FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/12 p. 22-25
  • Genesisy Loharanon’ny finoana, ny fanantenana ary ny faherezana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Genesisy Loharanon’ny finoana, ny fanantenana ary ny faherezana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Filazalazana ny Genesisy amin’ny ambangovangony
  • Izao tontolo izao talohan’ny safodrano
  • Miditra ao anatin’ny fanisan-taona vaovao ny olombelona
  • Patriarka sasany notohanan’ny finoana tsy azo hozongozonina
  • Loharanon’ny finoana, ny fanantenana ary ny faherezana
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Genesisy—Fizarana II
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Voalohany — Genesisy
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Genesisy—Fizarana I
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Genesisy: Topy Maso
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/12 p. 22-25

Genesisy Loharanon’ny finoana, ny fanantenana ary ny faherezana

JEHOVAH dia tsy mifaly afa-tsy amin’ireo izay maneho finoana tsy voazarazara aminy. Ireo mpanompony koa dia manana antony tsara tokony hitokisana aminy, satria izy dia “Andriamanitry ny fanantenana”, ary mitana ny teny nataony izy, na manao ahoana na manao ahoana halehibeny. Mazava ho azy fa aloan’ny hahatanterahan’izy ireny dia mety misy fahasahiranana sy fisedrana mitranga. Kanefa, ny olona rehetra ‘izay manantena an’i Jehovah’ dia mety hahazo hery tsara noho ny fahafantarana fa miaro mandrakariva an’ireo manompo azy amim-pahatokiana izy. — Romana 15:13; Salamo 31:23, 24; Hebreo 11:6.

Voasoritry ny bokin’ny Genesisy mazava tsara izany rehetra izany. Io boky sarobidy io, izay anisan’ny Tenin’Andriamanitra ary nosoratan’i Mosesy tamin’ny 1513 talohan’ny fanisan-taona iraisana tany an’efitr’i Sinay, dia afaka mitondra ho antsika ny rivotry ny finoana, ny fanantenana ary ny faherezana.

Filazalazana ny Genesisy amin’ny ambangovangony

Ireo teny voaloany ao amin’ny Genesisy dia mampiverina antsika any amin’ny an’arivo tapitrisany taona maro fahizay. Izao no vakintsika: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”, izany hoe ireo zavatra any an-danitra sy ety an-tany. Nomanina mba ho fonenan’ny olombelona ny tany, ary amin’ny farany ireo dia tonga tanteraka eo anatrehan’ny Mpamorona azy. Namoizan’izy ireo ny paradisa ny fahotany, kanefa manome fampanantenana i Jehovah amin’ny fanambarana ny fahatongavan’ny “taranaka” iray izay hanorotoro ilay menarana amin’ny lohany. Amim-pinoana no anateran’i Abela, lehilahy marina iray, fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra. Mampalahelo anefa fa novonoin’ny rahalahiny izy, ary noho izany dia izy no vavolombelon’i Jehovah voalohany indrindra niharan’ny fahafatesana ho maritiora. — Genesisy 1:1 ka hatramin’ny 4:26.

‘Miara-mandeha amin’Andriamanitra’ i Enoka amin’ny fanarahana ny didiny. Kanefa miharatsy ny toe-javatra, satria ireo anjely “zanak’Andriamanitra” tsy mankato azy amin’ny fanambadiana vehivavy sasany ka miteraka ny Nefilima. Na dia eo aza anefa izany rehetra izany dia maneho finoana, fanantenana ary faherezana i Noa amin’ny fanamboarana ny sambofiara sy amin’ny fampiomanana ny mpiara-belona aminy ny amin’ny safodrano hamely azy ireo; rehefa ho tonga io fandringanana io amin’ny farany, dia ho tafita velona ao miaraka amin’ny ankohonany izy. Rehefa nanjavona ny izao tontolo izao talohan’ny safodrano dia miditra ao anatin’ny fanisan-taona vaovao ny olombelona. Aty aoriana kely anefa ireo mpanorina ny tilikambon’i Babela dia manandrana ho tonga olo-malaza, kanefa dia toherin’i Jehovah ny volavolan-kevitr’izy ireo amin’ny fanorokoroana ny fiteniny sy amin’ny fampielezana azy eran’ny tany rehetra. — Genesisy 5:1 ka hatramin’ny 11:9.

Amin’ny fankatoavana amim-pinoana ireo fitarihan-dalana avy amin’Andriamanitra dia mandao an’i Oran’ny Kaldeana i Abrama mba hiaina toy ny mpifindrafindra monina any amin’ny tany anankiray ampanantenain’i Jehovah homena azy, dia izy sy ny taranany. Mampihatra ny didim-pitsarany ho fanoherana ireo olona ratsy fanahy monina ao Sodoma sy ny tanàna manodidina azy i Jehovah. Fotoana fohy aorian’izany, ny fahaterahan’i Isaka dia manatanteraka ny iray amin’ireo fampanantenany. Kanefa, taona maromaro aty aoriana dia tsy maintsy hisetra fitsapana mafy i Abrahama: Hangatahin’i Jehovah hanao fanatitra io zanakalahy io tokoa izy. Noho ny fanakanan’ny anjely anankiray dia tsy hahatanteraka io asa io ilay patriarka efa mihantitra. Kanefa tsy misy isalasalana hatramin’izao fa manehoa finoana izy; noho izany Andriamanitra dia manome toky azy fa amin’ny taranany no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Ny fahafatesan’i Saraha vady malalany dia miteraka alahelo mafy ho an’i Abrahama, kanefa dia mijery ny ho avy amim-pahatokiana izy, noho ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty. — Genesisy 11:10 ka hatramin’ny 23:20; Hebreo 11:8-19.

Amin’ny alalan’ny mpanompony i Abrahama dia mampanambady an’i Isaka amin’i Rebeka, vehivavy iray mino an’i Jehovah. Noho izany io dia miteraka kambana, dia i Esao sy Jakoba. Manamavo ny zon’ny fikoziana i Esao ka mivarotra izany amin’i Jakoba, izay hotsofin’ny rainy rano amin’ny farany. Mandositra any Padan-arama (Mesopotamia) i Jakoba ary any no anambadiany an’i Lea sy Rahely sy hiandrasany ny andian’ondrin’i Labana rain’izy ireo mandritra ny roapolo taona alohan’ny hiaingany miaraka amin’ny ankohonany. Aoriana kelin’izany izy dia mifampitolona amin’ny anjely anankiray izay mitahy azy ary manova ny anarany ho Isiraely. Ravoravo noho ny finoany sy ny fanantenany mafy orina i Isiraely ka manohy monina ao Kanana, ilay Tany nampanantenaina. — Genesisy 24:1 ka hatramin’ny 37:1

Fialonana no manosika ireo zanakalahin’i Jakoba hivarotra an’i Josefa rahalahiny ho andevo. Any Egypta i Josefa dia atao an-tranomaizina noho ny fitoerany amim-pahatokiana sy amim-paherezana mifikitra amin’ireo fitsipika ara-pitondrantena ambonin’Andriamanitra. Kanefa, fotoana fohy aty aoriana dia afahana izy mba hilaza ny hevitry ny nofin’i Farao manambara fito taona zina arahin’ny fito taona mosarena, izay ataony noho ny fanampian’i Jehovah. Vokatr’izany dia notendrena ho mpanapaka ny sakafo i Josefa. Tonga hitady sakafo any Egypta ireo rahalahiny kanefa tsy mahafantatra azy. Rehefa avy nanao fitsapana tamin’izy ireo izy dia mamboraka aminy ny maha-izy azy. Mahita indray ny zanakalahiny, izay noheveriny tsy ho hita intsony i Jakoba mahatoky. Manorim-ponenana ao amin’ny faritra mahavokatr’i Gosena ny fianakavian’ilay patriarka iray manontolo. Eo amin’ny farafara hialany aina i Jakoba no mitsodrano ireo zanakalahiny. Tamin’ny fanaovana toy izany izy dia voatarika hanonona faminaniana iray mamela hanambara mialoha fitahiana lehibe ho an’ireo taonjato ho avy; lazainy tokoa fa ny tehim-panjakana sy ny tehina fanapahana tsy hiala amin’i Joda mandra-pahatongan’i Silo. Ireo sisa tavela amin’i Jakoba dia nentina tany Kanana mba halevina any. Farany dia maty i Josefa rehefa 110 taona; asiana menaka manitra ny fatiny hahafahana mitondra azy indray any amin’ny Tany nampanantenaina, indray andro any. — Genesisy 37:2 ka hatramin’ny 50:26; Eksodosy 13:19.

Raha vakinao amim-pitandremana ny Genesisy dia handray tombontsoa lehibe tokoa ianao avy amin’io fitantarana ahitana taratry ny finoana, ny fanantenana ary ny faherezana io; kanefa, mety hametraka fanontaniana amin’ny tenanao koa ianao. Ny fandinihana lalindalina kokoa hanaraka angamba no hamaly ny sasantsasany amin’izy ireny.

Izao tontolo izao talohan’ny safodrano

●1:26 — Amin’ny heviny ahoana moa ny olombelona no noforonina araka ny endrik’Andriamanitra?

Tsy mitovy velively amin’ny bikan’Andriamanitra akory ny olona (Deoteronomia 4:15-20). Kanefa kosa natao araka ny endriny sy araka ny tarehiny izy noho izy nomena ireo toetran’Andriamanitra toy ny fahamarinana, ny fahendrena, ny hery ary ny fitiavana (Deotoronomia 32:4; Joba 12:13; Isaia 40:26; I Jaona 4:8). Satria ireo toetra ireo misy koa ao amin’ilay Zanak’Andriamanitra, ny Teny, dia azon’i Jehovah natao tsara ny niteny taminy, tamin’ny filazana hoe “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika.” — Jaona 1:1-3, 14.

●4:17 — Taiza no nahitan’i Kaina ny vadiny?

“Niteraka zazalahy sy zazavavy” i Adama. (Genesisy 5:4.) Tamin’izany i Kaina dia tsy maintsy nanambady ny iray tamin’ireo anabaviny. Taty aoriana ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Isiraelita vao nandrara ny fanambadiana eo amin’ny anadahy sy anabavy. — Levitikosy 18:9.

●6:6 — Amin’ny heviny ahoana moa i Jehovah no ‘nanenina’ noho ny nanaovany ny olona?

Ao amin’io andinin-teny io, ny matoanteny hebreo nadika hoe ‘manenina dia mampiseho fiovana fihetsika, fihetseham-po na hevitra. Noho izy tanteraka dia tsy nanao hadisoana mihitsy i Jehovah rehefa namorona ny olona. Nefa kosa niova marimarina tokoa ny toe-tsainy ny amin’ny taranaka ratsy fanahy velona taloha kelin’ny safodrano. Tsy nifampiraharaha intsony tamin’izy ireny tamin’ny naha-Mpamorona ny olombelona Andriamanitra fa tamin’ny naha-mpandringana kosa noho ny nanomezan‘ny faharatsiam-panahin’ireny alahelo azy. Nalahelo i Jehovah tamin’ny fiheverena ny isan’ny aina ho levona noho ny faharatsiam-panahin’ny olona, kanefa niseho ho voatery handray fepetra izy mba hanajana ireo fotopoto-pitsipiny marina. Afa-tsy izany, ny nanaovan’ny tenany mihitsy izay hiarovana olombelona sasany dia mampiseho fa voafaritra ho an’ireo tonga ratsy tamin’ny fiteny sy ny fanao ny alahelony. — II Petera 2:5, 9.

Miditra ao anatin’ny fanisan-taona vaovao ny olombelona

●8:11 — Raha voafongotry ny safodrano ny hazo rehetra, taiza ilay voromailala no nahita ilay ravin’oliva?

Nety nifaoka hazo maro tokoa ilay safodrano. Na dia izany aza, ny hazon’oliva dia hazo tena mafy fototra. Araka izany àry fa nandritra ny safodrano, ny hazon’oliva iray dia nety ho afaka mbola velona tsara nandritra ny volana vitsivitsy. Rehefa nihena ny rano, ilay hazon’oliva safotry ny rano dia hita indray teo ambonin’ny tany mafy ary afaka nitera-dravina izay hany sisa azon’ilay voromailala nosamborina. Kanefa koa afaka nandray ravina iray avy tamin’ny solofon-kazo mbola tanora anankiray nitsiry taorian’ny fihenan’ny rano izy.

●9:24, 25 — Nahoana moa i Noa no nanozona an’i Kanana kanefa i Hama no tonga meloka noho ny fihetsika ratsy?

Raha ny tokony ho marina dia i Kanana no tafalatsaka tamin’ny fanao ratsy nataony tamin’ny tenan’i Noa, raibeny, ary vavolombelona nahita maso izany i Hama. Toa niolomay nitantara izay nitranga tamin’ny manodidina taminy i Hama zanakalahin’i Noa toy izay hanelanelana; fa i Sema sy Jafeta kosa nanao izay azony natao handrakofana ny fitanjahan-drainy. Vokatr’izany dia nahazo tsodrano ireo. I Kanana izay tokony ho meloka dia voaozona, fa i Hama nahita sy nitantara ilay zava-niseho koa dia niharan’ny kapoky ny henatra nahazo ny zanany. Tsy milaza io zava-nitranga io amin’ny antsipiriany be loatra ny Soratra Masina. Jehovah anefa dia nitarika foana an’i Noa hanonona io faminaniana io sy nanao izay hahatanterahany satria ireo Kananita tsy mba voafongotry ny Isiraelita, taranak’i Sema, dia nanjary andevon’izy ireo. — Josoa 9:23; 1 Mpanjaka 9:21.

