Ny fanetren-tena—firavaka tsara ho an’ny tanora sy ny antitra
NY FANETREN-TENA dia toetra iray mandresy. Mahatonga an’ilay manana azy ho olona mora tiavina izy io. Ary iza moa no tsy mankasitraka ny hotiavin’ny hafa? Noho ny antony tsara àry no azo ilazana ny fanetren-tena ho firavaka tsara iray ho an’ny tanora sy ny antitra.
Kanefa, ny tanora indrindra no toa manan-java-manahirana amin’ny fambolena ny toetra antonony raha ny amin’ny fanetren-tena. Etsy andaniny, dia misy ireo tanora izay toa manetry tena be loatra. Saro-kenatra izy ireo raha ny amin’ny fanekena andraikitra, satria tsapany tsara fa voafetra ny fahaizany manokana sady tsy ampy fanandraman-javatra izy. Etsy ankilany kosa, dia maro be ireo tanora izay matoky tena be loatra, toa tsy mahatakatra fa voafetra ny zavatra mety ho vitany noho ny tsy fahampian’ny fanandraman-javatra. Ny Baiboly dia manome ohatra ny amin’ireo karazan-tanora ireo.
Ohatra mifanohitra
Ny mety hananan’ny tsy fahampiam-panetren-tena vokatra ratsy dia ratsy dia asehon’ny ohatr’i Rehoboama, zanak’i Solomona mpanjaka. Mbola tena tanora izy raha niakatra teo amin’ny seza fiandrianan’ny foko roa ambin’ny folon’ny Isiraely. Rehefa nitalaho tamin-dRehoboama ny vahoaka mba hampihena ny ziogan’izy ireo, dia inona o lalana narahiny? Na dia namporisihin’ireo mpanolo-tsaina be taona kokoa aza izy mba hampiseho fiantrana, dia nolaviny ny torohevitra feno fahendren’ireo. Neken-dRehoboama kosa anefa ny torohevitr’ireo olona tanora kokoa izay nanoro hevitra azy mba hifampiraharaha amin’ny fomba henjana amin’ny vahoaka. Ka hoy izy tamin’ireo: “Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo. Kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.” Raha tovolahy nanetry tena i Rehoboama dia ho nihaino ireo mpanolo-tsaina be taona kokoa izy ka ho nampihena ny ziogan’ny vahoaka. Ny tsy fanaovany izany no namoizany 10 tamin’ireo foko roa ambin’ny folo.—I Mpanjaka 12:3-24.
Mifanohitra tanteraka amin-dRehoboama i Eliho. Izy io dia namela ohatra tsara ho an’ny zatovolahy rehetra amin’izao andro izao, satria izy sady tsy saro-kenatra be loatra no tsy natoky tena be loatra. Na dia nanana ny valiny rehetra aza i Eliho, araka ny fomba fiteny, nandritra ny andro maro izy dia nihaino tamim-paharetana an’i Joba sy ireo mody ho “mpampionona” azy mpihatsaravelatsihy. Rehefa “tapitra” ny tenin’i Joba” vao niteny i Eliho, ka nampiseho fanetren-tena araka ny izy. “Mbola tanora aho, fa hianareo kosa efa fotsy volo”, hoy izy. “Koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro”.—Joba 31:40; 32:4-7.
Tena nahomby kokoa sy navesa-danja kokoa ny tenin’i Eliho satria niandry taorian’ny nitenenan’ireo zokiolona ireo izy! Toa nanana ny fanalahidin’ilay zava-manahirana i Eliho, kanefa ireo dia nampiseho ankarihary fa tsy fantatr’izy ireo izay zavatra tafiditra. Ary inona no zavatra tafiditra? Ny raharaha momba ny fahamarinan’ny fiandrianan’i Jehovah Andriamanitra ary ny hananany vahoaka eto an-tany izay hiseho ho mahatoky eo anatrehany na inona na inona zavatra tsy maintsy hiaretany.—Joba 1:7-2:10.
Diniho koa i Jeremia. Rehefa notendren’i Jehovah Andriamanitra ho mpaminany izy, dia nitalaho taminy izy fa tsy mahay noho ny fahatanorany. Kanefa namaly Andriamanitra hoe: “Aza manao hoe: mbola zaza aho; fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao hianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. Aza matahotra azy hianao; fa momba anao hamonjy anao Aho”. (Jeremia 1:7, 8) Noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, i Jeremia dia naharesy ny fahasarotan-kenatra tao aminy ary nanambara ny hafatr’Andriamanitra tsy amin-tahotra. Kanefa ilay mpaminany dia tsy tonga hatramin’ny fireharehana tafahoatra mihitsy. Raha teo anoloan’ny mpanjaka sy ny manam-pahefana hafa izy dia niteny hatrany tamin’ny fanajana lalina izay tokony hananan’ny olona manetry tena iray.
Avy amin’ny Soratra azo tamin’ny tsindrimandry dia azontsika tsoahina fa i Timoty koa dia zatovolahy nanetry tena hafa iray izay saro-kenatra kely ihany ary tsy be teny. Na dia tsy milaza izany mivantana aza ny Baiboly, dia mety ho tonga amin’izany famaranan-kevitra izany isika amin’ny famakiana izay lazainy. Mariho kely fa i Timoty dia nilazan’ny apostoly Paoly, namany be taona kokoa hoe: “Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao.” Raha nanana fahatokian-tena be i Timoty, dia azo antoka fa tsy ho nila ny hilaza izany taminy i Paoly. Azo inoana tanteraka fa noho ny fanetren-tena sy tsy nahabe teny an’i Timoty, dia azo antoka fa tsy ho nila ny hilaza izany taminy i Paoly. Azo inoana tanteraka fa noho ny fanetren-tena sy tsy nahabe teny an’i Timoty koa no nahitan’i Paoly fa nilaina ny nanoro hevitra ny kongregasiona tany Korinto hoe: “Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy, fa ny asan’ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa. Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy.”—I Timoty 4:12; I Korintiana 16:10, 11.
Mazava àry fa ny kristiana tanora sy antitra dia haniry ny hihataka amin’ny lalana tsy mampiseho fahendrena sy fanetren-tena narahin-dRehoboama. Fa hampiseho fahendrena kosa izy amin’ny fanahafana ny fihetsika feno fanajana sy fanetren-tena nananan’i Eliho. Ary avy amin’ny ohatr’i Jeremia sy Timoty dia azon’ny kristiana tanora atao ny mianatra fa tokony handroso amim-panetren-tena nefa amim-pahasahiana izy amin’ny fanompoana an’i Jehovah na dia toa saro-kenatra na tsy be teny aza izy. Raha maharitra izy, arakaraka ny fotoana dia hahazo zavatra izay hanatsara be dia be ny fanompoany an’i Jehovah izy.
Ny hasarobidin’ny fanandraman-javatra
Kanefa, noho ny fahatsaran’ny fahasalamana aoka izany sy ny hery ara-batana, ary matetika noho ny lohany feno fahalalana avy amin’ny boky, mazàna ireo tanora no mirona hatoky tena be loatra raha ny amin’ny fahaizany. Koa mety hihevitra izy fa afaka mandamina ireo zava-manahirana izay nianjady tamin’ireo zokiny nandritra ny taranaka maro. Kanefa na dia eo aza ny fahalalany, ny faharisihany ary ny heriny ara-batana rehetra, dia mbola eo ihany ny zava-misy ny amin’ny tsy fananan’ny tanora fanandraman-javatra. Azo heverina fa izany no nanamarihan’i Plaute, mpanoratra tantara an-tsehatra romana, hoe: “Mety amin’ny zatovolahy iray ny fanetren-tena”. Mazàna ny fanandraman-javatra dia manalefaka ny hafanam-po sy ny faharisihana ary ny fatokian-tenan’ny olona iray. Noho izany no ilazana fa ny mpitsabo tanora iray dia manomboka ny fiainany amin’ny fananana fanafody zato ho an’ny aretina tsirairay avy, nefa arakaraka ireo taona misy fanandraman-javatra dia mahita izy fa misy aretina zato ho an’ny fanafody tsirairay avy!—Mpitoriteny 11:9.
Eny, ny fanandraman-javatra—izany no mahasamy hafa ny tarehin-javatra! Ny Baiboly aza dia nilaza fa i Jesosy Kristy dia natao tanteraka tamin’ny naha-Mpanjaka sy Mpisoronabe azy noho ny fanandraman-javatra hitany, noho ny fahoriana nentiny. (Hebreo 4:15; 5:8, 9) Nolazaina fa ny fanandraman-javatra dia mpampianatra mampandany vola be, nefa tsy hahita mpampianatra hafa noho io hampianatra azy ny adala. Marina fa ny tany dia feno olona izay tsy manana ny fanetren-tena ilaina akory mba hianarana na dia avy amin’ny fanandraman-javatra aza. Kanefa ny fanandraman-javatra dia tena manampy ny olona manetry tena ho hendry.
Fanampiana mba hahatongavana ho manetry tena
Mety ho tsapan’ny kristiana tanora sy antitra fa firavaka tsara ny fanetren-tena. Kanefa ahoana no hahafahana mamboly io toetra faniry io? Anisan’ireo fanampiana amin’ny fambolena fanetren-tena ny famakiana ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, isan’andro. Izany dia manome antsika fomba fijery mety ary manampy antsika mba tsy hihevitra ny tenantsika ho zavatra loatra. Ny famakiana ny Baiboly koa dia manampy antsika mba hijery ny zavatra araka ny fomba fihevitr’Andriamanitra. Ohatra, ny Baiboly dia milaza fa amin’Andriamanitra ny olona dia toy ny valala fotsiny ary ny firenena manontolo dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny. (Isaia 40:15, 22) Raha ny marina, ny Baiboly dia mananatra antsika mba hanetry tena raha milaza izy hoe: “Efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.” Ary ny dikan’ny hoe manetry tena dia nasehon’ny apostoly Paoly tamin’ny filazana hoe: “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony”. Ilaina ny hiheverantsika zavatra sasany ny amin’ny tenantsika, kanefa ny olona manetry tena iray dia mitandrina mba tsy hihevi-tena be loatra raha ny amin’ny fahaizany.—Mika 6:8; Romana 12:3.
Mariho fa ilay anatra voatonona teo dia tsy nomena ny tanora ihany fa ny rehetra, ny antitra sy ny tanora. Kanefa, ny Baiboly dia manambara fa tena mety ho an’ny tanora indrindra ny fanetren-tena. Fanampin’izany, hatramin’ny andron’i Mosesy ka hatramin’ny andron’ireo apostolin’i Jesosy, ny Baiboly dia mampiseho fa ny andraikitra ao amin’ny kongregasiona dia tokony hosahanin’ny “loholona”. (Eksodosy 3:16; I Petera 5:1-5.)
Manampy antsika rehetra hanetry tena ny fitadidian-tsika foana fa ny fanaovan-javatra amim-panetren-tena no lalan’ny fahendrena ho an’ny tanora sy ho an’ny antitra koa. Hitsimbina antsika tsy ho tratran’ny zava-manahirana maro ny fanetren-tena, satria hisakana antsika tsy hanantena be loatra avy amin’ny hafa ary tsy hampanantena mihoatra noho izay azontsika omena. Hanakana antsika tsy hampiteraka ao amin’ny hafa, saina tia fifaninanana, na fandrafiana, izany ary hahatonga antsika ho olona mora tiavina kokoa. Ny fanetren-tena koa dia mampitombo ny fiadanan-tsaina sy ny fianinana, izay toetra fototra mba hahatonga ho sambatra. Noho izany, tsy hoe tsy misy antony akory ny nilazan’i Solomona Mpanjaka hendry toy izao: “Ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena”.—Ohabolana 11:2.
[Sary, pejy 9]
Niandry tamim-panetren-tena ny anjarany i Eliho tanora mba hiarovana ny fahamarinana.