FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/11 p. 21-26
  • Ny asa malaza manaraka ny fandrosoan’ireo mpitaingin-tsoavaly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny asa malaza manaraka ny fandrosoan’ireo mpitaingin-tsoavaly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY SOAVALY MENA
  • NY SOAVALY MAINTY
  • NY SOAVALY HATSATRA
  • Tombontsoa sy voninahitra
  • Hisy asa halaza hanaraka
  • Ireo mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy: mahakasika anao ny fihazakazahany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Iza Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Nohazavaina ny zava-miafin’ireo mpitaingin-tsoavaly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mpitaingin-tsoavaly Efatra Mirifatra!
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/11 p. 21-26

Ny asa malaza manaraka ny fandrosoan’ireo mpitaingin-tsoavaly

1. Nahoana moa no miharihary fa ny andron’ny Jentilisa izay nanitsahana ny nasehon’i Jerosalema dia nifarana tamin’ny 1914?

EFA manatrika izao Jesosy Kristy “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo (Apokalypsy 19:11, 16). Hitantsika ny “famantarana” manaporofo izany. Tena manatrika tokoa Jesosy ao amin’ny Fanjakana nomen’Andriamanitra azy tamin’ny fahataperan’ny “andron’ny jentilisa” tamin’ny 1914, efa 69 taona izao (Lioka 21:24). Tamin’izay no tsy nohitsahina intsony ny Fanjakan’i Jehovah Andriamanitra naseho taloha tamin’ny fanjakan’ny Isiraely izay ny mpanjakany, taranak’I Davida, dia nitoetra tao Jerosalema. Amin’izao andro izao dia tsy misy mpanjaka avy amin’ny taranak’i Davida any Jerosalema, satria io tanàna io dia renivohitry ny Repoblikan’ny Isiraely fotsiny, tarihin’ny praiminisitra jiosy. Fa ahoana ny amin’ilay “Jerosalema any an-danitra”? (Hebreo 12:22.) Ao, ao anatin’ny fanjakana iray ambony lavitra noho ny taranak’olombelona, Jentilisa na tsy Jiosy, no anjakan’i Jesosy, “Zanak’i Davida”, “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”, nanomboka tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914. Afaka manohitra an’io Fanjakana io sy ireo izay manambara azy ireo firenena jentilisa na tsy jiosy, nefa tsy mahatratra azy. Tsy afaka manapaka eo aminy izy ireny, toy ny nataon’ireo herim-panjakana dimy farany teo amin’ny Tantara fahiny, dia Babylona, ny Empira mediana sy persiana, Grisia, Roma sy ny Herim-panjakana anglisy amerikana voaforon’i Grande-Bretagne sy Etazonia.​—Apokalypsy 21:1, 2.

2. Rehefa nanontany azy ireo apostoliny hoe inona no ho famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra, inona moa no valin-tenin’i Jesosy izay mifanitsy amin’ny fahitana voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 6:1-8?

2 Ny fahitana nomena ny apostoly Jaona ka voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 6:1-8 dia mampiseho ara-paminaniana izay tokony hanaraka, raha vao eo am-boalohany, ny fandrosoan’ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” izay mitaingina ny soavaly fotsy ara-panoharana izay mizotra manatona ny saha fiadiana ao Hara-Magedona, mba hanao ny ady farany. Io fahitana io dia mifanitsy amin’izay navalin’ny tenan’i Jesosy Kristy an’ireo mpianany rehefa nametraka taminy izao fanontaniana izao ireo: “Rahoviana no hitranga ireo zavatra ireo, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao [parousia amin’ny teny grika] sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” (Matio 24:3, MN). Ny amin’ny “fahoriana” izay hampiavaka “ny famantarana” ny fanatrehany na parousia sy ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana [ao amin’ny ady]; ary hisy horohorontany any amin’ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan’ny fahoriana [izay manamarika fahaterahan’ny fandehan-javatra vaovao iray].” (Marka 13:8). “Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana. Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.”​—Lioka 21:10, 11; Matio 24:7, 8.