●10:25 — Amin’ny heviny ahoana moa ny tany no “nozaraina” tamin’ny andron’i Palega?

Velona tamin’ny 2269 ka hatramin’ny 2030 talohan’ny fanisan-taona iraisana i Palega. Ny hevitry ny anarany dia hoe “fizarana”, ka raha nomena azy hatramin’ny nahaterahany izany, dia noho izy nahaforona ny fanambarana ny amin’ny fizarana nalaza anankiray tsy maintsy nitranga tamin’ny andro nahavelomany. Tamin’ny fotoana nisy azy tsara tokoa no “nizarana ny tany [na “ny mponina tety ambonin’ny tany”]”. Marina tokoa fa ny tantaran’ny Baiboly dia mampiseho fa “tamin’ny androny” dia nanao fizarana lehibe i Jehovah tamin’ny fanorokoroana ny fitenin’ireo mpanorina an’i Babela sy tamin’ny fampielezana azy ireny “ho eny ambonin’ny tany rehetra.” — Genesisy 11:9; Jereo koa 10:1, 6, 8-10; 11:10-17.

Patriarka sasany notohanan’ny finoana tsy azo hozongozonina

●15:13 — Ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana nilaza fa hampahorina 400 taona ny taranak’i Abrama?

Io fotoam-pahoriana io dia nanomboka tamin’ny 1913 talohan’ny fanisan-taona iraisana ary nifarana tamin’ny 1513. Tamin’ny 1913, rehefa notazana Isaka zanakalahin’i Abrahama tamin’ny fahadimy taonany, dia “nihomehy” azy Isimaela rahalahiny hafa reny (tokony ho 19 taona tamin’izany fotoana izany). Hita taratra mazava tsara teo amin’ny fihetsik’i Saraha ny halehiben’izany fanesoana izany. Niangavy mafy tokoa izy io ny handroahana an’i Hagara sy Isimaela zanany lahy, ary nankasitrahan’i Jehovah mihitsy ny hataka nataony (Genesisy 21:8-14; Galatiana 4:29). Tapitra tamin’ny 1513 ireo 400 taom-pijaliana ireo, rehefa nafahana tany Egypta, toerana nanandevozana azy ny Isiraelita.

●19:30-38 — Moa ve Jehovah nanakimpy ny masony tamin’ny fahamamoan’i Lota sy tamin’ny firaisana nananany tamin’ireo zanany vavy anankiroa, dia firaisana niterahany ireo zanakalahiny?

Jehovah dia tsy manala tsiny na ny fandriana amin’ny havana akaiky na ny fimamoana (Levitikosy 18:6, 7, 29; I Korintiana 6:9, 10). Etsy andanin’izany, i Lota, zana-drahalahin’i Abrahama, dia nalahelo mafy tamin’ny “fandikana lalàna” nataon’ny mponina tao Sodoma, ary marina tokoa fa ory ny fony noho ny faniasiavana ara-pitondrantena izay nifangaroan’ny tenany mihitsy, satria Ilay mpandinika ny fo dia nampiseho azy ho toy ny “lehilahy marina”. (II Petera 2:8.) Tsy izany ihany fa matoa ireo zanakavavin’i Lota nampisotro ny rainy, dia satria toa nanahy marina ireo fa tsy hanaiky na oviana na oviana ny hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy taminy izy io raha tsy mamo. Kanefa tamin’ny naha-mpivahiny azy ireo tao amin’ilay tany, dia nino izy ireo fa izany no hany fomba hisorohana ny fahafoanan’ny fianakaviana. Raha miseho ao anatin’ny Baiboly io fitantarana io, dia tsy hoe mba hanomezana fisainana ratsy ny mpamaky, fa mba hilazana mazava tsara kosa ny fatorana ara-pirazanana nampiray ny Moabita sy ny Amonita tamin’ny Isiraelita taranak’i Abrahama.

●28:12, 13 — Inona no hevitr’ilay “tohatra” hitan’i Jakoba tao amin’ny nofy?

Io “tohatra” io (izay angamba nitovy tamin’ny tohatra vita tamin’ny rari-vato) dia nampiseho ny fisian’ny fifandraisana teo amin’ny lanitra sy ny tany. Izy io dia nampiharihary ny andraikitry ny mpanelanelana tanan’ny anjely teo amin’i Jehovah sy ny olombelona nahazo ny fankasitrahany. — Jereo Jaona 1:51.

●31:19 — Inona no anton’ireo terafima nangalarin-Rahely tamin’i Labana?

Ny terafima dia sampy na andriamani-diso. Ny fikarohana natao tany Mesopotamia dia mampiseho fa ireny sarin-javatra ireny dia nanao ny tompony ho mpandova ny fananan’ny fianakaviana. Angamba Rahely nisaintsaina izany sy nihevitra fa nanana zo haka ny terafima izy noho ny fitaka nampiasain’i Labana rainy tamin’i Jakoba vadiny (Genesisy 31:4-16). Na dia izany aza dia tsy misy mihitsy milaza fa efa nanandrana naka ny terafima ho an’ny tenany i Jakoba mba hahazoana ny lovam-pianakaviana. Taty aoriana dia foana ireny sampy ireny rehefa nalevin’i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra natolotry ny ankohonany azy. — Genesisy 35:1-4.

●44:5 — Namantatra ny tsy fantatra tokoa tamin’ny alalan’ny kapoaka fisotroana iray ve i Josefa?

Tapa-kevitra ny hizaha toetra ireo rahalahiny tsy nahafantatra azy i Josefa. Izany no antony nandidiany ny mpanompony hameno sakafo ny lasakan’izy ireo, hametraka ny volan’ny tsirairay avy teo ambavan’ny lasakany sy hanao ny kapoaka volafotsiny teo am-bavan’ny lasakan’i Benjamina. Tamin’ny fanaovana toy izany, dia notadiavin’i Josefa haseho azy ireo ho toy ny mpanapaka firenena iray mpanompo sampy izy. Noho izany, ny kapoaka sy ireo teny notononiny dia anisan’ny hafetsena ankarihary izao. Koa satria mpanompo nahatokin’i Jehovah i Josefa, dia mazava ho azy fa tsy nampiasa io kapoaka io izy mba hamantarana ny tsy fantatra ary mihoatra noho izany izy io dia tsy nangalarin’i Benjamina.

●49:10 — Misy fahasamihafana ve eo amin’ny tehim-panjakana sy ny tehina fanapahana?

Eny. Ny tehim-panjakana dia tehina entin’ny mpanjaka anankiray ho famantarana ny fahefany amin’ny maha-mpanjaka. Fa ny tehina fanapahana kosa dia tehina lavalava kokoa, izay mampiseho ny fahefana hanapaka. Tamin’ny firesahana ireo fitaovana roa ireo, dia tsy isalasalana fa tian’i Jakoba haseho fa ho an’ny fokon’i Joda hatrany ny fahefana sy ny fanapahana mandra-pahatongan’i Silo. Io taranak’i Joda io dia tsy iza fa i Jesosy Kristy, ilay nomen’i Jehovah fiandrianana any an-danitra sady manana ny fahefan’ny mpanjaka sy ny fahefana hanapaka. — Salamo 2:8, 9; Isaia 55:4; Daniela 7:13, 14.

Loharanon’ny finoana, ny fanantenana ary ny faherezana

Ny Genesisy dia tsy azo lavina fa fototry ny finoantsika, ny fanantenantsika ary ny faherezantsika. Izy io tokoa dia mamporisika antsika hatoky an’i Jehovah sy hanantena ilay “taranaka” izay noho izay no tsy maintsy hitahiana ny firenena rehetra (Genesisy 3:15; 22:18). Io boky io koa dia manampy antsika hiatrika ny ho avy amim-paherezana, tahaka ireo vavolombelon’i Jehovah velona fahiny.

Ireny mpanompon’Andriamanitra ireny dia naniry “toerana iray tsara kokoa, izany hoe toerana iray an’ny lanitra” (MN), ary Jehovah dia “nanamboatra tanàna ho an’ireo”. (Hebreo 11:15, 16.) Eny, nibanjina ilay Fanjakana izy ireny. Aoka àry isika, dia isika koa, hametraka ny fitokisantsika amin’io Fanjakana io, sy haneho ny finoana, ny fanantenana ary ny faherezana marina izay nitoeran’ireny vavolombelona taloha ireny.

[[Sary, pejy 23]

Jakoba sy Esao

Josefa

Abrahama sy Isaka

Kaina sy Abela

Noa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara