianao tena manaraka ny torohevitr’i Jesosy mba tsy hanahy ny amin’ny zavatra ara-nofo fa mba hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra aloha?​—Matio 6:31-33.

16 Maneran-tany dia feno olona voa​—dia ireo kristiana izay voaray tao amin’ny karazam-pitiavan-javatra hita maso feno hafetsena ampiasain’ny Devoly ka namela ny fanompoana an’Andriamanitra. Angamba ao amin’ny kongregasiona ianao dia afaka mieritreritra an’ireo mpiara-miasa taminao nahatoky teo aloha, kanefa izao dia tsy miasa intsony eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra satria lavon’ny fandriky ny fitiavan-javatra hita maso feno hafetsena izay nitarika hiala tsikelikely. (Filipiana 3:18) “Mahonona tena (àry), miambena.” Aza avela handrapaka anao ny Devoly!​—I Petera 5:8.

Endriky ny spiritisma iray feno hafetsena

17. a) Nahoana moa no nisy anjely nandao ny toerany tany an-danitra, ary inona no nanjo azy ireo rehefa tonga ny safodrano? b) Tompon’andraikitra ny amin’inona moa ireo anjely ireo?

17 Tsaroanao ve fony nanaraka an’i Satana tamin’ny fikomiana amin’i Jehovah ny anjely sasany? Fotoana fohy talohan’ny safodrano no nitrangan’izany. Mampahafantatra ny Baiboly fa ireo zanakavavy tsara tarehin’ny olona no tonga fandrika namitahana ny anjely. Ny sasany tamin’izy ireo dia nandao ny toeram-panompoany tany an-danitra mba ho eto an-tany ka hanana firaisana ara-nofo tamin’ireo vehivavy tsara tarehy. Mitovy tsy misy hafa amin’ny faharatsian’ny firaisan’ny samy lehilahy nataon’ireo mponina tao Sodoma sy Gomora ny zavatra nataon’izy ireo. (Genesisy 6:1, 2; Joda 6, 7) Rehefa tonga ny safodrano, dia namela ny tenany ara-nofo ireo anjely ary niverina nankany an-danitra. Na dia tsy nomena azy intsony aza ny fahafahana haka vatana olombelona mba hanomezana fahafahampo ny filany tsy araka ny natiora eo amin’ny lahy sy ny vavy, ireo anjely ireo dia niasa mafy mba hanimbana ny fitondrantenan’ny fianakavian’olombelona. Ny fitomboana lehibe misy eo amin’ny faharatsiam-pitondrantena amin’ny endriny rehetra dia vokatra mivantan’ny nandroahana azy ireo avy tany an-danitra sy ny nanereny azy ireo hijanona eo amin’ny faritry ny tany.​—I Timoty 4:1; Apokalypsy 12:9, 12.

18. Porofo inona, tamin’ny lasa sy amin’izao andro izao, no mampiseho fa ny faharatsiam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy no iray amin’ireo fomba lehibe indrindra ampiasain’i Satana mba hanimbana ny mpanompon’i Jehovah?

18 Ny fandriky ny faharatsiam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy hatrany no iray amin’ireo fomba lehibe indrindra ampiasain’ny Devoly mba hanimbana ny mpanompon’i Jehovah. Fotoana fohy talohan’ny nidiran’ny Isiraely, vahoakan’Andriamanitra, tao amin’ny Tany nampanantenaina, Satana dia nampiasa ireo vehivavy Moabita tsara tarehy ho toy ny fandrika mba hamitahana ny Isiraelita hiala tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Isiraelita an’arivony maro no “tratra” ka tonga nijangajanga, ary, ho valiny, dia novonoina ho faty noho ny ratsy nataony. (Nomery 25:1-3.) Mifandray amin’izany zava-nitranga izany no ampitandremana toy izao ny kristiana: “Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.” (I Korintiana 10:7, 8, 11) Nahomby io tetika feno hefetsen’i Satana io tamin’izay, ary mahomby koa izy io amin’izao andro izao. Betsaka kokoa ny olona voaroaka noho ny faharatsiam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy noho ny amin’ny antony hafa rehetra atambatra.

19. a) Nahoana no maro be aoka izany ny mpanompon’Andriamanitra no tafalatsaka ao amin’ny faharatsiam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy nefa fantany fa tsy tian’Andriamanitra izany? b) Inona no hanampy anao tsy ho tafalatsaka ao amin’ny faharatsiam-pitondrantena?

19 Kanefa, nahoana no maro be aoka izany ny mpanompon’i Jehovah no tafalatsaka amin’izany fanao izany nefa fantany fa nandika ny lalàn’Andriamanitra ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady? Nahoana moa i Eva no tsy nankato ny lalàn’Andriamanitra? Satria nataon’i Satana izay hisehoan’ny fanaovany izany ho manintona aoka izany; izany dia fisehoan-javatra izay noheveriny fa tsy azony navela handalo fotsiny. Toy izany koa amin’izao andro izao, amin’ny alalan’ireo fampielezany hevitra​—ny televiziona, ny sarimihetsika, ny gazety sy ny sisa—ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady dia aseho ho tsy vitan’ny hoe mampihetsiketsika sy mahafinaritra fotsiny, fa azo ekena koa. Noho izany, raha manandrana ny fandrika atolotra amin’ny alalan’ny fiasana fampielezan-kevitry Devoly ianao dia inona no hitranga? Ianao koa dia mety ho “tratra”!

Aza manana fomba fihevitra tsy tia ny miankina

20. a) Inona moa no fikasana feno hafetsena hafan’i Satana? b) Ahoana no nampiasan’i Satana izany fikasana izany nandritra ny 6 000 taona teo ho eo?

20 Hatramin’ny niantombohan’ny fikomiany mihitsy i Satana dia nampiditra fisalasalana momba ny fomba fiasan’Andriamanitra. Namporisika ny fomba fiheverana tsy tia ny miankina izy. ‘Afaka manapa-kevitra ny amin’izay tsara sy izay ratsy ho an’ny tenanao ianao’, hoy Satana tamin’i Eva. ‘Tsy voatery mihaino an’Andriamanitra ianao. Tsy tena milaza ny marina aminao izy.’ (Genesisy 3:1-5.) Mandraka ankehitriny, ny fikasana feno hafetsen’i Satana dia ny hanimba ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny karazam-piheverana toy izany.​—II Timoty 3:1-13.

21. Inona no ohatra ny amin’ny fomba fiheverana tsy tia ny miankina amin’izao andro izao, ary inona no vokany?

21 Ahoana no fisehoan’izany fomba fihevitra tsy tia miankina izany? Ny fomba mahazatra iray dia ny isalasalana ny amin’ny torohevitra omen’ny fandaminana hita mason’Andriamanitra? Ohatra, ny fandaminan’Andriamanitra indraindray dia nanome fampitandremana ny amin’ny fihainoana karazana mozika sasany izay mitory faharatsiam-pitondrantena sy manaitaitra, ny amin’ny fandehanana any amin’ny ‘‘discothèques’’ sy ny toeram-pandihizana hafaeo amin’izao tontolo izao izay itendrena izany mozika izany ary ahitana olona izay fantatra fa manaraka izany faharatsiam-pitondrantena izany. (I Korintianina 15:33) Kanefa dia nisy sasantsasany izay nihambo ho nahafanta-javatra tsara kokoa. Nikomy tamin’izany fampitandremana izany izy ary nanao izay tsara araka ny fiheverany. Inona no vokany? Matetika tokoa dia tafalatsaka tao amin’ny faharatsiam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy izy ireny, ary niharan-doza lehibe eo amin’ny lafiny ara-panahy. Kanefa na dia tsy niharan’ny vokatra toy izany aza izy, moa ve izy tsy azo kianina raha manaraka ny ohatra omeny ny hafa ka niharan’ny vokatra ratsy?​—Matio 18:6.

22. a) Inona moa no tokony ho fantatsika foana? b) Inona no hodinihintsika araka ny mety ao amin’ny fianarana manaraka?

22 Tsy maintsy antitranterina mafy foana iizao zava-misy izao: miady amin’ny fahavalo mahery lavitra noho ny olombelona isika, ary mila hatrany ny mahafantatra izany. Satana sy ireo demoniany dia tena misy; tsy zavatra foronin’ny saina fotsiny akory izy ireo ary isika dia manana ady ara-panahy aminy. (Efesianina 6:12). Tena iankinan’ny aina mihtsy ny hahafantarantsika ny fikasana feno hafetsen’izy ireo sy ny tsy hamelantsika ny tenantsika ho resin’izany. tena mety tokoa àry ny handinihantsika amin’ny manaraka ny fomba hahafahantsika manoman-tena mba hiady amin’ireny fanahy ratsy ireny.

Afaka mamaly ireto fanontaniana ireto ve ianao?

◻ Inona no zava-kendren’ny Devoly amin’ny fanafihana amin-kafetsena ny vahoakan’i Jehovah?

◻ Nahoana ny Devoly no nampiasa fikasana feno hafetsena?

◻ Fikasana feno hafetsena isan-karazany inona no ampiasain’i Satana?

◻ Inona no hanampy antsika tsy ho resin’ireny fikasana feno hafetsena ireny?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara