FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/11 p. 24-28
  • ‘Madiova ianareo’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Madiova ianareo’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Jehovah sy ny fandaminany dia madio sy masina
  • Latsaka tao amin’ny fandrika ny sasany
  • Nahoana no zava-manahirana izany?
  • Aoka hankahalaintsika izay rehetra ratsy
  • Aoka ianareo hahatsapa ny filanareo ny zavatra ara-panahy
  • Ny valisoan’ny fahadiovana
  • Tian’Andriamanitra ny Olona Madio
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Tsy Maintsy Madio ny Mpanompon’Andriamanitra
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Mijanona ho madio amin’ny lafiny rehetra ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Aoka isika hitandrina ny fahadiovantsika ara-tsaina sy ara-batana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/11 p. 24-28

‘Madiova ianareo’

Mialà, mialà hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova hianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah​—Isaia 52:11.

1, 2. a) Inona no mampiseho fa ny ankamaroan’ny olona dia mankasitraka ny fahadiovana? b) Nahoana no zava-dehibe ny fahadiovana ara-batana?

LAZAINA fa ny ‘fahadiovana dia mialoha ny fitiavam-pivavahana’. Marina tokoa fa ny ankamaroan’ny olona dia tia fahadiovana: vavolombelon’izany ireo “supermarchés” feno savony, fanadiovana ary fanalana fofona, ireo fidiovana, ireo foibe fanadiovana tsy mila rano, ireo sampan-draharaha momba ny fahasalamana. Alao sary an-tsaina, ohatra hoe mandeha amin’ny trano fisakafoana tsara dia tsara ianao nefa misolitika ny lamban-databatra, maloto ny lovia, ary manao palitao misy loto ilay mpampandroso sakafo. Tsy hampalain-komana anao ve izany? Tsy isalasalana mihitsy, satria tena mahadikidiky ny fahalotoana.

2 Nefa tsy raharaha momba ny fahatsaran-tarehy fotsiny ny fahadiovana. Ny fahalotoana koa dia marika iraisan’ny aretina maro tokoa. Araka ny fahefana ara-pitsaboana sasany, ny halavan’ny fiainan’olombelona ankehitriny mitombo hatrany amin’ny ampahany lehibe dia vokatry ny fandrosoana vita teo amin’ny lafin’ny fitandremam-pahasalamana. Mbola zava-dehibe kokoa ihany, misy mpandinika ny fifandanjan’ny manodidina (écologiste) fantatry ny besinimaro manamafy fa ny fandotoana, endrika hafan’ny fahalotoana, dia mahatandindomin-doza ny fisian’ny taranak’olombelona mihitsy.

Jehovah sy ny fandaminany dia madio sy masina

3, 4. a)  Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fahalotoana ara-panahy? b) Amin’ny maha-masina ny tenany, inona no takin’i Jehovah amin’ny vahoakany?

3 Raha mihevitra ny fahadiovana ho zava-dehibe ny ankamaroan’ny olona, inona kosa àry no holazaina ny amin’ny fahadiovana ara-panahy? Alohan’ny zavatra rehetra, ny fahalotoana dia manafintohina an’i Jehovah Andriamanitra, fanevatevana ny fahalehibeazany mahatahotra izany, fandikana ireo lalàny marina. Amin’ny fotony, izany dia mahaforona fivadihana amin’ny Tenan’Andriamanitra. Ambonin’izany, ny fahalotoana ara-panahy, na amin’ny lafiny ara-poto-pampianarana izany na ara-pitondrantena, dia miteraka fisaratsarahana sy fanimbana. Mahatonga fikorontanana sy fahafatesana izany. Tsy mahagaga àry raha manameloka azy amin-kery aoka izany Jehovah. Izany no antony nanomezany ity didy ity ho an’ireo Isiraelita izay nahaforona ny vahoakany fahiny: “Ho masina hianareo satria masina aho.” (Levitikosy 11:44, 45). Izany koa dia manazava ny antony itakian’Andriamanitra ny fahadiovana ara-panahin’ny vahoakany nafahana avy tao Babylona, niverina tany Jerosalema tamin’ny fitondrana ireo fitaovana ilaina amin’ny fanompoam-pivavahana. Nanonona ireto teny ireto izay manana ny maha-zava-dehibe azy ara-paminaniana koa Andriamanitra ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao: “Mialà, mialà hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy ao aminy; madiova, hianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah.”​—Isaia 52:11.

4 Jehovah àry dia mandidy antsika, isika vavolombelony, hitoetra ho madio, izany hoe madio sy masina, marina sy maotina. Moa ve ny tenan’i Jehovah mihitsy tsy toy izany? Antsoina imbetsaka tokoa izy ankoatr’izany hoe “Iray Masin’ny Isiraely”. (Isaia 12:6; 29:19; 41:14; Jeremia 51:5.) Mamaky ireto teny tena mifanentana ireto koa isika ao amin’ny Apokalypsy 4:8: “Masina, masina, masina ny Tompo [Jehovah, MN] Andriamanitra Tsitoha.”

5. a) Raha ny amin’ny fahamasinana, inona no azo lazaina momba an’i Jesosy Kristy, ireo anjely mahatoky, ny amin’ny hery miasan’Andriamanitra sy ny Teniny? b)  Inona àry no didy nomen’i Jehovah ny mpanompony etỳ an-tany?

5 Ankoatr’izany, Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra ve tsy antsoina hoe “Ilay Masin’Andriamanitra”? (Jaona 6:69.) Ireo minisitr’Andriamanitra any an-danitra ve tsy “anjely masina”? (Marka 8:38.) Moa ve tsy resahina ho fanahiny masina ny hery miasan’Andriamanitra? Ary tsy tondroina araka ny marina indrindra amin’ny fitenenana hoe “Soratra Masina” ve ny Teniny? (II Timoty 3:15.) Mazava àry fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia tokony hadio sy ho masina, mifanaraka amin’ity didy voalaza ao amin’ny I Petera 1:15, 16 ity: “Fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: ‘Ho masina hianareo, satria masina Aho.’”

6. a) Inona moa, voalohany indrindra, no nahatonga ireo kristiana ho masina? b) Nahoana ireo mpanompon’i Jehovah no tsy maintsy mijanona ho madio sy masina?

6 Nodiovina teo imason’Andriamanitra isika satria nibebaka sy niova, ary naneho finoana ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy (I Korintiana 6:11; Apokalypsy 7:14). Tsy maintsy miaro ny fahadiovantsika isika, tsy hoe mba hitazonana ny fankasitrahan’Andriamanitra fotsiny, fa hahafahana manintona izay rehetra tia ny fahamarinana sy hitsiny koa, ka misento noho ny faharatsiana sy ny fahalotoana hitan’izy ireo eto an-tany (Ezekiela 9:4). Farany, tena ilaina tokoa ny hijanonantsika ho madio sy masina mba tsy hahatafintohina na dia anankiray aza amin’ireo rahalahintsika. Nanome ity fampitandremana ity ny apostoly Paoly ho an’ireo kristiana tany Filipy: “Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra, mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ny andron’i Kristy hianareo.”​—Filipiana 1:9, 10; jereo Matio 18:6.

Latsaka tao amin’ny fandrika ny sasany

7, 8. a) Inona no mampiseho fa ny sasany dia tsy nahatakatra ny ilàna hijanonana ho mpanompon’Andriamanitra madio? b) Ny maha-zava-dehibe ny fampitandremana inona no voasoritra amin’izany?

7 Malahelo izahay milaza fa ny sasany amin’ireo namantsika dia tsy nijanona ho madio sy masina, araka izay tokony haha-izany ireo mpitondra ny fanak’i Jehovah. Voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana izy ireny noho ny antony araka ny Baiboly isan-karazany. Ny hafa dia tsy maintsy nanarina satria tsy niaina nifanaraka tamin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina. Anisan’izy ireo dia maro no zanaky ny minisitra voatendry sy mpiandraikitra sasantsasany ary mpikarakara momba ny asa.

8 Miharihary fa ireny kristiana rehetra ireny dia latsaka tao amin’ireo fandrika navelatr’i Satana hatramin’ny fetra sasantsasany. Tamin’ny fanandramana nitondra ny fanak’i Jehovah kanefa ny tenany tsy nitoetra ho madio ara-panahy, dia nanamavo ny didy masina nomena ao amin’ny Isaia 52:11 izy ireny. Tsy afaka ny hanao toy izany ka ho afa-maina izy ireny (jereo Joba 9:1-4). Izany rehetra izany àry dia nanasoritra tsara ny maha-zava-dehibe ity fampitandremana ity voarakitra ao amin’ny I Korintiana 10:12, manao hoe: “Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.”

Nahoana no zava-manahirana izany?

9. a) Ny mijanona ho madio ara-panahy dia tena zavatra mila fiezahana mafy noho ny fahavalo inona avy? b) Nahoana Satana sy ireo demoniany no mampiseho loza lehibe aoka izany ho an’ny kristiana?

9 Nahoana no zavatra mila fiezahana mafy ny fijanonana ho madio ara-panahy? Satria isika mila miady amin’ny fahavalo mahery telo: Satana sy ireo demoniany, ny fandaminany hita maso ary farany, ny fahalemen’ny nofontsika, vokatry ny toa. Eo aloha Satana sy ireo demoniany. Moa ve izy ireo tsy maloto, feno faharatsiana? Tsy isalasalana fa izany. Lazaina ho “fanahy maloto” izy ireo.​—Matio 10:1.

10, 11. Nahoana ny fandaminan’i Satana hita maso no manampy koa amin’ny fahasahiranana manompo an’Andriamanitra amin’ny fomba madio sy masina?

10 Faharoa, dia tsy maintsy miady amin’ny fahavalo anankiray hafa isika: ny fandaminan’i Satana hita maso. Tsy azo lavina fa ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-dison’i Satana dia maloto ara-panahy, toy ny sisa amin’izao tontolo izao ihany koa izay eo ambany fahefany (I Jaona 5:19; Apokalypsy 16:13; 17:4; 18:2). Raha tiantsika àry ny hankasitrahan’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahantsika, dia tokony ‘hiaro ny tenantsika tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao’ isika.​—Jakoba 1:27.

11 Ny fahalotoana koa dia hita betsaka amin’ny gazety, revio, ny fandaharana amin’ny televiziona sy ny sarimihetsika. Ohatra, fandaharana maro amin’ny televiziona no manjary mihamaloto foana hatrany arakaraka ny fandehan’ny fotoana. Taona maro teo aloha, ireo sarimihetsika maloto dia naningana, ankehitriny dia izany no fitsipika. Ireo revio misy sary maloto dia mitombo toy ny holatra. Amin’izao “andro farany” izao dia miatrika marina “fotoana fanapahan-javatra sy sarotra” isika.​—II Timoty 3:1-5, MN.

12. Fahavalo anaty inona no tokony hiadian’ny kristiana mba hijanonana ho madio sy masina?

12 Ambonin’izany, ny fironantsika ara-nofo sy tsy lavorary dia manampy koa ny fahasarotan’ny fijanonana ho madio (Genesisy 8:21; Romana 5:12). Tsy maintsy miady àry isika rehetra mba hanaovana izay mahitsy sy hijanonana ho madio raha mbola mitondra ireo fanak’i Jehovah (Romana 7:13-25). Nefa inona no hanampy antsika hijanona ho madio sy masina?

Aoka hankahalaintsika izay rehetra ratsy

13. Inona no anankiray amin’ireo zavatra voalohany tokony hianarana mba hijanonana ho madio?

13 Mba hijanonana ho madio sy masina, ‘ireo izay tia an’i Jehovah’ alohan’ny zavatra rehetra dia tokony ‘hankahala izay ratsy’, eny, ‘ho tsiravina amin’izay ratsy’. (Salamo 97:10; Romana 12:9.) Tsy maintsy mamelona fihetseham-po feno fankahalana, mahatsiaro maharikoriko amin’ny zava-dratsy rehetra isika na dia mahafinaritra ny nofontsika ratsy vetivety aza izany. Aoka hataontsika anakampo koa fa hanimba ny tenantsika isika raha tsy mitoetra ho madio (Galatiana 6:7, 8). Ankoatr’izany, dia aoka isika hieritreritra ny fahadisoana mety hataontsika amin’ny hafa amin’ny fanaovana ota lehibe. Nefa ambonin’ny zavatra rehetra dia tokony hankahala sy hanary izay rehetra ratsy isika mba tsy hitenenan-dratsy an’i Jehovah Andriamanitra.

14. a) Inona koa moa no tokony hotandremana mba hijanonana ho madio? b) Inona no andraikitr’ireo anabavy amin’io lafiny io?

14 Mba hijanonana ho madio dia ilaintsika koa ny manary ireo eritreritra maloto ka hanalavitra izay rehetra filalaovana fitia amin’ny olon-kafa tsy vadintsika. Araka ny atoron’i Paoly ao amin’ny I Timoty 5:1, 2, ireo lehilahy kristiana dia tokony hihevitra ireo anabaviny ara-panahy be taona kokoa ho toy ny reny ary ireo tanora ho toy ny anabaviny ara-nofo, amim-pahadiovana tanteraka. Nefa amin’izany zavatra rehetra izany, ireo anabavintsika dia manana andraikitra koa, dia ny hanana “fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena”. (I Timoty 2:9, 10.) Rehefa mijery fitaratra ny vehivavy anankiray, dia hitany tsara raha mihaingo amim-pahamaotinana izy na maneho toa fihantsiana ny akanjony sy ny famindrany. Ny fahamaotinana dia ny mifanohitra amin’ny fihantsiana mampiavaka an’izao tontolo izao.​—Mika 6:8.

Aoka ianareo hahatsapa ny filanareo ny zavatra ara-panahy

15. Inona no zavatra manorina tsy maintsy atao mba hijanonana ho madio?

15 Na izany aza, mba hijanonana ho madio sy masina, dia tsy hoe tokony hankahala ny ratsy fotsiny, izay fihetsika milaza fandavana, fa hanao zavatra manorina koa. Amin’ny fotoana rehetra isika dia tokony hahatsapa ny filantsika ny zavatra ara-panahy (Matio 5:3, MN). Iankinan’ny aina àry ny hiveloman’ireo ‘tia an’i Jehovah’ amin’ny Teniny tsy tapaka (Salamo 119:105-112). Tokony horaisintsika am-po ny torohevitra tsara omena ao amin’ny Filipiana 4:8 amin’ny famenoana ny saintsika amin’ny zavatra madio sy mampiorina. Tena mahasoa ny fianarana tsianjery ireo andininy ao amin’ny Baiboly sy ireo fihiranan’ilay Fanjakana. Hitamberina ho azy ao amin’ny fitadidiantsika izy ireny mandritra ny fotoana mahalalaka na tsy ahitan-tory.​—Salamo 63:6; 77:6.

16. Amin’ny ahoana ny fifaneraserana amin’ireo rahalahintsika no mahasoa antsika mba hijanonana ho madio?

16 Noho ny fahatsapana ny filantsika ny zavatra ara-panahy dia hanatrika tsy tapaka ireo fivorian’ny kongregasiona isika mba hifamporisika amin’ny fitiavana sy ny asa tsara sy madio (Hebreo 10:23-25). Raha mety hahatonga antsika haloto ny fifaneraserana ratsy, ny tsara kosa mifanohitra amin’izany dia hanampy antsika hijanona ho madio ara-panahy. Amin’izany dia tsy maintsy mitandrina ny fifaneraserantsika koa isika amin’ny fotoana fialam-boly.​—I Korintiana 15:33.

17. Nahoana moa ny vavaka no manampy antsika hijanona ho madio?

17 Aoka tsy hataontsika ambanin-javatra koa ny fanampiana mety ho azontsika amin’ny alalan’ny vavaka. Amporisihina isika ‘haharitra amin’ny fivavahana’, ‘hivavaka ka tsy hitsahatra’. (Romana 12:12; I Tesaloniana 5:17.) Tsy tokony ho sahirana loatra velively isika ka tsy hivavaka. Aoka isika hangataka amin’Andriamanitra ny fahendrena, ny hery ary ny fanahiny masina. Amin’izay, raha miasa mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika isika dia hankamamy ny “fiadanan’Andriamanitra” izay hiaro ny fontsika sy ny fahaizantsika ara-tsaina, ary hahatonga antsika ho afaka hijanona ho madio sy masina.​—Filipiana 4:6, 7.

18. Amin’ny ahoana ny hoe fijanonana ho sahirana amin’ny fanompoana an’i Jehovah no manampy antsika hijanona ho madio?

18 Raha miresaka amin’ny hafa ny Fanjakan’Andriamanitra isika, ka sahirana be foana amin’ny asan’i Jehovah, izany koa dia hanampy antsika hijanona ho madio sy masina. Maro amin’ireo izay nanao ratsy no nanao izany tamin’ny fotoana fialam-boly, toy ny fotoam-pialan-tsasatra, ohatra. Izay nanjo an’i Davida mpanjaka dia ohatra sy fampitandremana ho antsika. Na dia lohataona aza tamin’izay, fotoana nandehanan’ireo mpanjaka niady mazàna, Davida dia nijanona taty aoriana, naka fahafinaretana. Tamin’izay no nahitany fahasahiranana tamin’i Batseba (II Samoela 11:1-4). Mazava àry fa tokony hitandrina mandrakariva isika raha maniry hijanona ho madio sy hanohy hitondra ny fanak’i Jehovah.

19. Nahoana moa ny fifehezan-tena no zava-dehibe loatra amin’io lafiny io?

19 Ny fifehezan-tena dia tena ilaina raha irintsika ny hanohizan’i Jehovah hampiasa antsika hitondra ny fanany (Galatiana 5:22, 23; I Korintiana 9:27). Ilaintsika ny mifehy ny eritreritsika sy miaro ny fontsika, amin’ny fanariana izay rehetra fakam-panahy sy amin’ny famonoana izay rehetra fironana hampiato ny saintsika amin’ny zavatra maloto. Tahaka izay nolazain’i Jesosy, isika, amin’ny heviny ara-panoharana, dia tokony ho vonona hanaisotra ny masontsika na hanapaka ny tanana na ny tongotra anankiray, raha mety hahatafintohina antsika ireo rantsam-batana ireo (Marka 9:43-48). Manome torohevitra tsara dia tsara amin’io lafiny io Paoly ao amin’ny Efesiana 4:29 ka hatramin’ny 5:5.

20, 21. a) Amin’ny ahoana moa ny fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra no manampy antsika hijanona ho madio? b) Amin’ny ahoana ny fitiavana an’ireo rahalahintsika sy ny namantsika no hanampy antsika hijanona ho madio ara-panahy?

20 Ny fitiavana an’i Jehovah dia hanampy antsika indrindra hijanona ho madio. Tia azy marina ve isika? Feno fankasitrahana azy ve isika noho izay rehetra nataony ho antsika? Moa ve isika vonona hiara-mandeha aminy toy ny nataon’ireo olo-nahatoky tamin’ny lasa (Genesisy 5:24; 6:9)? Ny fitiavantsika tsy mivadika an’i Jehovah Andriamanitra dia hanampy antsika hijanona ho madio sy masina. Raha tia azy marina amin’ny fontsika rehetra isika, amin’ny fanahintsika rehetra, amin’ny saintsika rehetra sy ny herintsika rehetra dia hatahotra ny hampahasosotra azy. Satria isika anisan’ireo ‘tia an’i Jehovah’, dia aoka tsy hihemotra na oviana na oviana ary tsy hanaiky ho voaloton’izao tontolo izao na ny fironantsika manokana tsy lavorary.​—Marka 12:29, 30; Hebreo 10:38, 39.

21 Ny fitiavantsika amim-pahatsorana sy tsy mitady tombony an’ireo rahalahintsika dia hanampy antsika betsaka hijanona ho madio sy masina. Marina tokoa fa raha miahy marina ny amin’ny fahasambaran’izy ireo ara-panahy isika, dia hitandrina mba tsy hanafintohina azy ireo ary tsy hanome azy ireo fiheverana ho maloto noho ny fitondrantenantsika, ny fisehoantsika ivelany na ny tenintsika maloto, na koa satria tia milala fitia isika. Tadidio fa ny fitiavana “tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana”. (I Korintiana 13:4, 6.) Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namantsika tsy mitady tombony dia hisakana antsika tsy hanao izany karazana ota izany. Hanosika antsika kosa aza izany haneho fifehezan-tena, ‘hanao làla-mahitsy halehan’ny tongotsika’.​—Hebreo 12:13.

Ny valisoan’ny fahadiovana

22, 23. Inona avy ireo sasantsasany amin’ny valisoa mety ho azontsika raha mijanona ho madio isika?

22 Inona no ho valisoantsika raha mijanona ho madio isika sady manohy mitondra ny fanak’i Jehovah? Hahazo indrindra “fieritreretana tsara” sy “fo madio” isika. (I Timoty 1:5.) Ny fiadanan-tsaina dia valisoa hafa iray. Amin’ny fijanonana ho madio ara-panahy dia tsy hahita na oviana na oviana ny fijaliana vokatry ny fieritreretana ratsy isika: ny alahelo, ny tsy fahitan-tory, ny tahotra ny ho tratra. Tsy ho mpihatsaravelatsihy izay miezaka foana hanafin-javatra isika. Ny fahafahana toy izany dia azo antoka fa valisoa kanto.

23 Raha mitoetra ho masina sy madio isika dia handray soa ihany koa amin’ny fifandraisana tsara dia tsara amin’ireo rahalahintsika, ny fianakaviantsika ary ireo olona eny ivelany. Tsy hijaly an’eritreritra isika satria nanafintohina olona. Ambonin’izany dia ho azontsika atao amin’izay ny mifampiorina ao amin’ny fitiavana (I Korintiana 8:1). Hanandrana ny fahasambarana misy lehibe indrindra isika araka izany, dia ny manome amin’ny fandraisana anjara amin’ny fahasambarana ara-panahin’ny hafa.​—Asan’ny apostoly 20:35.

24. Noho ny antony lehibe indrindra inona no aniriantsika hijanona ho madio amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah?

24 Ambonin’ny zavatra rehetra, amin’ny fijanonana ho madio raha mitondra ny fanak’i Jehovah isika, dia hampifaly ny fon’ny Raintsika any an-danitra isika ary hanome azy amin’izany ny fahafahana hamaly ny fihantsian’i Satana (Ohabolana 27:11). Azo antoka tokoa fa raha heverintsika izay rehetra nataon’i Jehovah ho antsika, dia tokony hanao izany ho azy tokoa isika. Enga anie àry isika, amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah mahatoky, hijanona ho madio sy masina! Amin’izay isika dia handray anjara amin’ny lasa, ny voninahitra ary ny fiderana an’Andriamanitra, hampiorina ireo rahalahintsika sy fianakaviantsika, ary hiasa ho amin’ny famonjena antsika mandrakizay.

Tadidinao ve izany?

◻ Amin’ny maha-masina ny tenany, inona moa no takin’i Jehovah amin’ireo mpanompony?

◻ Satria ny sasany tsy nijanona ho madio amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah, fampitandreman’ny apostoly Paoly inona no tena zava-dehibe?

◻ Iza avy ireo fahavalontsika telo izay maha-tandindomin-doza ny fahadiovantsika ara-panahy?

◻ Inona no zavatra manorina tsy maintsy atao mba hijanonana ho madio?

◻ Amin’ny ahoana moa ny hoe sahirana lalandava amin’ny fanompoana an’i Jehovah no manampy antsika hijanona ho madio?

◻ Inona no antony lehibe indrindra mahatonga antsika hijanona ho madio amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara