FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/8 p. 22-27
  • Moa ve ianao karazan’olona fidin’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Moa ve ianao karazan’olona fidin’Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ohatra taloha
  • Ny fitoriana ny filazantsara voatendrin’Andriamanitra
  • Karazam-pitoriana ny filazantsara lehibe tokoa
  • Nahoana no misy fitoriana ny filazantsara voalamina?
  • Aoka isika ho solontenan’Andriamanitra amim-pahamendrehana
  • Ny Fampiasan’i Jehovah “Fahadalana” mba Hamonjena Izay Mino
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ny fitoriana ny filazantsara — ny toerany ao anatin’ny fanompoam-pivavahana marina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • “Ataovy ny Asan’ny Mpitory ny Vaovao Tsara”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Tsy Maintsy Evanjelisitra ny Kristiana Marina Rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/8 p. 22-27

Moa ve ianao karazan’olona fidin’Andriamanitra?

“Fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry.”—1 Korintiana 1:27.

1. Nahoana moa no nisy olona be dia be nifidy ny hiseho ho adala eo imason’izao tontolo izao?

HAILIKAO ve, amin’ny filazana azy ho tsinontsinona, ny asa iray fantatrao anefa fa tena lehibe, satria fotsiny misy hafa mihevitra fa adala sy osa ireo izay manatanteraka azy? Marina fa tsy misy mihitsy olona tia ny hoheverina fa adala sy osa, na dia ny zaza aza. Aoka anefa hataontsika hoe avy amin’ny fahefana iray faran’izay manan-tsaina izany asa lehibe izany. Moa ve tsy hampidina ny avonavonao ianao ka hanaiky ny asa nanirahana. Izany no nataon’olona an-tapitrisany maro tao anatin’ny Tantara. Fa inona no adidy neken’izy ireo hatao, ary iza no nanankina izany taminy? Ny valiny dia omena antsika ao amin’ny taratasy voalohany nosoratan’i Paoly ho an’ny kristiana tany Korinto.

2. Asa inona no fahadalana amin’izao tontolo izao?

2 Nampitandremana an’ireny kristiana ireny i Paoly mba tsy hifidy fototry ny fanompoam-pivavahana arahiny arakaraka ny fitiavan’ny vahoaka izany fotsiny, ka izao no nosoratany: “Fa ny teny ny amin’ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. Fa voasoratra hoe: ”Hofoanako ny fahendren’ny hendry, ary holaviko ny fahalalan’ny mahalala’. Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’izao tontolo izao? Tsy nampodin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao? Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren’Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’Andriamanitra, ka dia ny fahadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjeny izay mino”. — 1 Korintianina 1:18-21.

3. Hafatra inona, mampiseho hadalana eo imason’izao tontolo izao, no tian’Andriamanitra hampahafantarina maneran-tany?

3 Amin’ireo lazaina fa olon-kendry sy manan-tsaina eo amin’izao tontolo izao, ny fitenin’i Kristy, izay nandatsaka ny rany, ny ainy, teo amin’ny hazo fijaliana dia hadalana. Izy dia manamavo ny hevitra hoe izay rehetra maneho finoana ny soron’i Kristy dia afaka manantena hahazo ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao sy marina iray. Amin’izy ireny, Kristy tafatsangana amin’ny maty sy Mpanjaka mahery ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izao, dia avy amin’ny hevi-dravina fotsiny. Ary anefa, ny fikasan’ilay Andriamanitra Tsitoha dia ny hampahafantatra maneran-tany io hafatra mampahery io. Koa izay rehetra maniry ho tonga mpanompony dia anankinany fanirahana hitory ity vaovao tsaran’ny Fanjakana ity. Koa satria io hafatra io dia hadalana amin’ireo olon-kendry sy ireo manan-tsaina eo amin’izao tontolo izao, iza no ampiasain’Andriamanitra mba hitory izany? Vakio ny valiny notsoahina avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra:

4. a) Iza moa no ampiasain’Andriamanitra mba hitory ny hafany? b) Inona no vokatry ny fisafidianana ny olona toy izany eo amin’ireo olon-kendrin’izao tontolo izao?

4 “Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao hoe tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.” — I Korintiana 1:26-29.