NY SOAVALY MENA

3. Inona moa no tokony hanamarika ny fiandohan’ny fanatrehan’i Kristy? Mampiseho inona àry ilay fahitana rehefa novahana ny tombo-kase faharoa?

3 Araka izany, ny fiandohan’ny “fanatrehana” na parousia an’i Kristy, izay tokony hanomboka amin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa amin’ny 1914, dia tsy ho voamariky ny fandriampahalemana na any an-danitra na eto ana-tany. Izany no hamarinin’ny fahitana nomena an’i Jaona ka voatantara ao amin’ny Apokalypsy toko faha-6. Hampiharihary inona amintsika àry ny famahana ny tombo-kase? Aoka isika hiara-mijery izany amin’ny apostoly Jaona: “Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan-aina faharoa nanao hoe: Avia. Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.”​—Apokalypsy 6:3, 4.

4. Inona no asehoan’ireo sary io, ary nahoana?

4 Milaza inona io sary io? Tsy inona fa ny fipoahan’ny ady iray, nefa ady iraisam-pirenena satria ilay nitaingina an’io soavaly mena io dia natao “hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany”.

5. Milaza ve izany fa ilay mpitaingin-tsoavaly voalohany dia tompon’andraikitra tamin’ny Ady Lehibe Voalohany? Araka ny Apokalypsy 12, inona no hanaraka ny fanombohan’ny fanjakany?

5 Koa satria io soavaly mena io notaingenan’ny mpivady nanaraka an’ilay mpitaingina ny soavaly fotsy, tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa ilay mpitaingin-tsoavaly voalohany no nanapoaka ny Ady Lehibe Voalohany taorian’ny nandraisany ny satroboninahitra tamin’ny 1914 ary tamin’izany lafiny izany no nanombohany nampiasa ny ‘tsipikany’? Tsy izany velively! Apokalypsy toko faha-12 dia mampiseho amintsika fa taorian’ny nahaterahan’ilay Fanjakana izay nomena an’ilay mpitaingin-tsoavaly voalohany tamin’ny 1914, dia tena hisy ady tsy hita maso, tsy azon’ny olombelona saintsainina. Izao no vakintsika: “Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona mbamin’ny anjeliny kosa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika, ary ny fahefan’ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga azy eo anatrehan’Andriamanitsika andro aman-alina. (...) Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.”​—Andininy faha-7 ka hatramin’ny faha-12.

6. Mampiseho inona àry ireo lafiny isan-karazany amin’ny fahitana ny amin’ny mpitaingin-tsoavaly faharoa?

6 Io fitantarana io dia mampiseho mazava fa ny Devoly sy ireo demoniany dia tompon’andraikitra amin’io ady lehibe voalohany io izay nipoaka ny 28 jolay 1914 ka nahafaty olona maherin’ny valo tapitrisa. Ilay nitaingina ny soavaly ara-panoharana faharoa dia mampiseho ireo tafik’izao tontolo izao izay Satana no ‘andriamaniny’; ary io soavaly mena io dia mifanitsy tsara amin’ny lafiny mahatsiravina sy mandrava amin’io ady io sy ilay nanaraka, ny Ady Lehibe Faharoa. Io mpiady mitaingina ny soavaliny io dia nahazo “sabatra lehibe”, ny an’ny miaramila nitaingin-tsoavaly, mba hamonoana izay asiany. Ny halehiben’io fiadiana io dia nampiseho koa fa ireo ady hatao maneran-tany dia handraisan’ny ankapoben’olona anjara sy hiraisam-pirenena. Mbola tsy nisy toy izany mihitsy teo aloha. Ireo bokin-tantara mety ho hita any amin’ireo fitehirizam-boky dia manome antsika antsipiriany maro be ny amin’ireo ady roa ireo sy mampiseho fa izany dia tena ady niraisam-pirenena nipoaka tamin’ny 1914, tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa.​—Lioka 21:24.

7. Inona no nanomboka nitranga tamin’ny 1914 ka sady mifanitsy amin’ny Apokalypsy 6:1-8 no mifanitsy amin’ny nampahafantarin’i Jesosy an’ireo mpianany ny amin’ny famantarana ny fanatrehany?

7 Ilay nanome an’i Jaona ireo famantarana voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy toko faha-6 dia ilay, tamin’ny 33, namaly izao fanontanian’ny apostoliny izao, anisan’izany i Jaona: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” Koa satria ny filaharan’ny zava-niseho nambarany taloha kelin’ny nahafatesany dia mifanitsy amin’ny an’ireo zava-niseho lazalazainy ao amin’ny Apokalypsy tokoa faha-6, ny fahitana voatantara ao amin’io toko io dia mampiseho fa ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914 sy ny fipoahan’ny ady iraisam-pirenena iray dia nanamarika ny fanombohan’ny ‘fanatrehany’ tao amin’ny Fanjakany any an-danitra sy ny fanombohan’ny ‘fanatrehany’ tao amin’ny Fanjakany any an-danitra sy ny fanombohan’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Araka ny nambaran’i Jesosy tao amin’ny Matio 24:7, 8 sy Lioka 21:11, dia nisy firenena nitsangana hamely firenena sy fanjakana nitsangana hamely fanjakana, porofo fa nanomboka ny ‘fanatrehany’ tsy hita maso, izany hoe nanomboka nampitodika ny sainy ho amin’ny raharahan’ny tany izy, ka hatreo ny tany dia faritany ao amin’ny Fanjakany vao naorina. Inona izao no holazaina ny amin’ny “mosary” sy ny “areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa”? Izany loza izany dia voalaza mialoha koa tao amin’ny fahitana momba ny mpitaingin-tsoavaly efatra voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 6:1-8.

NY SOAVALY MAINTY

8. Araka ilay fahitana, inona no nitranga taorian’ny namahana ny tombo-kase fahatelo?

8 Araka an’io fahitana io, inona no nitranga taorian’ny fandrosoan’ny mpitaingina ny soavaly mena? “Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zava-manan-aina fahatelo nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizana teny an-tànany. Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan’ny zava-manan-aina efatra nanao hoe: Venty ny vary tritika eran’ny fatam-bary kely, ary venty koa ny vary hordea intelon’ny fatam-bary; ary aza manimba ny diloilo na ny divay hianao.”​—Apokalypsy 6:5, 6.

9. Mampiseho mazava inona ireo lafiny isan-karazany amin’io fahitana io, ary nahoana no mety ny lokon’ilay soavaly??

9 Miharihary fa misy firesahana ny amin’ny mosary, ny tsy fahampian-kanina. Nefa moa ve izany tsy nanaraka ny Ady Lehibe Voalohany, tany “amin’ny tany samy hafa”? Rehefa nandao ny toeram-piompiany sy ny sahany ireo mpamboly mba hiditra ao amin’ireo tafika nisy miaramila an-tapitrisany maro, moa ve ny hanoanana tsy hamely any amin’ny faritra midadasika, satria tsy nanan-javatra firy na tsy nanana na inona na inona mihitsy aza mba hampitonena izany ireo mponina? Izany tokoa. Tsy mahagaga àry raha nisy olona an-tapitrisany maro maty noana. Nisondrotra tsy nisy toy izany ny vidin’ny zava-pihinana, hany ka tsy afaka ny nahazo izany ny olona mosarena maro be. Eritrereto kely ange! Karama indray andro, “denaria iray” ny vidin’ny vary iray litatra monja! Na karama indray andro vao mahazo vary hordea telo litatra monja, sakafo ambany karazana, foto-tsakafon’ny mahantra! Nefa kosa izay rehetra nahazo harena rehefa niasa ho an’ny ady na ny fanaovana fitaovam-piadiana dia afaka nahazo diloilo rehetra sy ny divay rehetra nisy teny an-tsena. Ho azy ireny àry dia tsy simba “ny diloilo na ny divay”. Ny karama be dia nahatonga ho afaka hizaka vidin-javatra tsy toko tsy forohana. Izany rehetra izany dia nilazalaza ny tarehin-javatra nanjombona aoka izany nateraky ny ady lehibe iray izay nampiala tamin’ny asa famokarany, lehilahy be dia be toy ny mpamboly, mba hampandraisana anjara azy ireny tamin’ny fandringanana. Tsy misy tokony hahagaga àry raha toa ilay mpitaingin-tsoavaly mitondra fiasana mampiseho fizarana sakafo lafo be sy famoahan-kanina an-danjany ka mitaingina soavaly mainty. Tena manjombona, mampiseho alahelo tokoa io fahitana ny amin’ny mpitaingin-tsoavaly mahatonga mosary mahafaty io

NY SOAVALY HATSATRA

10. Ahoana no anomezan’ilay fahitana vavolombelona fahatelo mba hanamarinana fa tena nanomboka tokoa ny fanatrehan’ilay mitaingina soavaly fotsy?

10 Ireo olona roa nitaingina ny soavaly mena sy ny soavaly mainty dia vavolombelona roa manamarina fa nomena satroboninahitra Jesosy Kristy ary nanomboka ny diany an-tsoavaly tamim-pandresena izay hampamakivaky azy “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”hatramin’ny farany, ao Hara-Magedona. Nisy vavolombelona fahatelo anefa tonga nanampy ny fanambarany ho antsika. Enimpolo taona mahery talohan’ny nahazoan’i Jaona ny fahitany, ilay nanao satroboninahitra nitaingina soavaly fotsy dia nilaza toy izao: “Mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo.” (Matio 19:16). Iza àry io vavolombelona fahatelo io? Izany dia mpitaingin-tsoavaly hafa iray izay tsy mampiseho ny horohorontany mitranga eto an-tany anefa fa zavatra nifaoka ny tany sy niteraka fahafatesan’ny olona roapolo tapitrisa tamin’ny 1918-1919, tamin’ny fahataperan’ny Ady Lehibe Voalohany. Toy izao no nidiran’io vavolombelona fahatelo io an-tsehatra: “Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon’ny zava-manan-aina fahefatra nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anan’izay nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin’ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ an-tany.”​—Apokalypsy 6:7, 8.

11. Nahoana no mety ny lokon’io soavaly fahefatra io, ary mampiseho karazam-pahafatesana inona ilay nitaingina azy?

11 Ny soavaly hatsatra iray dia biby hita ho farary, ary ny Fahafatesana dia anarana mety tanteraka ho an’ny mpitaingina azy. Kanefa, ny fahafatesana resahina dia tsy ilay tsy maintsy miandry ny olombelona tonga antitra, fa fahafatesana noho ny voina izay mandefa olona iray any amin’ny Hadesy, any am-pasana, alohan’ny fotoana. Ahoana izany? Amin’ny heviny hoe mampalahelo fa izany dia mamely ny olona voany, na amin’ny “sabatra lehibe”, dia ny ady mahatsiravina, na amin’ny tsy fahampian-tsakafo izay miteraka mosary, na amin’ny areti-mandringana” koa, izany hoe amin’ny areti-mifindra izay miely any amin’ny faritra midadasika onenana ka mahafaty olona maro haingana. Ny gripa espaniola izay namely ny olombelona tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Voalohany ve tsy mifanitsy amin’io filazalazana io? Tsy isalasalana mihitsy fa izany no izay. Ny Hadesy dia nanokatra ny vavany noana mba hitelina olona teo amin’ny 20 tapitrisa, araka ny fanombantombanana. Tsy Andriamanitra akory no nandefa an’io areti-mandringana io fa navelany hisy kosa. Tsy tafahoatra àry ny filazana ny amin’ny Fahafatesana sy ny Hadesy fa izy ireo dia “nomena fahefana [na nomen-dalana] tamin’ny ampahefatry ny tany”. Tsy nisalovana Andriamanitra fa namela ireo foto-javatra mahafaty izay voambara mialoha, handrava ny tany manontolo voafaokan’ny ady, na dia anisan’ny niharam-pahavoazana aza ny sasany tamin’ireo mpivavaka taminy nahatoky. Tsy manana vaovao isika raha ny amin’ny fahafatesana ateraky ny “bibi-dia” ho namely olona tsy nanam-piarovana.

12. Rehefa heverina amin’ny fotoana nitrangany, manamafy inona moa ny fandrosoan’ireo mpitaingin-tsoavaly telo farany mitondra fandravana?

12 Tsy azo atao àry ny hody tsy hahita na hanilika amin’ny tantara ankehitriny ny fandehan’ireo vavolombelona telo mpandrava ireo, izany hoe ireo olona telo nitaingina soavaly mena, mainty sy hatsatra narahin’ny Hadesy. Koa satria izy ireo niseho tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914, dia tokony hanana heviny mahakasika ny eran-tany. Inona izany? Milaza izany fa ilay Fanjakana tokony hangatahin’ny mpianatra amin’Andriamanitra amin’ny vavaka araka ny nampianaran’ny Tompo izany azy tao amin’ny Rainay Izay any an-danitra, io Fanjakana io dia naorina tany an-danitra raha vantany vao tapitra ny andron’ny Jentilisa na “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” nanitsahana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Mesia (Kristy) (Lioka 21:10, 11, 24). Ao àry ilay Fanjakana. Ny Mpanjakany dia efa voahosotra sy nomena satroboninahitra mba ho Filoha voatendrin’Andriamanitra. Efa nanomboka ny ‘fanatrehan’io’ Filoha io ao amin’ny Fanjakana, ary koa ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Navoakan’i Jehovah avy ao Ziona ny tehim-piandrianan’ny heriny, tamin’ny filazana hoe: “Manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao.” (Salamo 110:1, 2). Tonga ny fotoana hanombohan’io Filoha io ny fandrosoany mitaingina ny soavalim-piandrianana fotsy sy miantoraka ho amin’ny fandresena farany sy feno an’ireo fahavalony any an-danitra sy eto an-tany.

Tombontsoa sy voninahitra

13. Tokony hanao ahoana ny fihetsik’ireo mpianatr’ilay mitaingina ny soavaly fotsy, ary tombontsoam-panompoana inona no tokony hoheverin’izy ireo ho voninahitra?

13 Rehefa heverina amin’io fahitana ny soavaly efatra voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 6:1-8 io sy amin’ny hoe iainantsika ao anatin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” izao, tokony hanao inona moa, eto an-tany, ireo mpianatr’ilay mitaingina soavaly fotsy? Tokony hanompo ao anatin’ny firaisan-tsaina izy ireo, amin’ny maha-mpitondra teniny ka amin’izany dia hanatanteraka tapany miavaka hafa amin’ny “famantarana” ny fanatrehany ao amin’ny Fanjakana. Voambara toy izao io tapany io: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”. (Matio 24:14). Izany fanambarana maneran-tany izany dia tokony hataon’ireo ‘mpitorin’ilay’ Mpanjaka sy hovitaina alohan’ny hahatongavan’ny tena “farany” ho an’ny fandehan-javatra” voaheloka. Efa 69 taona izao no nanombohan’ilay manao satroboninahitra mitaingina soavaly fotsy ny fandrosoany mba hamita ny fandreseny ireo fahavalon’ny Fanjakany. Ary anefa, noho ireo toe-javatra maneran-tany tsy mitsahatra ny miharatsy mba hahatratra ny tarehin-javatra hitantsika amin’izao andro izao, dia tokony ho efa akaiky dia akaiky ny “farany”. Hita ho madiva ho tapitra ny ‘andro kely sisa’ navela ho an’ny Devoly ka iasany etỳ akaikin’ny tany (Apokalypsy 12:12). Iza àry no hanaiky ny tombontsoa sy ny voninahitra hampita ny tapany farany amin’ny fanambarana maneran-tany ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Kristiny efa miorina izao? Tafaray manerana ny tany ny Vavolombelon’i Jehovah ka mamaly hoe: “Hanao izany fanambarana izany izahay.” Enga anie àry Jehovah hanampy azy ireo amin’io adidy io, ho fanamarinana Azy amin’ny maha-Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao!

14. Nahoana moa ilay mitaingina ny soavaly fotsy no mbola tokony hanohy ny diany?

14 Amin’ny fandehanany, ny mpitaingin-tsoavaly fotsy manao satroboninahitra dia mbola tsy tonga eo amin’ny fotoam-pandresena ‘hamitana ny fandreseny’. Tsy maintsy hahatratra ny zava-kendreny anefa izy. Tokony hanohy ny diany àry izy. Ady Lehibe roa no efa tafiditra teo amin’ny Tantara, nefa mandrahona ny fandriampahaleman’ny olombelona ny fiomanana hiady mitatra amin’ny fomba hafa dia hafa ankehitriny.

15. a) Efa vita ve ny fandehanan’ny soavaly mainty sy ny soavaly hatsatra? b) Nahoana moa ireo zava-nitranga nanomboka tamin’ny 1914 no misy heviny manaitra sy malaza mihitsy aza?

15 Olona an-tapitrisany maro tsy ampy sakafo no tsy maintsy manery ny fehinkibo mba hanandramana mampitony ny hanoanan’izy ireo sady miandry tsy misy vokany ny hanafoanana ny tsy fahampian-tsakafo na ny hanaovana araka ny antonony ny vidin-javatra, ka izany dia hahatonga ny mahantra hahazo fahafahampo amin’izay ilainy ambany indrindra. Very hevitra ireo mpitsabo noho ny fisehoan’ny aretim-baovao, ary mitombo ny voa noho ny areti-mandoza, hany ka tsy mbola nampijanona ny soavaliny hatsatra ilay mpitaingin-tsoavaly fahefatra, dia ny Fahafatesana, ary manohy manaraka akaiky azy ny Hadesy, ny fasana. Nefa izany zava-miseho rehetra izany, izay mitranga hatramin’ny nahataperan’ny andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914, dia misy heviny manaitra sy malaza aza. Isika tokoa dia manatona ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” izay misy hatramin’ny safodrano tamin’ny andron’i Noa nitranga tamin’ny 2370 talohan’ny fanisan-taona iraisana, noho izany dia 4352 taona lasa izay. Tsy isalasalana mihitsy fa vaovao tsara izany.

Hisy asa halaza hanaraka

16. Milaza ve izany fa hofoanana ny tany?

16 Ny fahataperan’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” dia tsy hilaza fanafoanana ny fonenan’ny olombelona eto an-tany akory. Tsy izany velively! Izany kosa dia hilaza fampidirana fandehan-javatra vaovao iray eto amin’ny planetantsika izay rahonan’ny olona miharatsy indrindra hovana ho toerana malalaka foana tanteraka. Manambara toy izao ny Mpamorona, mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.”​—Apokalypsy 21:5.

17. Asa inona no voninahitra ho antsika ny manatontosa azy ankehitriny ka ho azontsika tohizana ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao?

17 Misy asa malaza miandry an’izay rehetra ho tafita velona amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” ka hiditra ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao eto an-tany izay tsy handalovan’ny soavaly mena, fotsy sy hatsatra arahin’ny Hadesy intsony, satria tsinjo ny fananganana ny maty navotana rehetra. Nefa dieny izao sahady, alohan’ny hahavitan’ny fandehanan’ny mpitaingin-tsoavaly efatra, dia manatontosa asa malaza ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fanambarana ny vaovao mahafaly indrindra. Ambarany tokoa fa ny fitondram-panjakam-piandrianana nankinin’i Jehovah tamin’i Kristy dia hanatsara ny fandehan-javatra vaovao amin’ny paradisa kanto izay hitatra maneran-tany sy hamponina ao, ao anatin’ny fiadanana, ny olombelona navotana. Homeny azy, fitahiana ambony indrindra, ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahatanterahana, araka ny endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra (Genesisy 1:26-28). Amin’izao andro izao Jehovah dia manome antsika tombontsoa sy voninahitra handray anjara amin’io asa malaza io.

Lafin-javatra inona amin’ny “famantarana” iray misy zavatra maro loha no voalazalaza ao amin’ny

◻ Apokalypsy 6:3, 4?

◻ Apokalypsy 6:5, 6?

◻ Apokalypsy 6:7, 8?

Inona no tombontsoa ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary amin’ny fahatsinjovana asa inona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara