Velona ny Tenin’Andriamanitra
Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?
FONY Jesosy Kristy tetỳ ambonin’ny tany, ny asany lehibe indrindra dia ny nitory sy nampianatra ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra Aho”, hoy ny fanazavany indray andro, “satria izany no nanirahana Ahy”. (Lioka 4:43.) Araka ny asehon’ny sary, i Jesosy koa dia naniraka ny mpianany hitory ny Fanjakana (Matio 10:1, 7). Nampianatra azy ireo hivavaka amin’Andriamanitra tamin’izao teny izao aza izy: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:10.
Fa inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nahoana izy io no zava-dehibe aoka izany?
Tsy isalasalana fa fantatrao ny atao hoe mpanjaka. Izany dia filoham-panjakana iray izay mampihatra ny fiandrianany amin’ny tany iray. Fa raha ny Baiboly kosa, izy dia mampiseho ny Fanjakan’Andriamanitra ho toy ny fitondram-panjakana iray. Amin’izao teny izao tokoa no ilazalazany azy: “Fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika, ary ny fitondram-panjakana dia ho eo an-tsorony; ary ny anarany atao hoe (...) Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny empirany sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana.” — Isaia 9:6, 7, Darby.
Io andriana, Zanak’i Jehovah Mpanjaka Lehibe io dia tsy iza fa i Jesosy Kristy. Notendren’Andriamanitra ho filohan’ny fitondram-panjakany na Fanjakany izy. Mba hahafahanao miaiky ny amin’ny maha-zava-dehibe ny Fanjakan’Andriamanitra nandritra ny fanompoan’i Kristy teto an-tany, dia hevero izay nitranga tamin’ny andro nahafatesany.
Hazavain’ny Baiboly fa niampanga an’i Jesosy toy izao ny vahoaka: “Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.” Raha nahare izany i Pontio Pilato governora romana, dia ny tenany mihitsy no nanontany an’i Jesosy toy izao: “Hianao va no Mpanjakan’ny Jiosy?” — Lioka 23:1-3.
Toy izay hamaly mivantana ny fanontanian’i Pilato, dia naleon’i Jesosy nilaza toy izao: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao.” (Jaona 18:36). Matoa namaly toy izany izy, dia satria ny Fanjakany tsy tokony ho fitondram-panjakana eto an-tany tapahin’ny politikan’ny olombelona. Amin’ny maha-Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra azy, Jesosy kosa dia hanjaka any an-danitra; izany dia tsy ho mpanjaka olombelona tsotsotra fotsiny izay hipetraka eo ambony seza fiandrianana iray eto an-tany.
Fa efa nomarihinao ve izay tsy maintsy hampitomboin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra tsy hisy farany, araka ny faminanian’i Isaia? Hitanao fa izany dia ny fiadanana. Fantatrao amin’izay ve ankehitriny hoe nahoana io Fanjakana io no hanorina fiadanana maharitra. Ny Fanjakan’Andriamanitra irery ihany no afaka hampahafantatra an’ireo niara-belona taminy ireo fahamarinana mahagaga mifandray amin’io fitondram-panjakana io. Izany no fototry ny hafatra nentiny, ary mbola izany ihany no foto-kevitra lehibe indrindra amin’izao androntsika izao.