5. Ahoana moa no amantarana raha anisan’ireo fidin’Andriamanitra mba hampiasaina ho amin’ny fanompoana azy ianao?

5 Moa ve ianao karazan’olona fidin’Andriamanitra mba hanatontosa ny asa iriny ho hita hatao amin’izao andro izao maneran-tany? Raha eny, ny dikan’izany dia hoe tokony ho vonona ianao ny hoheverina fa adala eo imason’izao tontolo izao. “Fa ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra”, hoy koa ny Baiboly (I Korintiana 3:19). Raha tianao àry ny ho mpanompo ankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra, dia tokony ho vonona ianao ny hiditra ao amin’ny lalana iray izay hahatonga anao hoheverin’izao tontolo izao fa tsy mendrika. Nefa moa ve misy ohatra ara-tantara mampiseho fa noheverin’ny niara-belona taminy ho adala ireo mpanompon’Andriamanitra, nefa mampiseho koa fa ny fahendren’izao tontolo izao dia hadalana teo imason’Andriamanitra?

Ohatra taloha

6. Amin’ny heviny ahoana moa ny asan’i Noa no fahadalana ho an’izao tontolo izao tamin’izany, sady mampiseho ny fahendren’Andriamanitra?

6 Noa dia nanomboka asa izay toa hadalana teo imason’ny olona, nefa tsy toy izany araka ny fiheveran’Andriamanitra.Hitanao sary an-tsaina ve ny tenanao eo am-panorenana eo amin’ny tany maina, vata goavana tokony ho 36 800 metatra kioba natao hitsinkafona eo ambony rano? Io asa toa natao kinanga io dia tsy maintsy hiteraka fanarabiana an’ilay manao izany. Toa hadalana tamin’ny olona tamin’izany ny hevitra hoe tian’i Jehovah Andriamanitra ny handrava izao tontolo izao. Ho azy ireny, Noa dia adala tanteraka nitory hafatra toy izany (II Petera 2:5). Ary anefa, asehon’ny zava-nitranga fa ny fiainan’izy ireo, ny nataony, no hadalana teo imason’i Jehovah. Nanimba ny teny izy ireo ka niteraka tamin’izany ny fahatezeran’Andriamanitra (Genesisy 6:5). Vonona ny hiseho ho adala àry Noa mba hisehoan’ny fahendrena sy ny herin’Andriamanitra.

7. Nahoana moa no toa hadalana ny fihetsik’i Mosesy, nefa inona no asehon’ny zava-nitranga?

7 Moa ve ianao ho vonona, mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, hamoy harena sy voninahitra, ka hanaiky fitondrana ratsy ho solon’izany? Toy izany i Mosesy. Na dia “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana” aza izy, dia namoy an-tsitrapo izany karazam-piainana izany ka nanaiky ny hitondra ny fahafaham-barakan’ny voahosotr’Andriamanitra (Asa. 7:22; Hebreo 11:24-26). Tsy isalasalana mihitsy fa ny fitsipi-pitondrantena narahin’i Mosesy dia hita ho hadalana tamin’ny Egyptiana, nefa kosa ny fahendren’izao tontolo izao dia niharihary fa hadalana rehefa naetrin’ny loza folo ireo olon-kendrin’i Egypta ary rehefa naringan’Andriamanitra tao amin’ny ranomasina Mena ny miaramilan’ny tafik’io firenena io. Ireo ohatra ireo dia mampiseho fa ny fahendren’ny olona dia tena hadalana eo imason’Andriamanitra. Tsy manam-paharoa ny fahendrena sy ny herin’ny Tsitoha.

8. a) Avy amin’ny laharana ara-tsosialy inona moa ny ankamaroan’ny kristiana voalohany? b) Inona anefa no vokatry ny fitorian’izy ireo teo amin’ireo olon-kendrin’izao tontolo izao?

8 Inona no holazaina ny amin’ireo kristiana voalohany? Ny mpampianatra tantara iray dia nanoratra toy izao: “Ny ankamaroan’ny kristiana voalohany dia ambany fiaviana; izy ireny dia anisan’ny sokajy ara-tsosialy tsotra indrindra tamin’ny mpanao taozavatra sy ny mpivarotra tao amin’ireo tanàn-dehibe.” (The Ancient World, J. Swain). Ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia tena olon-tsotra, ary tsy nanadino ny nanipika izany ireo fahavalony (Asa. 4:13; Jaona 7:48). Nefa, ny fahendrena nasehon’ireo mpianatr’i Kristy dia nampangaihay an’ireo olon-kendrin’izao tontolo izao. Tsy afaka nahatakatra ny zava-miafina masin’Andriamanitra momba an’i Kristy sy ilay Fanjakana ireo; hadalana taminy izany fitenenana izany. Araka ny lazain’ny Baiboly dia hoe “Tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin’ny hazo fijaliana ny Tompon’ny voninahitra.” — I Korintiana 2:7, 8.

Ny fitoriana ny filazantsara voatendrin’Andriamanitra

9. a) Inona moa raha ny marina no loharanon’ireo toromarika nomen’i Jesosy? b) Inona moa no tsy maintsy nataon’ireo mpianatr’i Jesosy mba hitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ny olona mendrika izany?

9 Naneho ny fahendren’Andriamanitra i Jesosy Kristy na tamin’ny ohatra nomeny na tamin’ireo toromarika nomeny ho an’ny asa fitoriana ny filazantsara. Izao no nambarany: “Tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.” (Jaona 8:28). Nankany amin’ny olona Jesosy mba hampita amin’izay ireo ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nampianatra azy ireny ampahibemaso sy tany an-tokantranony izy. Aoka hojerentsika kely ny toromarika nomeny ny mpianany, tamin’ireo roa ambin’ny folo aloha, avy eo dia tamin’ny fitopolo izay nirahiny hanao ny asa fitoriana ny filazantsara. Azonao atao ny mamaky izany ao amin’ny Matio 10:1-4 sy Lioka 10:1-12. Nilaza tamin’izy ireny Jesosy mba hitady ny olona. “Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantatro [tadiavo, MN] tsara izay mendrika ao”, hoy ny fandidiany. Eny, tadiavo ireo izay maniry hihaino. Ary inona no tokony holazain’ny mpianatra amin’izy ireny? “Mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” — Matio 10:7.

10. a) Inona moa no torohevitra nomen’i Jesosy ny amin’ny fomba fanatonana ny olona? b) Inona no tokony hataon’ny mpianatra raha tsy nisy akony mihitsy ny hafatra? d) Inona moa no azo lazaina raha ny amin’ny maha-fahendrena ireo toromarik’i Kristy?

10 Nanoro hevitra azy ireo mihitsy aza Jesosy ny amin’ny fomba hanatonana ny olona. Hoy izy: “Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ity trano ity. Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany.” (Lioka 10:5, 6). Izy ireo dia tokony hiara-mitoetra amin’ireo izay nandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana notorin’izy ireo. Raha tsy liana kosa anefa ny olona, dia tokony handeha ireo mpianatra. Izany dia toromarika tsotra dia tsotra, nefa hentitra ihany mba hampisehoana amin’ireo mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana rehetra ny hoe inona no tokony holazaina ary amin’ny fomba ahoana no hilazana azy. Moa ve tsy izany no antenaina amin’ny fahendren’Andriamanitra?

11. a) Araka ny toromarik’i Jesosy, inona no tokony ho foto-kevitry ny hafatra entin’ny mpianany? b) Inona no tokony hataontsika mba hahatonga ny fitoriantsika ilay Fanjakana hisy vokany? d) Inona avy moa ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly azonao ampiasaina mba hampisehoana fa ilay Fanjakana dia handamina ireo zava-manahirana tanisaina ao amin’ity fehintsoratra ity?

11 Araka no nomarihintsika teo aloha, dia ny Fanjakana no foto-kevitry ny hafatra torin’ireo mpitory ny filazantsara. Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Lazao amin’ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 10:9). Tokony hotadidianao ao an-tsaina hatrany io foto-kevitra io, satria amin’ny maha-mpitory ny filazantsara anao dia manana andraikitra ianao hanampy ireo mpihaino anao hahatakatra fa tena mety ho vaovao tsara ho azy ireo ilay Fanjakana. Tokony hampifanarahinao na ampiharina amin’ny olona tsirairay avy ny hafatra momba ilay Fanjakana mba hifanarahan’izany amin’ny ilain’izy ireo. Arakaraka ny ilaina ny foto-javatra mahaliana ny olona iresahanao, nahoana no tsy soratana ny sasany amin’ireo zavatra hataon’ilay Fanjakana ka mahakasika azy manokana. Ohatra, ho azonao atao ny hampiseho aminy ny fomba hanatanterahan’ilay Fanjakana ny fikasan’Andriamanitra amin’ny fanaovana ny tany ho paradisa hiainan’ny olona mandrakizay. Amin’izany dia mampiasà andinin-teny toy ny Isaia 45:18 sy Salamo 37:29. Avy eo, amin’ny alalan’ny andinin-teny mety, dia ho azonao atao ny hanazava aminy ny fomba handaminan’ilay Fanjakana ireto zava-manahirana manaraka ireto:

Ny aretina: Isaia 35:5, 6; Apokalypsy 21:3, 4.

Ny fahafatesana: Isaia 25:8; 26:19; Jaona 5:28, 29; 1 Korintianina 15:26.

Ny mosary: Isaia 25:6; Salamo 67:6; 72:16.

Ny fonenana: Isaia 65:21-23.

Ny ady: Salamo 46:8, 9; 72:7, 8.

Ny heloka bevava sy ny herisetra: Salamo 37:9, 10; Ohabolana 2:22.

Ny fandotoana: Apokalypsy 11:18.

12 a) Ahoana no azon’ny mpitory ny filazantsara iray amantarana izay ilain’ny olona iray? b) Inona no fanalahidin’ny fahombiazana?

12 Ahoana no azo amantarana izay ilain’ireo mpihaino antsika? Voalohany indrindra, dia ilaina ny mahay mihaino tsara, ny ho vonona hihaino izay holazainy amintsika. Mametraha fanontaniana aminy ary henoy amim-pitandremana ny valinteniny, ka aza miaro tena avy hatrany rehefa tsy araka izay antenainao izany. Ny Vavolombelona iray izay mandray anjara amin’ny asa fitoriana ny filazantsara hatramin’ny 25 taona mahery, dia nanao izao fanamarihana izao: “Manandrana mampiresaka avy hatrany an’ilay olona aho. Araka izany, dia fantatro izay mahaliana azy fa tsy mamelabelatra fotsiny ny hevitra nentiko ho azy aho.” Araka ny nolazain’ny mpitory ny filazantsara hafa iray za-draharaha, “ny toriteny iray atao tsianjery dia mety tsy hahatratra ny sofin’ilay olona na hanidina”. Raha ny marina, mba hahatongavana ho mpitory ny filazantsara mahita vokatra, dia ilaina ny mihevitra amim-pahatsorana ny olona sahala amin’i Jesosy (Matio 9:36-38). Ataovy hitany fa mihevitra azy ireny ianao amin’ny maha-isam-batan’olona ary inoanao marina ny vaovao tsara entinao ho azy ireny. Izao no nambaran’ny Vavolombelona iray: “Raha tsy amim-piheverana no iresahanao, dia izao ihany no fanatsoahan-kevitra homen’ny olona: ny tenanao aza tsy miaiky.”

Karazam-pitoriana ny filazantsara lehibe tokoa

13. Ahoana moa no ampisehoan’ny Soratra masina fa ireo kristiana voalohany dia nanaraka ny toromarik’i Kristy momba ny fitoriana?

13 Araka ny efa hitantsika, Jesosy Kristy dia namporisika ireo mpianany hampiditra ny hafatra momba ilay Fanjakana tany amin’ireo tokantrano. Nanaraka ny toromariny ireo apostoly ka naneho ny fahendren’Andriamanitra tamin’ny fampiasana an’io karazam-pitoriana ny filazantsara lehibe tokoa io. Mitantara toy izao ny Baiboly: “Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy isan-andro teo an-kianjan’ny tempoly sy tao an-trano [isan-trano, MN] izy.” (Asa. 5:42). Taty aoriana, raha niresaka ny amin’ny asa fitoriany ny filazantsara tamin’ny sasany tamin’ireo rahalahiny kristiana ny apostoly Paoly dia nilaza tamin’izy ireo hoe: “Tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano; ary nambarako tamin’ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” — Asa. 20:20, 21.

14. Inona no manamarina fa mandaitra ny fandehanana isan-trano mba hitory ny filazantsara?

14 Na dia iharam-panesoana aza mandrakariva ireo mpanompon’Andriamanitra ka heverina ho adala noho izy ireo manaraka an’io fomba apostolika io mba hitoriana ilay Fanjakana, ny vokatra mahatalanjona azony dia mampiseho fa ankasitrahan’Andriamanitra izy ireny. Ohatra, Bryan Wilson, sosiology anglisy izay namakafaka ny fitomboana azon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Japon, dia nanao izao fanamarihana izao: “Ny ankamaroan’ny olona [58,3 isan-jato] tonga Vavolombelon’i Jehovah dia manantitrantitra fa taitra voalohany ny fahalianany rehefa nisy mpitory iray nitsidika azy ireo tany an-tranony.” Taona vitsivitsy lasa izay, John O’Brien, pretra katolika, dia nanambara toy izao teo anatrehan’ny pretra 200 tafavory tao amin’ny seminera Saint-Joseph, any New York: “Ny tsiambaratelon’ny fahombiazana lehibe dia lehibe hitan’ny masindahy Paoly dia ny fandraisany anjara tsy mety sasatra tamin’ny asa isan-trano mba hanova olona. Faran’izay hafahafa fa io fomba io amin’izao andro izao dia ampiasain’ny Fiangonana tsy katolika, indrindra fa ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nahoana no misy fitoriana ny filazantsara voalamina?

15. Nahoana moa no zava-dehibe ny hanokanana fotoana mba hitoriana isan-trano?

15 Moa ve tsy marina fa tena ilaina ny fandaharana iray rehefa tiana ny hikarakara zava-dehibe? Tsy isalasalana fa ianao dia nanokana ora iray na nanomana fotoana mba hihinanana, hatoriana, handehanana any an-tsekoly sy hiasana. Raha tianao ny hanao asa sasany, dia zava-dehibe ny hitsinjovana fotoana ho amin’izany. Toy izany koa ny amin’ny fitoriana isan-trano. Koa satria Satana Devoly miady mba tsy hahatraran’ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ny olona, dia mila fandaharana isika mba handraisana anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Raha tsy izany dia tena mety ‘tsy hanam-potoana’ handraisana anjara amin’izany isika (I Korintiana 9:16). Izany indrindra no zava-kendren’i Satana.

16. Inona avy no ohatra mampiseho fa zava-dehibe ny hananana fandaharana ho amin’ny fitoriana?

16 Ny mpitsabo iray, Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny 25 taona mahery dia nilaza fa eo imasony dia ilaina ny fandaharam-potoana mba hitoriana ny vaovao tsara. Tany Etazonia, ny tompon’ny toeram-piompiana sy fambolena lehibe iray dia nanambara toy izao: “Tany amin’ny 1944 dia takatro fa ny hany fomba handraisako anjara amin’ny fanompoana dia ny fanokanana andro hentitra amin’izany.” Ary dia nanampy teny ty izao izy: “Amin’izao andro izao koa, dia manokana indray andro isan-kerinandro amin’ny fanompoana aho.” Ny Vavolombelona iray izay mpisolovava sady loholona ao amin’ny kongregasiona iray dia mihevitra fa fandaharana hentitra ihany no mahatonga azy ho afaka hanokana dimy ambin’ny folo ora isam-bolana amin’ny fitoriana ara-keviny. Raha sendra voatery mikarakara raharaha iray izy ny asabotsy, dia ny tolakandro no atokany amin’izany rehefa avy nandany ny maraina tamin’ny asa fitoriana izy. — Jereo Kolosiana 4:5.

Aoka isika ho solontenan’Andriamanitra amim-pahamendrehana

17. Ahoana moa no tokony hitandremantsika ny fisehoantsika ivelany rehefa mandray anjara amin’ny asa fitoriana ny filazantsara isika?

17 Na dia mety hihevitra antsika ho adala aza izao tontolo izao noho ny hafatra mamelombelona ampitaintsika, dia tokony hitandrina ihany isika mba tsy hahatonga ny fisehoantsika ivelany hampiala ny olona amin’io hafatra lehibe tokoa io. Mety hitranga izany raha ara-damaody loatra na tsy voatandrina loatra ny fitafiantsika. Any amin’ny faritany manan-karena kokoa, dia mety hilaina ny hitandremana bebe kokoa ny fisehoantsika ivelany. Milaza ve izany fa mila fitafiana sarobidy isika? Tsia. Ny vehivavy mpitory ny filazantsara iray izay nandeha foana niaraka tamin’ny vadiny ary nahazo vokatra tsara dia tsara, dia mandinika amim-pitandremana ny fomba fitafin’ny mponina ao amin’ilay faritany, avy eo dia mifidy fitafiana maotina izay ahitana taratry ny fahazarana eo an-toerana izy. Ny fitafiana ananantsika, na dia tsotra tokoa aza, dia hety raha madio, voapasoka tsara sy milamina. Moa ve ao daholo ny bokotra amin’ny akanjo amboninao? Tsy misy loto ve amin’ny karavatonao? Voaisy fanadiovana azy ny kiraronao? Aza hadinoina fa ny fitafiana madio sy mendrika dia miteraka fanajana ny hafatra entintsika. — Titosy 2:10.

18. a) Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny maha-zava-dehibe ny hifidianana fisehoana ivelany mifanitsy amin’ny fahazarana tsara eo an-toerana. b) Nahoana moa no tsy tsara ny fitafiana mihaitraitra loatra?

18 Ny anabavy iray izay nanomboka nitandrina kokoa ny fisehoany ivelany dia mitantara fa ny vehivavy iray izay tsy naniry ny hiresaka taminy akory aza teo aloha, dia nanasa azy tamin’io indray mandeha io mba hiditra tao an-tranony. Taorian’ny lahateny araka ny Baiboly mahafinaritra tokoa, dia nanontany azy toy izao io vehivavy io: “Fa anisan’ny fivavahana inona marina moa ianareo e?” Ny valiny hoe: “Vavolombelon’i Jehovah” dia nanaitra azy. Hatreo izy dia tsy nampiditra Vavolombelon’i Jehovah mihitsy. Rehefa nanontany azy tamin’izay ilay anabavy hoe nahoana izy no nanasa azy hiditra, dia namaly ilay olona fa noho izy “tsara fitafy”. Nahatsiaro ho voatery hihaino izay holazainy taminy io vehivavy io. Natomboka tamin’izay ny fianarana ny Baiboly tsy tapaka. Any amin’ny faritany tsotra kokoa kosa anefa, ny fitafiana voakaly loatra dia mety hahatonga ny olona hiresahanao hihevitra fa manao ny tenanao ho ambony ianao. Araka izany àry, na manao ahoana na manao ahoana faritany anaovantsika ny asantsika na karazan’olona itoriantsika, ny fitafiantsika na ny fisehoantsika ivelany dia tokony hanintona ny olona ho amin’ny hafatra entintsika fa tsy hampiala azy amin’izany. — I Korintiana 9:19-23.

Afaka mamaly ve ianao?

□ Fitenenana inona no hadalana eo imason’izao tontolo izao?

□ Ahoana no nampisehoan’i Noa sy Mosesy fa izay fahadalana amin’izao tontolo izao, raha ny marina dia mety ho taratry ny fahendren’Andriamanitra?

□ Inona avy no toromarika nomen’i Jesosy an’ireo mpianany ny amin’ny fomba hanaovana ny asa fitoriana ny filazantsara?

□ Inona moa no fomba lehibe tokoa fitoriana ny vaovao tsara, ary moa ve manome vokatra tsara izany?

□ Nahoana moa no zava-dehibe ny hanokanana fotoana hitoriana?

□ Ahoana no tokony ho fomba fitafintsika mba handraisana anjara amin’ny asa fitoriana ny filazantsara?

19. a) Inona moa no zava-dehibe mba hahatongavana ho olona fidin’Andriamanitra? b) Inona no ohatra navelan’i Kristy amin’io lafiny io? d) Tombontsoa inona avy no mety homena antsika raha vonona ny hiseho ho adala eo imason’izao tontolo izao isika?

[Sary, pejy 25]

Ny fitoriana isan-trano dia fomba iray fitoriana ny filazantsara ankasitrahan’ny Soratra masina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara