Nitsangana hanohitra ny fivadiham-pinoana ny apostoly iray
Mba hahazoana tombony faran’izay betsaka amin’ity lahatsoratra ity, dia mamporisika anao izahay mba hamaky ao amin’ny Baibolinao ny Jaona Voalohany. Pejy vitsivitsy monja izany.
TEO am-pifaranan’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana dia nisy loza iray nisoko nananontanona ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany. Moa ve izany fanenjehana nandrahonan’ny tsy kristiana hampiharina taminy? Tsia. Ny loza lehibe indrindra dia avy ao anatiny. Ny fahavalo nikendry ny kristiana dia tsy hafa fa ny fivadiham-pinoana.
Tamin’ny 98, dia tsy nisy afa-tsy apostoly iray sisa mba hanakana izay ho tonga tena onja mahery vaikan’ny fampianaran-diso sy fanekena lembenana ara-pivavahana sy ara-politika taty aoriana. Io manda fiarovana farany io dia lehilahy efa be taona, Jaona, zanak’i Zebedio sady rahalahin’ny apostoly Jakoba izay maty maritiora efa 54 taona talohan’izay. Fony tanora i Jaona dia nanompo teo anilan’i Jesosy nandritra ny fanompoany fohy teto an-tany. Angamba noho ny faharisihany voajanahary, Jesosy dia niantso azy hoe “Zana-baratra”. Na dia tena be taona tokoa aza Jaona izao dia niomana hanoratra taratasy mahery iray ho an’ireo kongregasiona kristiana mba hampitandremana sy hanoroana hevitra azy ireny. Ny teniny anefa dia mbola sarobidy foana ho antsika. — Marka 3:17; Lioka 9:51-56.
Fantatr’i Jaona tanteraka fa hitsofoka any amin’ireo rahalahiny ny fivadiham-pinoana. Ary na dia ny apostoly Paoly aza dia efa nanambara talohan’izay fa hiseho ny fivadihana toy izany (Asan’ny apostoly 20:29, 30). Tsy nisalasala àry i Jaona nanala sarona ny mpamitaka tamin’ireto teny ireto: “Maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy namantsika izy; fa raha tahiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany.” Aoka homarihintsika fa miresaka ny “antikristy” toy ny milaza maro i Jaona, ka izany dia manondro fa ny fivadiham-pinoana resahina dia tsy zavatra ataon’ny olona iray ihany. Mifanohitra amin’izany kosa fa nahatarika olona maro izy, izay nanda hatreo ny sary omen’ny Soratra Masina an’i Kristy. — I Jaona 2:18, 29.
Iza àry ireo antikristy ireo? Tamin’ny fomba ahoana no nanandramany namitaka ny rahalahiny tao amin’ny finoana? Jaona dia tsy nitsitsy ny teniny raha nanala sarona ireny mpivadi-pinoana ireny. Namely azy ireny teo amin’ny zavatra telo izy: izy ireny tokoa dia nanda 1) fa Kristy dia tonga tamin’ny nofo, 2) fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra ary 3) ny toetr’izy ireo mpanota.
Tonga tamin’ny nofo ve Kristy?
‘Nefa ahoana no nandavan’ny mpino fa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy?’ hoy angamba ianao. Tamin’ny faran’ny taonjato voalohany, ny kristiana sasany dia toa nanaiky hotaomin’ny filozofia grika sy ireo mpilaza ho manana fahalalana feno ny amin’ny toe-tenan’Andriamanitra. Ireny mpivadi-pinoana ireny dia nahita fisehoan’ny ratsy tao amin’ny zavatra rehetra hita maso ary indrindra tao amin’ny vatana ara-nofo. Noho izany, araka ny hevitr’ireny antikristy ireny, Jesosy dia tsy tonga tamin’ny nofo maloto, fa tamin’ny naha-fanahy (esprit). Jaona dia nampiharihary fa tsy nanohana velively ny karazana fiheverana ara-teolojia toy izany, izay manao tsinontsinona ny vidin’ny sorom-panavotan’i Kristy. Noho izany dia nasehony “Jesosy Kristy, ilay Marina”, ho toy ny “avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.” — I Jaona 2:1, 2.
Eo aoriana kely kokoa, Jaona dia manazava bebe kokoa hatrany ihany ny zavatra dinihina, amin’ny alalan’ity filazana tsotra sy hentitra ity: “Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Kristy no avy amin’Andriamanitra; ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy dia tsy mba avy amin’Andriamanitra”. — I Jaona 4:2, 3.
Moa ve Kristy tokoa i Jesosy?
Toa nisy kristiana jiosy sandoka hafa tonga hatramin’ny fandavana an’i Jesosy ho Kristy Zanak’Andriamanitra. Tsy nihambahamba i Jaona nanameloka ny tsy fahampiam-pinoan’izy ireo tamin’izao teny izao: “Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà ny Ray sy ny Zanaka.” (I Jaona 2:22). Ny fanambarana mazava nataon’i Jaona dia nanaporofo fa tsy tantiny ny mpisalasala.
Nametraka fanontaniana hafa iray i Jaona avy eo mba hanohanana ny fanaporofoan-keviny: “Iza moa no maharesy izao tontolo izao, hoy izy, afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra? (...) Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay hianareo.” — I Jaona 5:5, 13.
Mpanota ve isika?
Na dia toa mahagaga aza izany, ny sasany tamin’ireo antikristy ireny dia nilaza tena ho tsy nanana ota, na tsy afaka nanota (satria nihevi-tena ho voavonjy izy ireo). Noho izany no niezahan’i Jaona handrava izany lainga tsara lahatra izany tao amin’ny taratasiny. Ohatra, nanoratra izy hoe: “Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika (...). Raha hoy isika: tsy nanota isika, dia mampandainga Azy [Andriamanitra], ary ny teniny tsy atao anatintsika.” — I Jaona 1:8-10.
‘Fa inona moa ny ota?’, hoy angamba ianao. Ny teny grika hoe hamartia dia midika ara-bakiteny hoe ‘ny tsy fahatratrarana ny zava-kendrena’. Kanefa teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra, Jaona dia nanome antsika izao heviny mitatra kokoa izao: “izay rehetra manota no mandika ny lalàna, fa ny ota no fandikana ny lalàna [amin’ny teny grika anomia, teny manondro ny fandikana lalàna, ny fitondrantena ratsy, ny faharatsiana] (...). Izay manota [zatra manota, MN] dia avy amin’ny devoly (...). Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota [tsy zatra manota, MN]. — I Jaona 3:4, 8, 9.
Marina fa mpanota avokoa isika. Kanefa Jaona eto dia mikendry ny mpanota manao fanahy iniana, “zatra manota” na manaram-po amin’izany. Eo ambanimbany kokoa dia asehony ny halehiben’ny toe-javatra misy ny olona zatra manota, rehefa nanoratra toy izao izy: “Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.” (I Jaona 3:10; 5:18). Aoka àry isika handositra mihitsy ny fahazarana manota izay manohitra ny kristianisma.
Ny anton’ny fivadiham-pinoana
Nefa inona no nanohana ireny fampianaran-diso samihafa ireny? William Barclay, mpahay teny grika amin’izao taonjato faha-20 izao dia manolotra fanazavana iray toa marina ho antsika. Araka ny heviny tokoa, ny fitaomana manimba notoherin’i Jaona dia avy amin’ny lehilahy “izay nikendry ny hahatonga ny kristianisma hohajaina eo amin’ny lafiny ara-tsaina (...), [olona] izay nahafantatra ny fironana sy ny fandehan’ny fisainan’ny olona tamin’ny androny, ka nitady hamaritra ny kristianisma indray araka ireny filozofia nalaza ireny. Izany dia avy amin’ny lehilahy izay nihevitra fa tonga ny fotoana hampifanarahana ny krsitianisma amin’ny filozofia tsy ara-pivavahana sy ny hevitra narahina tamin’izany andro izany.”
Amin’izao androntsika izao dia misy koa maka fomba fijery mitovy amin’izany, izay mahatandindomin-doza ny fototry ny finoana marina mihitsy. Ireny mpahay mandaha-teny ireny dia mitady hanatsatso ny fampianarana kristiana mba hahatonga izany hahafinaritra kokoa amin’ireo manan-kaja sy ireo manan-tsaina eo amin’izao fandehan-javatra izao. Raha narahina ireny fomba fijery ireny izay narovana tao anatin’izao taona faramparany izao, dia azo inoana fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia ho nanary ny toetra tsara sy ny hery mahagaga izay mampitovy azy indrindra amin’ireo kristiana voalohany.
Noho izany, ankehitriny koa, ny torohevitr’i Jaona manaraka dia mety indrindra. Izao no vakintsika: “Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” Ary anefa ny didiny resahina dia mitaky ny hitoriantsika ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny hihatahantsika amin’izao tontolo izao sy hitoerantsika mialanalana raha ny amin’ny adiny, sady manao izay vitantsika rehetra ny amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fampisehoana fitiavana. — I Jaona 5:3; Marka 13:10; Jaona 17:16; Matio 6:9; I Jaona 3:23.
Fiarovana iray amin’ny ota sy ny fivadiham-pinoana
Moa ve misy fisakanana mety hanoherana ny fahazarana manota? Mamaly toy izao i Jaona: “Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra; FA ANDRIAMANITRA DIA FITIAVANA.” Araka izany, amin’ny fahatsorana manaitra no anazavan’i Jaona tsara ny teniny. Avy amin’ny fitiavana ny zava-drehetra. Afa-tsy izany, ny fitiavan’Andriamanitra izay miseho amin’ny alalan’ny Zanany, dia fiarovana tsara indrindra amin’ny vokatry ny ota. “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana amin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany.” Inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika? Mibitsika amintsika ny valiny Jaona: “Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.” — I Jaona 4:8-11.
Raha tiantsika marina Andriamanitra sy ny namantsika dia hanohitra ny fanafihan’ny ota sy ny fivadiham-pinoana isika. Ny fitiavantsika dia hihazona antsika tsy handika an-tsitrapo ny lalàna sy ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra. Kanefa Jaona dia nanonona koa izao fampitandremana izao: “Misy ota mahafaty.” Ary anefa ny mpivadi-pinoana tsy mety mibebaka dia tsy isalasalana fa anisan’ny karazan’olona izay mendrika ny fandringanana. — I Jaona 5:16, 17; Matio 12:31; Lioka 12:10; Hebreo 6:4-6; 10:23-27.
Raha ny ota sy ny fivadiham-pinoana no mahaforona ny mpampita aratra mainty izay hita ao anatin’ny taratasy iray manontolon’i Jaona, dia ny fitiavana kosa no mampihaingo tahaka ny laharana perla. Na dia mirakitra fampitandremana iray manjombona aza ny epistiliny dia hazavain’ny foto-kevitra telo izay miverimberina tsy tapaka kosa: ny fitiavana, ny fahazavana sy ny fiainana. Raha fintinina dia mamporisika antsika toy izao i Jaona: ‘Mandosira ny mpandainga, ny anti-kristy sy ny mpivadi-pinoana. Mandava ny haizina, mandehana ao amin’ny mazava. Foany ny fankahalana ary araho ny fitiavana. Tohero ny fahotana, nefa fantaro fa raha toa nanota ianao dia manana an’i Jesosy Kristy ho mpanampy sy mpisolovava eo anatrehan’ny Ray.’ Raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, “izao no fanambarany: fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany.” — I Jaona 5:11; 2:1, 2.
Nofaranan’i Jaona tamin’izao teny izao ny taratasiny: “Anaka, arovy ny tenanao amin’ny sampy”. (I Jaona 5:21). Teo amin’izao tontolo izao romana fahiny dia nety tsara izany famporisihana izany. Ary amin’izao androntsika izao, ho an’ireo izay ta-hanaraka ny kristianisma marina sy tsy te-ho latsaka ao anatin’ny fivadiham-pinoana, dia mbola iankinan’ny aina izany. Aoka hohenointsika àry ny torohevitra azon’ny apostoly Jaona tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, satria hanampy antsika izany mba hanohitra ny fahotana, hanaraka ny fitiavana kristiana marina, handeha amin’ny lalan’ny fahamarinana ka hitoetra tsy mihozongozona eo anoloan’ny fivadiham-pinoana.
[Sary, pejy 18]
Niteraka fivadiham-pinoana ny filozofia grika